2018
Andao hihaino ny feon’ny mpaminany
Nôvambra 2018


Andao hihaino ny feon’ny mpaminany

Rehefa aorintsika eo amin’ny fiainantsika ny fahazarana mihaino sy manaraka ny feon’ireo mpaminany velona dia hijinja ireo fitahiana mandrakizay nampanantenaina.

Raha niresaka momba ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Tompo, dia nanambara Izy hoe:

“Ary ankoatra izany, ny adidin’ny Filohan’ny anjara fanompoan’ny Fisoronana Avo dia ny miahy ny fiangonana manontolo ary ny hitovy amin’i Mosesy—

“… Eny, ny ho mpahita, mpanambara, mpandika teny ary mpaminany, manana ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra rehetra, izay natolony ho an’ny filohan’ny fiangonana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:91–92; nampiana fanamafisana).

Nanana tombontsoa hahita maso ny sasany tamin’ireo fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra teo amin’ireo mpaminaniny aho. Mamelà ahy hizara aminareo ny iray amin’izany zavatra tena masina izany. Talohan’ny antsoko amin’izao fotoana izao, dia nanampy teo amin’ny fitadiavana toerana hisy ireo tempoly hatsangana sy teo amin’ny fandrosoana hevitra momba izany ny tenako. Taorian’ny 11 septambra 2001 dia lasa nofehezina kokoa ny fidirana ireo sisin-tany Amerikanina. Vokatr’izany dia adiny roa na telo no lanin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehefa handeha hanao izany fidirana izany miainga avy any Vancouver, Canada, rehefa handeha any amin’ny tempolin’i Seattle Washington. Ny Filoha Gordon B. Hinckley, Filohan’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany, dia nandroso hevitra fa ny fisian’ny tempoly iray ao Vancouver dia hitahy ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nankatoavina ny fikarohana toerana iray ho an’izany, ary rehefa avy nandinika toerana maromaro izay an’ny Fiangonana izahay, dia nisy toerana hafa izay tsy an’ny Fiangonana nozahana koa.

Nahita toerana mahafinaritra iray izahay, izay efa voatokana hanorenana trano fivavahana, no eo akaikin’ilay lalambe izay mamakivaky ireo faritany Kanadianina rehetra. Tena mora ny fidirana ao amin’ilay toerana, izay feno hazo kesika Kanadianina tsara tarehy, ary toerana misongadina izany ka afaka mahita azy tsara ireo mpamily fiara an’arivony maro izay mandalo.

Narosonay tamin’ny alalan’ny sary sy sarintany ilay toerana nandritra ny fivoriana isam-bolana fanaon’ny Kômity misahana ny tany hananganana tempoly. Neken’ny Filoha Hinckley ny hanaovanay tolotra mba hividy ilay toerana sy ny hamitanay ireo fanadihadiana rehetra ilaina. Ny volana desambra tao anatin’io taona io dia nanao tatitra tamin’ny kômity izahay fa vita ireo fanadihadiana, ary nanao fangatahana ny mba hankatoavana ny fividianana ilay toerana izahay. Rehefa nahare ny tatitra nataonay ny Filoha Hinckley, dia nilaza izy hoe: “Mahatsapa aho fa tokony hijery ilay toerana.”

Taty aoriana nandritra io volana io, roa andro taorian’ny Krismasy, dia nandeha tany Vancouver niaraka tamin’ny Filoha Hinckley; ny Filoha Thomas S. Monson; ary i Bill Williams, izay mpahairafitry ny tempoly izahay. Nihaona tamin’i Paul Christensen, filohan’ny tsatòka tao an-toerana izahay, izay nitondra anay nankany amin’ilay toerana. Somary nanorana sy nisy zavona ny andro tamin’io, saingy nitsambikina niala ilay fiara ny Filoha Hinckley ary nanomboka nitetitety ilay toerana.

Rehefa avy nandany fotoana nijery ilay toerana izahay dia nanontaniako ny Filoha Hinckley raha toa maniry ny hijery ireo toerana hafa sasany izay neritreretina ihany koa izy. Eny no navaliny. Hitanareo, rehefa nijery ireo toerana hafa izahay dia afaka nanao fampitahana ny hatsaran’izy ireo.

Nihodina nanerana an’i Vancouver araka ny fihodin’ny famantaranandro izahay, nijery ireo toerana hafa, ka tamin’ny farany dia tafaverina ihany tao amin’ilay toerana tamin’ny voalohany. Hoy ny Filoha Hinckley hoe: “Toerana tsara tarehy ity.” Dia nanontany izy avy eo hoe: “Afaka mandeha any amin’ilay trano fiangonantsika izay eo amin’ny 1 km latsaka avy eto ve isika?”

“Mazava ho azy ry Filoha,” hoy izahay.

Niverina tao anaty fiara izahay ary nandeha tany amin’ilay trano fiangonana akaiky indrindra. Rehefa tonga tao amin’ilay trano fiangonana izahay dia hoy ny Filoha Hinckley hoe: “Mivilia miankavia eto.” Nivily izahay ary nandeha tamin’ilay arabe araka ny toromarika. Nanomboka niakatra kely ilay arabe.

Rehefa iny tonga teo an-tampon’ilay fiakarana iny ilay fiara dia hoy ny Filoha Hinckley hoe: “Ajanony ny fiara! Ajanony ny fiara!” Dia nanondro ilay ilan-tany teo amin’ny ankavanana izy sady nilaza hoe: “Ary manao ahoana ny momba ity toerana ity? Eto no tokony hanorenana ny tempoly. Eto no toerana irian’ny Tompo hisian’ny tempoly. Azonareo vidina ve io toerana io?” Azonareo vidina ve io toerana io?”

Tsy mbola nijery an’io toerana io izahay. Lavitry ny lalambe ilay izy no tsy tao anatin’ny lisitry ny tany amidy. Rehefa namaly izahay fa tsy nahafantatra ny momba ilay izy, dia nanondro ilay toerana indray ny Filoha Hinckley sady niteny indray hoe: “Eto no tokony hanorenana ny tempoly.” Nijanona teo nandritra ny minitra vitsivitsy izahay, dia avy eo namonjy ny seranam-piaramanidina handeha hody .

Ny ampitson’io dia nampanantsoina tany amin’ny biraon’ny Filoha Hinckley izaho sy Rahalahy Williams. Nataony sary tamin’ny taratasy iray ny zavatra rehetra: ireo arabe, ilay trano fiangonana, mivily miankavia eto, ny marika x izay manondro ilay toerana tokony hanorenana ny tempoly. Nanontaniany anay ny zavatra hitanay momba izany toerana izany. Nolazainay taminy fa io no toerana sarotra vidina indrindra. Olona telo samy hafa no tompony: ny iray avy ao Canada, ny iray hafa avy any Inde, ary ny farany avy any Chine! Ary tsy mbola nahafeno ny fepetra ilaina ahafahana manangana trano fivavahana ilay toerana.

“Ataovy izay azonareo atao,” hoy izy.

Dia nitranga ny fahagagana avy eo. Tao anatin’ny volana vitsivitsy dia azonay ilay toerana, ary taty aoriana dia nomen’ny tanànan’i Langley, Colombie-Britannique ny fahazoan-dalana hanangana tempoly.

Sary
Tempolin’i Vancouver Colombie-Britannique

Rehefa nandinika an’io zavatra niainana io aho dia haetrin’ny fahafantarana fa na dia nandranto fianarana ambony sy nanana traikefa aman-taonany maro teo amin’ny sehatry ny fananan-tany sy trano sy ny fandrafetana tempoly aza izaho sy ny Rahalahy Williams, ny Filoha Hinckley dia tsy nandranto fianarana ambony momba izany, kanefa nanana zavatra izay lehibe kokoa noho izany izy, dia ny fanomezam-pahasoavan’ny mpahita izany. Afaka nahita ny toerana tokony hiorenan’ny tempolin’ Andriamanitra izy.

Rehefa nandidy ireo Olomasina tany am-boalohany tamin’ity fotoampitantanana ity mba hanangana tempoly ny Tompo, dia nilaza Izy hoe:

“Fa aoka kosa hatsangana ny trano ho an’ny anarako, araka ny toromarika izay hasehoko azy ireo.

“Ary raha tsy manangana izany araka ny toromarika izay hasehoko ny vahoakako dia tsy hoekeko avy amin’ny tanany izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:14–15).

Tahaka izay natao tamin’ireo Olomasina tany am-boalohany no atao amintsika amin’izao fotoana izao: efa nambaran’ny Tompo ary tohiziny ambara amin’ny Filohan’ny Fiangonana ireo lamina tokony hitantanana ny fanjakan’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Ary ho an’ny isam-batan’olona manokana, dia manome fitarihana mikasika ny fomba tokony hitantanantsika tsirairay ny fiainantsika izy, mba haneken’ny Tompo torak’izany koa ny fitondran-tenantsika.

Tamin’ny aprily 2013 aho dia niresaka momba ireo ezaka atao eo amin’ny fanomanana ny fototra iorenan’ny tempoly rehetra mba hahazoana antoka fa mahatohitra ireo tafio-drivotra sy loza hihatra aminy izany. Ny fototra anefa dia fiantombohany fotsiny ihany. Ny tempoly iray dia ahitana singa fototra maro, izay natambatra araka ny lamina efa novolavolaina mialoha. Raha toa ka tokony ho lasa ilay tempoly izay ezahantsika aorina araka ny nampianarin’ny Tompo ny fiainantsika (jereo ny 1 Korintiana 3:16–17), dia afaka manontany tena tsara isika hoe: “Inona avy ireo singa fototra tokony hapetratsika mba hahatonga ny fiainantsika ho tena tsara sy miavaka ary mahatohitra ireo tafiotran’izao tontolo izao?”

Afaka mahita ny valin’izany fanontaniana izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika. Nilaza izao ny Mpaminany Joseph Smith momba ny Bokin’i Môrmôna: “Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa” (teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna). Ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna dia ampianarina isika fa “ireo izay mandray tenivavolombelon’ Andriamanitra [iray] avy amin’ny Fanahy Masina [fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna] dia hanjary hahafantatra koa amin’ny alalan’io hery io ihany fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao, fa i Joseph Smith no mpanambara avy Aminy sy [mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny], ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ny Tompo voaorina indray eto an-tany.”

Ireto araka izany ireo singa fototra manan-danja sasany hanorenana ny finoantsika manokana sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana:

  1. I Jesoa Kristy no Mpamonjy an’izao tontolo izao.

  2. Tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna.

  3. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

  4. Mpaminany i Joseph Smith, ary manana mpaminany velona isika eto an-tany amin’izao fotoana izao.

Tao anatin’ireo volana vitsivitsy laza izay dia nihaino ireo lahateny rehetra nataon’ny Filoha Nelson nanomboka tamin’ny niantsoana azy ho Apôstôly aho. Nanova ny fiainako ny fanaovako izany. Rehefa nandalina sy nisaintsaina ny fahendrena nangonin’ny Filoha Nelson nandritra ny 34 taona aho dia ventin-kevitra mazava sy tsy miova no nivoitra avy tamin’ireo fampianarany. Ireo ventin-kevitra tsirairay ireo dia mifandray amin’ireo singa fototra izay voalazako teo na singa fototra iray hafa hanorenana ireo tempolintsika manokana. Tafiditra ao anatin’izany ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana, ny batisa ho famelana ny fahotana, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanavotana ny maty sy ny asa atao any amin’ny tempoly, ny fihazonana ny andro Sabata ho masina, ny fanombohana zavatra iray miaraka amin’ny fifantohan’ny saina amin’ny tanjona tiana hotratarina, ny fijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Niresaka momba ireo zavatra rehetra ireo tamim-pitiavana sy tamim-panoloran-tena ny Filoha Nelson.

I Jesoa Kristy no vatofehizoro sy singa fototra manan-danja indrindran’ny Fiangonana sy ny fiainantsika manokana. Fiangonany ity. Ny Filoha Nelson no mpaminaniny. Ireo fampianaran’ny Filoha Nelson dia mijoro ho vavolombelona sy maneho mba ho tombontsoantsika ilay fiainana sy toetra nananan’i Jesoa Kristy. Miresaka amim-pitiavana sy amim-pahalalana ny mombamomba ny Mpamonjy sy ny iraka nampanaovina Azy izy. Izy koa dia nijoro ho vavolombelona matetika sy tamim-kafanam-po momba ny antso masina ananan’ireo mpaminany velona, dia ireo Filohan’ny Fiangonana izany, rehefa nanompo teo ambany fitarihan’izy ireo izy.

Ankehitriny dia tombontsoa ho antsika ny manohana azy ho toy ny mpaminany velon’ny Tompo eto ambonin’ny tany. Efa zatra manohana ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana araka ny lamina masin’ny fananganana tanana isika mba hanehoana ny fanekentsika sy ny fanohanantsika. Vao nanao izany isika minitra vitsivitsy lasa izay. Saingy ny tena fanohanana dia mihoatra lavitra izany fananganan-tanana izany. Araka ny voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22, ny Fiadidiana Voalohany dia natao “hotohanana amin’ny fahatokiana, ny finoana ary ny vavaky ny fiangonana.” Lasa manohana marina sy tanteraka ny mpaminany velona isika rehefa mampitombo ny fahatokiana ny teniny, manam-pinoana hampihatra izany, ary mivavaka ny hitahian’ny Tompo azy hatrany avy eo.

Rehefa mieritreritra ny Filoha Russell M. Nelson aho dia mahazo fampaherezana avy amin’ireo tenin’ny Mpamonjy aho rehefa nilaza Izy hoe: “Ary raha mihaino ny feoko ny vahoakako, ary mihaino ny feon’ireo mpanompoko izay efa notendreko hitarika ny vahoakako, dia indro, lazaiko aminareo marina tokoa, tsy hoesorina hiala amin’ny toerany izy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:45).

Ny fihainoana sy fanarahana ireo mpaminany velona dia hitondra fiantraikany lalina eo amin’ny fiainantsika sy hanova ny fiainantsika mihitsy aza. Mahazo tanjaka isika. Manana fahasahiana sy matoky ny Tompo kokoa isika. Mahare ny tenin’ny Tompo isika. Mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra isika. Hahafantatra ny fomba hitantanana amim-pahavitrihana ny fiainantsika isika.

Tiako sy tohanako ny Filoha Russell M. Nelson sy ireo hafa izay nantsoina ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Mijoro ho vavolombelona aho fa manana ireo fanomezam-pahasoavana izay nomen’ny Tompo azy izy, ary mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa aorintsika eo amin’ny fiainantsika ny fahazarana mihaino sy manaraka ny feon’ireo mpaminany velona, dia hiorina araka ny lamina masina napetraky ny Tompo ho antsika ny fiainantsika, ary hijinja ireo fitahiana mandrakizay nampanantenaina isika. Atolotra ho an’ny rehetra ny fanasana. Andao hihaino ny feon’ny mpaminany; eny, manatona an’i Kristy ka ho velona. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.