2011
Afo Nirehitra tao Anatiko
Ôktôbra 2011


Afo Nirehitra tao Anatiko

Ny andro nahaizan’i Eduardo namaky teny no andro nahazoany koa fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny heriny.

“Ny raibeko dia miteny matetika hoe: ‘Raha te ho lasa olona manana ny maha izy azy isika, dia tsy maintsy mianatra mamaky teny,’” hoy i Eduardo Contreras. “Tena marina ny an’ny raibeko.”

Kanefa raha ho an’i Eduardo, dia naharitra ela ilay lalana nitondra tany amin’ny fahaizana mamaky teny. Iray tamin’ireo zanaka dimy notaizan’ny reny mananotena iray tany amin’ny tanànan’i Córdoba, Argentine izy. Tsy nianatra intsony izy teo amin’ny fahavalo taonany ary nandeha niasa mba hanampiana ny fianakaviany.

Nitantara izy hoe: “Tena nahantra izahay.” Mba hivelomana dia nanao mpamafa kiraro i Eduardo, nanamboatra biriky, nioty ovy, nivarotra gazety ary nanao asa an-tselika maro hafa mandrapahalasa tovolahy azy ka nahitany asa raikitra amin’ny fotoana feno tao amin’ny fitantanana ny tanàna.

Rehefa nandeha ny taona dia nanambady i Eduardo ary nanomboka nanorina ny fianakaviany manokana. Rehefa tonga ny fotoana nanombohan’ireo zanany dimy niala ny tokantrano dia mbola tsy nahay namaky teny ihany izy ary tsy nanana fahafanana kely akory hahita fomba azo hianarana. Niova izany indray andro rehefa nandroaka ankizilahy maro teo an-toerana izy izay nananihany misiônera Olomasin’ny Andro Farany anankiroa teo anoloan’ny tranony. Nasainy nandroso ireo misiônera ary fotoana fohy taorian’izay dia nandray ireo lesona izy sy i María vadiny.

“Sarotra tamiko ny nanakatra izay zavatra rehetra nolazain’izy ireo satria tsy dia nahay teny Espaniôla firy izy ireo,” hoy ny fitantaran’i Eduardo, “saingy nampiseho bokikely ahy izy ireo izay nahitana sarin’ny Mpamonjy sy ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny Ala Kely Masina. Tsara ireo sary sy ireo zavatra nampianariny anay araka ny eritreritro.”

Fotoana fohy taorian’izay dia nosoloina hafa ireo misiônera ireo ka nisy teratany niteny Espaniôla tamin’izany. I Eduardo sy María, izay namoy ny zanany vavy kely taona vitsivitsy lasa talohan’izany dia tohina tamin’ilay horonantsarin’ny Fiangonana hoe Families Are Forever (Miaraka Mandrakizay ny Fianakaviana). Vetivety dia natao batisa izy ireo niaraka tamin’i Osvaldo zanak’izy ireo faralahy.

Niaraka tamin’izay batisan’i Eduardo tamin’ny 1987 izay dia tonga ny faniriana hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelony amin’ny alalan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna. “Ahoana no ahafahako mianatra mamaky teny?” hoy izy nanontany ny vadiny. Nasain’i María nijery ireo tarehintsoratra izy dia manambatra izany ao an-tsainy ary miezaka mamoaka ilay teny amin’ny alalan’ny feo dia manandrana mamaky mafy avy eo. Nanome toky azy izy fa rehefa manao fanazarana dia hahay hamaky teny amin’ny farany.

I Eduardo izay 45 taona tamin’izany dia nahafantatra ny feon’ny tarehintsoratra maro saingy tsy mba namaky teny mihitsy hatramin’ny tsy nianarany intsony efa ho efapolo taona latsaka talohan’izany.

Nahatsapa Afo Aho

Niaraka tamin’ny vavaka tao am-pony, dia nipetraka teo amin’ny toerana malokaloka iray teo amin’ny tokontany tany ambadiky ny tranony i Eduardo indray andro fahavaratra nafana be. “Teo aho,” hoy izy, “no tapa-kevitra hanao ilay fanandramana.”

Nilaza i María fa tsy noeritreretiny velively ny zavatra nitranga taorian’izany. Raha izy niasa tao an-dakozia iny, dia nihaino tsindraindray an’i Eduardo niezaka namaky ireo tarehintsoratra sy ireo teny. “Henoko tampoka izy niteny haingana,” hoy izy. “Nihaino aho ary nahatsapa fa nisosasosa ny famakiany teny. Antsasakadiny latsaka no lasa tamin’izay ary dia nahay namaky teny izy!”

Tafalentika loatra tao anatin’ny fiezahany i Eduardo ka tsy nahatsapa fa nahay namaky teny izy. Saingy rehefa namaky izy dia hoy izy araka ny fitantarany hoe, “nahatsapa afo nirehitra tao anatiko aho.” Tao anatin’ny tahotra sy ny fahatairana no niantsoan’i Eduardo ny vadiny hoe: “Malala a! fa inona ity mahazo ahy ity?”

Namaly i María hoe: “Ny Fanahin’ny Tompo izany.” “Mahay mamaky teny misosa tsara ianao!”

Rehefa nitantara izany zava-nitranga izany i María dia nilaza hoe: “Zavatra tsy azonay lavina izany.”

Nampian’i Eduardo izany hoe: “Ilay andro nahaizako namaky teny no andro nahazoako koa fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny heriny.”

Nanomboka tamin’izay dia nifoha tamin’ny 4 ora maraina i Eduardo mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna alohan’ny handehanana hiasa. Dia namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izy avy eo ary ny Baiboly taorian’izay. Misy fitoeram-boky amin’izao fotoana izao ao amin’ny tokantranon-dry Contreras izay tsy nahitana boky firy talohan’ny taona 1987.

Rehefa nitombo ny fahalalan’i Eduardo sy María ny filazantsara dia nitombo koa ny fijoroana ho vavolombelony. Rehefa maty noho ny lozam-pifamoivoizana i Osvaldo zanak’izy ireo tamin’ny 2001, dia ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo—niaraka tamin’ny zavatra ara-panahy niainany mahery vaika nandritra ny vavaka natao sy tany amin’ny Tempolin’i Buenos Aires Argentine, izay namehezana azy ireo sy i Osvaldo—no nanampy azy ireo niatrika ny fahalasany.

“Angamba mety ho lasa adala ny ray aman-dreny sasany,” hoy i Eduardo “saingy nahatsapa fahatoniana izahay izay nilaza hoe: ‘Tsy maninona ny zanakareo lahy.’ Nitomany izahay mazava ho azy. Zanaka lahy tsara toetra izy ary malahelo azy izahay. Saingy nofehezina tany amin’ny tempoly izahay ary fantatray hoe aiza no misy azy.”

Ny Fahazavan’ny Fahaizana Mamaky Teny sy Manoratra

Noho ny fanohanan’ny mpikambana iray tao amin’ny paroasiny, dia nianatra nanoratra koa i Eduardo. “Taloha aho,” hoy izy, “Dia tsy afaka nanoratra ny anarako akory.”

Noho ny fahazavan’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra dia lasa nahatakatra ny fahamarinan’ireo tenin’ny raibeny izy.

Hoy izy hoe: “Tonga eto an-tany isika mba hahafahantsika mivoatra kely kokoa isan’andro.” Nanampy izy hoe: ny fianarany namaky teny sy nanoratra dia entiny ampisehoana ny zanany sy ny zafikeliny fa tsy misy velively izany hoe efa tara ka tsy afaka mianatra sy mivoatra ary tsy afaka ho lasa tahaka izay tian’Andriamanitra hahatongavantsika. Hoy izy hoe: “Satria aho afaka mamaky teny dia mianatra zavatra vaovao foana isan’andro.”

Ankehitriny Rahalahy Contreras dia afaka mamaky izay tiany hovakiana ary ao anatin’izany ireo gazety, izay nisy fotoana nivarotany izany tamin’izy ankizy tsy nahay namaky teny sy nanoratra. Ny soratra masina no mbola boky tiany indrindra, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna. Im-balo izy no namaky izany avy any amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.

“Ho ahy dia ny Bokin’i Môrmôna no varavarana,” hoy izy, mbola feno fankasitrahana noho ny fanovan’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ary ny filazantsara ny fiainany. “Zava-dehibe indrindra ho ahy ny Bokin’i Môrmôna tamin’izany. Izany dia mbola zava-dehibe indrindra ho ahy ankehitriny. Mahatsapa ny Fanahy aho isaky ny manokatra izany.”

Ho an’i Eduardo Contreras, izay hita amin’ny sary etsy ambony miaraka amin’i María vadiny, dia varavarana mitondra amin’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ny Bokin’i Môrmôna. “Mahatsapa ny Fanahy aho isaky ny mamaky izany,” hoy izy.

Sary nalain’i Michael R. Morris