2018
Mitarika ny lalana ny Filoha Nelson
Nôvambra 2018


Mitarika ny lalana ny Filoha Nelson

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanoro hevitra antsika tsirairay mba ho tsara fanahy kokoa, ho toa an’i Kristy bebe kokoa, ary hifantoka amin’ny ara-panahy bebe kokoa rehefa manompo ny hafa isika, ary naneho tamin’ny alalan’ny ohatra ny hevitr’izany izy tamin’ny fomba nanompoany hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany.

Fotoana fohy taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny volana aprily 2018, dia nandeha nanao fitetezam-paritra ny Filoha Nelson sy i Wendy vadiny, ary ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy i Patricia vadiny, izay nitondra azy ireo nankany Angleterre, Israël, Kenya, Zimbabwe, Inde, Thailande, Chine, ary Hawaii, Etazonia.

Nandritra ireo fitetezam-paritra taorian’izany, ny Filoha Nelson dia nihaona tamin’ireo mpikambana, ireo misiônera, ireo mpitarika, ary ireo naman’ny Fiangonana tao andrefana, afovoany, ary atsinanan’i Kanada; tao Seattle, Washington, Etazonia; ary tao amin’ny République Dominicaine, izay nanaovany lahateny iray manontolo tamin’ny fiteny Espaniôla, ary izay no fotoana voalohany nanaovan’ny Filohan’ny Fiangonana lahateny lava tamin’ny fiteny hafa ankoatra ny teny anglisy.

Nampianarin’ny Filoha Nelson tao amin’ireo fivoriana sy takariva amorom-patana ny mikasika ny anarana marin’ny Fiangonana; ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa; ny fankamamiana ny Bokin’i Môrmôna; ny fiainana ny filazantsara izay mahatonga ny fiainana ho tsara kokoa; ny maha-lalan’ny fifaliana sy fahasambarana ny lalan’i Kristy, ankehitriny sy amin’ny mandrakizay; ny vavaka; ny fanaovana ny tokantrano ho toerana masina ho an’ny ankizy; ny fampiasana ny fahafahana misafidy mba handresena ny fakam-panahy sy hanarahana ny Mpamonjy; ny fikarakarana ny hafa; ary ny fiomanana sy fandraisana ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny tempoly.

Ny Filoha sy ny Rahavavy Nelson dia nandray fitenenana ihany koa nandritra ny fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo tamin’ny 3 jona 2018, ary tao no nilazan’ny Filoha Nelson fa ny zatovo izay mirotsaka ao amin’ny “tafiky ny Tompo” sy manampy amin’ny fanangonana ny Isiraely dia manana fahafahana ny ho “mpandray anjara ao anatin’ny zavatra lehibe iray, ny zavatra goavana iray, ny zavatra be voninahitra iray!” Namporisika ny zatovo izy mba hiala amin’ny fianteherana tsy tapaka amin’ny tambazotran-tserasera, hahafoy fotoana ho an’ny Tompo, hanao fanombantombanana lalina ny fiainana miaraka amin’ny Tompo, hivavaka isan’andro mba hahazoan’ny zanak’Andriamanitra ny filazantsara, ary ho fahazavana ho an’izao tontolo izao.