2018
Mametraka ny fototra iorenan’ny asa lehibe iray
Nôvambra 2018


Mametraka ny fototra iorenan’ny asa lehibe iray

Ny lesona nampianarina tamin’ny alalan’ireo fombafomba mahazatra izay aorintsika ao an-tokantranontsika, na dia zava-madinika sy tsotra aza, dia mihamanan-danja hatrany eo amin’ny tontolo ankehitriny.

Amin’ny maha-ray aman-dreny ao Ziona antsika, dia manana andraikitra masina isika ny hanampy ireo zanatsika hanana faniriana mafy hahazo sy hanao fanolorantena ho amin’ny fifaliana, ny fahazavana, ary ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Eo am-pitaizana ireo zanatsika dia manorina fombafomba mahazatra ao an-tokatranontsika isika, ary mampivelatra lamin’ny fifaneraserana sy fitondran-tena ao amin’ny fifandraisan’ny fianakaviantsika. Rehefa manao ireo zavatra ireo isika, ireo fombafomba mahazatra izay aorintsika ireo dia tokony hamboly toetoetra feno hatsarana izay matanjaka sy tsy voahozongozona ao amin’ireo zanatsika, izay hanome azy ireo hery hoentina miatrika ireo olana eo amin’ny fiainana.

Efa aman-taonany maro izay no nankafizan’ny fianakavianay ny lasy fanaonay mahazatra isan-taona any amin’ny toerana avo ao amin’ireo Tendrombohitr’i Uintah ao avaratra atsinanan’i Utah. Mandeha 32 km amin’ny lalan-tany vatovatoina izahay mba hahatongavana any amin’ny lohasaha maitso mavana sy tsara tarehy iray izay misy rindrim-bato avo be eo anelakelam-bohitra, ary misy renirano iray mikoriana izay feno rano madio sy mangatsiaka mamakivaky izany. Isan-taona, noho ny fanantenanay hampianatra indray ny lanjan’ny fotopampianarana sy ny fampiharana ny filazantsara ao am-pon’ireo zanakay sy ireo zafikelinay, dia mangataka ny tsirairay amin’ireo zanakay lahy enina sy ireo fianakavian’izy ireo izaho sy i Susan mba hanomana hafatra fohy iray mahakasika lohahevitra izay tsapan’izy ireo fa singa iray manan-danja amin’ny fanorenana tokatrano iray izay mifantoka amin’i Kristy. Ary avy eo dia mivory manao fampaherezam-panahin’ny mpianakavy ao amin’ny toerana iray mitokana izahay, dia samy mizara ny hafatr’izy ireo ny fianakaviana tsirairay.

Sary
Hafatra voasoratra eo amin’ny vato

Tamin’ity taona ity ireo zafikelinay dia nanoratra ny lohahevitry ny hafatr’izy ireo tamin’ny vato, ary avy eo, dia nifanesy nandevina izany nifanakaiky, izay maneho ny fanorenana mafy izay iorenan’ny fiainana iray feno fifaliana. Tafiditra tao anatin’ny hafatra miisa enina an’izy ireo ilay fahamarinana mandrakizay izay tsy mety miova fa i Jesoa Kristy no ilay vato fehizoron’izany fototra izany.

Araka ny tenin’i Isaia “Dia izao no lazain’i Jehovah Tompo, Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.”1 I Jesoa Kristy izany vato tsara izay fehizoro ao amin’ny fototr’i Ziona izany. Izy no ilay nanambara tamin’ny mpaminany Joseph Smith hoe: “Koa aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe.”2

Ny lesona nampianarina tamin’ny alalan’ireo fombafomba mahazatra izay aorintsika ao an-tokantranontsika, na dia zava-madinika sy tsotra aza, dia mihamanan-danja hatrany eo amin’ny tontolo ankehitriny. Inona avy ireo zavatra madinika sy tsotra izay, raha toa ka voaorina, dia hanao asa lehibe eo amin’ny fiainan’ireo zanatsika?

Vao tsy ela izay no niresaka tamin’ny mpiangona maro be tany akaikin’i Toronto, Canada ny Filoha Russell M. Nelson, ary dia nampahatsiahy tamim-pientanam-po an’ireo ray aman-dreny ny andraikitra masina izay ananantsika mba hampianatra ireo zanatsika. Tao anatin’ireo andraikitra manan-danja navoitra, dia nasongadin’ny Filoha Nelson ny andraikitra ananantsika amin’ny maha-ray aman-dreny antsika mba hampianatra ireo zanatsika hahatakatra ny antony andraisantsika ny fanasan’ny Tompo, sy ny maha-zava-dehibe ny fahaterahana ao anatin’ny fanekempihavanana, ary ny maha-zava-dehibe ny fiomanana amin’ny tsodranon’ny patriarika sy ny fandraisana izany.3 Amin’ny alalan’izany ezaka izany, ny mpaminany malalantsika dia mamporisika antsika hahatonga ny tokantranontsika ho “toerana masin’ny finoana.”4

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Enôsa dia mirakitra ny fankasitrahana lalina izay tsapany noho ny ohatra nasehon-drainy izay “nampianatra [azy] tamin’ny fiteniny, ary koa tamin’ny fanabeazana sy ny fananarana araka ny Tompo.” Tamim-pihetseham-po lehibe no nilazan’i Enôsa hoe, “Ary hotahiana anie ny anaran’ny Andriamanitro noho izany.”5

Ankamamiako ireo fombafomba mahazatra madinika sy tsotra izay lasa notandremanay tao an-tokantranonay nandritra ny 35 taona nivadianay. Maro amin’ireo fombafomba mahazatra anay no bitika kanefa dia manan-danja. Ohatra hoe:

  • Nandritra ireo takariva izay naha-lavitry ny tokantrano ahy, dia fantatro foana fa teo ambany fitarihan’i Susan ny zanakay lahimatoa etoana dia handray ny andraikiny amin’ny fitarihana ny fianakaviana handalina ny soratra masina sy hiara-hivavaka amin’ny mpianakavy.6

  • Fombafomba mahazatra iray hafa fanaonay ity—tsy mandao mihitsy ny tokantranonay na mamarana ny resaka amin’ny antso an-tariby izahay raha tsy efa niteny hoe, “tiako ianao.”

  • Voatahy ny fiainanay tamin’ny alalan’ny fanokanana fotoana tsy tapaka mba hankafizana tafasiry natao manokana tamin’ireo zanakay lahy tsirairay. Nandritra ny tafasiry iray dia nanontaniako ny zanakay lahy mahakasika ny faniriany sy ny fiomanany hanao asa fitoriana. Taorian’ny resadresaka vitsivitsy, dia nisy fotoana kely nisaintsainana mangina, ary avy eo dia nirona nankany aloha izy sady niteny tamim-piheverana tsara hoe: “Dada a, tsaroanao ve fony aho mbola kely dia nanomboka nanao tafasirin’ny raim-pianakaviana isika?” Hoy aho hoe: “Eny.” “Eny ary,” hoy izy, “nampanantena anao aho tamin’izany fa hanao asa fitoriana, ary ianao sy i Neny dia nampanantena ahy fa hanao asa fitoriana rehefa antitra ianareo.” Dia nisy fiatoana kely indray avy eo. “Manana olana mety hanakana anareo tsy hanompo ve ianareo, satria mety afaka hanampy aho?”

Ny fombafomba mahazatra mahasoa ataon’ny fianakaviana izay ahitana vavaka, famakiana ny soratra masina, takarivan’ny mpianakavy, ary fanatrehana ireo fivoriam-piangonana, na dia toa bitika sy tsotra aza, dia mamolavola kolontsain’ny fitiavana, fanajana, firaisankina, ary fiarovana. Ao anatin’ny toe-tsaina izay miaraka amin’ireo ezaka ireo, dia lasa voaro amin’ireo zana-tsipìka mirehitry ny fahavalo izay tena manana anjara toerana lehibe ao amin’ny kolontsain’izao tontolo izao amin’izao androntsika izao ireo zanatsika.

Ampahatsiahivina antsika ny torohevitra feno fahendrena nomen’i Helamàna ny zanany lahy hoe: “Ary ankehitriny, ry zanako, tsarovy, tsarovy fa eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ ny hantsan’ ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy.”7

Taona maro lasa izay, fony aho eveka mbola herotrerony, dia nisy lehilahy efa zokiolona iray nangataka ny hihaona tamiko. Notantarainy ny fisintahany tamin’ny Fiangonana sy ireo fombafomba mahazatra feno fahamarinana nataon’ireo ray aman-dreniny fony izy mbola tanora. Notantarainy tamin’ny antsipiriany ny alahelo izay tsapany nandritra ny androm-piainany fony mbola teo am-pikatsahany tsy nahitam-bokany fifaliana maharitra, teo anivon’ireo fifaliana mandalo izay natolotr’izao tontolo izao. Tamin’izay, tao anatin’ireo taona faramparany teo amin’ny fiainany, dia tsapany ny bitsika malefaka, ary indraindray maharitry ny Fanahin’ Andriamanitra izay nampahatsiahy azy an’ireo lesona, fomba amam-panao, fahatsapana, ary fiarovana ara-panahy tamin’ny fahatanorany. Naneho fankasitrahana ny amin’ireo fombafomba mahazatra an’ireo ray aman-dreniny izy, ary amin’ny fitenin’ny andro maoderina no namerenany ilay fanambaran’i Enôsa manao hoe:“Ary hotahiana anie ny anaran’ny Andriamanitro noho izany.”

Araka ny traikefa izay ananako, ny fiverenan’ity lehilahy malala ity tamin’ny filazantsara dia mitovy amin’ny zavatra niainan’ny olona maro ary dia niverimberina matetika teo anivon’ireo zanak’ Andriamanitra izay misintaka vetivety, kanefa mbola hiverina amin’ireo fampianarana sy fomba fanao tamin’ny fahatanoran’izy ireo ihany. Amin’ireny fotoana ireny, dia vavolombelon’ny fahendren’ny mpanoratra ny ohabolana isika, izay manoro hevitra ireo ray aman-dreny hoe: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany.”8

Ny ray aman-dreny tsirairay dia miatrika fotoam-pahasorenana sy ambaratongam-panapahan-kevitra fiovaovan’ny tanjaka eo am-pitaizana ny zanany. Na izany aza, rehefa mampiasa finoana amin’ny alalan’ny fampianarana tsy an-kiato sy amim-pahamarinana ary amim-pitiavana ireo zanany ireo ray aman-dreny ary manao izay rehetra azon’izy ireo atao mba hanampiana azy ireo mandritra izany fotoana izany, dia mandray fanantenana bebe kokoa izy ireo fa ireo voa izay nafafy dia hahazo faka ao am-po sy ao an-tsain’ny zanak’izy ireo.

I Mosesy dia nahatakatra tsara ny maha-zava-dehibe izany filana ny fampianarana tsy an-kiato izany. Nanoro hevitra izy hoe, “Dia ampianaro tsara ny zanakao [ireto teny ireto] ary resaho izany na mipetraka ao an-tranonao hianao na mandeha any an-dalàna, na mandry na mifoha.”9

Mandohalika eo anilan’ireo zanakay izahay mikarakara ny vavaky ny mpianakavy, mkarakara azy ireo izahay amin’ny alalan’ireo ezaka ataonay mba hanao famakian’ny mpianakavy soratra masina manan-danja, mikarakara azy ireo amim-paharetana sy amim-pitiavana izahay rehefa miara-mandray anjara ao amin’ny takarivan’ny mpianakavy izahay, ary mieritreritra ny amin’izy ireo izahay rehefa eo am-pandohalihana manao ireo vavaky ny tena manokana amin’ Andriamanitra. Endrey izany faniriantsika ny mba hahazoan’ireo voa izay afafintsika faka ao am-po sy ao an-tsain’ireo zanatsika.

Mino aho fa tsy dia manan-danja ny manahy ny amin’ny hoe “takatr”’ ireo zanatsika daholo ve ny “zavatra rehetra” mandritra ny fampianarantsika, toy ny rehefa manana fahasahiranana amin’ny famakiana ny soratra masina na ny fanaovana ny takarivan’ny mpianakavy na ny fanaovana ny adidy amin’ Andriamanitra na ireo tetikasa hahazoana mari-pankasitrahana ho an’ny Zatovovavy. Tsy dia manan-danja ny hoe azon’izy ireo ve ny maha-zava-dehibe ireo zavatra natao ireo tamin’ireo fotoana izay nanaovana izany fa ny manan-danja dia ny hoe, amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia mampiasa finoana ampy isika mba hanaraka ny torohevitry ny Tompo ny hiaina sy hampianatra ary handrisika amin’ny zotom-po, ary hiandrandra zavatra izay azo avy amin’ny fitaoman’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izany dia ezaka atosiky ny finoantsika—ny fananantsika finoana fa indray andro any ireo voa izay nafafy tao amin’ny fahatanoran’izy ireo dia hahazo faka ary hanomboka handrombona sy haniry.

Ny zavatra izay resahantsika, ny zavatra izay torintsika sy ampianarintsika dia hamaritra ny zavatra izay hitranga eo anivontsika. Rehefa manorina fombafomba mahazatra mahasoa isika izay mampianatra ireo fotopampianaran’i Kristy, dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ireo hafatra izay lazaintsika ny Fanahy Masina ary hanamafy ireo voan’ny filazantsara izay novolena lalina ao am-pon’ireo zanatsika amin’ny alalan’ireo ezaka ataontsika mandritra izany. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.