2018
Misafidiana ianareo anio
Nôvambra 2018


Misafidiana ianareo anio

Ny haben’ny fahasambarantsika mandrakizay dia miankina amin’ny fisafidianana an’ilay Andriamanitra velona sy ny fiarahantsika Aminy hanao ny asany.

Ilay olona tao amin’ny tantara noforonina antsoina hoe Mary Poppins dia mpitaiza zaza anglisy araka ny fahita mahazatra—ankoatra ny hoe mahavita manao mazia izy.1 Nentin’ny rivotra avy any atsinanana izy, tonga hanampy ny fianakavian-dry Banks izay sahirana, izay nonina tao amin’ny lalana faha-17 Cherry Tree, tao Londres tany am-pian-·dohan’ny taonjato faha-20. Nomena andraikitra izy hikarakara ireo ankizy, dia i Jane sy i Michael. Tamin’ny fomba hentitra nefa feno hatsaram-panahy no nanombohany nampianarana azy ireo lesona manan-danja maro, tamin’ny fomba niavaka sy nahagaga.

Nivoatra be i Jane sy i Michael, saingy nanapa-kevitra i Mary fa tonga amin’izay ny fotoana handehanany. Ao amin’ilay tantara an-tsehatra dia miezaka i Bert mpanadio lalan-tsetroka amin’ny trano, izay naman’i Mary, handresy lahatra azy tsy handeha. Hoy izy miady varotra: “Ankizy tsara anie ireo ry Mary e!”

Dia mamaly i Mary hoe “Ka hisahirana amin’izy ireo ve aho raha tsy izany e? Saingy tsy afaka manampy azy ireo aho raha tsy avelan’izy ireo, ary tsy misy olona sarotra ampianarina kokoa noho ny ankizy mihevitra ho mahay ny zava-drehetra.”

Dia manontany i Bert hoe: “Dia ahoana izany?”

Dia mamaly i Mary hoe: “Dia tsy maintsy izy ireo samirery izany no manao ilay dingana manaraka.”2

Ry rahalahy sy ranabavy isany, toa an’i Jane sy i Michael Banks, dia “ankizy tsara” isika izay mendrika ny hisahiranana. Te hanampy sy hitahy antsika ny Raintsika any An-danitra, saingy tsy mamela Azy hanao izany isika indraindray. Indraindray aza isika dia maneho fihetsika toy ireny hoe efa mahay ny zava-drehetra ireny. Ary isika koa dia mila manao samirery “ilay dingana manaraka.” Izany no antony nahatongavantsika teto an-tany avy tany amin’ny fonenana tany an-danitra talohan’ny nahaterahana. Ny “dingana” ataontsika dia ahitana fanaovana safidy.

Ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny fitaizana dia tsy ny hanao izay hahatonga an’ireo zanany hanao ny marina, fa ny hanao izay hahatonga an’ireo zanany hisafidy hanao ny marina ary ho tonga tahaka Azy amin’ny farany. Raha izay hahatonga antsika hankatò fotsiny no tiany, dia ho nampiasa valisoa sy sazy mihatra eo no ho eo Izy mba hanovana ny fihetsitsika.

Saingy tsy mahaliana an’ Andriamanitra ny hoe lasa “biby ompiana” voabaiko sy mpankatò fotsiny ireo zanany, izay tsy hanaikikaikitra ny kapany ao amin’ny trano fonenany any an-danitra.3 Tsia, fa tian’ Andriamanitra ireo zanany hivoatra ara-panahy sy hiaraka Aminy hanao ny Asany.

Nametraka drafitra Andriamanitra izay ahafahantsika ho tonga mpandova ao amin’ny Fanjakany, lalan’ny fanekempihavanana izay mitarika antsika ho tonga toa Azy, sy hiaina ilay karazam-piainana iainany, ary hiaina mandrakizay amin’ny maha-fianakaviana eo anatrehany.4 Ny safidin’ny tena manokana dia tena nanan-danja—ary mbola manan-danja—amin’io drafitra io, izay nianarantsika tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. Nanaiky ilay drafitra isika ary nisafidy ny ho ety an-tany.

Mba hahazoana antoka fa hampihatra finoana isika sy hianatra hampiasa tsara ny fahafahantsika misafidy, dia nasiana voaly fanadinoana nanarona ny fitadidiantsika mba tsy hahatsiarovantsika ny drafitr’ Andriamanitra. Raha tsy misy an’io voaly io dia tsy ho tratra ny tanjon’ Andriamanitra satria tsy ho afaka hivoatra isika ka ho tonga ireo mpandova azo itokisana izay tiany hahatongavantsika.

Hoy i Lehia mpaminany hoe: “Koa nomen’ny Tompo Andriamanitra ny olombelona ny fahafahana hanao araka ny safidiny. Koa tsy ho afaka nanao araka ny safidiny ny olombelona raha tsy efa notaomin’itsy voalohany na ity faharoa.”5 Eo amin’ny lafiny fototra, ny safidy iray dia soloin’i Jesoa Kristy tena, dia ilay Lahimatoan’ny Ray. Ilay safidy iray hafa dia soloin’i Satana tena, dia i Losifera, izay te handrava ny fahafahana misafidy sy hisandoka fahefana.6

Ao amin’i Kristy Jesoa isika dia “manana solovava ao amin’ny Ray.”7 Rehefa nahavita ny sorona fanavotana nataony i Jesoa dia “niakatra any an-danitra … mba hitaky amin’ny Ray ny zon’ny famindram-po izay ananany amin’ny zanak’olombelona.” Ary rehefa avy nitaky ny zon’ny famindram-po Izy dia “miaro ny tombontsoan’ny zanak’olombelona.”8

Ny fisoloana vava ataon’i Kristy ho antsika eo anatrehan’ny Ray dia tsy miendrika fanoherana. I Jesoa Kristy, izay namela ny sitrapony ho voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray,9 dia tsy hanohana na inona na inona ankoatra ny zavatra izay tian’ny Ray hatramin’izay. Tsy isalasalana fa ny Ray any An-danitra dia mamporisika ny fahombiazantsika sy mankasitraka izany.

Ny fisoloana vava ataon’i Kristy, farafaharatsiny amin’ny ampahany, dia ny hampahatsiahy antsika fa efa nanonitra ny fahotantsika Izy ary tsy misy na iza na iza ailikâ mba tsy ho takatry ny famindram-pon’ Andriamanitra.10 Ho an’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy sy mibebaka, sy atao batisa, ary maharitra hatramin’ny farany—lalana izay mitondra mankamin’ny fihavanana11—dia mamela heloka sy manasitrana ny Mpamonjy ary misolovava. Izy no mpanampy sy mpampahery ary mpanalalana antsika—manamarina sy manohana ny fihavanantsika amin’ Andriamanitra.12

Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa, i Losifera dia mpanameloka na mpiampanga. I Jaona Mpanambara dia namariparitra ny faharesen’i Losifera amin’ny farany: “Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’ Andriamanitsika, ary ny fahefan’i Kristiny.” Fa nahoana? Satria “nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay mpiampanga azy eo anatrehan’ Andriamanitsika andro aman’alina. Ary izy ireo dia naharesy azy noho ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazana azy.”13

I Losifera io mpiampanga io. Niteny nanohitra antsika izy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ary mbola manohy manameloka antsika eto amin’izao fiainana izao. Te-hisarika antsika hidina izy. Tiany isika hiaina ozona tsy misy farany. Izy no milaza amintsika hoe tsy mahavita azy isika, ilay manambara amintsika hoe tsy ampy ny fahaizantsika, ilay milaza amintsika fa tsy misy azo atao intsony rehefa nahavita hadisoana. Izy ilay mpanakivy faratampony, ilay manao tsindrio fa lavo antsika.

Raha toa ka hoe mampianatra zaza handeha i Losifera ka hoe tafintohana ilay zaza, dia hitabataba amin’ilay zaza izy, sy hanasazy azy ary hiteny azy tsy manandrana intsony. Ny fomban’i Losifera amin’ny farany, ary efa toy izany hatramin’izay, dia hitondra hakiviana sy fahadisoam-panantenana. Io rain’ny lainga io no mpanao fitaka faratampony14 ary miezaka amin-kafetsena hamitaka sy handrebireby antsika, “satria katsahiny ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy.”15

Raha toa ka hoe mampianatra zaza handeha i Kristy ka hoe tafintohana ilay zaza, dia hanampy ilay zaza Izy hiarina, ary hamporisika azy amin’ireo dingana manaraka.16 I Kristy no mpanampy sy mpampionona. Mitondra fifaliana sy fanantenana ny fombany amin’ny farany, ary efa toy izany hatramin’izay.

Ny drafitr’ Andriamanitra dia ahitana torolalana ho antsika, izay antsoina hoe didy ao amin’ny soratra masina. Ireo didy ireo dia sady tsy fitambarana fitsipika napetraka fahatany no tsy hoe nangonina araka izay tiany natao hanazarana antsika ho mpankatò fotsiny. Fa izy ireo dia mifandray amin’ny fampivoarana antsika hanana ireo toetra araka an’ Andriamanitra, sy ny fiverenantsika any amin’ny Raintsika any An-danitra, ary amin’ny fahazoantsika fifaliana maharitra. Tsy atao an-jamba ny fankatoavana ireo didiny, fa amim-pandinihana tsara no hisafidianantsika an’ Andriamanitra sy ny lalana napetrany mitondra antsika hody. Nitovy tamin’ny an’i Adama sy i Eva ny lamina ho antsika, dia ny hoe “Nomen’ Andriamanitra ho azy ny didy, rehefa nampahafantariny azy ny drafitry ny fanavotana.”17 Na dia tian’ Andriamanitra ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana aza isika dia omeny voninahitra isika hisafidy.

Eny tokoa, irin’ Andriamanitra sy andraindrainy ary tarihiny ny zanany tsirairay hanao safidy ho an’ny tenany manokana. Tsy hanery antsika Izy. Amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy no hamelan’ Andriamanitra ireo zanany “hihetsika ho azy fa tsy hetsehina.”18 Ny fahafahana misafidy no manome fahafahana antsika hifidy ny handeha eo amin’ilay lalana na tsia. Io koa no manome fahafahana antsika hiala, na tsia. Tsy misy hafa amin’ny tsy ahazoana manery antsika hankatò, no tsy ahazoana manery antsika tsy hankatò. Tsy misy na iza na iza, raha tsy hoe misy ny fiaraha-miasantsika, ka ho afaka ny hanala antsika eo amin’ilay lalana. (Izany dia tsy tokony hafangaro amin’ireo olona izay nozimbazimbaina ny fahafahany misafidy. Tsy hoe ivelan’ilay lalana ireo olona ireo, niharan’ny safidy nataon’olon-kafa izy ireo. Izy ireo dia mahazo ny fitiavana sy ny fangorahan’ Andriamanitra.)

Saingy rehefa miala amin’ilay lalana isika dia malahelo Andriamanitra satria fantany fa any aoriana any izany, ary tsy maintsy izay foana, dia hitondra amin’ny fihenan’ny fahasambarana sy ny fahaverezan’ny fitahiana. Ny hoe miala amin’ilay lalana, ao amin’ny soratra masina, dia antsoina hoe fahotana, ary ny fihenan’ny fahasambarana sy ny fahaverezan’ireo fitahiana aterak’izany dia antsoina hoe famaizana. Eo amin’izay lafiny izay, dia tsy Andriamanitra no manasazy antsika; fa ny famaizana dia vokatry ny safidintsika manokana, fa tsy ny Azy.

Rehefa hitantsika fa tafala tamin’ilay lalana isika, dia afaka mijanona eo, na noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia afaka misafidy ny miverina eo amin’ilay lalana indray. Ao amin’ny soratra masina, ny dingan’ny fanapahan-kevitra hiova sy hiverina hihazo ny lalana dia antsoina hoe fibebahana. Ny tsy fetezana hibebaka dia midika fa misafidy ny hanala ny tenantsika manokana isika tsy ho mendrika ny handray ireo fitahiana izay tian’ Andriamanitra omena antsika. Raha toa isika “tsy te hanana anjara amin’izay mety ho noraisin[tsika],” dia “hiverina … eo amin’ny toeran[tsika] ihany … , mba hanana anjara amin’izay tian[tsika] horaisina”19 safidintsika fa tsy safidin’ Andriamanitra.

Na ela toy ny ahoana aza ny fotoana nialantsika tamin’ilay lalana, na lasa lavitra toy ny ahoana isika no nirenireny, amin’ny fotoana izay hahatapa-kevitra antsika hiova dia manampy antsika hiverina Andriamanitra.20 Araka ny fomba fijerin’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fibebahana amin-kitsim-po, sy ny fibosesehana mandroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy, rehefa tafaverina eo amin’ilay lalana indray isika, dia toy ny hoe tsy niala teo amin’izany mihitsy.21 Ny Mpamonjy no manonitra ny fahotantsika ary manafaka antsika amin’ny fihenan’ny fahasambarana sy fitahiana izay mananontanona. Io no lazaina ao amin’ny soratra masina hoe famelan-keloka. Aorian’ny batisa, dia misolifatra miala ny lalana ny mpikambana rehetra, ary ny sasany amintsika aza dia mitsambikina mihitsy. Noho izany, ny fampiasana ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny fandraisana fanampiana avy Aminy, ary ny maha-voavela heloka, dia tsy zava-mitranga indray miseho fa dingana mandritra ny androm-piainana, dingana izay averimberina ary mivoatra tsikelikely. Toy izany no fomba “[haharetantsika] hatramin’ny farany.”22

Mila misafidy isika hoe iza no hotompointsika.23 Ny haben’ny fahasambarantsika mandrakizay dia miankina amin’ny fisafidianana an’ilay Andriamanitra velona sy ny fiarahantsika Aminy hanao ny asany. Rehefa miezaka “manao ilay dingana manaraka” samirery isika dia mizatra mampiasa ny fahafahantsika misafidy araka ny tokony ho izy. Araka ny voalazan’ny rahavavy roa samy efa Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha hoe isika dia tsy tokony ho toy ny “zaza ilaina ambenana sy ahitsy foana.”24 Tsia, tian’ Andriamanitra ho tonga olon-dehibe matotra izay mitantana ny momba antsika isika.

Ny fisafidianana hanaraka ny drafitry ny Ray no hany fomba hahafahantsika ho tonga mpandova ao amin’ny fanjakany. Izay Izy vao afaka mahatoky antsika fa tsy hangataka akory izay mifanohitra amin’ny sitrapony.25 Saingy mila tsaroantsika fa “tsy misy olona sarotra ampianarina kokoa noho ny ankizy mihevitra ho mahay ny zava-drehetra.” Ka noho izany dia mila hoe manaiky isika ny ho ampianarin’ny Tompo sy ny mpanompony amin’ny fomban’ny Tompo. Afaka mahatoky isika fa isika dia zanaky ny Ray aman-dReny any An-danitra izay tiany26 sy mendrika ny “isahiranana” ary afaka mahazo antoka fa ny hoe “samirery” dia tsy hidika na oviana na oviana hoe “irery.”

Milaza tahaka an’i Jakôba mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna aho hoe:

“Noho izany, herezo ny fonareo ary tsarovy fa afaka manao araka ny sitraponareo ianareo—na hifidy ny lalan’ny fahafatesana mandrakizay na ny lalan’ny fiainana mandrakizay.

“Noho izany ry rahalahiko [sy anabaviko] malala, dia mihavàna amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ianareo fa tsy amin’ny sitrapon’ny devoly … ; ary tsarovy fa rehefa mihavana amin’ Andriamanitra ianareo, dia ao amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra ary amin’ny alalany ihany no hamonjena anareo.”27

Noho izany dia fidio ny finoana an’i Kristy; fidio ny fibebahana; fidio ny ho atao batisa sy handray ny Fanahy Masina; fidio ny hiomana amim-pahazotoana sy handray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo; fidio ny hanao fanekempihavanana any amin’ny tempoly; ary fidio ny hanompo an’ilay Andriamanitra velona sy ireo zanany. Ny safidintsika no mamaritra hoe iza isika ary ho lasa olona manao ahoana.

Ny ambiny amin’ny tsodrano nomen’i Jakôba no hamaranako izany hoe: “Koa Andriamanitra anie hanangana anareo amin’ny … fahafatesana maharitra mandrakizay amin’ny herin’ny sorompanavotana, mba hahazoana mandray anareo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra mandrakizay.”28 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.