2018
Ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiovam-po
Nôvambra 2018


Ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiovam-po

Manangona farany an’i Isiraely isika ary manao izany miaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna izay iray amin’ireo fitaovana tena mahery vaika eo amin’ny fiovam-po.

Maro ny olona ankehitriny no miahiahy mikasika ny fisian’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy. Maro ireo zara raha mahafantatra na tsy mahafantatra mihitsy mikasika ilay drafitry ny fahasambarana lehibeny. Nilaza ny Filoha Ezra Taft Benson 30 taona mahery lasa izay hoe: “Mandà ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy … ny ankamaroan’ny eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Mametra-panontaniana mikasika ilay fahaterahany mahagaga izy ireo, ilay fiainany tonga lafatra ary ny fitsanganany tamin’ny maty tamim-boninahitra izay tena nisy marina.”1

Amin’izao androntsika izao dia tsy hoe mifantoka amin’ny Mpamonjy antsika fotsiny ireo fanontaniana fa amin’ny Fiangonany koa, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Matetika ireo fanontaniana ireo dia mifantoka amin’ny tantaran’ny Fiangonan’ny Mpamonjy na ireo fampianarany na ireo fomba fanao ao anatin’izany.

Manampy antsika hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ny Bokin’i Môrmôna

Hitantsika ao amin’ny Torio ny filazantsarako ny hoe: “Tadidio fa ny fahafantarantsika [ny Ray any An-danitra sy ny drafitry ny fahasambarany] dia avy amin’ireo mpaminany maoderina, i Joseph Smith sy ireo izay nandimby azy, izay mandray fanambarana mivantana avy amin’ Andriamanitra. Noho izany, ny fanontaniana voalohany tokony hovalin’ny olona iray dia ny hoe mpaminany ve i Joseph Smith, ary afaka mamaly izany fanontaniana izany izy amin’ny alalan’ny famakiana sy ny fivavahana momba ny Bokin’i Môrmôna.”2

Ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny fahamasinan’ny antson’ny Mpaminany Joseph Smith dia nihanatanjaka tamin’ny alalan’ny famakiana ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Nandray andraikitra aho teo anatrehan’ny fanasan’i Môrônia mba “hangataka amin’ Andriamanitra, ilay Ray mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy,” mba hahafantarana ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.3 Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fahafantarako fa marina izany. Izany fahalalana izany dia tonga tamiko toy ny ahafahan’izany ho tonga aminao, “amin’ny herin’ny Fanahy Masina.”4.

Milaza ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Ireo izay mandray izany tenivavolombelon’ Andriamanitra [momba ny Bokin’i Môrmôna] izany, avy amin’ny Fanahy Masina dia hanjary hahafantatra koa amin’ny alalan’io hery io ihany fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao, fa i Joseph Smith no mpanambara sy mpaminaniny amin’izao andro farany izao, ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ny Tompo voaorina indray eto an-tany ho fanomanana ny fiavian’i Mesia fanindroany.”5

Fony aho misiônera tanora voantso hanompo tany Chili, dia nianatra lesona manova fiainana mikasika ny herin’ny Bokin’i Môrmôna izay mitondra fiovam-po. Andriamatoa Gonzalez dia nanompo tao anatin’ny andraikitra ambony iray tao amin’ny fiangonany nandritra ny taona maro. Nahavita fiofanana maro momba ny finoana izy ary tafiditra tao anatin’izany ny fahazoany mari-pahaizana momba ny teôlôjia. Azo atao hoe nirehareha izy noho ny fananany fahalalana lehibe mikasika ny Baiboly. Mazava ho azy fa ho anay dia olona manam-pahaizana ara-pinoana izy.

Fantany tsara ireo misiôneran’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany rehefa nanao ny asan’izy ireo tany amin’ny tanàna nipetrahany tany Lima, Pérou izy ireo. Naniry foana ny hihaona amin’izy ireo izy mba hahafahany mampianatra azy ireo mikasika ny Baiboly.

Indray andro, toy ny fanomezana avy any an-danitra izany, raha ny fieritreretany azy, dia nisy misiônera nanakana azy teny an-dalana ary nangataka raha toa izy ireo ka afaka mankany an-tranony sy hizara soratra masina aminy. Tanteraka ilay nofinofiny! Voavaly ny vavaka nataony. Ho afaka ny hanitsy an’ireto zatovolahy voafitaka ireto ihany izy nony farany. Nilaza tamin’izy ireo izy fa ho tena fifaliana ho azy ny hampiantrano azy ireo ka hiresaka mikasika ny soratra masina.

Tsy andriny izay hahatongavan’ilay fotoana. Nivonona ny hampiasa ny Baiboly izy mba hanoherana ny finoan’izy ireo. Natoky izy fa ny Baiboly dia hampiseho mazava tsara ny zavatra diso mikasika ny fampianaran’izy ireo. Tonga ilay alina hihaonana ary nandondona ny varavarana ireo misiônera. Tena faly izy. Tonga ihany ilay fotoana nandrandrainy.

Nosokafany ny varavarana ary nasainy nandroso tao an-tranony ireo misiônera. Nanolotra boky manga iray ho azy ny iray tamin’ireo misiônera ary nijoro ho vavolombelona tamin-kitsim-po izy fa fantany fa ahitana ny tenin’ Andriamanitra ilay boky. Nizara ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika nananany momba ilay boky koa ilay misiônera faharoa, ka nijoro ho vavolombelona fa nadikan’ny mpaminany maoderin’ Andriamanitra izany, izay antsoina hoe Joseph Smith, ary mampianatra momba an’i Kristy izany. Nangata-dalana ny misiônera ary nivoaka ny tranony.

Tena diso fanantenana Andriamatoa Gonzalez. Saingy nosokafany ilay boky ary nanomboka namaky izany izy. Novakiny ny pejy voalohany. Novakiny nifanesy ireo pejy ary tsy nijanona izy raha tsy ny ampitson’izany rehefa hadiva hifarana ny tolakandro. Voavakiny ilay boky manontolo ary fantany fa marina izany. Fantany ny tokony hataony. Nantsoiny ireo misiônera ary nandray ireo lesona izy ary niala tamin’ilay fiainana nahazatra azy mba ho tonga mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Izany lehilahy izany no mpampianatra ahy tao amin’ny Foibe Fanofanana Misiônera tao Provo, Utah. Nisy fiantraikany lehibe tamiko ny tantaran’ny fiovam-pon’ny Rahalahy Gonzalez sy ny herin’ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa tonga tany Chili aho dia nanasa anay ny Filoha Royden J. Glade, filohan’ny misiônako, mba hamaky isan-kerinandro ny fijoroan’ny Mpaminany Joseph Smith ho vavolombelona izay voarakitra tao amin’ny Joseph Smith—Tantara. Nampianatra anay izy fa ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Fahitana Voalohany dia hisy fiantraikany eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananay manokana momba ny filazantsara sy ny fijoroana ho vavolombelona anananay momba ny Bokin’i Môrmôna.

Noraisiko tamim-pahamatorana ilay fanasana nomeny. Novakiko ireo tantaran’ny Fahitana Voalohany. Novakiko ny Bokin’i Môrmôna. Nivavaka araka ny nasain’i Môrônia natao aho ary nangataka “[t]amin’ Andriamanitra, ilay Ray mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy”6 raha marina ny Bokin’i Môrmôna. Mijoro ho vavolombelona aho androany fa fantatro fa ny Bokin’i Môrmôna araka ny nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith no “boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany, sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa.”7 Nanambara koa ny Mpaminany Joseph hoe: “Esory ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanambarana dia aiza ny fivavahantsika? Tsy manana isika.”8

Fiovam-pon’ny tena manokana

Rehefa takasika tsara kokoa hoe iza isika ary rehefa takatsika tsara kokoa ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna dia mihalalina ny fiovam-pontsika ary lasa azo antoka kokoa izany. Mahazo hery isika eo amin’ny fanolorantenantsika hitandrina ireo fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ Andriamanitra.

Ny tanjona voalohan’ny Bokin’i Môrmôna dia ny hanangona an’i Isiraely niely patrana. Izany fanangonana izany dia manome fahafahana an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra hiditra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ary hiverina eo anatrehan’ny Ray amin’ny alalan’ny fanajana ireo fanekempihavanana ireo. Rehefa mampianatra fibebahana sy manao batisa olona niova fo isika, dia manangona an’i Isiraely niely patrana.

Ny Bokin’i Môrmôna dia miresaka in-108 momba ny mpianakavin’i Isiraely. Any am-piandohan’ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra i Nefia hoe: “Fa ny tena fikasako dia ny hahazoako mandresy lahatra ny olona hanatona ny Andriamanitr’i Abrahama sy ny Andriamanitr’i Isaka ary ny Andriamanitr’i Jakoba mba hovonjena.”9 Ny Andriamanitr’i Abrahama sy ny Andriamanitr’i Isaka ary ny Andriamanitr’i Jakoba dia i Jesoa Kristy, ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha. Rehefa manatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara isika dia voavonjy.

Nanoratra i Nefia taty aoriana hoe:

“Eny, niresaka betsaka tokoa ny raiko ny momba ny Jentilisa sy ny momba ny mpianakavin’i Isiraely koa, fa ireo dia tokony hampitahaina amin’ny hazo oliva anankiray izay hotapahina ny rantsany ka haely patrana eran’ny lafiny rehetra amin’ny tany. …

“Ary rehefa avy naely patrana ny mpianakavin’i Isiraely dia hangonina miaraka indray; na, raha fintinina, rehefa avy nandray ny fahafenoan’ny filazantsara ny Jentilisa, ny sampana voajanaharin’ny hazo oliva, na ny sisa tavela amin’ny mpianakavin’i Isiraely, dia hatao grefy, na ho tonga amin’ny fahalalana ny tena Mesia, Tompony sy Mpanavotra azy.”10

Torak’izany koa ny mpaminany Môrônia dia nampahatsiahy antsika any amin’ny faran’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ireo fanekempihavanantsika, raha nilaza hoe: “Mba tsy hahazoana mampiharoharo anao intsony, mba hahazoana manatanteraka ny fanekempihavanan’ny Ray Mandrakizay, izay efa nataony taminao, Ry mpianakavin’i Isiraely.”11

Ireo fanekempihavanan’ny Ray Mandrakizay

Inona “ireo fanekempihavanan’ny Ray Mandrakizay” izay nolazain’i Môrônia? Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Abrahama hoe: …

“Jehovah no anarako, ary fantatro hatramin’ny voalohany ny farany; koa homba anao ny tanako.

“Ary Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe, ary hitahy anao izaitsizy Aho ka hahatonga ny anaranao ho lehibe any anivon’ny firenen-drehetra, ary ianao dia ho fitahiana ho an’ny taranakao any aorianao, ka eo an-tanany no hitondrany ity asa fanompoana ity sy ny Fisoronana ho any amin’ny firenen-drehetra.”12

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra nandritra ny fampitana iray maneran-tany hoe: “Ry rahalahy sy ranabavy tanora malalako isany, izao tokoa no andro farany, ary ny Tompo dia manafaingana ny asany amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Izany fanangonana izany no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin’izany, na amin’ny halehibeny izany, na amin’ny lanjany, na amin’ny hatsarany. Ary raha misafidy ianao, raha tianao izany, dia afaka ny ho mpandray anjara lehibe amin’izany ianao. Afaka ny ho mpandray anjara amin’ny zavatra lehibe iray ianao, zavatra tena goavana, zavatra tena tsara!

“Rehefa miresaka fanangonana isika, dia milaza izao fahamarinana fototra izao tsotra izao isika: ny zanaky ny Raintsika any An-danitra tsirairay avy, ao amin’ny lafin’ny voaly anankiroa, dia mendrika ny hahare ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Manapa-kevitra manokana izy ireo raha toa te hahafantatra misimisy kokoa.”13

Izany no ataontsika amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika: mikatsaka ny hanao izay hahatakaran’izao tontolo izao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika sy izay hiovany fo amin’izany. “Mpanangon’ny andro farany”14 isika. Mazava ny asa anirahana antsika. Ry rahalahy sy ranabavy, aoka isika ho fantatra ho toy ireo nandray am-po ny fampanantenan’i Môrônia, ary nivavaka sy nahazo valiny mba hahafantarana fa marina ny Bokin’i Môrmôna, ary avy eo nizara izany fahalalana izany tamin’ny olona tamin’ny alalan’ny teny, ary ny tena manan-danja, dia tamin’ny alalan’ny asa.

Ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiovam-po

Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.15 Mitondra antsika any amin’ireo fanekempihavanan’ny Ray izany, izay raha voatandrina dia manome antoka ny hahazoantsika ilay fanomezana lehibe indrindra avy Aminy, dia ny fiainana mandrakizay izany.16 Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fiovam-pon’ny zanakalahy sy ny zanakavavin’ny Ray any An-danitra.

Raha hindramina indray ny teny nolazain’ny Filoha Nelson dia hoy izy hoe: “Rehefa … mamaky isan’andro ny Bokin’i Môrmôna ianao dia hianatra momba ny fotopampianaran’ny fanangonana, ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy, ny Sorompanavotany ary ny fahafenoan’ny filazantsarany izay tsy hita ao amin’ny Baiboly. Ny Bokin’i Môrmôna no ivon’ny fanangonana an’i Isiraely. Raha ny tena marina, raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy ho nitranga ny fanangonana an’i Isiraely izay efa nampanantenaina.”17

Mamelà ahy ianareo hamarana amin’ny alalan’ny teny nambaran’ny Mpamonjy rehefa nampianatra ireo Nefita mikasika ireo fitahiana nampanantenaina Izy: “Ary indro, zanaky ny mpaminany ianareo; ary avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely; ary avy amin’ny fanekempihavanana izay efa nataon’ny Ray tamin’ny razanareo, tamin’ny filazana tamin’i Abrahama hoe: Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra amin’ny tany.”18

Mijoro ho vavolombelona aho fa zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra isika, taranak’i Abrahama, mpianakavin’i Isiraely. Manangona farany an’i Isiraely isika ary manao izany miaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna, boky iray izay tena fitaovana mahery vaika eo amin’ny fiovam-po, miaraka amin’ny Fanahin’ny Tompo. Tarihin’ny mpaminanin’ Andriamanitra isika, dia ny Filoha Russell M. Nelson, izay mitarika ny fanangonana an’i Isiraely amin’izao androntsika izao. Marina ny Bokin’i Môrmôna. Nanova ny fiainako izany. Mampanantena anareo aho, toy ny nampanantenain’i Môrônia sy ireo mpaminany maro tao anatin’ny tantara, fa afaka manova ny anao koa izany.19 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson (2014), 129.

  2. “Inona no anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna?” Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera, ed. nohavaozina (2018), lds.org/manual/missionary.

  3. Môrônia 10:4.

  4. Môrônia 10:4.

  5. Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

  6. Môrônia 10:4.

  7. Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

  8. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 196.

  9. 1 Nefia 6:4.

  10. 1 Nefia 10:12, 14.

  11. Môrônia 10:31.

  12. Abrahama 2:8–9.

  13. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 Jone 2018), 4, HopeofIsrael.lds.org.

  14. Jereo ny Jakôba 5:72.

  15. Nampianatra ny Filoha Ezra Taft hoe: “Ny Tompo Tenany mihitsy no nilaza fa ny Bokin’i Môrmôna dia mitahiry ny -fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy- (F&F 20:9). Tsy midika izany hoe mitahiry ny fampianarana rehetra, na ny fotopampianarana nambara rehetra hatramin’izay izany. Fa midika kosa izany fa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no hahitantsika ny fahafenoan’ireo fotopampianarana takina amin’ny famonjena antsika. Ary nampianarina amin’ny fomba mazava sy tsotra izy ireo ka na dia ny zaza madinika aza dia afaka ny hianatra ireo lalan’ny famonjena sy fisandratana” (Teachings: Ezra Taft Benson, 131).

  16. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7.

  17. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” 7.

  18. 3 Nefia 20:25.

  19. Jereo mba hahitana ohatra ny Henry B. Eyring, “The Book of Mormon Will Change Your Life,” Liahona, Feb. 2004, 12–16.