2020
Mitovy ve ny fiankinan-doha sy ny fikomiana?
Ôktôbra 2020


Ho an’ny tanora

Mitovy ve ny fiankinan-doha sy ny fikomiana?

Monina any Texas Etazonia ny mpanoratra.

Ny fahatakarana tsara ny fiankinan-doha dia afaka manampy antsika hatoky fa indray andro any ny Tompo dia hanafaka antsika amin’ny fatorana.

Sary
illustration of flowers

Ao amin’izao tontolo lavo izao ny fiankinan-doha dia zavatra mahasorena ary zava-misy manova ny fiainana ho an’ny olona sasany. Rehefa mampiasa zavatra amin’ny fomba tafahoatra mba hialana amin’ny fiainana isika, toy ny sakafo, ny zava-mahadomelina, ny tambazotra ifaneraserana, ny fifosafosana, ny pôrnôgrafia, ny lainga, ny filokana, ary na dia ny fanatanjahan-tena ihany koa aza, dia mety ho lasa tafalatsaka ao anatin’ny fiankinan-doha isika.

Raha nijery ireo olona mahafinaritra sy be fitiavana manodidina ahy aho, izay mitolona amin’ny fiankinan-doha mihitsy fa tsy hoe lavo noho ny safidy tsy nety natao fotsiny, dia nitodika tany amin’ny soratra masina sy ireo fikarohana ankehitriny momba ny fiankinan-doha aho mba hahatakarako tsara ireo faniriana sy fanerem-batana ara-tsaina ireo.

Ny ahi-dratsin’ny fiankinan-doha

Ny fandehanana ao anatin’ny fiankinan-doha dia toy ny mikarakara zaridaina. Tsy indray mandeha ihany isika no manala ny ahi-dratsy dia hanantena hoe vita izay. Fantatsika fa mbola hisy ahi-dratsy hitsiry, noho izany dia esorintsika tsara matetika ny ahi-dratsy mba hiarovana ireo zava-maniry.

Raha mitolona amin’ny fiankinan-doha isika dia mety ho kivy rehefa tafalatsaka indray na dia efa nibebaka sy nikatsaka fanampiana aza. Mety ho gaga sy sorena isika fa matanjaka tokoa ireo fakam-panahy ireo aorian’ny fotoana tena mahafaly na mampalahelo tokoa. (Tahaka ny ahi-dratsy izay vao mainka maniry rehefa avy nisy rotsak’orana na tafiotra mahery.)

Fiankinan-doha sy fikomiana fanahy iniana

Nahita aho fa ampiasain’i Satana ny fiankinan-doha entina hatao “porofo” fa isika dia olona mpaniry ratsy, na isika dia efa voaozona hatrany am-boalohany, na efa nilavo lefona ny amintsika ny Tompo. Ny devoly dia mampiasa ny henatra mba hanakiviana antsika, ary hamafisiny fa na impiry na impiry isika no mibebaka dia hisy fakam-panahy foana hiseho.

Misy antony maro mahatonga ny olona lasa miankin-doha, saingy ny fiankinan-doha dia manomboka amin’ny fanandramana hanome fahafahampo ny “filana lalina sy tsy voafehy.”1 Noho izany raha toa ny fikomiana ka afaka mitarika amin’ny fiankinan-doha ary ny fiankinan-doha afaka mahatonga fahotana, dia matetika izy ireo no volena sy ampitomboina ao anatin’ny fahalemena fa tsy fikomiana fanahy iniana.2

Soa ihany fa mahafantatra isika fa ny fahalemena dia afaka manome fahafahana antsika hianatra momba ny fahasoavana ary hampiroborobo finoana lalina ny hery manasitran’i Jesoa Kristy.3

Mandrapahafaka amin’ny fatorana

Mahita hevi-baovao isika amin’ny fandehanana sy fandosirana ny fandriky ny fiankinan-doha avy amin’ny vondron’olona roa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà.

Samy voafatitra ireo vondrona roa ireo nandritra ny fotoana naharitra. Samy nahita izy roa ireo fa “tsy nisy lalana nahazoany nanafaka ny tenany” tamin’ny fanandevozana (Môzià 21:5). Samy nitodika tamin’ny Tompo izy ireo mba hitady fanampiana.

Voafatotra ny vahoakan’i Limia noho ny fandikan-dalàna. Tsy nikatsaka ny fanampian’ny Tompo akory izy ireo dia nitolona tamin’ny “fahatezerana” intelo tamin’ny mpampahory azy ireo. Resy izy ireo tamin’ny ady tsirairay. Rehefa nanomboka nanetry ny tenany izy ireo dia, “nitaredretra tamin’ny fihainoana ny fitalahoany [ny Tompo] … [saingy] nihaino ny fitalahoany [Izy], ary nanomboka nanalefaka ny fon’ny Lamanita, hany ka dia nanomboka nohamaivaniny ny entany” (Môzià 21:15; nampiana fanamafisana). Voatahy izy ireo noho ny fanetrentena nananany izay tsy mitsaha-mitombo, “saingy tsy hitan’ny Tompo ny mahamety ny hanafahana azy hiala amin’ny fanandevozana” raha tsy efa taty aoriana be.

Voafatotra ny vahoakan’i Almà na dia teo aza ny fahamarinan’izy ireo, saingy “namboraka ny tao am-pony [tamin’ Andriamanitra] izy ireo.” Na dia fantatr’ Andriamanitra aza ny fahamarinan’izy ireo dia navelany nisy fotoana nanelanelana ny naha-babo sy ny fanafahana azy ireo. Rehefa niantehitra Taminy foana izy ireo dia nampanantena izy fa “[hohamaivaniny] koa ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo na dia mbola ao anatin’ny famatorana aza ianareo.” Ho setrin’izany dia “nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo rehetra” izy ireo (Môzià 24:12, 14, 15).

Samy nafahana ireo vondrona roa ireo. Ary isika koa dia ampanantenaina fa rehefa mitodika any amin’ny Tompo isika mandritra ny famatorana antsika dia afaka “mijoro ho vavolombelona ny [Aminy] rahatrizay” isika ary “mahalala marina tokoa fa [Izy], Tompo Andriamanitra, dia mamangy ny [olony] ao amin’ny fahoriany” (Môzià 24:14), sy ny fiankinan-dohany!

Manàna fahatokiana

Raha mitolona amin’ny fiankinan-doha ianao dia tsarovy fa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia afaka ny ho tany lonaka io fotoana io hikolokoloana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Rehefa mitombo ny fanetrentenanao dia ho afaka ny hianatra faharetana, fangorahana, fahari-po ary fahalemem-panahy.

Miresaha amin’ireo mpitarika anao ao amin’ny fisoronana sy ireo izay afaka manolotra fanohanana ary ampiasao ireo fitaovana izay nomen’ny Ray any An-danitra mba hanampiana anao hahazo fanafahana. Miantehera amin’ny Tompo. Rehefa manaraka Azy amim-pahavitrihana ianao dia afaka manova io fanamby mahakivy sy mahaketraka io ho lasa fahafahana mahery vaika hanatsarana ara-panahy.4

Hoy ilay Olomasin’ny Andro Farany iray fahiny avy any Australie izay raha nampitaha ny lasany tamin’ny ankehitrininy hoe: “Ny fiainako taloha dia toy ny tany efitra feno ahi-dratsy, tsy ahitana voninkazo mitsiry firy. [Fa] ankehitriny dia efa nanjavona ireo ahi-dratsy ary voninkazo no mamelana eo amin’ny toerany.”5

Rehefa manala ireo ahi-dratsy ao amin’ny zaridainantsika izaho sy ianao ka mitodika any amin’ny Tompo mandritra ireo fitsapana antsika dia hahazo ireo fampanantenana nomena ny vahokan’i Almà manao hoe: “Manàna fahatokiana fa rahampitso Aho dia hanafaka anareo hiala amin’ny famatorana” (Môzià 24:16).

Esory hatrany ny ahi-dratsy, fa ho tsara ny vokatra!

Fanamarihana

  1. Spencer W. Kimball, “Jesus: The Perfect Leader,” Ensign, Aug. 1979, 5.

  2. Jereo ny 1 Korintiana 15:42–44.

  3. Jereo ny 2 Korintiana 12:9; Etera 12:27.

  4. Jereo ny Isaia 51:3.

  5. Martha Maria Humphreys, nindramina ny teniny ao amin’ny Marjorie Newton, Southern Cross Saints: The Mormons in Australia (1991), 158.