2011
Fanontaniana Fametraka Matetika mahakasika ny Bokin’i Môrmôna
Ôktôbra 2011


Fanontaniana Fametraka Matetika mahakasika ny Bokin’i Môrmôna

Isika rehetra dia tratran’ny fanontaniana mahakasika ny Bokin’i Môrmôna izay na izany avy avy amin’ireo namana, na fianakaviana, na ireo tena liana, na ireo mpanohitra tsotra izao. Ireto avy ireo valinteny mety azo hamaliana izany.

Inona no atao hoe Bokin’i Môrmôna ary amin’ny fomba ahoana no itovian’izany amin’ny Baiboly?

Ny Bokin’i Môrmôna dia bokin-tsoratra masina mitovy amin’ny Baiboly. Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izany.1 Ny Baiboly dia miresaka amin’ny ankapobeny ny fiainana sy fampianarana tany Isiraely fahiny. Ny Bokin’i Môrmôna dia mitahiry ny rakitsoratry ny vondrona maromaro izay tonga teto Amerika, isan’izany ny fianakaviana iray izay niala tao Jerosalema tamin’ny 600 Talohan’i J.K. Ireo olona ireo koa dia avy amin’ny taranak’i Isiraely. Noho izany ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratan’ny olona manana lova mitovy saingy tamin’ny toerana samihafa teto amin’izao tontolo izao.

Toy ny Baiboly dia mihoatra noho ny firaketana tantara ny Bokin’i Môrmôna. Mitahiry “ny fahafenoan’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy” izany (F&F 20:9): ny fampianarany, fotopampianarany, ary ireo faminaniana izay mijoro ho vavolombelona momba an’Andriamanitra Ray sy ny Zanany lahy, Jesoa Kristy.

Nanazava ny Mpaminany Joseph fa ny Bokin’i Môrmôna dia “milaza amintsika fa niseho teto amin’izany Kaontinanta [Amerika] izany ny Mpamonjy antsika taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty; ka nametraka ny Filazantsarany tamin’ny endriny feno rehetra, sy tamin’ny fahatsarany, sy ny heriny ary ny fitahiany Izy. Izy ireo dia nanana Apôstôly, Mpaminany, Mpiandry, Mpampianatra ary Evanjelisitra, lamina mitovy, fisoronana mitovy, ôrdônansy mitovy, fanomezana, hery ary fitahiana izay azon’ireo tany amin’ny kaontinanta atsinanana; … ka ireo mpaminany farany teo anivon’izy ireo dia nodidiana hanoratra rakitsoratra amin’ireo faminaniany, tantarany sy ny sisa, ary hanafina izany ao ambanin’ny tany, ary izany dia tokony hiseho sy hiray hiaraka amin’ny Baiboly ho fanatanterahana ny tanjon’Andriamanitra amin’ny andro farany.”2

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia sady mandalina ny Baiboly no mandalina ny Bokin’i Môrmôna. Raha ny marina dia indroa ao anatin’ny efa-taona no atokana amin’ny fandalinana ny Baiboly ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny Sekoly Alahady ianarantsika. (Ho fampahalalana bebe kokoa mikasika ity lohahevitra ity dia jereo ireo pejy 16, 24, ary 52 ao amin’ity laharana ity.)

Iza no nanoratra ny Bokin’i Môrmôna?

Ireo mpanoratra voalohany ao dia ireo mpaminany fahiny toa an’i Nefia, Jakôba, Môrmôna ary ny zanakalahin’i Môrmôna, i Môrônia. Nanambatra sy namintina sy ireo rakitsoratra notehirizin’ireo mpaminany mikasika ny tantarany, ny faminaniany ary ny fampianarany i Môrmôna. Nampiany an’ireo zavatra niainany sasantsasany koa izany. Nosokirin’i Môrmôna teo amin’ny takelaka vy—miloko volamena—izany rakitsoratra izany, izay matetika antsoina hoe ireo takela-bolamena.

Taorian’ny fahafatesan’i Môrmôna dia nofaranan’i Môrônia izany rakitsoratra izany ary naleviny teo amin’ny havoana mba hotehirizina ho an’izao androntsika izao. Tamin’ny 1823 dia niseho tamin’i Joseph Smith i Môrônia, tamin’ny endrika anjely ary nampiseho azy ireo rakitsoratra nalevina. Efa-taona taty aoriana dia navela ho nalain’i Joseph ireo rakitsoratra ireo. “Nandika izany rakitsoratra izany tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny” avy tamin’ny fiteny fahagola nanoratana izany ho amin’ny teny Anglisy izy.3 Avy eo dia navoakany sy naparitany ny Bokin’i Môrmôna. (Ho fampahalalana bebe kokoa mikasika ity lohahevitra ity dia jereo ireo pejy 22 sy 72 ao amin’ity laharana ity.)

Inona no nitranga tamin’ilay rakitsoratra voalohany—ilay takela-bolamena?

Nahazo ireo takelaka ireo i Joseph Smith tamin’ny Septambra 1827 ary nanana izany hatramin’ny lohataonan’ny 1829. Rehefa nanoratra ny tantarany izy tamin’ny 1838 dia nanazava ny zava-nitranga tamin’ireo takelaka: “Nony tonga haka izany ilay iraka [Môrônia], araka ny nifanarahana, dia natolotro azy izany; ka izy no efa miahy izany hatramin’ ny andro faharoan’ ny volana Mey, valo amby telopolo sy valonjato sy arivo” (Joseph Smith—Tantara 1:60).

Iza koa no nahita ireo takela-bolamena ireo?

Ankoatr’i Joseph Smith dia nisy lehilahy sy vehivavy maromaro no nahita ireo takelaka ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisiany. Nanoratra ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ny fahitany ireo takelaka ireo Lehilahy Iraika ambin’ny Folo, fantatra amin’ny hoe Ireo Vavolombelona Telo sy Ireo Vavolombelona Valo ary ho an’ireo farany dia nihazona ireo takelaka mihitsy. Nampidirina eo amin’ny pejy voalohandoahan’ny Bokin’i Môrmôna tsirairay ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona.

Mijoro ho vavolombelona mahery vaika ny amin’ny Bokin’i Môrmôna ireto lehilahy ireto, ary mety mihoatra noho izany satria ny sasasantsany tamin’izy ireo dia “nisy fotoana tsy nifankahazo tamin’i Joseph,” araky ny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Na dia izany aza “nijoro ho vavolombelona mandra-maty [izy ireo] fa nahita anjely ary nihazona teo an-tanany ireo takelaka. ‘Naseho anay izany tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra, fa tsy herin’olombelona,’ araka ny filazan’izy ireo. ‘Noho izany dia fantatray tanteraka fa marina ity asa ity.‘”4

Moa ve misy porofo mivaingana fa marina tokoa ny Bokin’i Môrmôna?

Na dia tsy ataontsika fototry ny finoana aza ireo porofo azo tsapain-tanana dia misy porofo mahakasika ny fomba fiteny, tantara ary ny hainifahagola ho an’ny Bokin’i Môrmôna. Ohatra, nisy fotoana narabirabiana izany hoe rakitsoratra nosoratana tamin’ny takelaka metaly izany, saingy tao anatin’ny taona vitsivitsy izay dia karazana soratra masina tamin’ny takelaka metaly—izay nafenina tao anatin’ny vata vato ny sasany—no hita.

Nomarihan’ireo mpahaitsikerafiteny fa ireo teny sy andian-teny izay toa hafahafa amin’ny teny Anglisy hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manome ny dikany tsara amin’ny teny Hebreo sy ireo fiteny miarakaraka amin’izany izay fiteny fantatr’ireo olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna—fiteny izay tsy hain’i Joseph Smith mihitsy.

Kanefa tsy ireo karazan’ny porofo ireo no mandresy lahatra antsika amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Resaka finoana sy fanambarana manokana izany.

Ahoana no ahafahako mahafantatra fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Ny hany fomba azo antoka ahafantaran’ny tenanao mivantana dia amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Ny toko farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manasa ny rehetra izay mamaky izany, mandalina izany ary te-hahafantatra amin-kitsimpo raha toa ka marina izany mba hanontany ny Ray any an-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Ireo izay manao izany dia hahafantatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa marina ilay boky (jereo ny Môrônia 10:3–5). An-tapitrisany ireo mpikamban’ny Fiangonana nivavaka ary mahafantatra tamin’ny alalan’ny vavolombelon’ny Fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna. (Ho fampahalalana bebe kokoa mikasika ity lohahevitra ity dia jereo ny pejy (4), (60), ary ny (80) ao amin’ity laharana ity.)

Very hevitra aho amin’ny Apokalypsy 22:18–19, izay milaza amintsika ny tsy hanampy na inona na inona ny tenin’Andriamanitra.

Iray amin’ireo fanalahidin’ny finoantsika dia ny fahafantarana fa manambara hatrany ny Sitrapony amin’ireo Zanany eto an-tany Andriamanitra ary hanohy hanao izany. Mino ny Baiboly ho tenin’Andriamanitra isika kanefa tsy mino fa mitahiry ny fanambarana nomen’Andriamanitra rehetra izany na ireo izay mbola homeny ny Mpaminaniny. Eny na ankehitriny aza dia manohy manambara ny Sitrapony amin’ny alalan’ny mpaminany sy apôstôly velona Izy, izay fototry Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (jereo ny Efesiana 2:20).

Rehefa nanakatona ny bokin’ny Fanambarana ny Apôstôly Jaona dia tsy ny boky faran’ny Baiboly akory izany. Tsy natambatra ho boky soratra masina iray ny Testamenta Taloha sy Vaovao—izay antsointsika ankehitriny hoe Baiboly—raha tsy tamin’ny taonjato fahatelo Taorian’i J.K.

Toy izany koa ny Deoteronomia 4:2 dia milaza amintsika ny tsy hanampiana ny tenin’i Mosesy. Raha ny marina, ity andininy ity, izay voasoratra taloha tao amin’ny Testamenta Taloha dia tsy mandà ny boky ambiny ao amin’ny Baiboly. Na i Mosesy na i Jaona dia tsy afaka ny hiresaka ny fanovana boky iray izay tsy mbola nisy akory; fa kosa nampitandrina izy ireo ny amin’ny fanovàna ireo fampianarana marin’ny filazantsara.

Ny Bokin’i Môrmôna, izay mitahiry ny fahafenoan’ny filazantsara dia tsy manova ny tenin’Andriamanitra fa manamafy izany. (Ho fampahalalana bebe kokoa mikasika ity lohahevitra ity dia jereo ny pejy (24) sy (38) ato amin’ity laharana ity.)

Reko fa nasiam-panovana teo amin’ny Bokin’i Môrmôna hatramin’ny namoahana azy voalohany. Inona no niova ary nahoana?

Ny valin’ity fanontaniana ity dia miankina amin’ny fahatakarana kelikely momba ny dingan’ny fandikana sy fanontana ny Bokin’i Môrmôna.

1. Rehefa nandika ireo takela-bolamena tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra i Joseph Smith dia nanonona ireo teny tamin’ny mpandika soratra. Matetika ireo mpandika soratra no nanao fahadisoana teo amin’ny fanoratana sy ny fitsipi-pitenenana teo am-panoratana ny teniny. Ohatra, ao amin’ny 1 Nefia 7:20 ireo teny hoe “feno alahelo” dia nodisoana teo amin’ny fanoratana azy. Tsy nianatra ireo mpitantsoratra ary tsy mbola manara-penitra ny fanoratana tamin’izany fotoana izany.

2. Ilay dikantenin’ny asa sora-tanana tany ifotony dia nanaovana tahadika mba hahafahana manao asa sora-tanana vaovao ho an’ny mpanao printy. Teo amin’izany dingana izany dia nasiam-panitsiana ireo fahadisoana ara-panoratana sy ara-pitsipipitenenana sasantsasany ary nasiana ihany koa mari-tsoratra. Kanefa nisy fahadisoana vaovao tafiditra rehefa nisy fahadisoana teo amin’ny fanaovana tahadika ireo teny.

3. Nanao izay faran’ny vitany ny mpanao printy mba hametrahana ny teny araky ny tokony ho izy. Na dia izany aza dia matetitetika no nampiditra fahadisoana hafa izy. Ohatra, ao amin’ny Almà 57:25 dia diso ny teny “fifaliana” ary lasa hoe “fahavalo.”

4. Nijery tsara ireo famoaham-boky telo voalohan’ny Bokin’i Môrmôna ny Mpaminany Joseph Smith, ary nanampy tamin’ny fanatsarana sy fampifanarahana araky ny tokony ho izy. Kanefa tsy hita ireo fahadisoana sasantsasany raha tsy efa taty amin’ny famoaham-boky farany taty aoriana. Ireo fahadisoan’ny mpanao printy tamin’ny 1981 ao amin’ny Almà 16:5 dia voahitsy ihany tamin’ny farany, izay nanovana ny teny hoe “izay” araky ny tokony ho izy—mampifanaraka izany amin’ny asa sora-tanana tany ifotony araka ny nandikan’ny Mpaminany azy avy tamin’ny takela-bolamena.

5. Ireo fanovana hafa dia ahitana toko vaovao sy fanapatapahana andininy ary fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy miaraka amin’ny soratra masina mifandray aminy.

Mizarà Bokin’i Môrmôna Iray

Na inona na inona fanontaniana apetraky ny olona mikasika ny Bokin’i Môrmôna dia ilay boky ihany no fiarovan-tena tsara indrindra. Afaka mijoro ho vavolombelona momba ilay boky ianao, mizara anankiray amin’izany, ary manasa ny hafa hivavaka mikasika izany ho an’ny tenany manokana. Raha toa ka mahitsy fo sy manam-paniriana marina te-hahafantatra raha marina ilay boky na tsia ny olona iray dia ny Tompo no “haneho ny fahamarinan’ izany [amin’ilay olona] amin’ ny herin’ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:4).

Fanamarihana

  1. Jereo ny ohatra ao amin’ny, Boyd K. Packer, “The Book of Mormon: Another Testament of Jesus Christ,” Liahona, Jan. 2002, 71.

  2. Enseignements de Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 64.

  3. Enseignements: Joseph Smith, 60.

  4. Jeffrey R. Holland, “Safety for the Soul,” Liahona, Nôv. 2009, 90.

Sary nataon’i Robert Casey