2018
Fandaharam-potoana vaovao ho an’ny 2019
Nôvambra 2018


Fandaharam-potoana vaovao ho an’ny 2019

Manomboka amin’ny janoary 2019 dia isaky ny alahady faharoa sy fahefatra isam-bolana ihany no hanaovana ireo fivorian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana. Ireo fivoriana ireo dia hifantoka amin’ireo hafatra avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra. Ny sosokevitra enti-mampianatra ho an’ireo fivoriana ireo dia hita ao amin’ny laharan’ny Ensign sy Liahona mey sy nôvambra misy ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary koa ao amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile.

Ny fiovana hafa manomboka amin’ny 2019 dia ahitana ireto manaraka ireto:

  • Ny fivorian’ny filankevitra isaky ny alahady voalohany dia hitsahatra. Na izany aza, raha ilaina, dia afaka mampiasa ny ampahany amin’ny fivoriana isaky ny alahady faharoa na fahefatra ireo kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana mba hifampila hevitra momba ana lohahevitra iray manan-danja.

  • Tsy hisy ny fotoana fanokafana izay hiarahan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka na ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Zatovovavy mivory

  • Tsy hatomboka amin’ny hira na vavaka fanokafana ireo fivorian’ny kôlejin’ny Loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana fa hifarana kosa amin’ny vavaka.