2020
“Manana boky mangamanga misy soratra miloko volamana ve ianao?”
Ôktôbra 2020


“Manana boky mangamanga misy soratra miloko volamena ve ianao?”

Taorian’ny nanariako an’ilay boky dia nahaliana ahy ny hahafantatra ny tao anatiny.

Sary
seaag with Book of Mormon inside

Sary nataon’i Greg Newbold

Taona maro lasa izay dia nahazo boky mangamanga misy soratra miloko volamena teo amin’ny fonony aho avy tamin’ireo misiônera nanompo teo amin’ny toby miaramila izay nandraisako fanofanana ho amin’ny asako tao amin’ny tafika amerikana.

Rehefa nanomboka namaky ilay boky aho dia nisy olona nilaza tamiko fa hosoka ilay izy satria nadika avy tao amin’ny Baiboly. Nahatonga ahy hisalasala ny amin’ny fahamarinan’ilay boky izany, saingy notanako ihany izany. Novakiako kely izany dia nataoko anaty kitapoko.

Herintaona mahery taty aoriana dia nanadio ilay kitapoko aho. Hitako ilay boky saingy tsy liana taminy intsony aho ka nariako ilay izy. Saingy fotoana vitsy taty aoriana dia nihaliana bebe kokoa ny amin’izay tao anatin’ilay boky mangamanga misy soratra miloko volamena aho. Fantatro ankehitriny fa avy amin’ny Fanahy izany fahatsapana izany, “izay mitarika hanao ny tsara” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12).

Tamin’ny 2005 dia nisy namako vaovao nanasa ahy hihaino ny misiônera. Tamin’ny voalohany dia nanana fanontaniana sy fisalasalana aho momba ny zavatra nampianarin’izy ireo, saingy natoky tena ireo misiônera ary nanome valiny mitombina tamiko.

Rehefa hitako fa tahaka ireo izay nihaona tamiko taona maro lasa tany aloha ireo misiônera ireo dia nanontaniako tamim-pientanentanana izy ireo hoe: “Manana boky mangamanga misy soratra miloko volamena ve ianareo ry zalahy?”

“Eny, manana izahay” hoy ny navalin’ny iray tamin’izy ireo. “Bokin’i Môrmôna no fiantsoana azy!”

Te hanana mafy ny Bokin’i Môrmôna indray aho. Eny tokoa, tena faly aho fa namaky azy io mihoatra ny indray mandeha tao anatin’ny latsaky ny roa herinandro! Raha namaky sy nivavaka aho dia nahafantatra fa tenin’ Andriamanitra izany.

Nilaza zavatra mifandray tamin’ny zavatra niainako tamin’ny Bokin’i Môrmôna ny Loholona Rubén V. Alliaud nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany: “Izay mpamaky manolo-tena ny handalina izany amin-kitsimpo, miaraka amin’ny fanahin’ny vavaka, dia tsy hianatra fotsiny momba an’i Kristy, fa hianatra koa avy amin’i Kristy, indrindra raha toa ka manapa-kevitra izy ireo ny -hanandrana ny herin’ny teny- [Almà 32:5] ary tsy mandroaka izany hivoaka noho ny tsy finoana noho izay nolazain’ny hafa momba ireo zavatra izay tsy mbola novakian’izy ireo.”1

Tamin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna sy ny fivavahana ary fatokiana ny Fanahy dia nahita zavatra lehibe nitranga tamin’ny fiainako aho.

Fanamarihana

  1. Rubén V. Alliaud, “Hita tamin’ny alalan’ny herin’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, nôv. 2019, 37.