2011
Ho an’ny Fiteny sy ny Olona Rehetra
Ôktôbra 2011


Ho an’ny Fiteny sy ny Olona Rehetra

Rehefa nampiandraikitra ny zanany Helamàna ireo rakitsoratry ny vahoakany ny mpaminany Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nanome toromarika ny zanany izy mba hahatsiaro fa ny Tompo dia nanana “tanjona hendry” mikasika ny fitahirizana ny soratra masina (Almà 37:12). Hoy izy momba izany rakitsoratra izany hoe: “Fa izy ireto dia tokony hotehirizina sy hifanoloran’ ny taranaka mifandimby … mandra-panambarana azy ireto any amin’ ny firenena, ny foko, sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina” (Almà 37:4).

Tamin’ny taona 1827 i Joseph Smith no nahazo ireo rakitsoratra ireo ary tamin’ny taona 1829 izy no nahavita nandika izany tamin’ny teny Anglisy tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra. Ny boky izay navoaka tamin’ny taona 1830 dia tena fitaovana fitoriana ny filazantsara mahery vaika mba handresen-dahatra ireo mpamaky ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Na dia efa namoaka boky miisa 5.000 aza, dia toa mbola lavitr’ezaka ihany ny fandefasana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny “firenena, ny foko, sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra.”

Kanefa ny Tompo dia mbola nanamafy ity faminaniana ity tamin’i Joseph Smith tamin’ny taona 1833, izay nanambarany mialoha ny momba ny andro iray izay “handrenesan’ny olona tsirairay ny fahafenoan’ ny filazantsara amin’ny teniny ary amin’ny fiteniny avy” (F&F 90:11). Ny Bokin’i Môrmôna, izay “mirakitra … ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (F&F 20:9), dia manana anjara asa fototra eo amin’ny fanatanterahana izany faminaniana izany.

Tany amin’ny antsasak’ireo taona nandrafitra ny taona 1800 ireo misiônera no nitondra ny filazantsara tany Eorôpa. Navoaka tamin’ny fiteny Danoa ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny taona 1851, narahin’ny dikan-teny navoaka tamin’ny teny Frantsay, Alemana, Italiana, ary Gallois tamin’ny 1852. Amin’izao fotoana izao ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo dia misy amin’ny fiteny 82, ary ireo misy toko nofantenina amin’ny fiteny 25 hafa. Ilay faminaniana hoe ny olona rehetra dia handre ny filazantsara amin’ny fitenin’izy ireo dia miha tanteraka isan-taona noho ny fandrosoan’ny asa fandikan-teny sy ny asa fitoriana.

Ny Asa Fandikan-teny

Ny dingan’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna miala amin’ny teny Anglisy mankany amin’ny fiteny hafa dia matetika aman-taonany maro vao vita. Tsy manomboka ny dingana raha tsy aorian’ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ilay fandaharan’asa ary rehefa misy mpikambana teratany ampy miteny ilay fiteny ao an-toerana mba hanao asa fandikan-teny. Ireo mpandika teny sy mpanao fanitsiana dia omena toromarika tsara ary asaina manakaiky ny Fanahy hatrany rehefa mandika teny. Rehefa vita ny fandikana, dia mandalo ny dingan’ny fanitsian’ireo mpitondra ara-panahy ireo lahatsoratra.

Aorian’ny fanontana, dia afaka mamandrika izany amin’ny alalan’ny Foibe Fanapariahana ireo mpikambana. Maro tamin’ireo mpikambana ireo no tsy nanana afa-tsy ireo toko nofantenina avy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fitenin’izy ireo na tamin’ny tranga hafa dia tsy nanana afa-tsy ny fijoroana ho vavolombelon’ireo misiônera.

Ny Bokin’i Môrmôna sy ny Asa Fitoriana

Rehefa misokatra ho an’ny asa fitoriana ny faritra iray, dia mety ho fanamby lehibe ireo olana eo amin’ny lafin’ny fiteny. Rehefa tsy misy bokin’ny Fiangonana voadika amin’ny fitenin’izany faritra izany, dia voatery ny misiônera mianatra ny fiteny ary mijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy. Any amin’ny toerana sasany eto amin’izao tontolo izao dia maro ireo olona afaka miteny ny fiteny faharoa ampiasaina ao amin’ny firenena, ary dia afaka manome ny Bokin’i Môrmôna amin’izany fiteny izany ireo misiônera. Ohatra, talohan’ny nandikana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Mongôliana, dia maro ireo mpikambana no nandalina ilay boky tamin’ny fiteny Rosiana.

Kanefa ny filazantsara dia tena takatra tsara ao anatin’ny fifankahazarana amin’ilay fiteny eo an-toerana sy ny fahazavany. I Eric Gemmell, izay nanompo tany amin’ny misiônan’i Llubljana Silôvenia tamin’ny taona 2001 ka hatramin’ny taona 2003 dia nahita mivantana ny fahasamihafana misy eo amin’ireo mpikambana sy naman’ny Fiangonana izay manana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fitenin’izy ireo. Ny 18 volana voalohany nanaovany asa fitoriana dia talohan’ny nisian’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Silôveniana.

Tena sarotra ny asa. Ny sampana voalohan’ny Fiangonana dia vao niorina folo taona monja talohan’izay. Vao nahazo ny fahaleovantenany vao haingana i Silôvenia ary mbola tao anatin’ny dingana hiala amin’ny fiteny Serbo-croate izay fiteny ôfisialy teo aloha. Nitondra Bokin’i Môrmôna maro tamin’ny fiteny Serbo-croate sy tamin’ny fiteny Anglisy ireo misiônera, izay fiteny ampiasain’ny ankamaroan’ny mpianatra tany am-pianarana. Kanefa matetika dia mandà ilay boky ny olona satria samy tsy misy azon’izy ireo daholo ireo fiteny ireo. Tsaroan’i Eric hoe tena toy ny nisy lavaka be izany hoe nijoro ho vavolombelona tamin’ny olona momba ny halehibe sy ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna izany—ary avy eo dia niteny tamin’izy ireo hoe tsy nanana izany boky izany amin’ny fitenin’izy ireo izy.

Enim-bolana talohan’ny nodian’i Eric, dia tonga ny andiany voalohany tamin’ireo Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Silôveniana izay nalefa. Nanao fivoriana ny sampana izay nahazoan’ny mpikambana sy ny misiônera tsirairay avy boky iray tamin’izany. Tsaroan’i Eric fa “nisy fahatsapan-javatra manokana tamin’izay.” Nosoratany tao amin’ny diariny ny zavatra tsapany rehefa nihazona izany boky sarobidy izay efa nandrasana hatry ny ela izany. Nanoratra izy hoe: “Toy ireny hoe nihazona ireo takela-bolamena ireny mihitsy izany.” Taorian’ny fivoriana, dia nentin’ireo misiônera ny ambin’ny boky mba hampiasaina amin’ny asa fitoriana. Nangitakitaka tokoa i Eric sy ilay mpiara-mitory taminy ka rehefa tonga tao an-tranony izy ireo dia nosokafany ilay baoritra dia naparitany ireo boky ary nalainy sary mba hahatsiarovana ilay zava-niseho. Tsy andrin’izy ireo izay hizarana ireo boky amin’ny olona. Niaraka tamin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Silôveniana teny an-tanana, dia tsy hoe nahita fahombiazana bebe kokoa fotsiny tamin’ny fanatonana olona akory ireo misiônera, fa nanana fomba koa hamelomana indray ny fijoroana ho vavolombelon’ireo mpikambana malaina izay tsy tonga tany am-piangonana nandritra ny taona maro.

Tao anatin’ny enim-bolana faran’ny asa fitoriany, dia nijery ny fitomboan’ny fijoroana ho vavolombelon’ireo mpikambana Silôveniana i Eric. Vao nahazo ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteniny izy ireo” hoy izy “dia tena nahatakatra izany. Tena nilentika lalina tao am-pon’izy ireo izany.” Teo aloha, ny mpanao lahateny sy ny mpampianatra nandritra ny fivoriam-piangonana dia tsy maintsy namaky ny soratra masina tamin’ny fiteny Serbo-croate ary tsy maintsy nisy olona nandika izany sy nanazava ny sasany tamin’ireo teny. “Tahaka ireny hoe nandeha niadana dia niadana tao anatin’ny teny nindramina avy tamin’ny fiteny iray hafa izahay,” araka ny fahatsiarovan’i Eric. Rehefa nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fitenin’izy ireo ny mpikambana, “dia nitombo avy hatrany ny fahatakaran’izy ireo ny filazantsara” hoy i Eric.

Amin’ny Fitenin’Izy ireo

I Mojca Zheleznikar dia iray amin’ireo mpikambana izay tonga mpikamban’ny Fiangonana tao Silôvenia talohan’ny nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Silôveniana. Ny fijoroany ho vavolombelona momba ny filazantsara dia tonga tamin’ny alalan’ny fihainoana ny misiônera sy ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Kirôasiana sy Anglisy. Taorian’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Silôveniana, dia namaky ilay lahatsoratra voadika i Mojca ary nahatsapa ny herin’ny teny tamin’ny tenin-drazany. “Nahatsapa ny fahamarinana nivelatra teo anoloako tao anatin’ny fahatsorana mazava sy fahadiovana lalina aho” hoy ny filazany. “Tahaka ny feon’ny Mpamorona ahy niteny tamiko tamin’ny fiteniko izany, fiteny izay niresahan’ny reniko tamiko.”

Ny mpikambana manerana izao tontolo izao dia efa samy niaina fahatsapana tahaka izany rehefa nandray ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteniny izy ireo. Tamin’ny taona 2003 taorian’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Kekchi, fiteny izay ampiasain’ny vahoaka Maya any Guatemala sy any Belize dia nanao fanitsiana ilay dikan-teny ireo mpandika teny niaraka tamin’ireo vondrona mpikambana teo an-toerana. Nitantara ny mpandika teny iray hoe: “Navondronay tao amin’ny trano fivavahana Senahú ny vondrona iray nahitana ireo mpikambana mpisava lalana mba hanao ny famakiana, ary isaky ny nahavita andininy iray izahay dia nisy fahanginana feno fanajana nanenika ny efitrano. Tena feno ny fahatakarana, ary dia tena nanatrika tamin’ny fomba mahery vaika teo ny Fanahy Masina. Tena traikefa masina izany.”

I Elvira Tzí izay iray tamin’ireo mpikambana nanatrika teo dia tena nankasitraka ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Kekchi satria hitondra fitahiana ho an’ireo taranaka vao misondrotra izany. Nilaza izy fa ilay dikan-teny dia hamela ireo tanora mpikambana “hahazo fahatakarana feno ny tenin’ny Tompo ary hanana fanajana ireo zavatra izay takian’ny Tompo.”

Ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana, ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fitenin’izy ireo dia loharanon’ny fitahiana tsy voatanisa. Ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza fa “rehefa mianatra sy mampianatra ombam-bavaka avy amin’ny soratra masina” ny mpikambana “dia hiroborobo ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona, hitombo ny fahalalan’izy ireo, hivelatra ny fitiavan’izy ireo ny fianakaviany sy ny hafa, hitombo ny fahafahan’izy ireo manompo ny hafa, ary dia hahazo tanjaka lehibe izy ireo handresy ny fakam-panahy sy hiaro ny fahamarinana.”1

Fitahiana lavitr’Ezaka

Ireo fitahiana lehibe entin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainan’ireo izay mandalina izany dia avy amin’ny faharisihana lehibe tokoa hizara ny boky amin’ny hafa, izay fahatanterahan’ny faminaniana hafa. Isan-taona dia eo amin’ny Bokin’i Môrmôna efatra tapitrisa no zaraina manerana an’izao tontolo izao amin’ny fiteny 100, rehefa mandeha tsirairay mizara ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ireo mpikambana sy Misiônera. Ny “fikasana hendry” izay nolazain’i Almà fahiny dia niharihary tamin’ny alalan’ny fielezan’ny Bokin’i Môrmôna manerana an’izao tontolo izao sy ao anatin’ny fiainana tsirairay niova.

Fanamarihana

  1. First Presidency letter, 15 Ôkt. 2008.

Niisa 5.000 ny Bokin’i Môrmôna navoaka voalohany.

Rehefa mandroso tsara ny asa fandikan-teny, dia miaina fifaliana amin’ny fihazonana voalohany ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteniny ireo mpikambana manerana an’izao tontolo izao tahaka an’i Lea sy i Flora Lotrič tany Silôvenia.

Sary nalain’i Eric Gemmell

Aorian’ny fahavitan’ny fandikan-teny, dia misy mpikamban’ny Fiangonana izay miteny ilay fiteny angatahana hanao ny fanitsiana ny lahatsoratra. Avy eny ankavia: Walter Barillas Soto, Mike Peck, Sulenny Ruby Cucul Sierra, John Bringhurst, ary Josefina Cucul Tiul manao ny fanitsiana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny Kekchi tao Cobán, Guatemala.

Ambony ankavia: sary nalain’i Busath Photography; eny ambany: sary nalain’i Tod Harris