2011
Ny Tantaran’ny Bokin’i Môrmôna
Ôktôbra 2011


Ny Tantaran’ ny Bokin’i Môrmôna

Inona no mitranga ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna? Ampiasao ireto sary ireto mba hianarana mikasika ireo mpaminany sy tantara ao amin’ity boky soratra masina mahavariana ity.

  1. Manomboka amin’ny mpaminany iray antsoina hoe Lehia ny Bokin’i Môrmôna. Nampitandrina ireo vahoaka ratsy fanahy tao Jerosalema mba hibebaka izy, kanefa tsy nihaino izany ny vahoaka. Nilaza tamin’i Lehia ny Tompo mba hitondra ny fianakaviany, ao anatin’izany ny vadiny, Sarià, sy ny zanakalahin’izy ireo—Lamana, Lemoela, Samy, ary i Nefia—ho any an-tany foana. (Jereo ny 1 Nefia 1–2.)

  2. Nandefa ny zanakalahiny hiverina i Lehia mba haka ireo soratra masina voarakitra ao amin’ireo takela-barahina. Ireo takelaka ireo dia nitahiry ny tantaran’ny razambeny sy zavatra hafa nasain’ny Tompo noraketina. Noraisin’i Lehia sy Nefia an-tanana ireo takelaka ireo. Nosoratan’izy ireo tao amin’ny takelaka koa ny zava-nitranga teo amin’ny fianakaviany. (Jereo ny 1 Nefia 3–5.)

  3. Nanome an’i Lehia ny kompà antsoina hoe Liahôna mba hitarihana ny fianakaviany mamakivaky ny tany foana hankany amin’ny tany nampanantenaina ny Tompo. (Jereo ny 1 Nefia 16.)

  4. Nilaza tamin’i Nefia mba hanao sambo ny Tompo hitondrana ny fianakavian’i Lehia ho any amin’ny tany nampanantenaina. Nankatò ny rainy sy ny Tompo i Nefia, saingy tsy nanao izany kosa i Lamana sy Lemoela. (Jereo ny 1 Nefia 17.)

  5. Niondrana an-tsambo i Lehia sy ny fianakaviany ho any amin’ny tany nampanantenaina tamin’ny alalan’ny sambo izay naoriny. (Jereo ny 1 Nefia 18.)

  6. Nanohy ny tsy fankatoavany ny rainy sy ny Tompo i Lamana sy Lemoela. Fantatra amin’ny hoe Lamanita ireo taranany. Nanohy nankatò ny rainy sy ny Tompo i Nefia. Antsoina hoe Nefita ireo taranany. (Jereo ny 2 Nefia 4–5.)

  7. Taorian’ny fahafatesan’i Lehia sy i Nefia dia nisy olon-kafa, toa an’i Jakôba rahalahin’i Nefia nanoratra fampianarana sy ireo zava-nitranga manan-danja teo amin’ny takelaka. (Jereo ny Jakôba 1.)

  8. Nivavaka i Enôsa mba ho voavela ny helony ary dia voavela izy. (Jereo ny Enôsa 1.)

  9. Nanangana tilikambo ny Mpanjaka Benjamina mba hampianarana ny olony ny filazantsara. (Jereo ny Môsià 2–6.)

  10. Nisy mpanjaka ratsy fanahy antsoina hoe Noà nampamono ho faty ny mpaminany Abinadia. Kanefa ny fampianaran’i Abinadia dia nampiova fo an’i Almà izay iray tamin’ny mpisoron’i Noà. (Jereo Môsià 11–17.)

  11. Nitsoaka ny fitsaran’ny Mpanjaka Noà i Almà, nampianatra ny hafa momba ny filazantsara ary nanao batisa azy ireo. (Jereo ny Môsià 18.)

  12. I Almà Zanany, zanakalahin’i Almà dia tsy mpankatò. Ratsy toetra izy sy ny namany, zanakalahin’i Môsià. Dia nisy anjely nilaza azy ireo mba hibebaka. Nibebaka i Almà sy ny zanakalahin’i Môsià ary nandany ny androm-piainany nitory ny filazantsara. (Jereo ny Môsià 27–28.)

  13. Nanova ny fon’ny Lamanita maro i Amôna, zanakalahin’i Môsià taorian’ny niarovany ny biby fiompin’ny Mpanjaka Lamônia ary nahazoany ny fahatokiany. (Jereo ny Almà 17–19.)

  14. Nanoratra ny fanevan’ny fahafahana ny Kapiteny Môrônia ary niady mba hiarovany ny fahafahan’ny vahoakany. (Jereo ny Almà 46, 48.)

  15. Nitarika ny zatovolahy miaramila marina miisa 2.000 i Helamàna. (Jereo ny Almà 53, 56–58.)

  16. Naminany ny mpaminany Lamanita antsoina hoe Samoela fa ho teraka tsy ho ela i Jesoa Kristy. (Jereo ny Helamàna 13–16.)

  17. Teraka tany Betlehema i Jesoa Kristy. Nampianatra ny Filazantsarany izy, nanasitrana sy nitahy ny olona ary nanorina ny Fiangonany. Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana izy ary nitsangana tamin’ny maty. (Jereo ny 3 Nefia 1, 8–10.)

  18. Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nitsidika ireo olo-marina Nefita sy Lamanita Izy. Nampianatra azy ireo ny Filazantsarany Izy, nanasitrana azy ireo, ary nitsodrano azy ireo tahaka ny nataony tany amin’ny faritra manodidina an’i Jerosalema. (Jereo ny 3 Nefia 11–28.)

  19. Voafidy hanoratra ao amin’ny takelaka ny zazalahy kely 10 taona antsoina hoe Môrmôna rehefa mihalehibe izy. Nanomboka nanambatra ireo tantara manan-danja indrindra tao amin’ireo rakitsoratra rehetra tao anatin’ny amboaran-takelaka metaly izy tamin’ny faha-24 taonany. (Jereo ny Môrmôna 1.)

  20. Natolon’i Môrmôna ny zanany lahy Môrônia ireo takelaka talohan’ny nahafatesany. Manam-boninahitra mpitarika tao amin’ny tafika i Môrônia. Izy no hany Nefita velona taorian’ny ady goavana nifanandrinan’i Lamanita sy ny Nefita. (Jereo ny Môrmôna 6, 8.)

  21. Talohan’ny nahafatesan’i Môrônia dia naleviny tao amin’ny toerana antsoina hoe Kômôra ireo takelaka. Teo ho eo amin’ny 1.400 taona taorian’ny nandevenan’i Môrônia ireo takelaka dia nivavaka mba hahafantatra ny fiangonana marina ny zazalahy kely 14 taona antsoina hoe Joseph Smith. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:5–16.

  22. Nitsidika an’i Joseph Smith ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary nilaza taminy fa tsy misy marina sy tanteraka ireo fiangonana tamin’izany. Hanampy amin’ny famerenana ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy i Joseph. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:17–20.

  23. Namangy an’i Joseph Smith i Môrônia ary nilaza taminy ny mahakasika ireo takelaka nalevina. Rehefa hiha-lehibe i Joseph Smith dia haka ireo takelaka ireo ary handika izany. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:27–54.

  24. Rehefa 21 taona i Joseph dia nankany amin’ny Havoan’i Kômôra izy ary naka ireo takelaka tao amin’ny toerana izay nandevenan’i Môrônia azy ireo. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:59.

  25. Nandika ny rakitsoratra teo amin’ireo takelaka tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra i Joseph Smith. Namoaka izany fandikan-teny izany izy. Antsoina hoe ny Bokin’i Môrmôna izany. (Jereo ny pejin-dohanteny sy ny teny fanolorana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.)

Ankavia: sary nataon’i Robert Casey; sombiny avy tamin’ny Dian’i Lehia teo Akaikin’ny Ranomasina Mena, nataon’i Gary Smith; Nankatò ny Feon’ny Fanahy Aho, nataon’i Walter Rane: I Lehia sy ny Liahona, nataon’i Joseph Brickey; Niteny mafy tamin’ireo Rahalahiny Mpikomy i Nefia, nataon’i Arnold Friberg © 1951 IRI; ankavanana: Ny Fahatongavan’i Lehia sy ny Olony tany amin’ny Tany Nampanantenaina, nataon’i Arnold Friberg© 1951 IRI; Nanaovan’izy ireo toetra tsy zaka Aho, nataon’i Walter Rane; Nanoratra teo amin’ny Takela-bolamena i Nefia, nataon’i Paul Mann © 1988; Nanandratra ny Feoko Aho ka Nahatakatra ny Lanitra Izany, nataon’i Walter Rane; Eo am-panompoana ny Andriamanitrareo, nataon’i Walter Rane; sombiny avy tamin’ny Fisehoan’i Abinadia teo anoloan’ny Mpanjaka Noà, nataon’i Arnold Friberg © 1951 IRI; Mandrosoa ao amin’ny Valan’Andriamanitra, nataon’i Walter Rane; Nitsangana i Almà, nataon’i Walter Rane; ireo sary hosodoko nataon’i Walter Rane dia nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombakoka mitahiry ny Tantaram-piangonana

Ankavia: Niaro ny Biby fiompin’ny Mpanjaka Lamônia i Amôna, nataon’i Arnold Friberg © 1951 IRI; Avia, mandrosoa, nataon’i Walter Rane, nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombakoka mitahiry ny Tantaram-piangonana; Nandeha Niady ireo Zatovolahin’i Helamàna Roa Arivo, nataon’i Arnold Friberg, nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombakoka mitahiry ny Tantaram-piangonana; Maminany i Samoela ilay Lamanita, nataon’i Arnold Friberg © 1951 IRI; Manambatra ireo Takelaka i Môrmôna, nataon’i Tom Lovell © IRI; I Even Remain Alone, nataon’i Walter Rane, nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombakoka mitahiry ny Tantaram-piangonana; Mandevina ireo Takelaka i Môrônia, nataon’i Tom Lovell © IRI; Ny Fanirian’ny Foko II, nataon’i Walter Rane; ankavanana: Nitsangana Izy, nataon’i Del Parson; I Kristy sy ireo Ankizy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, nataon’i Del Parson © 1995; Niseho tamin’i Joseph Smtih ny Anjely Môrônia, nataon’i Tom Lovell © 2003 IRI; Havoan’i Kômôra, nataon’i Jon McNaughton; Mandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith, nataon’i Del Parson © 1996 IRI