2018
Mandraisa anjara amin’ny fandikana Fihirana Vaovao, bokin-kira
Nôvambra 2018


Mandraisa anjara amin’ny fandikana Fihirana Vaovao, bokin-kira

Ny Fiangonana dia manomana edisiôna vaovaon’ny Fihirana sy ny Bokin-kiran’ny ankizy ary mikatsaka soso-kevitra sy fandefasana hira avy amin’ny mpikamban’ny Fiangonana avy amin’ny toerana rehetra.

Ao amin’ny hiravaovao.lds.org no ahafahanao:

Manolotra soso-kevitra—ireo fihirana sy hiran’ny ankizy misy ankehitriny izay tianao indrindra, ireo fihirana sy hiran’ny ankizy an’ny Olomasin’ny Andro Farany na tsy an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho ampidirina ao, ireo fihirana sy hira ankehitriny tsy ho ampidirina ao, ireo fahasarotana amin’ny bokin-kira misy ankehitriny, ary ireo tatitra hafa.

Mandefa hira na tonon-kira avy amin’ny mpanoratra mihitsy—fihirana, tonon-kiran’ny fihiriana, hiran’ny ankizy, na tonon-kiran’ny hiran’ny ankizy. Tokony ho mety tsara amin’ireo fivoriana mandritra ny fotoam-pivavahana ireo hira. Ireo firafitry ny fiteny rehetra sy ny fomba fiangaliana ara-kolontsaina rehetra dia hodinihina. Ireo izay latsaky ny 18 taona dia afaka mandefa raha toa ka manome fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka izy ireo. Tsy maintsy voaray mialoha ny 1 jolay 2019 ireo hira nalefa.