2018
Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe
Nôvambra 2018


Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Neil L. Andersen

(83) Rehefa tsikaritry ny misiônera mahatoky iray fa mahafantatra ny fijaliany ny Mpamonjy, dia nandresy fahadisoam-panantenana izy teo an-dalam-pahasitranana avy tamin’ireo ratra nanjo azy tao anatin’ny fanapoahan’ny mpampihorohoro baomba iray. Taorian’ny nahafatesan’ny zanany vavy dia namboraka avy tao am-pony i Russell M. Nelson fa hampiasa ny fanalahidin’ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ireo rehetra izay maty i Jesoa Kristy. Nijoro ho vavolombelona tamin’ireo mpikambana Portoricain i Russell M. Nelson fa “afaka mahita fifaliana [isika] eny fa na dia ao anatin’ny toe-javatra ratsy indrindra iainantsika aza.”

Brian K. Ashton

(93) Lasa nahatakatra bebe kokoa ny toetran’ Andriamanitra sy ny fitiavany ary ny fankasitrahany ireo zanany ny vadin’i Brian K. Ashton.

M. Russell Ballard

(71) Rehefa avy nahatsapa alahelo lalina noho ny fahafatesan’ireo olona tao amin’ny fianakaviany sy ireo olona an-tapitrisany izay maty noho ny ady sy ny aretina i Joseph F. Smith, dia naharay “ny fahitana momba ny fanavotana ny maty” izy.

Steven R. Bangerter

(15) Nandevina vato maneho an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-fototry ny fiainana feno fifaliana Azy ireo zafikelin’i Steven R. Bangerter. Ny Filoha Russell M. Nelson dia mampahatsiahy an’ireo ray aman-dreny ny andraikitr’izy ireo mba hampianatra ny zanany. Nanolo-tena ny hanampy ireo ray aman-dreniny hiomana hanao asa fanompoana ny zanakalahin’i Steven R. Bangerter. Nitarika ny lehilahy iray efa lehibe hiverina ao amin’ny Fiangonana sy hahatsiaro ny fiarovana ara-panahy nananany tamin’ny fahazazany ny Fanahy Masina.

Shayne M. Bowen

(80) Tena nahavariana an’i Shayne M. Bowen ny fiovam-pon’ny lehilahy iray ho an’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny herin’ny Bokin’i Môrmôna.

M. Joseph Brough

(12) Tamin’ny dia iray nataony tany Alaska, Etazonia, dia nianatra i M. Joseph Brough fa tsy misy zavatra tsy azo tanterahina miaraka amin’ Andriamanitra. Nianatra ny filohan’ny tsatòka iray fa tonga miaraka amin’ny famelan-keloka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fiadanana. Nampianarin’ny zanany vavy hanao zavatra sarotra tamin’ny alalan’ny fanirian’ny zanany vavy hanao asa fitoriana i M. Joseph Brough.

Matthew L. Carpenter

(101) Nahavita tanteraka ny asa fitoriany tamin’ny fotoana feno ny zanakalahin’i Matthew L. Carpenter taorian’ny fahasitranany tamin’ny fahatapahan’ny lalandra.

D. Todd Christofferson

(30) Na dia teo aza ny fahoriana dia tsy voahozongozona tamin’ny finoany an’i Kristy mihitsy ny mpikambana efatra ato amin’ny Fiangonana, ary nahazo ny fanohanany maharitra.

Quentin L. Cook

(8) Ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mampatanjaka ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona, ary ny fahatakaran’ny fianakaviana iray any Brésil ny filazantsara.

Bonnie H. Cordon

(74) Nanorina finamanana izay nitahy ny fiainan’izy ireo ny zatovovavy iray sy ny rahavavy zokiolona iray. Lasa nanana rohim-pitiavana teo no ho eo tamin’ny rahavavy iray novangiany i Bonnie H. Cordon sy ny mpiara-manompo aminy. Lasa nifanakaiky sy nifampatoky tamin’ny rahalahy iray manana vady nikasa hamono tena ny rahalahy manompo iray.

Michelle D. Craig

(52) Nampianatra mpikambana iray ao amin’ny paroasy i Camilla Kimball hoe “aza toherina mihitsy ny eritreritra feno falalahan-tanana iray.”

Dean M. Davies

(34) Azon’ny Filoha Gordon B. Hinckley an-tsaina ny toerana tokony hanorenana ny Tempolin’i Vancouver Colombie-Britannique.

Henry B. Eyring

(58) Nampanontany tena an’i Henry B. Eyring ny fomba nahitan’ny reniny fotoana sy hery hanaovana sarintany momba ny dia nataon’i Paoly Apôstôly.

(90) I Henry B. Eyring dia nianatra nandray ny olona ho toy ny “ao anaty fahasahiranana lalina.” Nitantana ny vadin’i Henry B. Eyring tao anatin’ny fahasahiranany ny Mpamonjy.

Cristina B. Franco

(55) Nianaran’i Cristina B. Franco fa ny fitiavana sy ny fahafoizantena no laron-tsakafo miafina tao amin’ny mofomamy misy sokolà namboarin’ny mpampianatra azy tao amin’ny Kilonga.

Robert C. Gay

(97) Nanampy an’i Robert C. Gay hijery ny zokiny vavy tahaka ny fahitan’ Andriamanitra azy ny Fanahy Masina. Nanompo fianakaviana iray voan’ny diphtérie i James E. Talmage.

Jack N. Gerard

(107) Taorian’ny nahitana fa nanana olana ara-pahasalamana goavana i Jack N. Gerard dia nijery ny fiainana tamin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izy.

Gerrit W. Gong

(40) Niresaka momba ny finoana ny Loholona Richard G. Scott sy i Gerrit W. Gong teo am-panaovan’izy ireo sary hosodokorano maneho afon-dasy iray. Nanampy mpivady iray malaindaina hiverina ao amin’ny Fiangonana ny mpihazona fisoronana iray.

Jeffrey R. Holland

(77) Nanampy ny raim-pianakaviana iray hamela heloka sy hiverina tao amin’ny Fiangonana ny fitalahoana mifono fanompoana nataon’ireo zanany, izay nitondra fitahiana ho an’ny fianakaviany.

Joy D. Jones

(50) Lasa nanana finamanana maharitra tamin’ny fianakaviana malaindaina iray i Joy D. Jones sy ny vadiny rehefa avy nianatra nanompo tamin’ny fitiavana ny Tompo.

Russell M. Nelson

(6) Tia manao fivavahana ao an-tokantranony ny renim-pianakaviana iray satria mitaona ny vadiny hampiasa fiteny tsaratsara kokoa ny fanamasinana ny fanasan’ny Tompo any an-trano isaky ny alahady.

(68) Niantso ny tenany tsy nahy hoe reny i Russell M. Nelson. Nisaotra ny reniny ny zanakalahy iray taorian’ny nitarihan’ny Fanahy Masina ny reniny hanakalo ny smartphone fampiasany amin’ny finday miforitra.

(87) Nanazava tao amin’ny fandaharana iray tao amin’ny onjam-peo i Benjamín De Hoyos fa ilay anarana lavabe an’ny Fiangonana dia voafidin’ny Mpamonjy.

Dallin H. Oaks

(61) Naiditra am-ponja ny tovolahy iray mpitsoa-ponenana rehefa avy namaly faty ireo zatovo izao niantsy ady taminy.

Paul B. Pieper

(43) Nilaza ny zazavavy iray izay niomana hatao batisa hoe ny mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy dia midika hoe “afaka manana ny Fanahy Masina aho.”

Ronald A. Rasband

(18) Naharesy ny tahotr’izy ireo momba ny fitondrana zanaka eto amin’izao tontolo izao ny zanakavavy sy ny vinantolahin’i Ronald A. Rasband.

Gary E. Stevenson

(110) Nanolotra ny tanan’ny fanompoana an’ny olona iray nania antsoina hoe Carlos A. Godoy ny mpikambana iray tao amin’ny paroasy. Matin’ny biby mpihaza ny ondry 200 an’ny mpiompy iray. Nentin’ny alika mpiandry ondry iray tany amin’ny toerana azo antoka ireo ondry very.