2020
Paika 7 handresena ny fampiasana ny pôrnôgrafia
Ôktôbra 2020


Ho an’ny tanora

Paika 7 handresena ny fampiasana ny pôrnôgrafia

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Tao anatin’ny fanampiako ireo tanora tokan-tena handresy ny fampiasana tsy hay tohaina ny pôrnôgrafia dia nahita paika vitsivitsy izay mety hanampy anao ihany koa aho.

Sary
flow chart

Sary nalaina tany samin’ny Getty Images

Rehefa natokana ho evekan’ny paroasin’ny tanora tokan-tena iray aho dia nisy filaharana tanora tokan-tena maro tao ivelan’ny varavaran’ny biraoko miandry ny hihaona tamiko. Inona ary hoy ianao ny zavatra noresahanay tao amin’izany dinika sy tafa voalohany izany?

Pôrnôgrafia.

Ary nandritra ireo telo taona manaraka, dia ny fiezahana nanampy ireo tanora tokan-tena handresy fahazarana tsy hay tohaina no tena nosahaniko tamin’ny antsoko, koa fantatro fa nianatra betsaka araka izay azoko nataoko aho. Nifady hanina aho, nivavaka, nandeha tany amin’ny tempoly, nila hevitra tamin’ny mpitarika hafa, namaky ireo loharanom-pitaovana rehetra nisy, nanatrika kilasy fanarenana fiankinan-doha, ary nianatra tamin’ireo izay eo am-piezahana ny ho sitrana. Te hizara hevitra feno fanantenana vitsivitsy aho momba ny zavatra nianarako.

1. Fantaro fa zanaky ny Ray aman-dreny any An-danitra izay tia anao ianao

Raha toa eo am-piezahana ny handresy ny fampiasana tsy hay tohaina ny pôrnôgrafia ianao dia mety hahatsapa tena ho nisintaka ny Ray any An-danitra satria mieritreritra fa tsy mendrika ny hotiavina na hoampiana ianao raha tsy voavaha izany. Izany mihitsy no tian’ny Satana, ny hanala anao amin’ny olona tsirairay izay tia anao amin’ny fanomezana hevitra fa vitanao irery ny mandresy ny pôrnôgrafia ary amin’izay ianao vao ho mendrika ny hotiavina.

Amin’ny maha-taranak’ Andriamanitra anao dia mendrika ny hahazo fanantenana sy fitaomam-panahy ary fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Ray any An-danitra sy avy amin’ny hery manasitran’i Jesoa Kristy foana ianao handresena ny pôrnôgrafia.1 Aza misintaka amin’ireo na amin’ireo olona izay tia anao.

2. Esory ny henatra

Nianatra aho fa ny fanalana ny henatra dia tena zava-dehibe amin’ny fandresena ny pôrnôgrafia. Ny henatra dia ny fahatsapana ho toy ny olona potika, na simba, na ratsy toetra. Ny finoana ireo hevitra manimba momba ny tenanao ireo dia mety hihazona anao tsy ho afaka amin’ny fiankinan-doha. Ny fanenenana amin’ny zavatra nataonao dia ampahany ao amin’ny dingan’ny fibebahana ary afaka manampy anao hanova ny toetranao. Fa ny henatra dia mahatonga anao hahatsapa ho toy ny ratsy avokoa ny toetranao iray manontolo ka tsy afaka ny hahazo ny fanampian’ny Mpamonjy ianao.2

Tian’ny Ray any An-danitra hanana fanantenana feno an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana avy amin’ny Sorommpanavotany ianao. Ny henatra dia mifantoka amin’ny lasa ka mihazona anao ao anatin’ny lainga sy fankahalana tena. Aza mijanona eo amin’ny lalan’ny henatra.

3. Aza maika milaza hoe “miankin-doha”

Maro ny olona no milaza ny tenany ho “miankin-doha” amin’ny pôrnôgrafia. Mampitandrina anao aho mba tsy hampiasa izany filazana izany amin’ny fomba diso amin’ny tenanao. Maro amin’ireo tanora izay manana olana amin’ny pôrnôgrafia no tsy miankin-doha raha ny tena marina.3 Ary ny fampiasana amin’ny fomba diso io fomba filaza io dia mety hahatonga ny fanatsaharana ny fampiasana ny pôrnôgrafia ho sarotra noho ny henatra sy ny fihenan’ny fanantenana ary ny fankahalana tena izay vokatr’izany.

4. Mamoròna drafitry ny tena voasoratra ho fisorohana

Ny drafitry ny tena ho fisorohana dia antontan-taratasy mizara telo izay afaka manampy anao handresy ny pôrnôgrafia.

Fizarana 1: Tanisao ireo zavatra maka fanahy anao. Ny fakam-panahy no dingana voalohany ao amin’ilay hodina mitarika anao hijery pôrnôgrafia.

Misy karazany maro ny fakam-panahy:

  • Toe-java-misy: tontolo miteraka fakam-panahy noho ny eritreritra na fihetsika tamin’ny lasa (toy ny hoe miaraka efitrano iray na amin’ny fotoana manokana ao anatin’ny andro)

  • Adin-tsaina/tebiteby/fahatsapana ho irery/tranga mampivarahontsana: fihetseham-po na toe-javatra sarotra izay maka fanahy anao hitodika any amin’ny pôrnôgrafia ho fomba hialana sy hiatrehana ireo fahatsapana ireo

  • Maso: tojo zavatra tsy misy pôrnôgrafia saingy maka fanahy amin’ny alalan’ny tambazotra ifaneraseana, horonan-tsary, sary, sy ny sisa.

Fizarana 2: Manaova drafitra ny amin’ny fomba hampihenana ny fakam-panahy.

Ohatra: raha misy fakam-panahy ara-toe-java-misy tahaka ny fahatsapana ho marefo amin’ny alina be, dia mety hanampy ny famonoana ny findinao 30 minitra alohan’ny hatoriana na ny fatoriana tsy miaraka amin’ny finday ao amin’ny efitrano fatorianao Raha ny pôrnôgrafia no fomba iray entinao miatrika fahatsapana sarotra dia mitadiava fomba hafa hamehezana izany fahatsapana izany. Afaka mampihena ny adin-tsaina na ny tebiteby ve ny fanatanjahan-tena na ny fanafody? Afaka mampihena ny fahatsapana ho irery ve ny fandehanana mivoaka miaraka amin’ny namana na fisoratana anarana amin’ny kilasin’ny institiota? Eritrereto hoe inona no manahirana anao ary inona no safidy mety hanampy anao.

Ary koa, aza tsinontsinoavina ireo fitaovana ara-panahy. Ny vavaka, ny fandalinana ny soratra masina, ny fanompoana, ary ny fandehanana any am-piangonana sy any amin’ny tempoly dia fitaovana mahery vaika izay tena manan-danja amin’ny fampihenana ny fakam-panahy sy hanampy anao hijanona ho matanjaka.

Fizarana 3: Manaova drafitra ny amin’ny zavatra hataonao rehefa alaim-panahy ianao. Ho an’ny fakam-panahy tsirairay dia manorata drafitra misy ambaratonga maro.

Ohatra, rehefa alaim-panahy ianao dia afaka mamono haingana ny findainao, na mandefa hafatra na miantso olona, na mandeha mivoaka na manao fantanjahan-tena, na mamaky ny Bokin’i Môrmôna, na manao zavatra hafa izay mety hanampy anao hanova ny eritreritrao.

Soraty ireo dingana izay mety aminao! Indraindray ny fakam-panahy dia mandalo fotsiny ary tsy mila manaraka ireo dingana ao amin’ny drafitra fisorohanao. Fa ireo dingana ataonao dia afaka manampy anao hampitodika avy hatrany ny sainao any an-kafa. Raha vantany vao lasa ilay fakam-panahy dia ampio amin’izay zavatra nahomby ny drafitrao sy ny fomba azo hanovana izany mba hahomby kokoa amin’ny manaraka. Ataovy amin’ny toerana izay ahafahanao mahita izany isan’andro izany.

Sary
flow chart part 2

5. Fantaro ny mampiavaka ny lavo sy ny mivarilavo

Ny hoe lavo dia rehefa manao fahadisoana ianao ka miarina haingana ary mampiasa izany ho traikefa mampianatra mba hanatsarana ny drafitra fisorohanao. Ny hoe mivarilavo dia rehefa milavo lefona ianao sy manao ny ataonao ary tsy miraharaha.

Fantaro fa ny fahalavoana dia tafiditra ao amin’ny fanatsarana ny drafitra fisorohanao. Aza mieritreritra hoe very avokoa ny fandrosoana vitanao na hoe tsy misy dikany ny ezaka rehetra efa vitanao, satria tena manan-danja izany. Banjino amin’ny toe-tsaina tsara ny hoavy ary fantaro fa efa akaiky ho sitrana ianao.

Raha toa ka lavo ianao dia manontania tena hoe:

  • Inona no nitranga?

  • Inona no hafa tamin’ity fakam-panahy ity?

  • Nanana adin-tsaina angaha ianao tato ato? Nanao ahoana ny fihetseham-ponao?

  • Nanimba anao ve ny fandehanana fotoana kely tsy nandalina ny soratra masina?

  • Tsy efa nanao fanazaran-tena be ve ianao vao haingana?

  • Misy zavatra tsy manampy ve ao amin’ny drafitra fisorohanao?

  • Inona no azonao ovaina ka hoataonao amin’ny manaraka?

Soraty ny zavatra ianaranao ary zory hatrany ny dianao!

6. Minoa ny hery manasitran’ny Mpamonjy

I Jesoa Kristy dia afaka manampy anao eo amin’ny fivoaranao amin’ny dingan’ny fibebahana, ary manana ny hery ny hanakafa anao Izy eo am-piezahanao mandresy ny pôrnôgrafia. Takany ny zavatra tsapanao ary miandry ny haka izany enta-mavesatra izany aminao Izy. Aza mieritreritra hoe mihamampavesatra ny enta-mavesany ny fitodihana any Aminy. Efa nefainy ny sarany ho anao. Ataovy izay tsara vitanao, manatòna ny Mpamonjy, ary angataho Izy hanampy anao ho sitrana, sy hanova ny fanirianao, ary hanome anao hery bebe kokoa entina mandroso.

Nampianatra ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Rehefa miezaka tsy tapaka ny handresy ireo olantsika isika, dia hanome antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fananana finoana ho sitrana sy hahavita fahagagana Andriamanitra. Izy no hanao ho antsika ny zavatra tsy vitan’ny tenantsika.”4

7. Aza miady irery

Afaka manome hery sy fanampiana anao mba hahomby ihany koa ny fifandraisana sy ny finamanana. Tokony hanana olona afaka manampy anao ho tompon’andraikitra sy hanampy anao mandritra ireo andro tsara sy ratsy. Tokony hanampy anao amin’ny fomba tsy mitsaratsara anao izy ireo. Ary afaka manohana azy ireo toy izany koa ianao. Mikatsaha torohevitra amin’ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana na ny olona ao amin’ny fianakavianao. Ary raha ilaina, dia afaka manampy anao hahita ireo antony nahatonga anao mety manana fahasarotana amin’ny pôrnôgrafia ny mpitsabo na mpanolotsaina ara-pahasalamana matihanina.

Tsarovy fa ianareo no ho ray aman-dreny sy mpitarika amin’ny atsy ho atsy

Ianareo no taranaka voalohany hiatrika tsy tapaka ny fahafahana mahita pôrnôgrafia. Mino aho fa amin’ny taranaka misy anareo no tena mihombo izany satria hanana fitaovana sy fahendrena tsara kokoa ianareo hitarihana ny hafa hiala amin’io fandrika io rehefa ray aman-dreny sy mpitarika ianareo indray andro any. “Ny [Ray] any An-danitra dia tsy nametraka antsika eto an-tany mba handamoka fa mba hahomby amim-boninahitra.”5

Na dia afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao handresy ny pôrnôgrafia aza ireo paika ireo dia aza matahotra mijery loharano hafa ihany koa. Tsy mitovy ny lalan’ny tsirairay mankany amin’ny fahasitranana. Katsaho izay manampy anao. Aza milavo lefona. Atao tsikelikely izany. Ho vitanao io. Tena ho vitanao tokoa (jereo ny Filipiana 4:13). Dia ho lasa ilay olona tokony hahatongavanao ianao.

Fanamarihana

  1. Rahavavy Joy D. Jones dia nanazava ny maha-samy hafa ny lanja sy ny fahamendrehana ao amin’ny “Fananana lanja tsy hay refesina,” Liahona, nôv. 2017, 14.

  2. Jereo ny Wendy Ulrich, “Tsy fahotana ny fananana fahalemena,” Liahona, apr. 2015, 23; “Shame versus Guilt: Help for Discerning God’s Voice from Satan’s Lies” (digital-only article), Ensign, Jan. 2020.

  3. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Afaka amin’ny fandriky ny pôrnôgrafia,” Liahona, ôkt. 2015, 52. Manazava ny mampiavaka ireo ambaratonga samihafa amin’ny fandraisana anjara amin’ny pôrnôgrafia ny Filoha Oaks: (1) ny fijerena tsy nahy, (2) ny fampiasana tsindraindray, (3) ny fampiasana betsaka ary (4) ny fahazaran-dratsy (fiankinan-doha). Tsara ny mahafantatra hoe tsy izay rehetra mampiasa ny pôrnôgrafia no “miankin-doha.” Misy fanantenana ny amin’ny fandresena ny pôrnôgrafia, na amin’inona na amin’inona dingana misy anao?

  4. Ulisses Soares, “Mitondra ny hazo fijaliantsika,” Liahona, nôv. 2019, 114.

  5. Richard G. Scott, “Learning to Recognize Answers to Prayer,” Ensign, Nov. 1989, 30.