2018
Iray ao amin’i Kristy
Nôvambra 2018


Iray ao amin’i Kristy

Ry namako malala ao amin’ny asan’ny Tompo, mino aho fa afaka manao tsaratsara kokoa isika ary tokony hanao tsaratsara kokoa eo amin’ny fandraisana ireo namana vaovao ato am-piangonana.

Ry rahalahy sy ranabavy malala, miarahaba anareo amin’izao tolakandro izao. Ny filazanay azy amin’ny tenim-pireneko Pôrtogey Breziliana dia hoe, “Boa tarde!” Mahatsapa ho voatahy aho noho ny fiarahako mivory aminareo mandritra ity fihaonambe maneran-tany mahafinaritra an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ity eo ambany fitarihan’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson. Tena mampitolagaga ahy ny tombontsoa lehibe ananantsika tsirairay mba hihaino ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony eto an-tany amin’izao andro farany izao izay fotoana iainantsika.

Sary
Renirano Amazone
Sary
Renirano Amazone, miforona avy amin’ny fihaonan’ny renirano roa

I Brezila izay firenena niaviako dia tena manana harena ara-boajanahary tokoa. Ny iray amin’izany dia ilay Renirano malaza Amazone, izay iray amin’ireo renirano lehibe sy midadasika indrindra eto amin’izao tontolo izao. Renirano roa miavaka tsara no mandrafitra azy dia ny Renirano Solimões sy ny Renirano Negro. Mahavariana fa miara-mikoriana an-kilaometatra maro aloha izy ireo vao mitambatra ny rano, satria tsy mitovy ny fiavian’izy ireo sy ny hafainganam-pandehan’izy ireo sy ny mari-panan’izy ireo ary ireo taharo simika ao anatin’izy ireo. Afaka kilaometatra maromaro vao mitambatra ireo rano ireo ary lasa renirano iray tsy mitovy amin’ilay niavian’izy ireo. Rehefa avy mitambatra ireo lafy roa vao lasa tena mahery ny Renirano Amazone ka rehefa tonga any amin’ny Ranomasimbe Atlantika izany dia manosika ny ranon’ny ranomasina izany mba hahafahana mahita ranomamy mbola manenika kilaometra maro any amin’ny ranomasimbe.

Sary
Ny fihaonan’ireo renirano mandrafitra ny Renirano Amazone

Mitovy amin’ny fomba fiarahan’ny Renirano Solimões sy ny Renirano Negro mikoriana mba handrafitra ny Renirano lehibe Amazone koa ny fiarahan’ireo zanak’ Andriamanitra, izay tsy mitovy fiaviana ara-piarahamonina sy tsy mitovy fomba amam-panao sy kolontsaina, miditra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny mba handrafitra ity fikambanan’Olomasina ao amin’i Kristy izay mahafinaritra ity. Rehefa mifampahery sy mifanohana ary mifankatia isika amin’ny farany dia mitambatra mba hanorina vondron-kery matanjaka mijoro amin’ny tsara eto amin’izao tontolo izao. Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika izay miara-mikoriana ao anatin’ity reniranon’ny hatsarana ity, dia ho afaka ny hanome ilay “ranomamin’ny” filazantsara ho an’ity izao tontolo izao izay mangetaheta ity isika.

Sary
Mpikambana vaovao miray hina amin’ireo zanak’Andriamanitra hafa
Sary
Fiaraha-monina Olomasina miforona

Ny Tompo dia namporisika ireo mpaminaniny mba hampianatra antsika ny fomba ahafahantsika mifanohana sy mifankatia, mba hahafahantsika hiray hina ao amin’ny finoana sy eo amin’ny tanjona eo amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. Nampianatra i Paoly ilay Apôstôly ao amin’ny Testamenta Vaovao fa ireo izay “natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy … : fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.”1

Rehefa mampanantena isika mandritra ny batisa fa hanaraka ny Mpamonjy dia mijoro ho vavolombelona eo anatrehan’ny Ray isika fa vonona hitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy.2 Rehefa manao izay hananana ireo toetra masina ananany isika eo amin’ny fiainantsika, dia lasa tsy mitovy amintsika taloha isika, amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo ary mitombo ho azy ny fitiavantsika ny olona rehetra.3 Mahatsapa fiahiana marina mikasika ny fomba hahazoan’ny olona rehetra an’izay mahasoa sy hahazoan’izy ireo fifaliana isika. Mahita ny samy isika ho toy ny mpiray tampo isika, amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra manana fiaviana sy toetra ary hery anaty masina antsika. Maniry ny hifampikarakara isika sy hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay.4

Izany no namaritan’i Paoly ny atao hoe fiantrana.5 I Môrmôna, izay mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia namaritra izany ho toy “ny fitiavana madion’i Kristy,”6 izay endriky ny fitiavana faran’izay ambony sy mendrika ary matanjaka indrindra. Ny mpaminanintsika amin’izao fotoana izao, Filoha Russell M. Nelson, dia vao haingana no namaritra ny fanehoana io fitiavana madion’i Kristy io hoe fanompoana, izay fomba iray manokana sy masina mba hitiavana sy hikarakarana olona hafa toy ny nataon’ny Mpamonjy.7

Ndeha isika handray izany fitsipiky ny fitiavana sy fikarakarana izany, toy ny nataon’ny Mpamonjy, ao anatin’ny sahan-kevitry ny fampaherezana sy fanampiana ary fanohanana ireo mpikambana vaovao ary ireo olona manomboka maneho fahalianana amin’ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonantsika.

Rehefa mivoaka avy ao amin’izao tontolo izao ireo namana vaovao ireo sy mandray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary miditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonany, dia lasa mpianany izy ireo ary ateraka indray amin’ny alalany.8 Ilaozan’izy ireo ilay tontolo iray izay fantatr’izy ireo tsara ary misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny fony manontolo izy ireo, ka miditra ao amin’ny “renirano” vaovao iray mitovy amin’ilay Renirano mahery Amazone, izay renirano mifono hery lehibe feno hatsarana sy fahamarinana mikoriana mankany amin’ Andriamanitra. Ny Apôstôly Petera dia namaritra izany ho “taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain’ Andriamanitra ho an’ny tenany.”9 Rehefa miditra ao amin’izany renirano vaovao sy tsy dia mahazatra izany ireo namana vaovao ireo dia mety mahatsapa ho somary very amin’ny voalohany. Hitan’ireo namana vaovao ireo fa ny tenan’izy ireo dia miditra ao anatin’ny renirano iray manana ny fiaviany sy ny mari-panany ary ny taharo simikany manokana, renirano iray izay manana ny fomba amam-panaony manokana sy ny kolotsainy manokana ary ny voambolany manokana. Mety tena havesatra ho azy ireo izany fiainana vaovao ao amin’i Kristy izany. Eritrereto vetivety ny mety ho tsapan’izy ireo rehefa maheno vao voalohany ireto teny ireto izy ireo: “Takarivan’ny mpianakavy,” “Kômity misahana ny zatovo eo anivon’ny episkôpà”, “Alahady fifadian-kanina,” “batisa ho an’ny maty,” “triptika,” sy ny sisa.

Mora ny mahita ny antony mety ahatsapan’izy ireo ho toy ny tsy manana ny toerany izany. Eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany dia mety hanontany tena izy ireo hoe: “Misy toerana ho ahy ve ato? Manana ny toerako ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ve aho? Moa ve mila ahy ny Fiangonana? Moa ve aho hahita namana vaovao izay vonona ny hanampy sy hanohana ahy?”

Ry namako malala, eo anatrehan’ny tranga toy izany, isika izay eo amin’ny toerana samihafa ao anatin’ilay dia lavitra atao amin’ny maha-mpianatra antsika dia tsy maintsy manolotra amim-pitiavana finamanana amin’ireo namantsika vaovao, sy manaiky ny toerana misy azy ireo ary manampy sy mitia ary mampiditra azy ireo eo amin’ny fiainantsika. Ireo namana vaovao rehetra ireo dia zanakalahy sy zanakavavy sarobidin’ Andriamanitra.10 Zava-dehibe ny tsy famoizantsika na dia iray amin’izy ireo aza, satria toy ny Renirano Amazone izay miantehitra amin’ireo renirano kely mivarina ao aminy, dia mila azy ireo isika, toy ny ilan’izy ireo antsika, mba ho lasa vondron-kery matanjaka ho an’ny tsara eto amin’izao tontolo izao.

Ireo namantsika vaovao ireo dia mitondra ny talenta nomen’ Andriamanitra sy ny fientanentanana ary ny hatsarana ao anatin’izy ireo. Mety mifindra any amintsika ny hafanam-pon’izy ireo amin’ny filazantsara, ka hanampy antsika hamelombelona ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana. Izy ireo koa dia mitondra fomba fijery vaovao mikasika ny fahatakarantsika ny fiainana sy ny filazantsara.

Efa nampianarina antsika hatrizay ny fomba ahafahantsika manampy ireo namantsika vaovao mba hahatsapa ho voaray tsara sy ho tiana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Mila zavatra telo izy ireo mba hijanonan’izy ireo ho mafy orina sy ho mahatoky mandritra ny fiainan’izy ireo:

Voalohany, izy ireo dia mila rahalahy sy rahavavy ao amin’ny Fiangonana izay liana marina ny amin’izy ireo, ary namana marina sy mahatoky izay azon’izy ireo itodihana foana, sy hiara-dia amin’izy ireo ary hamaly ireo fanontanian’izy ireo. Amin’ny maha-mpikambana antsika dia tokony hiezaka foana isika mba handinika tsara sy hitady ireo olona vaovao rehefa manatrika ireo hetsika sy fivoriana ao amin’ny Fiangonana, na inona na inona mety andraikitsika na asa ampanaovina antsika na olana ananantsika. Afaka manao zavatra tsotra isika mba hanampiana ireo namana vaovao ireo hahatsapa ho voaray tsara ao amin’ny Fiangonana, toy ny fiarahabana amim-pitiavana, ny fitsikitsikiana amin-kitsim-po amin’izy ireo, ny fiarahana mipetraka mba hihira sy hitsaoka, ary ny fampahafantarana azy ireo amin’ireo mpikambana hafa, sy ny sisa. Rehefa manokatra ny fontsika amin’ireo namantsika vaovao ireo amin’ny alalan’ny sasany amin’ireo fomba ireo isika, dia manao asa ao anatin’ilay toe-tsaina takin’ny fanompoana isika. Rehefa manompo azy ireo tahaka ny nataon’ny Mpamonjy isika dia tsy hahatsapa ho toy ny “vahiny ao an-trano” izy ireo. Hahatsapa izy ireo fa afaka ny hanana ny toerany sy hahazo namana vaovao, ary ny tena zava-dehibe dia hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fikarakarantsika azy ireo amim-kitsim-po izy ireo.

Faharoa, mila andraikitra ireo namana vaovao, izay tombontsoa iray hanompoana ny hafa. Ny asa fanompoana dia iray amin’ireo zavatra mampiavaka Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izany dia dingana arahina mba hahafahan’ny finoantsika hatanjaka kokoa. Mendrika ny hanana izany tombontsoa izany ny namana vaovao tsirairay. Na dia manana andraikitra mivantana mba hanome antso fotoana fohy aorian’ny batisan’izy ireo aza ny eveka sy ny filankevitry ny paroasy, dia tsy misy manakana antsika, amin’ny maha-mpikambana antsika, tsy hanasa ireo namantsika vaovao mba hanampy antsika hanompo ny hafa amin’ny fotoana tsotsotra na amin’ny alalan’ireo tetikasa fanompoana.

Fahatelo ireo namana vaovao ireo dia tsy maintsy “[vokisana] amin’ny tenin’Andriamanitra.”11 Afaka manampy azy ireo mba hitia sy hahafantatra ny soratra masina isika rehefa miaraka mamaky sy mifanakalo hevitra amin’izy ireo, ka mizara ny toe-javatra mitranga manodidina ilay tantara ary manazava ireo teny sarotra. Isika koa dia afaka mampianatra azy ireo ny fomba ahafahana mandray fitarihana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina. Ankoatra izany dia afaka mamonjy ireo namantsika vaovao ireo any an-tranony isika ary manasa azy ireo ho any an-tranontsika koa indraindray, any ivelan’ireo fivoriana sy hetsika an’ny Fiangonana izay efa voalamina, ka manampy azy ireo mba hirotsaka ao anatin’ilay renirano maherin’ny fikambanan’ Olomasina.

Eo am-pahafantarana ireo fanovana sy fanamby atrehan’ireo namantsika vaovao mba hahatongavana ho mpikambana ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra, amin’ny maha-mpiray tampo antsika, dia afaka mizara ny fomba nandresentsika ireo fanamby teo amin’ny fiainantsika ireo isika. Izany dia hanampy azy ireo hahafantatra fa tsy irery izy ireo ary hitahy azy ireo Andriamanitra rehefa mampihatra finoana amin’ireo fampanantenany izy ireo.12

Rehefa mitambatra ny Renirano Solimões sy ny Renirano Negro, dia lasa mahery sy matanjaka ny Renirano Amazone. Mitovy amin’izany koa, rehefa mitambatra marina isika sy ireo namantsika vaovao, dia lasa matanjaka kokoa sy mafy orina kokoa mihitsy aza ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Izaho sy i Rosana malalako dia tena mankasitraka an’ireo rehetra izay nanampy anay hitambatra amin’ity renirano ity taona maro lasa izay, rehefa nandray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tany Brezila izay firenena niavianay izahay. Tena nanompo anay sy nanampy anay hanohy hikoriana ao anatin’ny fahamarinana ireo olona mahafinaritra ireo nandritra ny taona maro. Feno fankasitrahana azy ireo tokoa izahay.

Ireo mpaminany tany amin’ny Ilam-bolantany Andrefana dia nahafantatra tsara ny fomba hihazonana ireo namana vaovao hiaraka hikoriana amim-pahatokiana ao anatin’ilay renirano vaovao mifono hatsarana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ohatra, rehefa avy nahita izao androntsika izao i Môrônia sy nahafantatra fa hiatrika fanamby mitovy amin’izany isika,13 dia nampidiriny tao anatin’ny zavatra nosoratany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny sasany amin’ireo dingana manan-danja ireo:

“Ary rehefa noraisina tamin’ny batisa izy, ary niasana sy nodiovin’ny herin’ny Fanahy Masina, dia noraisina ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy; ary nalaina ny anarany mba hahatsiarovana azy sy hamahanana azy amin’ny teny soan’ Andriamanitra, hitehirizana azy amin’ny lalana tsara, hitanana azy hiambina lalandava amim-bavaka, tsy hiantehitra afa-tsy amin’ny fahamendrehan’i Kristy izay tompony sy mpanefa ny finoany.

“Ary ny fiangonana dia nihaona miaraka matetika mba hifady hanina sy hivavaka ary hifampiresaka amin’izy samy izy ny momba ny fiadanan’ny fanahiny.”14

Ry namako malala ao amin’ny asan’ny Tompo, mino aho fa afaka manao tsaratsara kokoa isika ary tokony hanao tsaratsara kokoa eo amin’ny fandraisana ireo namana vaovao ato am-piangonana. Manasa anareo aho mba hieritreritra ny zavatra azontsika atao mba hahay handray sy hanaiky ary hanampy azy ireo bebe kokoa manomboka amin’ny Alahady ho avy izao mihitsy. Aza avelanareo hisakantsakana anareo tsy handray ireo namana vaovao mandritra ireo fivoriana sy hetsika an’ny Fiangonana ireo asa nampandraiketina anareo any am-piangonana. Raha ny marina dia sarobidy eo imason’ Andriamanitra ireo fanahy ireo ary manan-danja bebe kokoa noho ireo fandaharan’asa sy hetsika. Raha toa isika ka manompo ireo namantsika vaovao amin’ny fontsika feno fitiavana madio tahaka ny nataon’ny Mpamonjy, dia mampanantena anareo aho, amin’ny anarany, fa hanampy antsika amin’ny ezaka ataontsika Izy. Rehefa mandray andraikitra amin’ny maha-mpanompo mahatoky antsika isika, tahaka ny nataon’ny Mpamonjy, dia hahazo ny fanampiana ilainy ireo namantsika vaovao mba hijanonana ho matanjaka sy ho feno fanolorantena ary ho mahatoky hatramin’ny farany. Hiaraka amintsika izy ireo noho isika lasa vahoakan’ Andriamanitra matanjaka ary hanampy antsika hitondra ranomamy ho an’ity izao tontolo izao ity izay mila mafy ireo fitahiana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ireo zanak’ Andriamanitra ireo dia hahatsapa fa izy ireo dia “tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony fa [… ] mpiray fanjakana amin’ny olona masina.”15 Mampanantena anareo aho fa hahatsapa ny fanatrehan’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika ao amin’ny Fiangonany izy ireo. Hanohy hiaraka hikoriana amintsika izy ireo, toy ny renirano mankany amin’ny loharanon’ny hatsarana rehetra mandra-pandraisan’i Jesoa Kristy Tompontsika azy ireo amim-pitiavana; ary haheno ny Ray izy ireo hiteny hoe: “Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.”16

Manasa anareo aho hikatsaka ny fanampian’ny Tompo mba hitiavana ny hafa tahaka ny nitiavany anareo. Ndeha isika rehetra hanaraka ilay torohevitra nomen’i Môrmôna antsika manao hoe: “Noho izany ry rahalahiko [sy anabaviko] malala dia mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany.”17 Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho ary ataoko izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.