2018
Fanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana
Nôvambra 2018


Fanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana

Ry rahalahy sy ranabavy, ankehitriny aho dia hanolotra aminareo ireo Manampahefana Ambony, sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ary ireo Fiadidian’ny Vondrona Fanampiny maneran-tany an’ny Fiangonana mba hotohananareo.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Dallin Harris Oaks amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin H. Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i M. Russell Ballard ho Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Raha misy manohitra, afaka maneho izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: M. Russell Ballard, Jeffrey R. Holland, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit Walter Gong, ary Ulisses Soares.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny mba hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Brook P. Hales, izay voantso ho Fitopololahy Manampahefana Ambony.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hisaorana amim-pankasitrahana noho ny asa fanompoana feno fanolorantena nataon’ny Loholona isany Mervyn B. Arnold, Craig A. Cardon, Larry J. Echo Hawk, C. Scott Grow, Allan F. Packer, Gregory A. Schwitzer, ary Claudio D. Zivic tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy ireo ary omena ny anarana maha-Manampahefana Ambony nahavita asa tamim-boninahitra izy ireo.

Ireo izay maniry ny hiaraka haneho fankasitrahana aminay ho an’ireo Rahalahy ireo noho ny asa fanompoana miavaka izay nataon’izy ireo dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hisaorana ireto manaraka ireto tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy ireo: B. Sergio Antunes, Alan C. Batt, R. Randall Bluth, Hans T. Boom, Fernando E. Calderón, H. Marcelo Cardus, Paul R. Coward, Marion B. De Antuñano, Robert A. Dryden, Daniel F. Dunnigan, Jeffrey D. Erekson, Mervyn C. Giddey, João Roberto Grahl, Richard K. Hansen, Todd B. Hansen, Michael R. Jensen, Daniel W. Jones, Steven O. Laing, Axel H. Leimer, Tasara Makasi, Alvin F. Meredith III, Adonay S. Obando, Katsuyuki Otahara, Fred A. Parker, José C. Pineda, Gary S. Price, Miguel A. Reyes, Alfredo L. Salas, Netzahualcoyotl Salinas, Michael L. Southward, G. Lawrence Spackman, William H. Stoddard, Stephen E. Thompson, David J. Thomson, George J. Tobias, Jacques A. Van Reenen, Raul Edgardo A. Vicencio, Keith P. Walker, ary Daniel Yirenya-Tawiah.

Ireo izay maniry ny hiaraka haneho fankasitrahana aminay noho ny asa fanompoana tena tsara nataon’izy ireo, dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo Manampahefana Ambony, sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary ireo Fiadidian’ny Vondrona Fanampiny Maneran-tany araka izay misy ankehitriny.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany koa.

Ireo nanohitra izay mety olona natolotra teo dia tokony hihaona amin’ny filohan’ny tsatòkany.

Ry rahalahy sy ranabavy, misaotra anareo izahay noho ny finoana tsy miato anananareo sy ny vavaka tsy tapaka ataonareo ho an’ireo mpitariky ny Fiangonana.