2011
Ireo Fampanantenana Sarobidin’ny Bokin’i Môrmôna
Ôktôbra 2011


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ireo Fampanantenana Sarobidin’ ny Bokin’i Môrmôna

Sary
President Thomas S. Monson

Taona maro lasa izay dia nijoro teo anilan’ny fandrian’ny raim-pianakaviana tanora iray izay teo am-bavahaonan’ny fahafatesana aho. Nijoro teo akaiky teo ny vadiny sy ireo zanany roa izay nitaintaina. Noraisiny tamin’ny tànany ny tànako, ary tao anatin’ny fijery feno fitalahoana izy no nilaza hoe: “Eveka, fantatro fa efa ho faty aho.” Lazao ahy izay mitranga amin’ny fanahiko rehefa maty aho.”

Nanao vavaka mangina aho mba hahazo ny fitarihan’ny lanitra ary tsikaritro teo amin’ny latabatra kely teo akaikin’ny fandrianany ny triptika iray. Noraisiko ilay boky ary dia navadiko ireo pejy. Tampoka teo dia tsikaritro fa sendra teo amin’ny toko fahaefapolon’ny Almà tao amin’ny Bokin’i Môrmôna aho raha tsy nila ezaka manokana avy tamiko akory. Novakiako taminy ireto teny ireto:

“Indro, izany dia efa nampahalalain’ny anjely iray ahy, satria ny fanahin’ny olon-drehetra, raha vantany vao miala ity vatana mety maty ity, … dia entina mody any amin’ Ilay Andriamanitra izay nanome aina azy.

“Ary … ny fanahin’ireo izay marina dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana izay antsoina hoe paradisa, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry ny fiadanana izay hialany sasatra amin’ny fahasahiranana rehetra sy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo.” (Almà 40:11–12).

Rehefa nanohy namaky mikasika ny Fitsanganana amin’ny maty aho dia nisy tara-pahazavana tonga teo amin’ny endrik’ilay lehilahy tanora ary dia nisy tsiky teo amin’ny molony. Rehefa namarana ny famangiako aho dia nanao veloma ilay fianakaviany mahatehotia.

Tamin’ny fandevenana no nahitako manaraka ny vadiny sy ireo zanany. Miverina mieritreritra mikasika io alina io aho, rehefa nitalaho mba hahazo ny fahamarinana ny lehilahy tanora iray ary nandre ny valin’ny fanontaniany avy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Misy fampanantenana sarobidy maro hafa avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ao anatin’izany ny fampanantenana fiadanana, fahafahana, ary fitahiana raha toa isika “ka tsy manompo afa-tsy ny Andriamanitry ny tany, dia i Jesoa Kristy” (Etera 2:12).

Avy ao amin’ireo pejiny ilay fampanantenana “fahasambarana tsy misy fiafarana” ho “an’ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy” (Môsià 2:41).

Avy ao amin’ireo pejiny ilay fampanantenana “fifaliana tsy takatry ny saina” ho an’ireo izay lasa “fitaovana eo an-tànan’Andriamanitra” amin’ny fanavotana ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy sarobidy (Almà 28:8; 29:9).

Avy ao amin’ireo pejiny ilay fampanantenana fa i Isiraely izay niparitaka dia hangonina—asa iray izay tanterahantsika amin’ny alalan’ireo ezaka lehibe maneran-tany eo amin’ny fanaovana asa fitoriana (jereo ny 3 Nefia 16; 21–22).

Avy ao amin’ireo pejiny ilay fampanantenana fa rehefa mivavaka amin’ny Ray isika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy dia hotahiana ny fianakaviantsika (jereo ny 3 Nefia 18:21).

Avy amin’ny alalan’ny fandalinana ireo pejiny no ahatongavan’ilay fahatanterahan’ny fampanantenana ara-paminaniana hoe: “ho tonga eo amin’ny fiainanareo sy ao amin’ny tokantranonareo ny fatra fanampiny amin’ny Fanahin’ny Tompo, ny finiavana lehibe kokoa handeha amim-pankatoavana ny didiny, ary ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa mikasika ny fahaveloman’ny Zanak’Andriamanitra marina.”1

Ary avy ao amin’ireo pejin’ny Bokin’i Môrmôna ilay fampanantenan’i Môrônia fa amin’ny alalan’ny vavaka sy ny tena finiavana ary ny finoana an’i Kristy dia afaka hahafantatra ny fahamarinan’ireo fampanantenana ireo isika “amin’ny herin’ny Fanahy Masina” (jereo ny Môrônia 10:4–5).

Miaraka amin’ireo mpaminanin’ny andro farany hafa dia mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fahamarinan’ity “boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany,” ity,2 dia ny Bokin’i Môrmôna, testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Ny hafany dia manenika ny tany ary mitondra ireo mpamaky azy any amin’ny fahalalana ny fahamarinana. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Bokin’i Môrmôna dia manova fiainana. Enga anie isika tsirairay hamaky sy hamerina hamaky azy. Ary enga anie isika hizara amim-pifaliana ireo fijoroantsika ho vavolombelona momba ireo fampanantenany sarobidy amin’ireo zanak’Andriamanitra rehetra.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “A Testimony Vibrant and True,” Liahona, Aog. 2005, 6.

  2. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 64.

Sary nataon’i Christina Smith