2018
Loholona Brook P. Hales
Nôvambra 2018


Loholona Brook P. Hales

Fitopololahy Manampahefana Ambony

dia Nanatrika fivoriana fifandian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona iray ny Loholona Brook P. Hales fony izy valo na sivy taona, ka ny rainy no eveka mpiahy tao. Nanasa ny mpiangona ny rainy mba hizara fijoroana ho vavolombelona, ary saika nijoro ho vavolombelona izay rehetra nanatrika tao. “Izany angamba ny fotoana voalohany nahatsapako ny Fanahy nijoro ho vavolombelona tamiko ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara,” hoy ny Loholona Hales nitantara.

Nahatsapa imbetsaka izany tenivavolombelona izany izy hatramin’izay, indrindra fa amin’ny maha-mpitantsoratra azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hatramin’ny 2008. Rehefa notohanana ho mpaminany sy Filohan’ny Fiangonana ny Filoha Thomas S. Monson, ary rehefa notohanana koa ny Filoha Russell M. Nelson, dia hitany maso ny “fifindran’ny kapaotin’ny mpaminany teo amin’ireo lehilahy ireo, ary fantatro tsy misy ahiahy fa izy ireo dia nofinidy sy nantsoina mba ho Filohan’ny Fiangonana amin’ny fotoana natokana ho azy ireo.”

Ny Loholona Hales dia nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 17 mey 2018, ary notohanana tamin’ny 6 ôktôbra 2018. Hanohy ny asany amin’ny maha-mpitantsoratra azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izy.

Teraka tao Ogden, Utah, Etazonia tamin’ny 7 aprily 1956, zanak’i Klea sy Glenn Phillip Hales, ny Loholona Hales dia nahazo mari-pahaizana momba ny banky sy ny fitantanam-bola avy tamin’ny Weber State College (Weber State University ankehitriny) tamin’ny 1980. Rehefa vita ny fianarany dia niasa teo amin’ny sehatry ny banky misahana ny varotra izy ary koa tao amin’ny Sampana misahana ny fitantanam-bola sy ny firaketana an’ny Fiangonana. Nanambady an’i Denise Imlay Hales izy tamin’ny 1981 ary manan-janaka efatra izy ireo. Ny Loholona Hales dia efa misiônera tamin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i France Paris, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, eveka, filohan’ny tsatòka, mpitendry ôrgan’ny fisoronana, mpampianatra tao amin’ny Sekoly Alahady, ary mpamehy any amin’ny tempoly.

Tsy nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany ny Loholona Hales tamin’io andro io, izay fony izy zazalahy. Kanefa dia nihanatanjaka hatrany izany hatramin’izay fotoana izay. “Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, marina ny Bokin’i Môrmôna, tia tanteraka sy maika ny hitahy antsika Andriamanitra, i Jesoa no Mpamonjy antsika, ary sambatra isika manana ny Fanahy Masina hiaraka amintsika mandrakariva rehefa mendrika izany isika,” hoy izy.