2018
Ny vehivavy sy ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano
Nôvambra 2018


Ny vehivavy sy ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho anareo amin’ny fomba handraisanareo anjara lehibe amin’ny fanamifisany ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano.

Ry ranabaviko malala, tena mahafinaritra ny mihaona aminareo. Fotoana iray maha-velom-bolo izao ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mandrotsaka fahalalana amin’ny Fiangonany ny Tompo araka ny efa nampanantenainy fa hataony.

Tadidinareo ny zavatra nolazainy hoe: “Mandra-pahoviana no afaka mijanona ho tsy madio ny rano mikoriana? Inona no hery hisakana ny lanitra? Toy ny tsy ahafahan’ny olona iray maninjitra ny sandriny malemy mba hisakanana ny reniranon’i Missouri amin’ny fikorianany efa voatendry, na hampiakatra azy hikoriana any amin’ny niaviany no tsy ahafahana misakana ny Tsitoha tsy hampidina fahalalana avy any an-danitra ho eo ambony lohan’ny Olomasin’ny Andro Farany.”1

Anisan’ny fizaran’ny Tompo fahalalana amin’izao fotoana izao ny fanafainganany ny fandrotsahany fahamarinana mandrakizay ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olony. Nohazavainy fa ny zanakavavin’ny Ray any An-danitra dia hitana anjara asa lehibe ao amin’izany fanafainganana mahagaga izany. Porofo iray maneho ilay fahagagana ny fitarihany ny mpaminany velona mba hanantitrantitra mafy ny fampianarana ny filazantsara ao an-tokantrano sy ao anatin’ny fianakaviana.

Mety hanontany ianareo hoe: “Amin’ny fomba ahoana izany no mahatonga ireo rahavavy mahatoky ho hery fototra amin’ny fanampiana ny Tompo handrotsaka fahalalana amin’ireo Olomasiny?” Manome ny valiny ny Tompo ao amin’ “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Tadidinareo ireo teny, saingy mety mahita dikany vaovao ianareo ary hahalala fa efa hitan’ny Tompo mialoha ireo fiovana mampientanentana ireo izay mitranga amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ilay fanambarana, dia nanome andraikitra ny vehivavy Izy mba ho mpampianatra voalohany ny filazantsara ao amin’ny fianakaviana tamin’ny alalan’ireto teny ireto: “Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany.”2 Tafiditra ao anatin’izany ny fitaizana amin’ny fahamarinan’ny filazantsara sy ny fahalalana.

Dia mitohy ilay fanambarana manao hoe: “Ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo.”3 Mpiara-miasa mitovy lenta izy ireo, mitovy eo amin’ny hery ananan’izy ireo amin’ny fitomboana ara-panahy sy amin’ny fahazoana fahalalana, ary noho izany dia miray hina amin’ny alalan’ny fifanampian’izy ireo. Mitovy izy ireo eo amin’ny anjaran’izy ireo masina mba hahazo ny fisandratana miaraka. Raha ny marina dia tsy afaka ny hahazo fisandratana ny lehilahy irery sy ny vehivavy irery.

Koa nahoana ary izany ny zanakavavin’ Andriamanitra izay manana fifandraisana miray sy mitovy no mandray ny andraikitra voalohany hikolokolo amin’ny zavatra mahavelona izay tena manan-danja indrindra tokony horaisin’ny olona, dia ny fahalalana ny fahamarinana avy any an-danitra? Raha ny farany fahitako azy dia efa izay no fomban’ny Tompo hatry ny namoronana ny fianakaviana teto amin’ity izao tontolo izao ity.

Ohatra amin’izany, i Eva no nahazo ny fahalalana fa nilain’i Adama ny hihinana amin’ny voan’ilay hazon’ny fahalalana mba hahafahan’izy ireo mitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra sy hanorina fianakaviana. Tsy haiko hoe nahoana no tamin’i Eva izany no tonga voalohany, saingy i Adama sy i Eva dia tena niray hina tanteraka rehefa narotsaka tamin’i Adama ilay fahalalana.

Ohatra iray hafa amin’ny fampiasan’ny Tompo ny fanomezam-pahasoavan’ny fikolokoloana ananan’ny vehivavy ny fomba nankaherezany ireo zanakalahin’i Helamàna. Tohina ny foko rehefa mamaky ilay tantara ary tsaroako ireo teny fanomezan-toky malefaka nolazain-dreniko fony aho nandao ny trano hanao fanompoam-pirenena.

Izao no noraketin’i noraketin’i Helamàna:

“Efa nampianarin’ny reniny izy ireo fa raha tsy miroanahana izy ireo, dia Andriamanitra no hanafaka azy ireo.

“Ary naveriny tamiko ny tenin’ ny reniny manao hoe: Tsy miroanahana izahay, nahafantatra izany ny reninay.”4

Na dia tsy fantatro aza ny antony rehetra mahatonga ny Tompo manome andraikitra voalohany ny vehivavy mahatoky ny hikarakara ny ao amin’ny fianakaviana dia mino aho misy idirany amin’ny fahafahanareo mitia izany. Mila fitiavana lehibe ny mahatsapa ny zavatra ilain’ny olona iray hafa mihoatra ny an’ny tena. Izany dia ny fitiavana madion’i Kristy ho an’ilay olona izay kolokoloinareo. Izany fahatsapana fiantrana izany dia avy amin’ilay olona voafidy ho mpikolokolo izay lasa mendrika noho ireo vokatry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny teny filamatry ny Fikambanana Ifanampiana, izay nasehon-dreniko tamin’ny ohatra, dia azo avy amin’ny fanentanam-panahy araka ny hevitro: “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay.”

Amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra anareo dia manana fahafahana voajanahary sy lehibe ianareo hahatsapa ny zavatra ilain’ny hafa ary hitia. Noho izany dia mahatonga anareo ho mora mahatsapa ny bitsiky ny Fanahy kokoa izany. Dia afaka mitarika ny zavatra eritreretinareo, sy teneninareo, ary ataonareo mba hikolokoloana olona avy eo ny Fanahy mba handrotsahan’ny Tompo fahalalana sy fahamarinana ary herim-po amin’izy ireo.

Ianareo ranabavy izay mandre ny feoko dia samy eo amin’ny toerana tokana misy anareo amin’ny dianareo mamakivaky ny fiainana. Ny sasany dia ankizivavy vao voalohany ato amin’ny fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany. Ny sasany dia zatovovavy miomana ho mpikolokolo araka ny tian’ Andriamanitra hahatongavan’izy ireo. Ny sasany vao nanambady tsy ela izay mbola tsy manan-janaka; ny hafa indray reny vao herotrerony manan-janaka iray na mihoatra. Ny sasany dia renin-jatovo ary ny hafa manan-janaka any amin’ny sahan’ny misiôna. Ny sasany dia manan-janaka izay lasa narefo am-pinoana ary lavitry ny tokantrano. Ny sasany mipetra-drery tsy manana namana mahatoky. Ny sasany dia renibe.

Nefa na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy anareo, dia ampahany, ary ampahany manan-danja, amin’ny fianakavian’ Andriamanitra sy ny fianakavianareo ianareo, na any amin’ny hoavy izany na amin’ity tontolo ity na any amin’ny tontolon’ny fanahy. Ny toky napetrak’ Andriamanitra taminareo dia ny hikolokolo ny faran’izay maro amin’ireo fianakaviany sy ny fianakavianareo araka izay azonareo atao amin’ny fitiavanareo sy ny finoanareo an’i Jesoa Kristy Tompo.

Ny zava-manahirana anareo matetika dia ny hoe iza no hokolokoloina, amin’ny fomba ahoana, ary rahoviana. Mila ny fanampian’ny Tompo ianareo. Izy no mahafantatra ny fon’ny hafa, ary fantany hoe rahoviana izy ireo no vonona ny hanaiky ny fikolokoloanareo. Ny vavaka ataonareo am-pinoana no ho fanalahidin’ny fahombiazanareo. Afaka miantehitra amin’ny fandraisana ny fitarihany ianareo.

Nanome izao fankaherezana izao Izy: “Angataho amin’ny anarako ny Ray, amin’ny finoana rehefa mino fa handray ianareo, dia hanana ny Fanahy Masina ianareo, izay maneho ny zavatra rehetra ilaina.”5

Ankoatra ny vavaka dia ny fandalinana am-pahamatorana ny soratra masina no ho ampahany amin’ny hery hikolokoloana izay tsy mitsaha-mitombo. Toy izao ilay fampanantenana: “Aza manahy mialoha koa ny amin’ izay holazainareo; fa raketo lalandava ao an-tsainareo ny tenin’ny fiainana, dia homena anareo amin’izany ora izany ny ampahany voafatra ho an’ny olona tsirairay.”6

Koa haka fotoana bebe kokoa ianareo hivavahana sy hisaintsainana ary handinihana ny zavatra ara-panahy. Hanana fahalalana ny fahamarinana ianareo izay narotsaka teo aminareo ary hitombo ao amin’ny herinareo hikolokoloana ny hafa ao amin’ny fianakavianareo.

Hisy ny fotoana izay hahatsapanareo fa miadana ny fandrosoanareo amin’ny fianarana ny fomba hikolokoloana tsara kokoa. Hitaky finoana ny faharetana. Nandefa izao fampaherezana izao ho anareo ny Mpamonjy:

“Koa aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe.

“Indro, mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo; ary ny marisika sy ny mpankatò no hihinana ny soa amin’ny tanin’i Ziona amin’izao andro farany izao.”7

Ny fanatrehanareo androany hariva dia porofo fa vonona ny hanaiky ny fanasana avy amin’ny Tompo mba hikolokoloanareo ny hafa. Marina izany na dia ho an’ireo izay zandriny indrindra manatrika eto androany aza. Afaka mahafantatra ny olona hokolokoloina ao amin’ny fianakavianareo ianareo. Raha mivavaka omban’ny tena finiavana ianareo dia hisy anarana na tarehin’olona ho tonga ao an-tsainareo. Raha mivavaka ianareo mba hahafantatra ny zavatra hatao na ny zavatra holazaina, dia hahatsapa valiny ianareo. Isaky ny mankatò ianareo dia hitombo ny hery hikolokoloana anananareo. Ho vonona amin’ilay andro izay hikolokoloanareo ny zanakareo ianareo.

Ny renin’ireo zatovo dia afaka mivavaka mba hahafantatra ny fomba hikolokoloana ny zanaka lahy na vavy izay toa tsy mandray ny fikolokoloana atao aminy. Azonareo atao ny mivavaka mba hahafantatra ny olona izay hisy fiantraikany tsara ara-panahy izay hilain’ny zanakareo sy hekeny. Maheno ary mamaly ny vavaka avy am-po ataon’ny reny mitaintaina toy izany Andramanitra, ary mandefa fanampiana Izy.

Ary koa mety misy renibe eto anio alina izay mety mahatsapa ratram-po vokatry ny tebiteby sy ny olana atrehan’ireo zanany sy ny zafikeliny. Afaka maka hery sy fitarihana avy amin’ny zavatra niainan’ireo fianakaviana ao amin’ny soratra masina ianareo.

Nanomboka tamin’ny andron’i Eva sy i Adama, tamin’ny Rain’i Isiraely, ary ireo fianakaviana tsirairay ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia misy lesona iray azo antoka mahakasika ny zavatra hatao momba ireo zanaka mafy hatoka dia ny hoe: aza mitsahatra mitia.

Manana ny ohatra mankahery nasehon’ny Mpamonjy isika rehefa nikolokolo ireo zanaka ara-panahin’ny Rainy any An-danitra izay nikomy Izy. Na dia miteraka fanaintainana aza izy ireo sy isika dia mbola mihinjitra hatrany ny tanan’ny Mpamonjy.8 Nilaza Izy ao amin’ny 3 Nefia momba ireo rahavavy sy rahalahy izay efa nezahiny nolokolokoina nefa tsy nisy vokany: “Ô ianareo vahoaka … izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely, impiry Aho no efa nanangona anareo toy ny reniakoho manangona ny zanany eo ambany elany sy efa namahana anareo.”9

Ho anareo ranabavy amin’ny dingana rehetra amin’ny lalam-piainana, ao amin’ny toe-piainam-pianakaviana rehetra, ary manerana ny kolontsaina rehetra, ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho anareo amin’ny fomba handraisanareo anjara lehibe amin’ny fanamifisany ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano sy ao amin’ny fianakaviana.

Hoentinareo ho fiovana ao amin’ireo fiaraha-mientana sy zavatra fanaonareo ao amin’ny fianakavianareo ny fiantrana izay ao aminareo. Hitondra fitomboana ara-panahy lehibe izany. Rehefa mivavaka miaraka amin’ny fianakavianareo sy ho an’ny fianakavianareo ianareo dia hahatsapa ny fitiavanareo sy ny an’ny Mpamonjy ho azy ireo. Ho lasa fanomezana ara-panahy ho anareo hatrany izany rehefa katsahinareo. Ho tsapan’ny ao amin’ny fianakavianareo izany rehefa mivavaka am-pinoana be kokoa ianareo.

Rehefa mivory hamaky mafy ny soratra masina ny fianakaviana, dia efa novakinareo mialoha izany ary efa nivavaka momba izany ianareo mba hiomanana manokana. Efa nahita fotoana ianareo hivavahana mba hanazavan’ny Fanahy ny sainareo. Avy eo rehefa anjaranareo ny mamaky dia hahatsapa ny fitiavanareo an’ Andriamanitra sy ny teniny ny olona ao amin’ny fianakavianareo. Hokolokoloiny sy hokolokoloin’ny Fanahiny izy ireo.

Afaka ny ho tonga eo amin’ny fianakaviana rehetra izay mivory ihany koa ny firotsahana tahaka izany raha mivavaka sy manao drafitra ny amin’izany ianareo. Mety handany ezaka sy fotoana izany, saingy hitondra fahagagana. Tsaroako ny lesona iray izay nampianarin-dreniko fony aho mbola kely. Mbola azoko sary ato an-tsaiko ilay sarin-tany voaloko izay nataony momba ireo dia nataon’ny Apôstôly Paoly. Manontany tena aho hoe ahoana no nahitany fotoana sy tanjaka hanaovana izany. Ary na dia amin’izao andro izao aza dia voatahy aho noho ny fitiavany izany Apôstôly be finoana izany.

Samy hahita fomba handraisana anjara amin’ny firotsahan’ny fahalalana tsy mitsaha-motombo ao amin’ny fianakavianareo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo tafaverina amin’ny laoniny ianareo. Samy hivavaka sy handalina ary hisaintsaina ny tsirairay avy aminareo mba hahafantatra ny anjara birikina-reo manokana. Fa izao no fantatro: ny tsirairay avy aminareo, izay mizaka zioga mitovy hikambanana amin’ireo zanak’ Andriamanitra, dia ho ampahany manan-danja amin’ny fahagagan’ny fianarana sy fiainana ny filazantsara izay hanafaingana ny fanangonana an’i Isiraely ary hanomana ny fianakaviamben’ Andriamanitra amin’ilay fiverenana be voninahitr’i Jesoa Kristy Tompo. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.