2018
Afon-dasin’ny finoantsika
Nôvambra 2018


Afon-dasin’ny finoantsika

Ho an’ireo izay mikatsaka izany sy mamela izany hitranga ary miaina izany, dia ho avy ary azo iainana indray ilay masoandro miposaky ny finoantsika.

Ry rahalahy sy ranabavy malala, moa ve tsy mahavariana ny mandray fanambarana mitohy avy any an-danitra amin’ny alalan’ny Filoha Russell M. Nelson sy ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana izay manasa antsika hiaina amin’ny fomba vaovao sy masina kokoa,1 ao an-tokantrano sy ato am-piangonana, amin’ny fontsika sy ny saintsika ary ny herintsika manontolo?

Moa ve ianao efa nanana fahafahana hanao zavatra izay tsapanao fa tsy mahavonona anao na tsy vitanao kanefa nahazo fitahiana noho ny fanandramana nanao izany?

Efa nahatsapa izany aho. Indro misy ohatra anankiray.

Taona maro lasa izay ny Loholona Richard G. Scott, mpikambana iray tao amin’ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy, dia nanasa tamin-katsaram-panahy hoe “Gerrit, tianao ve ny hiara-handoko amiko?”

Nilaza ny Loholona Scott fa ny mandoko dia nanampy azy handinika sy hamorona zavatra. Nanoratra izy hoe: “Miezaha mamoron-javatra na dia tsy tsara manao ahoana aza ny vokatra. … Ny fitiavana mamorona zavatra dia mety hiteraka fanahy mankasitraka noho ny fiainana sy noho ny zavatra izay nomen’ny Tompo anao. … Rehefa misafidy am-pahendrena ianao dia tsy voatery handany fotoana be izany.”2

Ny Filoha Henry B. Eyring dia manazava fa ireo fisaintsainany ara-java-kanto dia atosiky ny “fitiavana,” ka tafiditra ao “ny fitiavana ny Mpahary iray izay manantena ireo zanany ho tonga tahaka Azy—hamorona sy hanorina.”3 Ny taokanton’ny Filoha Eyring dia manome “fomba fijery tokana sy ara-panahy momba ny fijoroana ho vavolombelona sy ny finoana.”4

Ny sary kanto nataon’ny Filoha Boyd K. Packer dia maneho hafatra fototry ny filazantsara: “Andriamanitra dia Mpamorona ny lanitra sy ny tany sy ny zavatra rehetra ao aminy, ny zavaboary rehetra dia mijoro ho vavolombelon’izany fahariana notarihin’ Andriamanitra izany, ary misy firindran-javatra tanteraka eo amin’ny zavaboary sy ny siansa ary ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.”5

I Almà dia mijoro ho vavolombelona hoe, “Ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra.”6 Mihira ireo ankizintsika ao amin’ny Kilonga hoe, “Isaky ny mandre feom-borona na mijery ny lanitra manga aho, … Faly aho fa miaina eto amin’ity tontolo mahafinaritra noharian’ny Ray any An-danitra ho ahy ity.”7 I Victor Hugo, mpanoratra, dia manazava ny “fifandraisana mahagaga eo amin’ny zava-manan’aina sy ireo zavatra amin’izao rehetra izao, manomboka amin’ny masoandro ka hatramin’ny bibikely. … Ny voromanidina rehetra dia ahitana taratra ny herin’ Andriamanitra. … Ny nébuleuse iray dia toy ny tranom-bitsika iray feno kintana.”8

Ary izany dia mampiverina antsika amin’ilay fanasan’ny Loholona Scott.

“Loholona Scott,” hoy aho namaly, “Te ho lasa mpandinika sy mpamorona kokoa aho. Mahaliana ahy ny haka sary an-tsaina ny Ray any An-danitra mandoko amin’ny rahona mibontsimbontsina sy ny endriky ny lanitra sy ny rano rehetra. Saingy”—dia niato elaela aho—”Loholona Scott,” hoy aho, “tsy mahay mandoko aho. Matahotra aho sao hahasorena anao ny mampianatra ahy.”

Nihomehy ny Loholona Scott ary nandamina fotoana hihaonanay. Tamin’ilay andro voatondro dia nomaniny ny taratasy sy ny loko ary ny fandokoana. Nanoritra tsipitsipika izy ary nanampy ahy hanomana ny taratasy.

Sary
Afon-dasy harivariva

Nataonay ho maodely ilay sary nataony mitondra ny lohateny hoe Afon-dasy harivariva. Raha teo am-pandokoana izahay dia niresaka momba ny finoana—amin’ny fomba ahoana no tsy hiahiahiantsika ny amin’ny haizina sy ny tsy fahatokiana rehefa mahita ny hazavana sy ny hafanan’ny afon-dasy—amin’ny fomba ahoana indraindray no hanomezan’ny afon-dasin’ny finoantsika fanantenana sy toky ho antsika, amin’ireo alina lava sy mangina. Ary dia ho avy ny masoandro miposaka. Ny afon-dasin’ny finoantsika—ny fahatsiarovantsika, sy ny zavatra niainantsika, ary ny lovan’ny finoantsika ny fahatsaran’ Andriamanitra sy ny halehiben’ny famindram-pony amin’ny fiainantsika—no nankahery antsika nandritra ny andro sarotra.

Ny fijoroako ho vavolombelona, ho an’ireo izay mikatsaka izany sy mamela izany hitranga ary miaina izany, dia ho avy ary azo iainana indray ilay masoandro miposaky ny finoantsika, ary indraindray mandeha tsikelikely. Ho avy ilay hazavana rehefa maniry sy mikatsaka izany isika, rehefa maharitra sy mankatò ny didin’ Andriamanitra isika, rehefa vonona ny handray ny fahasoavana sy ny fanasitranana ary ireo fanekempihavanan’ Andriamanitra isika.

Rehefa nanomboka nandoko izahay dia nankahery ny Loholona Scott hoe: “Gerrit, ao anatin’ny lesona iray monja dia handoko zavatra ho tianao tahirizina sy hotsaroana ianao.” Marina ny voalazan’ny Loholona Scott. Tena ankamamiako ilay sarin’afon-dasin’ny finoana vita amin’ny loko rano izay nolokoiko niaraka tamin’ny fanampian’ny Loholona Scott. Voafetra ary mbola voafetra hatrany ny fahafahako manao zava-kanto, saingy ny fahatsiarovana ny afon-dasin’ny finoantsika dia afaka mankahery antsika amin’ny fomba dimy.

Voalohany, ny afon-dasin’ny finoantsika dia afaka mankahery antsika hahita fifaliana ao anatin’ny famoronan-javatra mahasoa.

Ahitana fifaliana ny maka sary an-tsaina sy mianatra ary manao zavatra vaovao mendrika. Tena marina izany indrindra rehefa mampitombo finoana sy fahatokiana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany isika. Tsy afaka ny hanana fitiavana ny tenantsika ampy hanavotana antsika isika. Fa ny Ray any An-danitra dia tia antsika bebe kokoa ary mahafantatra antsika tsara kokoa noho ny fitiavantsika sy ny fahafantarantsika ny tenantsika. Afaka matoky ny Tompo isika ary tsy hiankina amin’ny fahalalan’ny tenantsika manokana.9

Efa nisy fotoana ve, izay ianao irery no tsy voasa tamin’ny fetin’ny tsingerin-taonan’ny olona iray?

Efa nisy fotoana ve naha-voafidy farany anao, na tsy nifidianana anao, rehefa nisy fisafidianana olona handrafitra ekipa?

Efa nisy fotoana ve ianao niomana ho amin’ny fanadinana iray tany an-tsekoly, dinidinika amin’ny asa iray, zavatra iray izay tena tianao—nefa nahatsapa ianao fa tsy nahomby?

Efa nivavaka ho an’ny fiarahana iray izay tsy hay hoe nahoana fa tsy nety ve ianao?

Efa nanana areti-mitaiza, nilaozam-bady, nalahelo noho ny fianakavianao ve ianao?

Fantatry ny Mpamonjy antsika ny zavatra iainantsika. Rehefa mampihatra ny fahafahana misafidy nomen’ Andriamanitra isika ary mampiasa ny fahafaha-manaontsika rehetra am-panetrentena sy am-pinoana, dia afaka manampy antsika i Jesoa Kristy Mpamonjy hiatrika ireo fanamby amin’ny fiainana ary hahita fifaliana. Ao anatin’ny finoana ny faniriana ary ny safidy ny hino. Ny finoana dia tonga ihany koa avy amin’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra, izay nomena mba hitahiana antsika, eo am-panarahantsika ny lalan’ny fanekempihavanany.

Rehefa nahatsapa na mahatsapa tsy fahatokian-tena, na irery, na sorena, na tezitra, na tsy nahomby, na diso fanantenana, na lavitra an’ Andriamanitra sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny, dia mety ho mila ezaka sy finoana betsaka kokoa ny miditra indray ao amin’ny lalan’ny fanekempihavany. Fa tsy anenenana anefa ny manao izany. Miangavy aho ny hanatonanareo na ny hanatonanareo indray an’i Jesoa Kristy Tompo! Mbola mafy mihoatra ny famatoran’ny fahafatesana ny fitiavan’ Andriamanitra—na fahafatesana ara-batana izany na ara-panahy.10 Tsy manam-petra sy mandrakizay ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika. Samy mania sy mety lavo avokoa isika tsirairay avy. Indraindray isika dia mety ho very lalana. Manome toky am-pitiavana antsika Andriamanitra, na aiza na aiza misy antsika na inona na inona zavatra nataontsika, fa tsy misy an’izany hoe tsy afaka miverina ilalana izany intsony. Miandry Izy ary vonona ny hamihina antsika.11

Faharoa, ny afon-dasin’ny finoantsika dia afaka mankahery antsika hanompo amin’ny fomba vaovao, ambony kokoa, ary masina kokoa sy feno Fanahy kokoa.

Ny fanompoana toy izany dia mitondra fahagagana sy ireo fitahiana azo avy amin’ny fanekempihavanana, izay ahatsapantsika ny fitiavan’ Andriamanitra sy ikatsahantsika ny hanompo ny hafa ao anatin’izany fanahy izany.

Vao tsy ela izaho sy Rahavavy Gong no nifankahalala tamin’ny raim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny fianakaviana izay voatahy noho ny rahalahy iray tao amin’ny fisoronana izay nanatona ny evekany ary nangataka raha toa ka afaka miaraka mpampianatra isan-tokantrano amin’ilay raim-pianakaviana. Mpikambana tsy navitrika ilay raim-pianakaviana ary tsy liana tamin’ny fampianarana isan-tokantrano. Saingy rehefa niova ny fon’ilay raim-pianakaviana dia nanomboka namangy ireo fianakaviana nampiandraiketana azy ireo izy sy ilay rahalahy tao amin’ny fisoronana. Taorian’ny famangiana iray nataon’izy ireo dia nanontany azy ny vadiny, izay tsy mba nandeha tany am-piangonana tamin’izany, hoe nanao ahoana. Niaiky ilay raim-pianakaviana hoe, “Mety nahatsapa zavatra ihany aho”—dia nandeha tany an-dakozia izy avy eo naka labiera.12

Saingy nifanesy niseho teny ny zavatra: zavatra niainana mahafinaritra, asa fanompoana, fiovam-po, fotoam-pianarana mikasika ny fiomanana ho any amin’ny Tempoly, fandehanana any am-piangonana, famehezana amin’ny fianakaviana tany amin’ny tempoly masina. Alaivo sary an-tsaina hoe hatraiza ny fankasitrahan’ireo zanaka sy zafikely ny rain’izy ireo sy ny reniny ary ilay rahalahy manompo izay tonga ho namana sy mpiara-manompo amin’ny rainy mba hitia sy hanompo ny hafa.

Fampaherezana fahatelo avy amin’ny afon-dasin’ny finoana: misy fifaliana sy fitahian’ny filazantsara tonga rehefa mikatsaka ny fitiavan’ny Tompo sy ny hafa amin’ny fontsika manontolo sy ny fanahintsika manontolo isika.

Ny soratra masina dia manasa antsika mba hametraka ny ezaka rehetra ataontsika eo ambonin’ny alitaram-pitiavana sy fanompoana. Ao amin’ny Testamenta Taloha ny Deoteronomia dia manoro hevitra antsika hoe “tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao” amin’ny fontsika sy ny fanahintsika ary ny herintsika manontolo.13 Mamporisika i Josoa hoe: “[Tiava] an’ i Jehovah Andriamanitrareo, … [mandehana] amin’ ny làlany rehetra, … [tandremo] ny didiny, … [mifikira] aminy ary [tompoy Izy] amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.”14

Ao amin’ny Testamenta Vaovao ny Mpamonjy dia nilaza ireo didy lehibe anankiroa: “Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra, … [ary] ny namanao tahaka ny tenanao.”15

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa momba an’i Jesoa Kristy, i Benjamîna Mpanjaka dia niasa tamin’ny “herin’ ny tenany rehetra sy ny fahaizan’ ny fanahiny manontolo” ary nampiorina ny fandriampahalemana teo amin’ny tany.16 Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny Tompo, araka ny efa hain’ny misiônera tsirairay, dia mangataka antsika mba hanompo Azy “amin’ ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanja[tsika] rehetra.”17 Rehefa niditra tao Jackson County ny Olomasina dia nodidian’ny Tompo izy ireo mba hitandrina ny Sabata ho masina amin’ny fitiavana “ny Tompo Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra, amin’ ny herinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra … ary hanompo Azy amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy.”18

Mahafaly antsika ilay fanasana hanokana ny fanahintsika manontolo mba hikatsaka fomba ambony sy masina kokoa hitiavana an’ Andriamanitra sy hitiavana ny hafa manodidina antsika ary hampatanjahana ny finoantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao am-pontsika sy ao an-tokantranontsika ary any am-piangonana.

Fahefatra, ny afon-dasin’ny finoantsika dia mankahery antsika hanorina fomba fiainana tsara amim-pahamarinana mba hampitombo ny finoana sy ny ara-panahy.

Ireo fahazarana masina, na ireo fanao mahazatra, na ireo fomba feno vavaka ireo dia mety ahitana vavaka, fandalinana ny soratra masina, fifadian-kanina, fahatsiarovana ny Mpamonjy antsika sy ireo fanekempihavanantsika mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo sy ny fizarana ireo fitahian’ny filazantsara amin’ny alalan’ny asa fitoriana, ny an’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ary ny fanompoana hafa, fihazonana diary feno hevitra ara-panahy, sy ny sisa sy ny sisa.

Rehefa ampifandraisina ny fomba tsara sy ny faniriana ara-panahy dia efa manomboka sahady izay ny mandrakizay. Tonga ny fahazavana sy ny fiainana ara-panahy rehefa mitondra antsika ho akaiky bebe kokoa ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ny fitandremantsika tsy tapaka ny ara-pivavahana. Rehefa tiantsika ny fanahy sy ny tenin’ny lalàna dia afaka mirotsaka amin’ny fanahintsika tahaka ny ando avy any an-danitra ireo zavatra mahakasika ny mandrakizay.19 Rehefa mankatò sy miaina ny rano velona isan’andro isika dia hahita valim-panontaniana sy finoana ary hery entina miatrika ireo fanamby sy fahafahana isan’andro ao anatin’ny faharetana sy fomba fijery ary fifaliana araka ny filazantsara.

Fahadimy, rehefa manao ireo fomba tsara indrindra efa fantatsika isika eo am-pikatsahana fomba vaovao sy masina kokoa hitiavana an’ Andriamanitra ary hanampiana ny tenantsika sy ny hafa hiomana hihaona Aminy, dia afaka mankahery antsika ny afon-dasin’ny finoantsika mba hahatsiaro fa ao amin’i Kristy no misy ny fahatomombanana, fa tsy ao anatintsika na ao amin’ny fahatomombanan’izao tontolo izao.

Ny fanasan’ Andriamanitra dia feno fitiavana sy fahafahana satria i Jesoa Kristy “no lalana sy fahamarinana ary fiainana.”20 Ho an’ireo izay mahatsapa ho mavesatra entana dia hoy ny fanasany: “Mankanesa atỳ amiko,” ary ho an’ireo izay manatona azy dia mampanantena Izy hoe: “Izaho no hanome anareo fitsaharana.”21 “Manatòna an’ i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, … [tiava] an’ Andriamanitra amin’ ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra … dia [ho] ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’ i Kristy.”22

Ao anatin’ilay fanomezan-toky hoe “amin’ ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’ i Kristy” dia misy fankaherezana sy fiadanana ary fampanantenana ihany koa fa afaka mandroso am-pinoana sy amin’ny fahatokiana ny Tompo isika na dia tsy mandeha araka ny nantenaintsika na nandrasantsika na ny mendrika antsika mihitsy aza ny zava-drehetra, ka tsy fahadisoantsika izany, na dia efa nataontsika aza izay tsara indrindra vitantsika.

Amin’ny fotoana maro sy amin’ny fomba maro dia mahatsapa ho tsy mahavita azy sy tsy matoky tena ary angamba tsy mendrika isika rehetra. Fa ao amin’ny ezaka feno fahatokiana ataontsika hitia an’ Andriamanitra sy hanompo ny mpiara-belona amintsika dia afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny aingam-panahy ilaina ho azy ireo sy ny fiainantsika amin’ny fomba masina kokoa isika.

Sady feno fangoraham-po ny Mpamonjy antsika no mamporisika sy mampanantena antsika fa isika dia afaka “mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy … amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra.”23 Ny fotopampianaran’i Kristy, ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, ary ny fanarahantsika tanteraka ny lalan’ny fanekempihavanany dia afaka manampy antsika hahafantatra ny fahamarinana ary hanafaka antsika.24

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fahafenoan’ny filazantsarany sy ny drafitry ny fahasambarany dia tafaverina amin’ny laoniny ary ampianarina ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ao amin’ny soratra masina ary amin’ny alalan’ireo mpaminany nanomboka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ka hatramin’ny Filoha Russell M. Nelson androany. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny lalan’ny fanekempihavanany dia mitarika ho amin’ilay fanomezana lehibe indrindra izay ampanantenain’ny Ray any An-danitra manao hoe: “Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.”25

Enga anie ireo fitahiany sy ny fifaliany maharitra ho lasa antsika rehefa manafana ny fontsika sy ny fanantenantsika ary ny fanolorantenantsika amin’ny afon-dasin’ny finoantsika isika, izany no entiko am-bavaka amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.