2018
Ny anarana marin’ny Fiangonana
Nôvambra 2018


Ny anarana marin’ny Fiangonana

I Jesoa Kristy dia nitarika antsika mba hiantso ny Fiangonany amin’ny anarany satria Fiangonany io, ary heniky ny heriny.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, miara-mifaly isika amin’izao andro Sabata mahafinaritra izao noho ireo fitahiana maro be azontsika avy amin’ny Tompo. Tena feno fankasitrahana izahay noho ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, noho ireo fahafoizan-tena izay nataonareo mba hijanona na hiverina amin’ny lalan’ny fanekempihavanany, ary ny asa fanompoanareo feno fanolorantena ao amin’ny Fiangonany.

Mahatsapa aho anio fa voatery hiresaka aminareo lohahevitra iray izay tena manan-danja be tokoa. Herinandro maromaro izay dia namoaka fanambarana iray mikasika ny fiantsoana ny Fiangonana amin’ny anarany marina aho.1 Nataoko izany satria ny Tompo dia nampahafantatra ahy ny lanjan’ny anarana izay nomeny ho an’ny Fiangonany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.2

Araka ny mety ho efa neritreretinareo, dia nifangaro ny nandraisan’ny olona izany fanambarana izany sy ilay torolalana momba ny fomba fanaovana izany nohavaozina3. Mpikambana maro no nanitsy avy hatrany ny anaran’ny Fiangonana ao amin’ny bilaogin’izy ireo sy ny pejin’ny tambazotran-tseraseran’izy ireo. Ny sasany dia nanontany tena hoe nahoana, eo anatrehan’ny zava-drehetra izay mitranga eo amin’izao tontolo izao no nilaina ny hanamafisana zavatra izay toa “tsy misy dikany.” Ny olona sasany dia nilaza fa tsy ho azo tanterahina izany, koa inona no antony anandramana? Mamelà ahy hanazava ny antony iraharahantsika lalina mikasika ity olana ity. Fa voalohany kosa dia mamelà ahy hilaza ny zavatra izay tsy misy ifandraisan’ity ezaka ity:

  • Izany dia tsy fanovana anarana tsy akory.

  • Izany dia tsy fanovana marika.

  • Izany dia tsy ivelany fotsiny.

  • Izany dia tsy zavatra natao tsy tamim-piheverana.

  • Ary izany dia tsy hoe zavatra tsy misy dikany.

Fa izany dia fanitsiana kosa. Izany dia didin’ny Tompo. Tsy i Joseph Smith no nanome anarana ilay Fiangonana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalany; tsy nanao izany koa i Môrmôna. Ny Mpamonjy Izy tenany mihitsy no niteny hoe: “Satria toa izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ny andro farany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.”4

Eny na dia talohalohan’izany aza, tamin’ny taona 34 taorian’i Jesoa Kristy, ny Tompontsika izay efa nitsangana tamin’ny maty dia nanome torolalana mitovy amin’izany ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonany rehefa namangy azy ireo tao Amerika Izy. Niteny toy izao izy tamin’izany fotoana izany:

“Koa, hantsoinareo amin’ny anarako ny fiangonana. …

“Ary ahoana no maha-fiangonako azy raha tsy antsoina amin’ny anarako izy? Fa raha antsoina amin’ny anaran’i Mosesy ny fiangonana iray, dia fiangonan’i Mosesy izy amin’izany; na raha antsoina amin’ny anaran’ny olona iray izy, dia fiangonan’io olona io izy amin’izany; fa raha antsoina amin’ny anarako kosa izy, dia fiangonako izy amin’izany.”5

Noho izany, ny anaran’ny Fiangonana dia tsy azo ovaina. Rehefa milaza mazava ny anarana tokony hiantsoana ny Fiangonany ny Mpamonjy, ary manomboka mihitsy ny fanambarany amin’ny hoe “Toy izany no hiantsoana ny fiangonako,” dia matotra Izy izay. Ary rehefa mamela ireo anaram-bosotra ho ampiasaina na manomboka mampiasa na mamporisika ny fampiasana ireo anaram-bosotra ireo isika, dia tohina Izy.

Inona no lanjan’ny anarana iray na ny anaram-bosotra iray amin’ity toe-javatra ity? Amin’ny resaka anaram-bosotry ny Fiangonana, toy ny “Église SDJ,” ny “Fiangonana Môrmôna,” na ny “Fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany,” ny tena manan-danja indrindra ao anatin’izany anarana izany dia ny fahabangan’ny anaran’ny Mpamonjy. Ny fanesorana ny anaran’ny Tompo amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia fandresena lehibe ho an’i Satana; Rehefa tsy mampiasa ny anaran’ny Mpamonjy isika dia mandà tsimoramora ny zava-drehetra izay nataon’i Jesoa Kristy ho antsika, dia ny Sorompanavotany izany.

Diniho amin’ny fomba fijeriny izany: Talohan’ny nahaterahana dia Jehovah Izy, ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha. Izy no Mpamorona an’izao tontolo izao sy ny tontolo maro hafa, teo ambany fitarihan’ny Rainy.6 Nisafidy ny hanaiky ny sitrapon’ny Rainy Izy sy ny hanao zavatra ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra izay tsy misy olon-kafa afaka manao! Nandao ny voninahiny mba ho tonga ety an-tany amin’ny maha-Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo Izy ka notevatevaina, noesoina sy nororaina, ary nokapohina tamin-kabibiana. Tao amin’ny Sahan’i Getsemane, ny Mpamonjintsika dia nitondra teo Aminy ny fanaintainana rehetra sy ny fahotana rehetra ary ny alahelo sy ny fijaliana rehetra izay mety holalovanao sy izaho ary ny olona tsirairay izay efa niaina na mbola hiaina. Teo ambanin’ny vesatr’izany zioga mangirifiry izany dia nivoa-dra ny maso-kodiny rehetra.7 Izany fijaliana rehetra izany dia nihamafy rehefa nohomboina tamin-kabibiana teo amin’ny hazo fijalian’i Kalvary Izy.

Tamin’ny alalan’ireo traikefa mangirifiry ireo sy ny Fitsanganany tamin’ny maty avy eo, izany hoe ny Sorompanavotany tsy manam-petra no nanomezany ny tsy fahafatesana ho an’ny rehetra Izy, sy nanavotany ny tsirairay amintsika tamin’ireo vokatry ny fahotana, raha toa isika ka mibebaka.

Taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny fahafatesan’ireo Apôstôliny, dia tafiditra tao anatin’ny fahamaizinana an-jato taonany maro izao tontolo izao. Avy eo tamin’ny taona 1820, dia niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany, mba hanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Tompo.

Taorian’ny zava-drehetra izay niaretany, sy noho ny zava-drehetra izay vitany ho an’ny olombelona rehetra, dia fantatro amin’ny alahelo lalina tokoa fa nekentsika tsy nahy ny hiantsoana amin’ny anarana hafa ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny, anarana izay manaisotra ny anarana masin’i Jesoa Kristy ny tsirairay avy aminy!

Rehefa mandray am-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isika isaky ny alahady, dia manavao ny fampanantenana masina nataontsika tamin’ ny Ray any An-danitra fa isika dia vonona ny hitondra eo amintsika ny anaran’ny Zanany lahy, Jesoa Kristy.8 Mampanantena ny hanara-dia Azy isika, hibebaka, hitandrina ny didiny, ary hahatsiaro Azy mandrakariva.

Rehefa esorintsika hiala amin’ny anaran’ny Fiangonany ny anaran’i Jesoa Kristy, dia manaisotra tsy nahy Azy amin’ny maha-ivo ifantohan’ny fiainantsika Azy isika.

Tafiditra ao anatin’ny fitondrana ny anaran’ny Tompo eo amintsika ny fanambarana sy ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny hafa amin’ny alalan’ireo asantsika sy ireo tenintsika fa i Jesoa no Kristy. Natahotra loatra ve isika ny hanafintohina olona iray izay niantso antsika hoe “Môrmôna” hany ka tsy nahavita niaro ny Mpamonjy Izy tenany, ny hiaro Azy eny dia ny amin’ny anarana izay iantsoana ny Fiangonany?

Raha toa isika te higoka ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-vahoaka sy olona tsirairay antsika, mba hanadio sy hanasitrana antsika, hankahery sy hanome lanja antsika, ary amin’ny farany dia hanandratra antsika, dia mazava ho azy fa mila manaiky Azy ho ny loharanon’izany hery izany isika. Afaka manomboka amin’ny fiantsoana ny Fiangonany amin’ny anarana izay nomeny isika.

Ho an’ny maro amin’izao tontolo izao, ankehitriny ny Fiangonan’ny Tompo dia voasarona tamin’ny hoe: “Fiangonana Môrmôna.” Fa isika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo antsika dia mahafantatra hoe iza no lohan’ny Fiangonana: Jesoa Kristy Izy tenany. Indrisy anefa, fa maro amin’ireo izay maheno ilay teny hoe Môrmôna no mety hihevitra fa manompo an’i Môrmôna isika. Tsy marina izany! Manaja sy manome lanjany izany mpaminany Amerikanina fahiny lehibe izany isika.9 Saingy tsy mpianatr’i Môrmôna isika. Mpianatry ny Tompo Isika.

Tany am-piandohan’ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny, ny teny toy ny hoe Fiangonana Môrmôna sy Môrmôna10 dia nampiasaina matetika ho anaram-petaka, toy ny teny mandratra, teny manafintohina, natao mba hanafenana ny herin’ Andriamanitra amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao.11

Ry rahalahy sy ranabavy, maro ireo antony omen’izao tontolo izao entina hanoherana ny famerenana amin’ny laoniny ny anarana marin’ny Fiangonana. Noho ny tontolo nomerika izay iainantsika, sy miaraka amin’ny fanatsarana ireo maoteram-pikarohana izay manampy antsika rehetra hahita ireo fampahalalana ilaintsika saika ho araka ny fotoana ilantsika azy avy hatrany, anisan’izany ny fampahalalana mahakasika ny Fiangonan’ny Tompo, ireo mpitsikera dia milaza fa tsy mety ny hanitsiana izany amin’izao fotoana izao. Ny hafa dia mahatsapa fa satria efa fantatry ny maro amin’ny hoe “Môrmôna” sy amin’ny hoe ny “Fiangonana Môrmôna,” isika dia tokony hionona amin’izany.

Raha toa izao ka fifanakalozan-kevitra momba ny fanomezana marika ny fikambanana noforonin’olombelona iray, dia ho nandresy ireo antony ireo. Fa amin’ity raharaha manan-danja ity, dia mijery Azy izay tompon’ity Fiangonana ity isika ary manaiky fa ny lalan’ny Tompo dia tsy, ary dia tsy ho lalan’olombelona na oviana na oviana. Raha toa ka hanana faharetana isika ary raha toa ka hanatontosa tsara ny anjarantsika isika, dia hitarika antsika amin’ity andraikitra manan-danja ity ny Tompo. Fantatsika rahateo fa ny Tompo dia manampy ireo izay mikatsaka ny hanao ny sitrapony, tahaka ny nanampiany an’i Nefia hanatontosa ny andraikitra hanorina sambo iray mba hiampitana ny ranomasina.12

Tiantsika ny mba ho mahalala fomba sy hanana faharetana ao amin’ny ezaka ataontsika mba hanitsy ireo hadisoana ireo. Ny haino aman-jery tompon’andraikitra dia hanana fahatakarana eo am-pamaliana ny fangatahantsika.

Tamin’ny fihaonambe maneran-tany iray teo aloha, ny Loholona Benjamin De Hoyos dia niresaka mikasika tranga iray toy izany. Hoy izy:

“Taona maro lasa izay, nandritra ny fiasako tao amin’ny birao misahana ny seraseran’ny Fiangonana amin’ny any ivelany tany Mexique, dia nasaina [aho sy ny mpiara-mitory iray] handray anjara amin’ny valan-dresaka tao amin’ny fampielezam-peo iray. … Nanontany [anay ny iray tamin’ireo mpitantana ny fandaharana] hoe, “Fa nahoana no lavabe tahaka izany ny anaran’ny Fiangonana? …”

“Nitsiky izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko tamin’izany fanontaniana mahafinaritra izany ary dia nanomboka nanazava fa ny anaran’ny Fiangonana dia tsy nosafidian’olombelona. Nomen’ny Mpamonjy izany. … Namaly avy hatrany sady tamim-panajana ilay mpitantana ny fandaharana nanao hoe: ‘Amim-pifaliana lehibe izany no hamerenanay azy.”13

Izany tatitra izany dia manome maodely. Ny tsirairay avy amin’ireo ezaka farany tsara indrindra ataon’ny tsirairay dia ho takina mba hanitsiana ireo hadisoana izay lasa nekena nandritra ny taona maro.14 Mety hanaraka na tsia ny fitarihantsika amin’ny fiantsoana antsika amin’ny anarana marina izao tontolo izao. Fa tsy manana ny rariny isika raha toa ka sosotra rehefa miantso ny Fiangonana sy ny mpikambany amin’ny anarana diso ny ankabetsahan’izao tontolo izao raha isika aza miantso ny Fiangonana amin’ny anaran-diso.

Ny torolalana momba ny fomba fanaovana izany izay nohavaozina dia manampy tokoa. Milaza izany fa “Amin’ny fotoana voalohany hilazana azy dia tsara kokoa ny mampiasa ny anarana fenon’ny Fiangonana hoe: ‘Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.’ Rehefa ilaina ny milaza azy amin’ny endriny fohy [faharoa], dia amporisihana ny fampiasana ny teny hoe “ny Fiangonana” na ny “Fiangonan’i Jesoa Kristy.” Ny-Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny-ihany koa dia marina sy amporisihina.”15

Raha toa ka misy olona manontany hoe: “Môrmôna ve ianao?” dia afaka mamaly ianao hoe: “Raha toa ka manontany ahy ianao raha mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ny Andro Farany aho, dia eny, izany tokoa aho!”

Raha misy olona manontany hoe “Olomasin’ny Andro Farany ve ianao?”16 dia afaka mamaly toy izao ianao, “Eny, izany tokoa aho. Mino an’i Jesoa Kristy aho ary izaho dia mpikamban’ny Fiangonany izay naverina tamin’ny laoniny.”

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, mampanantena anareo aho fa raha toa isika ka hanao ny tsara indrindra vitantsika mba hamerina amin’ny laoniny ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo, Izy izay tompon’ity Fiangonana ity no handrotsaka ny heriny sy ireo fitahiany amin’ny lohan’ireo Olomasin’ny Andro Farany,17 toy izay mbola tsy fahitantsika. Hanana ny fahalalana sy ny herin’ Andriamanitra isika mba hanampy antsika hitondra ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny manerana ny firenena ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra mba hanampy amin’ny fanomanana an’izao tontoIo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.

Noho izany, inona no lanjan’ny anarana iray? Rehefa ny anaran’ny Fiangonan’ny Tompo no resahina, ny valiny dia “Ny zava-drehetra!” I Jesoa Kristy dia nitarika antsika mba hiantso ny Fiangonany amin’ny anarany satria Fiangonany io, ary heniky ny heriny.

Fantatro fa velona Andriamanitra. I Jesoa no Kristy. Mitarika ny Fiangonany Izy ankehitriny. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Ny Tompo dia nampahafantatra ahy ny lanjan’ny anarana izay nomeny ho an’ny Fiangonany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany. Manana asa atao isika mba hanao izay hampifanaraka antsika amin’ny sitrapony. Tamin’ny herinandro maromaro vao tsy ela izay dia ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana maro sy departemanta maro no efa nanomboka ireo dingana ilaina mba hanantontosana izany. Ho azo amin’ireo volana ho avy manaraka ny fampahalalana fanampiny mahakasika ity zavatra manan-danja ity” (Russell M. Nelson, ao amin’ny “The Name of the Church” [fanambarana ofisialy, 16 aog. 2018], mormonnewsroom.org).

  2. Ireo Filohan’ny Fiangonana teo aloha dia efa nanao fangatahana mitovy amin’izany. Ohatra, nilaza toy izao ny Filoha George Albert Smith: “Aza mandiso fanantenana ny Tompo amin’ny fiantsoana ity hoe ny Fiangonana Môrmôna. Tsy niantso izany hoe ny Fiangonana Môrmôna Izy” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1948, 160).

  3. Jereo ny “Style Guide—The Name of the Church,” mormonnewsroom.org.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4.

  5. 3 Nefia 27:7–8.

  6. Jereo ny Mosesy 1:33.

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18.

  8. Jereo ny Môrônia 4:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 77.

  9. I Môrmôna dia iray tamin’ireo mpanoratra lehibe efatra ao amin’ny Bokin’ny Môrmôna, ireo hafa dia i Nefia, sy i Jakôba, ary i Môrônia. Izy rehetra dia vavolombelona nahita maso ny Tompo avokoa, toy ilay mpandika teniny nentanim-panahy, ny Mpaminany Joseph Smith.

  10. Eny na dia ny teny hoe Môrmônita aza dia anisan’ny teny fanesoana izay nampiasaina (jereo ny Histoire de l’Eglise, 2:62–63, 126).

  11. Nisy anaram-petaka hafa ihany koa nampiasaina tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. Nandritra ny fitsarana ny Apôstôly Paoly teo anoloan’i Feliksa, dia nolazaina fa “izy no tari-dalan’ilay antoko atao hoe Nazarena.” (Asan’ny Apôstôly 24:5). Mikasika ny fampiasana ny andian-teny hoe “ny amin’ny Nazarena,” dia nisy mpaneho hevitra iray nanoratra hoe: “Izany dia anarana izay nomena matetika ny Kristianina ho fanamavoana azy ireo. Nantsoina toy izany izy ireo satria i Jesoa dia avy any Nazareta” (Albert Barnes, Notes, Explanatory and Practical, on the Acts of the Apostles [1937], 313).

    Mifanindranindran-dalana amin’izany, nisy fanehoan-kevitra iray izay milaza fa: “Toy ny Tompontsika izay nambaniana tamin’ny niantsoana Azy hoe-Ilay Nazarena- (Mat. xxvi. 71), noho izany dia nantsoin’ireo Jiosy ho ‘Nazarena’ ireo mpianany. Tsy neken’izy ireo ho Kristianina izy ireo, izany hoe mpianatry ny Mesia” (The Pulpit Commentary: The Acts of the Apostles, ed. H. D. M. Spence and Joseph S. Exell [1884], 2:231).

    Mitovy amin’izany ihany koa, ny Loholona Neal A. Maxwell dia nanao fanamarihana toy izao: “Manerana ny tantaran’ny soratra masina, dia mahita isika fiverimberenan’ny fihezahana ny hanambany ireo mpaminany mba handrohahana azy ireny, mbahametahana anarana azy ireny entinahanambaniana azy ireny. Ny ankamaroany, anefa, dia tsy raharahian’ny olona ankehitriny sy ny tantara tsy ara-pivavahana. Ny Kristianina tany am-boalohany raha teo koa moa dia nantsoina fotsiny hoe-ny antokom-pivavahana Nazarena.- (Asan’ny Apostly 24:5.)” (“Out of Obscurity,” Ensign, Nôv. 1984, 10).

  12. Jereo ny 1 Nefia 18:1–2.

  13. Benjamín De Hoyos, “Nantsoina ho Olomasina,” Liahona, mey 2011, 106.

  14. Raha toa isika ka tsy mahafehy ny fomba mety hiantsoan’ny olon-kafa antsika, isika dia afaka mifehy tanteraka ny fomba izay hilazantsika ny tenantsika. Ahoana no fomba hahafahantsika manantena ny hafa hanaja ny anarana marin’ny Fiangonana raha toa ka isika izay mpikambany dia tsy mahavita manao izany?

  15. Style Guide—The Name of the Church,” mormonnewsroom.org.

  16. Ny teny hoe olomasina dia ampiasaina matetika ao amin’ny Baiboly Masina. Ao amin’ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ireo Efesiana, ohatra, dia nampiasa ny teny hoe olomasina izy farafaha-keliny indray mandeha isaky ny toko iray. Ny hoe olomasina dia ny olona iray izay mino an’i Jesoa Kristy ary miezaka ny hanaraka Azy.

  17. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:33.