2018
Ny fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely
Nôvambra 2018


Ny fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely

Anio alina aho dia miangavy anareo amin’ny maha-mpaminany ahy, ry vehivavin’ny Fiangonana, mba hamolavola ny hoavy amin’ny fanampiana eo amin’ny fanangonana an’i Isiraely miely patrana.

Tena mahafinaritra ny miaraka aminareo ry ranabaviko malala sy sarobidy isany. Mety ahafahanareo mahazo an’eritreritra ny fahatsapako momba anareo sy momba ny hery masina nampitafiana anareo angamba ny zavatra iray izay niainako vao tsy ela.

Indray andro raha niresaka tamin’ny fivoriana iray tany Amerika Atsimo aho dia nanomboka nientanentana be ny amin’ny lohahevitro ary tamin’ny fotoana iray tena nanan-danja dia hoy aho hoe: “Amin’ny maha-renin-janaka 10 ahy dia afaka milaza aminareo aho fa …” Dia avy eo notohizako ny hafatro.

Tsy tsikarotro akory hoe nilaza ny teny hoe reny aho. Raha nihevitra ahy ho diso fiteny ilay mpandika teny dia novainy ho ray ilay teny hoe reny ka tsy fantatr’ireo mpivory mihitsy hoe nilaza ny tenako ho reny aho. Saingy i Wendy vadiko dia nahare izany, ary nahafaly azy tokoa ilay teny voalazako tsy nahy.

Tamin’izany fotoana izany dia ny faniriana lalina avy tato am-poko hitondra fiovana eto amin’izao tontolo izao, izay reny ihany no mahavita izany, no niboiboika avy tao am-poko. Nandritra ny fiainako isaky ny nanontaniana ahy ny antony nahatonga ahy nisafidy ho lasa mpitsabo, dia toy izao foana no valinteniko: “Satria tsy afaka nisafidy ny ho lasa reny aho.”

Mariho fa isaky ny mampiasa ny teny hoe reny aho dia tsy miresaka momba ireo vehivavy efa niteraka na nanangan-janaka tamin’ity fiainana ity ihany. Fa miresaka momba ireo zanakavavin’ny Ray any An-danitra izay efa lehibe rehetra. Ny vehivavy tsirairay dia reny noho ny anjarany mandrakizay araka an’ Andriamanitra.

Koa anio alina, amin’ny maha-rainjanaka 10 ahy, zanaka vavy sivy sy lahi- tokana, sy amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana ahy, dia mivavaka aho ny mba hahatsapanareo ny halalin’ny zavatra tsapako momba anareo, momba ny hoe iza ianareo sy ny zavatra tsara rehetra ataonareo. Tsy misy mahavita ny zavatra vitan’ny vehivavy marina iray. Tsy misy afaka maka tahaka ny fitaoman’ny reny iray.

Ny lehilahy dia afaka maneho ary matetika dia maneho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy amin’ny hafa. Saingy ny vehivavy dia manana fanomezam-pahasoavana manokana hanao izany, zavatra nampitafiana azy ireo avy any an-danitra. Manana ny fahaizana mamantatra ny zavatra ilain’ny olona iray ianareo, sy ny fotoana ilan’izy ireo izany. Afaka manampy, mampionona, mampianatra, ary mankahery olona iray ao anatin’ny fotoana manahirana azy ianareo.

Ny vehivavy dia manana fijery hafa amin’ny an’ny lehilahy, ary endrey ilainay ny fomba fijerinareo! Ny toetranareo dia mitarika anareo hieritreritra ny hafa voalohany, hieritreritra ny fiantraikan’izay zavatra atao eo amin’ny hafa.

Araka ny fanamarihana nataon’ny Filoha Eyring dia i Eva, ilay renintsika be voninahitra, no nitarika an’ilay antsointsika hoe “ny Fahalavoana,” noho ny fijeriny lavitra momba ny drafitry ny Raintsika any An-danitra. Ny safidy nataony tamim-pahendrena sy tamin-kerimpo niaraka tamin’ny fanapahan-kevitr’i Adama izay nanohana azy no nampiroso ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra. Izy ireo no nahafahantsika tsirairay ho tonga ety ambonin’ny tany sy handray vatana ary haneho fa hisafidy ny hijoro ho an’i Jesoa Kristy isika amin’izao, tsy misy hafa amin’ny nataontsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Ry ranabaviko malala, manana fanomezam-pahasoavana sy fironana ara-panahy miavaka ianareo. Mamporisika anareo aho anio alina, amin’ny fanantenan’ny foko manontolo, mba hivavaka hahatakaranareo ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy nomena anareo—mba hampiroborobo sy hampiasa ary hampivelatra azy ireny, mihoatra noho izay efa nataonareo. Hitondra fiovana eo amin’izao tontolo izao ianareo raha manao izany.

Amin’ny maha-vehivavy anareo dia mitondra fitaomana ho an’ny hafa ianareo ary fenitra mendrika halain-tahaka. Mamelà ahy ianareo hampahafantatra misimisy kokoa ny roa amin’ireo filazana lehibe natao tamin’ny fihaonambe maneran-tany farany nataontsika. Ianareo, ry ranabavy malalako, no tena ain’ny tsirairay amin’izany.

Voalohany, ny fanompoana. Ny fenitra faratampony momba ny fanompoana dia ny an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Amin’ny ankapobeny dia ny vehivavy no manakaiky kokoa an’ izany fenitra izany mihoatra ny lehilahy, ary efa izany foana hatrizay. Rehefa tena manompo ianareo dia manaraka ny fahatsapanareo hanampy ny olona iray hafa hiaina bebe kokoa ny fitiavan’ny Mpamonjy. Ny fironana hanompo dia toetra tsy misaraka amin’ny vehivavy marina. Mahafantatra vehivavy mivavaka isan’ andro aho manao hoe: “Iza no asainao hampiako anio?”

Talohan’ilay filazana tamin’ny aprily 2018 momba ilay fomba ambony sy masina kokoa hikarakarana ny hafa dia ny manisy marika ny fampianarana isan-tokantrano nampanaovina azy ireo hoe “vita” no fanaon’ny lehilahy sasany ary mandroso amin’ny andraikitra manaraka avy eo.

Saingy ianareo kosa rehefa nahatsapa fa mila fanampiana ny rahavavy iray novanginareo dia mandray andraikitra avy hatrany ianareo ary avy eo dia manao izany mandritra ny volana manontolo. Noho izany dia ny fomba famangiana fanaonareo no nanome aingam-panahy ho an’ny fivoarantsika ho amin’ny fanompoana.

Faharoa, tamin’ny fihaonambe maneran-tany farany isika dia nanavao ny firafitry ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka. Rehefa nitolona tamim-bavaka izahay ny amin’ny fomba hanampiana ireo lehilahin’ny Fiangonana mba hahomby kokoa amin’ny andraikiny dia nodinihinay tsara ny ohatry ny Fikambanana Ifanampiana.

Ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ireo vehivavy na firy taona na firy faona ary na inona na inona ny ambaratongam-piainana misy azy dia miaraka mivory. Ny ambaratonga tsirairay amin’ny fiainana dia samy misy fanamby miavaka, kanefa dia indreo ianareo, isan-kerinandro, mifangaro, miara-mivoatra sy mampianatra ny filazantsara, ary mitondra fiovana azo tsapain-tanana eo amin’izao tontolo izao.

Amin’izao ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka, izay manaraka ny ohatrareo, dia mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona. Ireo lehilahy ireo dia eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 98 taona (mihoatra angamba), sady manana traikefa isan-karazany eo amin’ny fisoronana sy ato amin’ny Fiangonana. Amin’izao ireo rahalahy ireo dia afaka manorina fifandraisana matanjaka kokoa eo amin’ny samy mpirahalahy, miaraka mianatra, ary mitahy ny hafa amin’ny fomba mahomby kokoa.

Tsaroanareo fa tamin’ny volana jona lasa teo izaho sy Rahavavy Nelson dia niresaka tamin’ireo tanoran’ny Fiangonana. Nasainay izy ireo hirotsaka ao amin’ny tafiky tanoran’ny Tompo mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny lafiny roa amin’ny voaly. Io fanangonana io no “fanamby lehibe indrindra sy tanjona lehibe indrindra ary asa lehibe indrindra eto ambonin’ny tany ankehitriny”!1

Tanjona iray izay tena ilana ny vehivavy izany, satria ny vehivavy no mamolavola ny hoavy. Koa anio alina aho dia miangavy anareo amin’ny maha-mpaminany ahy, ry vehivavin’ny Fiangonana, mba hamolavola ny hoavy amin’ny fanampiana eo amin’ny fanangonana an’i Isiraely miely patrana.

Inona no azonareo hanombohana izany?

Manolotra fanasana efatra aho:

Voalohany, manasa anareo aho handray anjara amin’ny fanalavirana mandritra ny 10 andro ny tambazotran-tserasera sy ny fitaovan-tserasera hafa izay mitondra eritreritra ratsy sy maloto ao an-tsainareo. Mivavaha mba hahafantarana izay zavatra mitarika hoesorinareo mandritra izany fanalavirana ataonareo izany. Tsy hampoizinareo ny vokatry ny fanalavirana mandritra ny 10 andro izay hataonareo. Inona no tsikaritrareo rehefa avy miato amin’ny fanaon’izao tontolo izao izay mandratra ny fanahinareo? Misy fiovana ve izay tianareo handaniana ny fotoanareo sy ny tanjakareo izao? Misy niova ve ny laharam-pahamehanareo, na dia kely fotsiny aza? Mamporisika anareo aho mba hirakitra sy hanaraka ny fahatsapana tsirairay.

Faharoa, manasa anareo aho hamaky ny Bokin’i Môrmôna manomboka izao ka hatramin’ny faran’ny taona. Na dia toa tsy ho vita aza izany noho ireo zavatra maro ezahinareo sahanina eo amin’ny fiainanareo, raha manaiky ity fanasana ity ianareo amin’ny fanirian’ny fonareo manontolo, dia hanampy anareo ny Tompo hahita fomba hahatratrarana izany. Ary rehefa mandalina ombam-bavaka ianareo, dia mampanantena aho fa hisokatra ho anareo ny lanitra. Hanome fitaomam-panahy sy fanambarana bebe kokoa ho anareo ny Tompo.

Rehefa mamaky ianareo dia te hamporisika anareo aho mba hanisy marika ireo andininy izay miresaka momba ny Mpamonjy. Avy eo dia manàna finiavana hiresaka momba an’i Kristy, hifaly ao amin’i Kristy ary hitory an’i Kristy amin’ny fianakavianareo sy ny namanareo.2 Ho lasa akaiky kokoa ny Mpamonjy ianareo miaraka amin’izy ireo raha manaraka izany dingana izany. Ary hisy fiovana, fahagagana mihitsy aza, hanomboka hitranga.

Androany maraina dia nisy filazana natao momba ny fandaharam-pampianarana vaovao isaky ny Alahady, izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana zavatra ara-panahy ao an-tokantrano izay hamafisin’ny zavatra atao any am-piangonana. Ianareo ry ranabaviko malala no fanalahidin’ny fahombiazan’io ezaka vaovao sy voalanjalanja ary mirindra hampianarana ny filazantsara io. Ampianaro ireo izay tianao ny zavatra ianaranao avy ao amin’ny soratra masina. Ampianaro azy ireo ny fomba hitodihana any amin’ny Mpamonjy mba hahazoana ny fanasitranany sy ny heriny manadio rehefa manota izy ireo. Ary ampianaro azy ireo ny fomba hampiasana ny heriny mankahery isan’andro eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fahatelo, manorena fahazarana handeha tsy tapaka any amin’ny tempoly. Mety hitaky fahafoizantena misimisy kokoa eo amin’ny fiainanareo izany. Ny fandehanana imbetsaka kokoa any amin’ny tempoly dia hamela ny Tompo hampianatra anareo ny fomba hampiasana ny herin’ny fisoronany izay nanafiana anareo tany amin’ny tempoliny. Ho anareo izay tsy mipetraka akaikin’ny tempoly dia manasa anareo aho handalina ombam-bavaka momba ny tempoly ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ny tenin’ireo mpaminany velona. Mikatsaha hahafantatra kokoa sy hahatakatra kokoa ary hahatsapa kokoa momba ny tempoly mihoatra ny teo aloha.

Tamin’ny fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tamin’ny volana jona lasa teo aho dia niresaka momba ny zatovolahy iray izay niova ny fiainany raha natakalon’ireo ray aman-dreniny ireny finday taloha afaka miforitra ireny ny smartphone fampiasany. Vehivavy manam-pinoana sy tsy matahotra ny renin’io zatovolahy io. Nahita ny zanany lahy izy nanomboka nanao safidy izay hanakana azy tsy hanao asa fitoriana. Nankany amin’ny tempoly izy nivavaka mba hahafantatra ny fomba tsara indrindra hanampiana ilay zanany. Dia nanomboka nanao zavatra araka izay fahatsapany izy avy eo.

Hoy izy: “Tsapako ny Fanahy nitarika ahy hijery ny findainy tamin’ny fotoana manokana mba hahatratrarana zavatra manokana. Tsy mahafantatra ny fomba fijerena ny ao anatin’ireny smartphone ireny aho saingy ny Fanahy no nitarika ahy tao anatin’ireo tambazotra ifaneraserana rehetra izay tsy mba fampiasako akory! Fantatro fa manampy ny ray aman-dreny izay mikatsaka fitarihana hiarovana ny zanany ny Fanahy. [Tamin’ny voalohany] dia tezitra tamiko ilay zanako. … Saingy telo andro taorian’izay fotsiny dia nisaotra ahy izy! Tsapany ny fahasamihafana.”

Niova be ny toetra sy ny fihetsik’ilay zanany lahy. Lasa manampy kokoa izy tao an-trano, nitsikitsiky kokoa, ary nihaino kokoa tany am-piangonana. Tiany ny nanompo nandritra ny fotoana fohy tao amin’ny toerana fanaovam-batisa tao amin’ny tempoly sy nanomanany ny fitoriana ny filazantsara.

Ny fanasako fahefatra, ho anareo izay efa nahazohazo taona, dia ny handraisanareo anjara tanteraka ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Mamporisika anareo aho mba handalina ny teny voalaza ao amin’ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana amin’izao. Tena manentana ny fanahy izany. Mety hitarika anareo izany amin’ny fampiroboroboana ny tanjonareo amin’ny fiainanareo manokana. Mangataka anareo ihany koa aho mba hiaina ireo fahamarinana ao amin’ny fanambaran’ny Fikambanana Ifanampiana navoaka efa ho 20 taona lasa izay.3 Misy tahadikan’izany ao anaty tranon-tsary mihantona amin’ny rindrin’ny biraon’ny Fiadidiana Voalohany. Heniky ny hafaliana aho isaky ny mamaky izany. Mamariparitra anareo izany sy ny olona tian’ny Tompo hahatongavanareo amin’izao fotoana izao manokana rehefa manao ny anjaranareo ianareo eo amin’ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely miely patrana.

Ry ranabavy malala, mila anareo izahay! Mila “ny tanjakareo, ny fiovamponareo, ny finoanareo, ny fahaiza nareo mitarika, ny fahendrenareo ary ny feonareo izahay.”4 Tsy afaka manangona an’i Isiraely tsotra izao izahay raha tsy eo ianareo.

Tia anareo aho sy misaotra anareo ary izao dia mitsodrano anareo mba hanana fahafahana hanalavitra an’izao tontolo izao ianareo eo am-pitondranareo fanampiana eo amin’ity asa manan-danja sy maika ity. Rehefa miaraka isika dia afaka manao izay rehetra ilain’ny Raintsika any An-danitra hataontsika mba hanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Zanaka Malalany fanindroany.

I Jesoa no Kristy. Fiangonany ity. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), Hopeofisrael.lds.org.

  2. Jereo ny 2 Nefia 25:26.

  3. Azo jerena en ligne ireo antontan-taratasy ireo. Ho an’ny filazana ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia jereo ny lds.org/callings/relief-society. Ho an’ny fanambarana momba ny Fikambanana Ifanampiana, dia jereo ny Mary Ellen Smoot, “Rejoice, Daughters of Zion,” Liahona, Jan. 2000, 111–14.

  4. Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” Liahona, nôv. 2015, 96; nampiana fanamafisana.