2011
Ny Zavatra Ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny Fitiavan’Andriamanitra
Ôktôbra 2011


Ny Zavatra Ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny Fitiavan’ Andriamanitra

Ny sasany amin’ireo ohatra tena tsara indrindra izay mampiseho ny Fitiavan’ny Tompo dia voarakitra ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
Elder Russell M. Nelson

Ny ankamaroan’ny Kristiana dia efa mahafantatra ireo toetra nananan’i Jesoa Kristy izay voalaza ao amin’ny Baiboly. Nitolagaga izy ireo tamin’ny fitiavana izay nasehony tamin’ny mahantra sy ny marary ary ny mijaly. Ireo izay mandray ny tenany ho anisan’ny mpianany dia miezaka koa ny maka tahaka ny ohatra nasehony sy manaraka ny fanentanan’ilay Apôstôly malalany hoe: “Aoka hifankatia isika: fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra. … Fa Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:7–8).

Izany hevitra izany dia hazavain’ny Bokin’i Môrmôna. Faritany ny hoe ahoana no maha naterak’Andriamanitra ny olona iray ary ahoana no ahazoan’ny olona iray hery mba hitiavana toy ny Nataony. Ampahafantariny ireo fitsipika fototra telo izay mitondra ilay herin’ny fitiavan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.

Voalohany, ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa ny fampiharana ny finoana an’i Kristy sy ny fanaovana fanekempihavanana miaraka Aminy mba hitandrina ny didiny no fanalahidin’ny fahaterahana ara-panahy indray. Nanao fanamarihana tamin’ireo olona tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanao fanekempihavanana toy izany i Benjamina Mpanjaka hoe: “Ary ankehitriny, noho ny fanekempihavanana izay efa nataonareo, dia hantsoina hoe zanak’i Kristy ianareo, dia zanany lahy sy zanany vavy; fa indro, efa niteraka anareo ara-panahy Izy androany; satria lazainareo fa ny fonareo dia efa miova amin’ny alalan’ny finoana ny anarany; noho izany, dia aterany ianareo ary efa tonga zanany lahy sy zanany vavy.” (Môsià 5:7).

Faharoa, ny Mpamonjy mihitsy no nampianatra fa ny hery mba hahatongavana tahaka Azy bebe kokoa dia azo avy amin’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny filazantsara: “Ankehitriny dia izao no didy: Mibebaha, ianareo rehetra faran’ny tany, ary mankanesa atỳ Amiko ary aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoana mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany” (3 Nefia 27:20).

Fahatelo, manentana antsika Izy mba hanaraka ny ohatra nasehony: “Koa tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo?” hoy Izy nanontany tamim-piaingitraingi-piteny. Ny valinteniny dia hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy” (3 Nefia 27:27). Tena tiany tokoa isika hitovy bebe kokoa Aminy.

Ny sasany amin’ireo ohatra tena tsara indrindra izay mampiseho ny Fitiavany dia voarakitra ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna. Afaka mihatra eo amin’ny fiainantsika manokana ireo ohatra ireo rehefa miezaka ny hitovy bebe kokoa amin’ny Tompo isika.

Ny fitiavany an’i Lehia sy ny fianakavian’i Lehia—ary ny fitiavan’izy ireo Azy—no nitondra azy ireo tany Amerika, ilay tany nampanantenaina ho azy ireo, izay niroboroboany.1

Ny fitiavan’Andriamanitra antsika no nanosika Azy taonjato maro lasa izay handidy ireo mpaminany Nefita mba hitahiry rakitsoratra masina momba ny vahoakan’izy ireo. Ireo lesona avy ao anatin’izany rakitsoratra izany dia mahakasika ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika. Ireo fampianarana ireo ankehitriny dia hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Izany lahatsoratra masina izany dia mijoro ho toy ny porofo mivaingan’ny fitiavan’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra manerana an’izao tontolo izao.2

Ny fitiavan’i Kristy ireo “ondriny hafa” no nitondra Azy tany amin’ilay Tany Vaovao.3 Avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no ianarantsika fa nisy loza ara-boajanahary sy haizina tanteraka nandritra ny hateloana tany amin’ilay Tany Vaovao taorian’ny nahafatesan’ny Tompo tany amin’ilay Tany Fahiny. Avy eo dia nidina avy tany an-danitra ilay Tompo be voninahitra sy nitsangana tamin’ny maty ary nanompo teo anivon’ny vahoakan’ny Tany Vaovao.

“Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.” Hoy Izy tamin’izy ireo, “ary nisotro tamin’ilay kapoaka mangidy izay efa nomen’ny Ray Ahy Aho ary efa nankalaza ny Ray tamin’ny nitondrako teo Amiko ny fahotan’izao tontolo izao” (3 Nefia 11:11).

Avy eo Izy dia nanome iray amin’ireo zavatra faran’izay an’ny tena manokana mety ho azon’olona raisina avy Aminy. Nasainy izy ireo mba hitehika ny ratrany teo amin’ny lanivoany sy hitsapa ny diam-pantsika tamin’ny tanany sy ny tongony mba hahafantarany fa Izy no “Andriamanitr’i Isiraely sy Andriamanitry ny tany manontolo, ary novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao” (3 Nefia 11:14).

Avy eo dia nomen’i Jesoa ny mpianany ny fahefana hanaovana batisa sy hanomezana ny fanomezan’ny Fanahy Masina ary hanamasinana ny fanasan’ny Tompo. Nomeny Azy ireo ny hery hanorenana ny Fiangonana eo anivon’izy ireo izay tarihin’ny mpianany roa ambin’ny folo.

Nomeny azy ireo ny sasany tamin’ireo fampianarana fototra nomeny an’ireo mpianany tany amin’ny Tany Fahiny. Nositraniny ny mararin’izy ireo. Nandohalika sy nivavaka tamin’ny Ray Izy tamin’ny alalan’ny fampiasana teny tena mahery vaika sy masina ka tsy hain’izy ireo noraketina. Tena nahery vaika tokoa ny vavaka nataony ka heniky ny hafaliana ireo izay naheno Azy. Noho Izy heniky ny fitiavana azy ireo sy ny finoan’izy ireo Azy dia nitomany mihitsy Izy, dia i Jesoa. Naminany Izy momba ny asan’Andriamanitra ao anatin’ny taonjato maro izay hitondra any amin’ny fahatongavan’ilay Fiaviany Fanindroany efa nampanantenaina.4

Avy eo dia nangataka azy ireo Izy mba hitondra ny ankizin’izy ireo ho eo Aminy.

“Ary nalainy tsirairay ny ankizy madininy ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo.

“Ary nony nanao izany Izy dia nitomany indray;

“Ary niteny tamin’ny valalabemandry Izy, ary hoy Izy taminy: Jereo ny madinikareo.

“Ary raha nijery izy ireo mba hitazana, dia nanandratra ny masony nankany an-danitra izy ireo, ary nahita ny lanitra nisokatra sy nahita anjely nidina avy tany an-danitra miova tsy ny teo afovoan’ny afo; ary nidina ireny sy nanodidina ireo ankizy madinika ireo; ary nohodidinin’ny afo ireo; ary ny anjely dia nanompo azy ireo.” (3 Nefia 17:21–24).

Izany no fahadiovan’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny heriny araka ny voambara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Amin’izao andro farany izao, isika izay nomena tombontsoa hanana ny Bokin’i Môrmôna, sy ho lasa mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo sy hanana ny filazantsarany ary hitandrina ny didiny dia mahafantatra zavatra momba ilay fitiavan’Andriamanitra tsy manam-petra. Haintsika ny fomba hanaovana ilay fitiavany ho lasa toa ny antsika. Rehefa lasa mpianany marina isika dia mahazo ilay hery hitiavana toy ny fomba Hitiavany. Rehefa mitandrina ny didiny isika dia lasa mitovy bebe kokoa Aminy. Mampivelatra ny faribolam-pitiavantsika manokana isika amin’ny alalan’ny fanatonantsika ny olona avy any amin’ny firenena sy foko ary fiteny samihafa rehetra.

Azontsika atao tarigetra ity soratra masina ity miaraka amin’ny fankasitrahana lalina ilay fiainany mendrika alain-tahaka: “Mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany; mba hahatonga anareo ho zanakalahy [sy zanakavavin’] Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha-Izy Azy.” (Môrônia 7:48).5

I Kristy Niseho tany amin’ny Ilam-bolatany Andrefana, nataon’i Arnold Friberg © 1995 IRI

I Almà manao Batisa ao amin’ny Ranon’i Môrmôna, nataon’i Arnold Friberg

Mamangy an’i Amerika i Jesoa Kristy, nataon’i John Scott