2020
Mbola hihaona aminy isika
Ôktôbra 2020


Mbola hihaona aminy isika

Izaho sy ny vadiko dia teo am-pikasana hofehezina, saingy izany ôrdônansy masina izany dia ho lehibe lavitra noho ny neritreretanay azy.

Sary
photo of baby and temple

Sary nataon’i Joshua Dennis

Rehefa nanantena sy naniry zanaka nandritra ny fito taona izahay dia notahiana ihany izaho sy ny vadiko nony farany ka nahazo zazavavy kely iray. I Alicie no fahazavan’ny fiainanay, saingy dimy volana monja izy no velona dia matin’ny pnemônia.

Izany no zavatra mafy indrindra niainako teo amin’ny fiainako. Isan’andro aho rehefa mody avy miasa dia mipetraka ary mitomany. Miara-mipetraka amiko matetika ireo rafozako mba hanome fankaherezana ahy. Nivavaka hatrany aho mba hahazo zanaka hafa, saingy tsy nahazo izany. Very tao anaty alahelo aho.

Nanomboka namporisika ahy sy ny vadiko handeha any amin’ny Tempolin’i Suva Fidji mba hofehezina ireo rafozako. Mbola tsy tany amin’ny tempoly izahay, ka dia nanapa-kevitra izahay fa izany no fomba tsara indrindra hahitana fanantenana sy fanasitranana ho anay.

Tsy nisy na inona na inona afaka nanomana ahy tamin’ny zavatra tsapako tamin’io andro io! Fantatro fa izaho sy ny vadiko dia ho voafehy mandritra ny mandrakizay. Izany fahalalana izany dia nahatonga ahy ho feno fankasitrahana sy fitiavana. Tsy takatro anefa fa izany ôrdônansy masina izany dia hisy fiantraikany aminay mihoatra noho ny neritreretanay azy.

Tao amin’ny tempoly dia nianatra aho fa azo fehezina miaraka aminay i Alicie. Nandrotsaka ranomasom-pifaliana aho rehefa lasa nahafantatra an’io fotopampianarana masina io. Hiaraka aminay amin’ny mandrakizay manontolo ilay zanakay vavy! Mijoro ho vavolombelona aho fa Andriamanitra dia nanome izay rehetra ilaina ho an’ny fahasambarana ao amin’ny tranony masina.

Taona maro taty aoriana dia notahiana izaho sy ny vadiko amin’ny fananana zanakalahy anankiray ary zaza natsangana anakintelo. Tsy hadinonay mihitsy anefa i Alicie. Noho ireo ôrdônansin’ny tempoly dia mpikambana ao amin’ny fianakavianay mandrakizay ilay zanakay vavy.

Rehefa mihaona amin’olona very zanaka aho dia mahatsapa ny fanaintainany miaraka aminy. Saingy fantatro ihany koa anefa fa tsy izany fanaintainana izany no fiafarana. Tamin’ny alalan’ny namerezako an’i Alicie, ary koa tamin’ny alalan’ireo fitsapana hafa, dia fantatro fa eo Andriamanitra ho ahy. Rehefa mihakivy na mitaraina noho ny zava-miseho aho dia fantatro fa eo foana Andriamanitra.

Fantatro fa hahita an’i Alicie indray aho, ary izany fahamarinana izany dia mitohy mitondra fifaliana lalina ho ahy sy ny vadiko hatrany.