2018
Andrandrao ny lohanao ary miravoravoa
Nôvambra 2018


Andrandrao ny lohanao ary miravoravoa

Enga anie isika hampitraka ny lohantsika sy hiravoravo eo am-piatrehantsika amin’ny fomban’ny Tompo ireo zava-tsarotra.

Tamin’ny 1981, izaho sy ny raiko ary namana akaiky roa dia nanana traikefa nahafinaritra tany Alaska. Tokony ho tany amina farihy mitokana no nitontonanay ary avy eo hihanika lembalemba avo sy kanto. Mba hampihena ny lanjan’ny entana tsy maintsy ho nentinay tsirairay, dia nataonay tao anaty baoritra ny vatsinay, norakofanay spaonjy, nofatoranay tamina tady lehibe vita amin’ny taratasy manify miloko, ary natsipinay avy eo am-baravaran-kelin’ny fiaramanidinay ho eny amin’ny toerana nokasainay haleha.

Rehefa tonga izahay dia nitady ka nitady saingy diso fanantenana fa tsy nahita na dia iray aza tamin’ireo baoritra. Nahita iray izahay nony farany. Nisy fatana gazy kely, lay iray, sy vatomamy vitsivitsy, ary fonosana roa fanaovana paty miharo totokena—fa tsy nisy totokena tao anatiny. Tsy nanana fomba hifandraisana tamin’ny olona tany ivelan’ny faritra nisy anay izahay, ary afaka herinandro ny fotoana voalamina fa hakana anay.

Lesona roa lehibe no nianarako avy tamin’io traikefa io: ny voalohany, aza manipy sakafo any am-baravarankely. Faharoa, indraindray isika dia voatery hiatrika zava-tsarotra.

Matetika ny fihetsitsika voalohany rehefa tojo zava-tsarotra dia ny hoe “Nahoana izao zavatra sarotra izao no mitranga amiko?” Kanefa ny fanontaniana hoe nahoana dia tsy hanala velively ilay zava-tsarotra. Takin’ny Tompo ny handresentsika olana, ary notondroiny fa “ireo zavatra rehetra ireo dia hanome [antsika] traikefa ary ho soa ho [antsika].”1

Indraindray ny Tompo dia mangataka antsika hanao zava-tsarotra, ary indraindray ireo olantsika dia ateraky ny fampiasantsika na ny fampiasan’ny hafa ny fahafahana misafidy. Samy niainan’i Nefia ireo toe-javatra roa ireo. Rehefa nasain’i Lehia ireo zanakalahiny hiverina haka ireo rakitsoratra tany amin’i Labàna dia hoy izy: “Indro fa mimonomonona ny rahalahinao, manao hoe sarotra ny zavatra izay takiako taminy; nefa indro, tsy mitaky izany aminy aho fa didin’ny Tompo izany.”2 Tamin’ny fotoana iray hafa, ireo rahalahin’i Nefia dia nampiasa ny fahafahan’izy ireo misafidy hamerana ny an’i Nefia: “Nosamboriny aho fa indro tezitra izaitsizy izy ireo, ary nafatony tamin’ny tady, satria notadiaviny ny hanala ny aiko.”3

Niatrika zava-tsarotra iray i Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty. Tsy nanam-panantenana nanangasanga ny ho afa-bela i Joseph ka nihiaka tamim-pahakiviana hoe: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”4 Azoko antoka fa efa nahatsapa toa an’i Joseph ny sasany amintsika.

Miatrika zava-tsarotra ny olon-drehetra: ny fahafatesan’ny olon-tiana iray, fisaraham-panambadiana, zanaka mania iray, aretina, ireo zavatra misedra ny finoana, fahaverezan’asa, na izay mety ho fahasarotana hafa.

Nampiova tanteraka ahy ny nahenoako ireto teny ireto izay nambaran’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, nandritra ny fotoana niadiany tamin’ny aretina homamiadan’ny rà. Hoy izy: “Teo am-pisaintsainana lalina aho ary ireto teny 15 feno torolalana sy manome antoka ireto no tonga tao an-tsaiko: -Nomeko ny leucémie ianao mba hahafahanao mampianatra ny vahoakako araka ny traikefa izay tena niainanao.-” Avy eo dia notohizany izany tamin’ny fanehoana ny fomba nanomezan’io traikefa io azy fitahiana ny amin’ny “fijery lavitra momba ny halehibehin’ny fisian’ny mandrakizay. … Ny fahatsinjovana ny mandrakizay toy izany dia afaka manampy antsika hivoatra sy hanao ny 100 metatra manaraka, izay tena mety ho sarotra.”5

Mba hanampiana antsika hivoatra sy hihoatra ireo fotoan-tsarotra miaraka amin’ny fahatsinjovana ny mandrakizay toy izany dia mamelà ahy hanolotra zavatra roa. Tsy maintsy miaritra zava-tsarotra isika, voalohany, amin’ny famelana ny hafa ary faharoa amin’ny fampandeferana ny sitrapontsika eo anatrehan’ny an’ny Ray any An-danitra.

Mety ho sarotra ny mamela ireo izay mety ho nitondra ny zava-tsarotra mahazo antsika sy ny mampihavana “[ny tenantsika] amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.”6 Maharary indrindra izany rehefa olona iray ao amin’ny fianakaviana, na namana akaiky, na ny tenantsika mihitsy aza no niteraka ny zava-tsarotra mahazo antsika.

Nianatra momba ny famelan-keloka aho fony aho eveka vao herotrerony raha nizara izao tantara izao i Bruce M. Cook, Filohan’ny Tsatòkako tamin’izany. Nanazava Izy hoe:

“Nanangana orinasa izaho sy ny mpiara miombon’antoka maromaro tamin’ny faramparan’ny taona 1970. Na dia hoe tsy nanao zavatra tsy ara-dalàna aza izahay, dia niteraka fatiantoka ho anay ny fanapahan-kevitra sasantsasany tsy ampy fandinihana, nampian’ny fotoan-tsarotra ara-toe-karena.

“Nitory tany amin’ny fitsarana ny mpampiasa vola sasany mba hanonerana ny volan’izy ireo very. Kanjo mpanolotsaina iray tao amin’ny episkôpàn’ny fianakaviako no mpisolovava azy ireo. Sarotra tokoa ny nanohana ilay lehilahy izay toa nikatsaka ny hamotika ahy. Lasa nanana fankahalana be azy aho ary noraisiko ho fahavalo izy. Taorian’ny ady naharitra dimy taona tany amin’ny fitsarana, dia namoy ny fanananay rehetra izahay, hatramin’ny tranonay.

“Renay mivady tamin’ny 2002 fa hosoloina ny fiadidian’ilay tsatòka izay naha-mpanolotsaina ahy. Rehefa nandeha nanao fakan-drivotra fohy izahay talohan’ny nisaorana ahy, dia nanontanian’ny vadiko aho hoe iza no hosafidiako ho mpanolotsaina raha toa ka izaho no voantso ho filohan’ny tsatòka vaovao. Tsy te hiresaka momba izany aho fa mbola nanohy ihany izy. Nony farany dia nisy anarana iray tonga tao an-tsaiko. Avy eo izy dia nanonona ny anaran’ilay mpisolovava noheverinay ho ivon’ny fahasarotam-piainanay 20 taona lasa izay. Rehefa niteny izy dia nohamafisin’ny Fanahy fa izy no tokony ho ilay mpanolotsaina iray hafa. Afaka ny hamela io olona io ve aho?

“Rehefa niantso ahy ho filohan’ny tsatòka ny Loholona David E. Sorensen dia nomeny adiny iray aho hisafidianako mpanolotsaina. Tamin-dranomaso no nilazako fa efa nanome fanambarana ahy ny amin’izany ny Tompo. Teo am-panononako ny anaran’ilay olona izay noraisiko ho fahavalo dia niala ny hatezerana sy fankahalana be izay notazoniko hatramin’izay. Tamin’izay fotoana izay no nahafantarako ilay fiadanana izay manaraka ny famelana heloka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”

Izany hoe ny filohan’ny tsatòkako dia namela azy “tsy an-kifonofono” tahaka ny nataon’i Nefia fahiny.7 Mpitarika ao amin’ny fisoronana marina roa mifankatia no nahafantarako ny Filoha Cook sy ny mpanolotsainy. Nanapa-kevitra ny ho tahaka azy ireo aho.

Taona maro lasa izay, nandritra ny olana natrehanay tany Alaska, dia vetivety no nianarako fa ny fanomezana tsiny ny hafa—ilay mpanamory fiaramanidina nanipy ny sakafonay tao anatin’ny haizina—noho ny zava-nanjo anay dia tsy vahaolana. Kanefa, rehefa nisedra harerahana ara-batana izahay, tsy fahampian-tsakafo, aretina, ary ny fatoriana tamin’ny tany nandritra ny oram-baratra be kanefa lay iray monja no nialofanay, dia nianatra aho fa “tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra.”8

Ry zatovo, mitaky zava-tsarotra aminareo Andriamanitra. Nisy zatovovavy 14 taona iray nandray anjara tamina fifaninanana baskety. Nofinofiny ny ho mpilalao baskety baolina an’ny lisea tahaka ny zokiny vavy. Reny avy eo fa voantso hiahy misiôna iray any Guatemala ny ray aman-dreniny.

Nony tonga tany dia hitany fa roa amin’ny kilasy atrehany dia ho amin’ny teny Espaniola, fiteny izay tsy mbola hainy. Tsy nisy na dia ekipana fanatanjahan-tenan’ankizivavy iray aza tao amin’ny sekoliny. Tany amin’ny rihana faha-14 tamin’ny tranobe iray izay voambina be no nisy azy. Ambonin’izany rehetra izany dia tsy afaka nivoaka irery tany ivelany izy noho ny tsy fandriampahalemana.

Am-bolana ireo ray aman-dreniny no nahare azy nitomany irery rehefa hatory isan-kalina. Nampahonena azy ireo izany! Nanapa-kevitra izy ireo nony farany fa handefa azy hody any amin’ny renibeny mba hianarany any amin’ny lisea.

Rehefa niditra ny efitranon’ny zanakay vavy ny vadiko mba hanambara aminy ny fanapahan-kevitray dia hitany ny zanakay vavy nandohalika nivavaka miaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna misokatra eo ambonin’ny fandriana. Nobitsihan’ny Fanahy tamin’ny vadiko hoe “Tsy haninona izy,” ka nandao moramora ilay efitra ny vadiko.

Tsy nandre azy nitomany intsony izahay rehefa handeha hatory. Tamin’ny fahavononana sy ny fanampian’ny Tompo no niatrehany tamim-paherezana ireo telo taona ireo.

Tamin’ny fiafaran’ny misiônanay dia nanontaniako ny zanakay vavy raha toa ka handeha hanompo amin’ny fotoana feno izy. Izao no valinteniny: “Tsia ry Dada, efa avy nanompo aho.”

Tsy nampaninona ahy ny fanapahan-keviny! Kanefa enim-bolana teo ho eo taorian’izay dia namoha ahy tamin’ny alina ny Fanahy tamin’ny eritreritra hoe: “Nantsoiko hanao asa fitoriana ny zanakao vavy.”

Toy izao no nasetriko “Ry Ray any An-danitra, efa betsaka tokoa ny natolony.” Nanarin’ny Fanahy faingana aho ka takatro fa ny asa fitoriana hataony dia takin’ny Tompo.

Tsy ela dia nentiko nisakafo antoandro ny zanako vavy. Nifanatrika taminy teo amin’ny latabatra no nilazako taminy hoe “Ganzie a! Fantatrao ve ny antony maha-eto antsika?”

Hoy izy: “Eny ry dada! Fantatrao hoe tsy maintsy manao asa fitoriana aho. Tsy te handeha aho, saingy handeha aho.”

Satria natolony ho an’ny Ray any An-danitra ny sitrapony dia nanompo Azy tamin’ny fony, ny heriny, ny sainy ary ny tanjany manontolo izy. Nampianariny tamin’ny rainy ny fomba fanaovana zavatra sarotra.

Nandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo nataon’ny Filoha Russell M. Nelson dia nangataka zava-tsarotra sasantsany tamin’ny tanora izy. Nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Ny fanasako fahadimy dia ny mba hiavahanareo; ny tsy hitovianareo amin’izao tontolo izao. … Mila anareo mba hitovy endrika, hiresaka, hanao toy ny, ary hiakanjo toy ny mpianatr’i Jesoa Kristy tena izy ny Tompo.”9 Mety ho zava-tsarotra izany kanefa fantatro fa vitanareo izany, eny am-pifaliana.

Tsarovy fa “misy ny olona mba hahazo fifaliana.”10 Na dia teo aza ny zava-drehetra natrehan’i Lehia dia mbola nahita fifaliana ihany izy. Tsaroanareo ve tamin’i Almà “nivesatra alahelo”11 noho ny fahotan’ny vahoakan’i Amônihà? Nilaza taminy ilay anjely hoe: “Hotahiana anie ianao ry Almà; koa andrandrao ny lohanao ary miravoravoa, … fa efa natoky ianao tamin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra.”12 Nianatra fahamarinana iray lehibe i Almà hoe, isika dia afaka miravoravo lalandava rehefa mitandrina ny didy. Tsarovy fa tamin’ireo ady sy olana natrehana tamin’ny fotoan’andron’ny Kapiteny Môrônia dia “tsy nisy na oviana na oviana teo anivon’ny vahoakan’i Nefia fotoana sambatra kokoa [noho izany].”13 Afaka sy tokony hahita fifaliana isika rehefa miatrika zava-tsarotra.

Niatrika zava-tsarotra ny Mpamonjy: ”Ary izao tontolo izao … hihevitra Azy ho tsinontsinona; koa karavasiny Izy ary miaritra izany; ary asiany Izy, fa miaritra izany. Eny, nororany Izy ary niaritra izany Izy, noho ny lemim-panahiny sy ny fitiavany ary ny faharipony amin’ny zanak’olombelona.”14

Noho izany lemim-panahiny feno fitiavana izany dia niaretan’i Jesoa Kristy ny Sorompanavotana. Vokatr’izany dia izao no lazainy amintsika tsirairay avy, “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”15 Noho i Kristy dia afaka mandresy izao tontolo izao koa isika.

Enga anie isika hampitraka ny lohantsika sy hiravoravo eo am-piatrehantsika amin’ny fomban’ny Tompo ireo zava-tsarotra. Amin’izao fahafahana masina ny hijoro ho vavolombelona amin’izao tontolo izao izao dia manambara aho fa velona ny Mpamonjy antsika ary mitarika ny Fiangonany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.