2011
Raha Tena Te-Hahafantatra Ianao, Dia Hahafantatra Tokoa
Ôktôbra 2011


Raha Tena Te-Hahafantatra Ianao, Dia Hahafantatra Tokoa

Mahatsapa fankasitrahana tsy manam-pahataperana ho an’ny Bokin’i Môrmôna aho. Nanova mandrakizay ny fiainako izany ary fantatro fa afaka manova ny fiainanao.

Sary
Elder Walter F. González

18 taona aho rehefa lasa mpikamban’ny Fiangonana. Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiovam-poko ny Bokin’i Môrmôna. Tamin’izany fotoana izany dia nikatsaka hevi-baovao izay afaka nanazava ny tontolo manodidina ahy aho. Tsaroako ireo mpampianatro tany amin’ny oniversite izay nampiasa fomba fijery ara-nofo teo amin’ny fampianaran’izy ireo. Nanomboka nitongilana tany amin’ireo hevitra mivoy ny tsy fahafahana manaporofo ny tena fisian’Andriamanitra marina aho.

Indray andro dia nahatsikaritra boky manga tanora iray aho izay navelan’ny misiônera roa tao an-tranonay enin-taona lasa talohan’izany. Bokin’i Môrmôna izany. Niaraka tamin’ilay boky dia namela bokikely mikasika ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo ary torolalana ihany koa mikasika ny fomba fivavahana amin’Andriamanitra.

Nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna aho. Raha vao andininy vitsy monja no vitako tamin’ilay boky, tao amin’ny 1 Nefia, dia nahatsapa zavatra hafa aho. Nanomboka nifandona ny zavatra tsapako sy ny fahaizako. Koa dia nanapa-kevitra ny hanontany an’Andriamanitra ao anatin’ny vavaka aho.

Izay no fotoana voalohany teo amin’ny fiainako nivavahako nandohalika. Ny zava-niseho taorian’izany dia lasa iray tamin’ireo zava-niseho masina indrindra teo amin’ny fiainako. Fahatsapana fifaliana tsy omby tratra no nameno ahy hany ka fantatro tao am-poko fa ny Bokin’i Môrmôna dia mihoatra noho ny hoe boky fotsiny ihany. Boky avy amin’Andriamanitra izany. Tsy azo nihodivirana ny maha-tenin’Andriamanitra azy. Taty aoriana dia takatro fa ilay zavatra tsapako dia ilay Fanahy izay nijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany.

Na dia misy olona sasany niaina zavatra nitovy tamin’izany aza, dia misy fomba samihafa ahafahan’ny olona iray mahafantatra fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Ahoana no Hahafantaranao Izany?

1. Ny sasany dia hahafantatra amin’ny alalan’ny fandrenesana. Ianao dia mety anisan’ireo izay hahafantatra amin’ny alalan’ny fihainoana fotsiny ihany izay ampianarin’ilay boky. Ny Bokin’i Môrmôna dia milaza mikasika ireo olona an’arivony izay nandre ny zanakalahin’i Môsià nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary dia “niova fo ho an’ny Tompo” (jereo ny Almà 23:5–6). Ireo misiônera ankehitriny dia mampianatra izany filazantsara izany ihany izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny sasany dia hahafantatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandrenesana fotsiny ihany ny hafa mizara ny fampianarana ao aminy.

2. Ny sasany dia hahafantatra amin’ny alalan’ny famakiana. Mety anisan’ireo izay hahafantatra amin’ny alalan’ny famakiana tsotra fotsiny ny Bokin’i Môrmôna ianao miaraka amin’ny faniriana marina ny hahafantatra ny fahamarinana. Izany no nitranga tamin’ny vadiko. 12 taona izy rehefa nandray am-po ilay torolalana mba hamaky ilay boky hatrany amin’ny voalohany ka hatrany amin’ny farany. Rehefa nanao izany izy dia nahafantatra fa marina izany. Tena nahery vaika ilay fahatsapana ka rehefa namaky izy dia nanapa-kevitra ny hanaraka ny Mpamonjy mandrakizay. Nijoro foana tamin’ny zavatra tsapany izy.

3. Ny sasany dia hahafantatra amin’ny alalan’ny fanatanterahan-javatra. Mety anisan’ireo izay hahafantatra amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra izay ampianarin’ilay boky fotsiny ihany ianao. Ny olona sasany dia mahazo ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo amin’ny alalan’ny fanatanterahan-javatra (jereo ny Jaona 7:17). I Nefia, mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nahatakatra tsara izany fitsipika izany. Nanoratra izy hoe mba “hahazoako mandresy lahatra tanteraka azy ireo ka hinoany ny Tompo Mpanavotra azy ireo … [dia] nampihariko taminay ny soratra masina rehetra, mba ho tombontsoanay sy ho fianarana ho anay” (1 Nefia 19:23; nampiana fanamafisana). Amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainanao dia mety ho resy lahatra ihany koa amin’ny maha avy amin’Adriamanitra azy ianao.

4. Ny sasany dia hahafantatra amin’ny alalan’ny fanontaniana an’Andriamanitra. Ianao dia mety anisan’ireo izay hahafantatra amin’ny alalan’ny famakiana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary avy eo manontany ny Ray any an-danitra ao anatin’ny vavaka raha toa ka marina ny boky. Izany no zavatra niainako. Izany no fampanantenana tsara indrindra izay nataon’ny mpaminany iray hafa ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna dia i Môrônia, ho an’ireo mpikatsaka ny fahamarinana amin-kitsimpo rehetra: “Indro, ta hamporisika anareo aho, rehefa mamaky ireto zavatra ireto ianareo … mba hanontanianareo an’Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:3–4). Mijoro ho vavolombelona aho fa raha mamaky sy mivavaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna ianao, sy manaraka ny torolalan’i Môrônia dia ho fantatrao fa marina izany.

Andriamanitra dia Nampanantena fa Hahafantatra Ianao

Raha tena te-hahafantatra ianao dia hahafantatra fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Andriamanitra dia nampanantena fa hanome izany fahalalana izany an’ireo mpikatsaka marina ny fahamarinana, ary Izy dia “Andriamanitry ny fahamarinana, ary tsy afaka mandainga” (Etera 3:12).

I Almà, mpaminany iray hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra ny zanany lahy fa Andriamanitra dia nampanantena fa “hotsimbininy [ity boky ity] noho ny fikasana hendry ao Aminy mba hahazoany maneho ny heriny amin’ny taranaka ho avy. Ary ankehitriny, indro, fikasana iray no efa notanterahany, dia ny fampodiana indray ny aman’arivony … ho amin’ny fahalalana ny marina; ary efa nasehony tao amin’izy ireo ny heriny ary mbola hasehony ao aminy koa ny heriny ho an’ny taranaka ho avy; koa hotsimbinina [ity boky ity] (Almà 37:18–19).

Izany hery mandresy lahatra izany ihany no hita ankehitriny ao amin’ity soratra masina manokana ity, ary haneho izany amin’izay mikatsaka amin-kitsimpo ny hahafantatra. Afaka miteny izany tsy amim-pihambahambana aho rehefa manao jery todika ireo andro izay nianarako mikasika ny Fiangonana. Ankehitriny, noho ny hery mandresy lahatry ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona aho fa ny Bokin’ Môrmôna dia tenin’Andriamanitra, izay mampianatra fa i Jesoa no Kristy, Ilay Mesia Masina. Porofo azo tsapain-tanana ilay boky fa nitranga ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ary i Joseph Smith dia mpaminan’Andriamanitra.

Raha anisan’ireo izay mikatsaka amin-kitsimpo ny fahamarinana ianao, dia nampanantena ny Tompo fa hahafantatra ianao. Mety hahafantatra amin’ny alalan’ny fihainoana ireo fampianaran’ilay boky ianao, na amin’ny alalan’ny famakiana ilay boky, na amin’ny alalan’ny fanantanterahana izay ampianarin’ilay boky, na amin’ny alalan’ny fivavahana mba hahafantatra ny fahamarinany, na amin’ny alalan’ny fitambaran’ireo singa ireo. Saingy hahafantatra ianao.