2011
Fampianarana ho an’ny Androntsika
Ôktôbra 2011


Fampianarana ho an’ny Androntsika

Mianatra avy amin’ny mpaminany fahiny isika fa ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra “zavatra tsotra sy sarobidy” maro izay voatahiry mba hampianarina antsika amin’ny androntsika (jereo ny 1 Nefia 13:40; 19:3). Ireo fahamarinana ireo dia manome fahazavana sy fahatakarana mitombo mikasika ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa kristy ary manampy ireo mpandalina ny Bokin’i Môrmôna hanivatsiva ireo fanambin’ny fiainana miaraka amin’ny fanantenana sy ny hery. Ao anatin’ireto teny manaraka ireto dia mijoro ho vavolombelona momba ireo fampianarana manan-danja ireo ireo mpaminany sy apôstôly maoderina.

Mihevitra ny Momba Antsika Ny Tompo

Sary
President Thomas S. Monson

“Tsaroako ny tenin’ny Tompo hita ao amin’ny bokin’i Etera ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hoy ny Tompo hoe: ‘Tsy afaka mita ity hantsana lehibe ity ianareo raha tsy omaniko ianareo hiatrika ny onjan-dranomasina, sy ny rivotra izay efa nivoaka ary ny alon-drano izay ho avy’ [Etera 2:25]. Ry rahalahiko sy anabaviko, nanomana antsika Izy. Raha manaraka ny teniny isika sy miaina ny didiny dia ho tafavoaka velona avy ao amin’ity fotoanan’ny baranahiny sy ny faharatsiana ity—fotoana izay azo oharina amin’ny onja sy ny rivotra ary ny tondra-drano izay afaka mandrava. Mihevitra ny momba antsika hatrany Izy. Tia antsika sy hitahy antsika Izy rehefa manao ny tsara isika.”

Filoha Thomas S. Monson, “Teny famaranana,” Liahona, Nôv. 2009, 109.

I Jesoa no Kristy

Sary
President Henry B. Eyring

“Ny Bokin’i Môrmôna no fijoroana ho vavolombelona voasoratra mahery vaika indrindra ananantsika mikasika ny hoe i Jesoa no Kristy. Inona no nolazain’i Nefia fa fototra handraisana ny Fanahy Masina? Ny Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Moa ve ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna tsindraindray afaka manome antoka ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy Tompo? Tsy tokony hiantehitra fotsiny amin’izany ianao raha mamaky tsara ny Nefia. Nilaza izy fa ity ‘no fanomezana … ho an’ireo izay rehetra mikatsaka Azy amim-pahazotoana.‘ Azo antoka fa ny hoe amim-pahazotoana dia midika ho tsy tapaka. Ary azo antoka fa midika hoe misaintsaina sy mivavaka izany. Ary azo antoka fa tafiditra ao anatin’ilay hoe mivavaka ny fitalahoana mafy mba hahafantatra ny fahamarinana. Na inona na inona latsak’izany dia tsy azo antsoina hoe amim-pahazotoana. Ary na inona na inona latsak’izany dia tsy ho ampy ho anao sy ho ahy.”

Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, “Going Home,” ao amin’ny Brigham Young University 1986–87 Devotional and Fireside Speeches (1987), 77–78.

Fanambarana Mikasika ny Filazantsara

Sary
President Dieter F. Uchtdorf

“Ireo singa fototry ny hafatry ny filazantsara dia hita ao amin’ireo soratra masina rehetra, saingy omena antsika amin’ny fomba mazava indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary ao amin’ireo fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith. Eto dia i Jesoa Tenany mihitsy no manambara mazava ny fotopampianarany sy ny filazantsarany, izay ilain’ny zanak’Andriamanitra arahina mba ‘[hahazoana] ny fiainana mandrakizay’ (F&F 14:7).”

Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, “Have We Not Reason to Rejoice?” Liahona, Nôv. 2007, 19.

Batisan’ny Ankizy Madinika

Sary
President Boyd K. Packer

“[Ny olona sasany dia mino] fa ny ankizy madinika dia notorotoronina tao anatin’ny fahotana ary miditra eto amin’ny fiainana an-tany ao anatin’ny toetra voajanaharin’ny fahalovana. Diso izany fotopampianarana izany!

“‘Raha fantatro ny marina,’ hoy i Môrmôna nanoratra, ‘nisy fifanjihirana teo anivonareo momba ny batisan’ny ankizy madinikareo’ (Môrônia 8:5).

“Nantsoina hoe ‘hadisoana bontolo’ ny fifanjihiran’izy ireo ary nanoratra izy hoe: …

“‘Henoy ny tenin’i Kristy, Mpanavotra anareo, Tomponareo sy Andriamanitrareo. Indro, tonga teo amin’izao tontolo izao Aho tsy hiantso ny marina fa ny mpanota ho amin’ny fibebahana; tsy ny salama no mila mpitsabo fa ireo izay marary kosa; koa ny ankizy madinika dia salama, satria tsy mahavita manota; noho izany, ny ozon’i Adama dia esorina hiala aminy ao Amiko, ka tsy manam-pahefana aminy izany; …

“‘Ary araka izany fomba izany no nanehoan’ny Fanahy Masina tamiko ny tenin’Andriamanitra; noho izany, ry zanako malala, dia fantatro fa fanarabiana marina tokoa eo anoloan’Andriamanitra ny hanaovanareo batisa ny ankizy madinika’ (Môrônia 8:7–9). …

“Vakio ny taratasiny iray manontolo. Fotopampianarana marina izany.”

Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Little Children,” Ensign, Nôv. 1986, 17.

Fampitandremana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
Elder L. Tom Perry

“Anisan’ireo lesona ianarantsika avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny antony sy ny fiantraikan’ny ady ary ny fepetra azo hanamarinana ny fisian’izany. Milaza ireo faharatsiana sy ireo loza aterak’ireo tsikombakomba miafina izany, izay natao mba hahazoana fahefana sy tombontsoa amin’ny vahoaka. Milaza ny fisian’i Satana sy manome fanamarihana mikasika ny sasantsasany amin’ireo fomba ampiasainy izany. Manoro hevitra antsika amin’ny fomba tsara tokony hampiasana ny harena izany. Milaza amintsika momba ireo fahamarinana feno sy sarobidin’ny filazantsara izany sy ny fisian’i Jesoa Kristy ary ny maha-Andriamanitra Azy ary ny Sorompanavotany ho an’ny zanak’olombelona rehetra. Mampahafantatra antsika mikasika ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany izany. Manambara amintsika ny tanjona sy ireo fitsipiky ny asa fitoriana izany. Mampitandrina antsika manoloana ny avonavom-po, ny tsy firaharahiana, ny fanemorana fotoana, ny loza avy amin’ny fomban-drazana diso, ny fihatsarambelatsihy ary ny tsy fahadiovam-pitondrantena izany.

“Ankehitriny dia miankina amintsika ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna sy ny fianarana ireo fitsipika ao aminy ary ny fampiharana izany eo amin’ny fiainantsika.”

Loholona L. Tom Perry avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Blessings Resulting from Reading the Book of Mormon,” Liahona, Nôv. 2005, 8.

Ny Zava-drehetra dia ho Averina amin’ny Laoniny

Sary
Elder Dallin H. Oaks

“Ny maha ara-bakiteny sy mihatra amin’ny tontolo rehetra ny fitsanganana amin’ny maty dia voafaritra amin’ny fomba tena mazava ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nampianatra ny mpaminany Amioleka hoe:

“‘Ny fahafatesan’i Kristy no hamaha ny famatoran’ny fahafatesan’ny nofo, mba hitsanganan’ny rehetra amin’ity fahafatesan’ny nofo ity.

“‘Hakambana indray ao amin’ny endriny tomombana ny fanahy sy ny vatana; ny rantsam-batana sy ny vanintaolana dia samy haverina amin’ny tena endriny, toa antsika ankehitriny amin’izao fotoana izao; …

“‘Ankehitriny, ity famerenana amin’ny laoniny ity dia ho tonga amin’ny rehetra, na antitra na tanora, na mpifatotra na olon’afaka, na lahy na vavy, na ny ratsy na ny marina; ary tsy hisy na dia singam-bolo iray amin’ny lohany aza ho very; fa ny zavatra tsirairay kosa dia haverina amin’ny endriny tomombana’ (Almà 11:42–44).

“Nampianatra ihany koa i Almà fa amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia ‘haverina amin’ny endriny tsirairay avy sy tomombana ny zava-drehetra’ (Almà 40:23). …

“Tena fankaherezana lehibe ny fahafantarana fa ireo rehetra izay nanana kilema teo amin’ny fiainana … dia hitsangana amin’ny maty amin’ny ‘endriny tsirairay avy sy tomombana.’”

Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Resurrection,” Liahona, Jolay 2000, 17.

Ireo Loza avy amin’ny Tsikombakomba Miafina

Sary
Elder M. Russell Ballard

“Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa ireo tsikombakomba miafina izay nirotsaka tamin’ny fanaovana heloka be vava dia fanamby lehibe tokoa, tsy ho an’ny tsirairay sy ny fianakaviana ihany fa ho an’ny fiaraha-monina iray manontolo. Anisan’ireo tsikombakomba miafina ankehitriny ireo andian-jiolahy, ireo tambazotran’ny zava-mahadomelina, ary ireo fianakaviamben’ny mpikotrika heloka bebe vava. Ireo tsikombakomba miafina amin’izao androntsika izao dia mitovy fomba fiasa amin’ireo jirik’i Gadiantôna tamin’ny fotoan’ny Bokin’i Môrmôna. … Anisan’ny tanjon’izy ireo ny ‘mamono sy mandroba ary mangalatra ary manao fijangajangana sy ny fomban’ny faharatsiana rehetra mifanohitra amin’ny lalàn’ny tany ary koa ny lalàn’Andriamanitra’ [Helamàna 6:23].

“Raha tsy mitandrina isika dia afaka mahazo fahefana sy hery misarika haingana dia haingana sy tanteraka tahaka ny fanaon’izy ireo tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo tsikombakomba miafina amin’izao andro izao.”

Loholona M. Russell Ballard avy amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Standing for Truth and Right,” Ensign, Nôv. 1997, 38.

Mamaha ireo Olan’ny Fiainana

Sary
Elder Richard G. Scott

“Ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana hafatra izay napetrak’Andriamanitra tao mba haneho ny fomba hanitsiana ny hery misariky ny fomban-drazana diso sy ny fomba hahazoana fiainana mahafa-po. Mampianatra ny fomba hamahana ireo olana sy ireo fanamby izay atrehantsika ankehitriny izany. … [Ny Tompo] dia nanolotra ny lalana hanitsiana ireo fahadisoana lehiben’ny fiainana, saingy tsy hanan-danja ny fitarihany raha mitoetra mihidy ao anatin’ny boky mikatona izany.”

Loholona Richard G. Scott avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “True Friends That Lift,” Ensign, Nôv. 1988, 76.

Mpampahatsiahy ireo Fanekempihavanantsika

Sary
Elder Robert D. Hales

“Ampatsiahivina isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa ny batisantsika dia fanekempihavanana ny ‘hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra [sy ny Fanjakany] amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra izay mety hisy anareo na dia hatramin’ny fahafatesana aza, mba hahatonga anareo ho voavotr’Andriamanitra ary ho voaisa miaraka amin’ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany, ka hahazoanareo ny fiainana mandrakizay’ (Môsià 18:9; nampiana fanamafisana).”

Loholona Robert D. Hales avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Liahona, Jan. 2001, 7.

Ireo Fitahian’ny Fankatoavana

Sary
Elder Quentin L. Cook

“Ao amin’ny toerana maro ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nampanantenaina ireo vahoaka fa hiroborobo eo amin’ny tany izy ireo raha mitandrina ireo didy [jereo ny 1 Nefia 2:20; 2 Nefia 4:4]. Io fampanantenana io matetika dia arahin’ny fampitandremana fa raha tsy mitandrina ireo didin’Andriamanitra izy ireo dia hoesorina tsy eo anoloany [jereo ny Almà 36:30].”

Loholona Quentin L. Cook avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Hope Ya Know, We Had a Hard Time,” Liahona, Nôv. 2008, 104.