2011
Nahatsapa Afo Tao Anaty aho
Ôktôbra 2011


Nahatsapa Afo Tao Anaty Aho

Claudia Williams, Florida, Etazonia

Lehibe tao anatin’ny fanatrehana Sekoly Alahady tao amin’ny fiangonana akaikin’ny trano fonenanay nandritra ny fahazazako tany Michigan, Etazonia aho. Nanana mpampianatra nahafinaritra iray aho izay nameno ahy tamin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy.

Isan-kerinandro dia nizara karatra nisy kisarisarin’ireo zava-niseho tao anatin’ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany izy, ary tafiditra tao anatin’izany ireo fitsipika nampianariny sy ireo fahagagana notanterahany. Isan-kerinandro dia nametaka ireo karatra tao amin’ny kahie iray aho ary dia namerina namaky ireo tantara tao amin’ny Baiboly. Rehefa nihalehibe aho dia nanohy nandalina ny Filazantsara tao amin’ny Testamenta Vaovao.

Taona maro taty aoriana, nandritra ny lohataona 1968 dia namangy ny tokantranon’ny olona iray tao amin’ny fianakaviana ny misiôneran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nandà ny fanasan’ireo rahalahy hianatra mikasika ny Fiangonana izy saingy nandefa azy ireo ho any an-tranoko.

Tamin’ny fihaonanay voalohany dia nampianatra ahy ireo misiônera fa nisy “fihemorana” nitranga tamin’ny Fiangonana izay naorin’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Tesaloniana 2:3). Ny zavatra nampianarin’izy ireo dia nifanojo tamin’ny fandalinako manokana, koa rehefa nanontany izy ireo raha afaka mamangy ahy indray dia nanaiky aho.

Nandritra ny famangiany manaraka dia nanana lisitra-na fanontaniana aho. Moa ve ny Olomasin’ny Andro Farany manao batisa asitrika? Moa ve nino ny fahefan’ny fisoronana izy ireo? Moa ve nino ny fanasitranana ny marary izy ireo? Ny valintenin’izy ireo dia nanamafy ny zavatra nohalaliniko tao amin’ny Testamenta Vaovao. Tamin’ny fiafaran’ny famangiana dia namela ahy niaraka tamin’ny boky iray izay nolazain’izy ireo ho mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Napetrako teo ambony fahitalavitra ilay boky ary nandeha natory aho. Saingy rehefa nisasaka ny alina dia notairin’ny fahatsapana mahery vaika iray aho, izay fantatro hoe ny Fanahy Masina taty aoriana. Nisy zavatra nanosika ahy hanomboka hamaky, koa dia namaky nandritra ny adiny iray sy sasany aho talohan’ny niverenako tany am-pandriana. Fotoana fohy taty aoriana dia nifoha indray aho, niaraka tamin’ilay fahatsapana teo ihany, koa dia namaky misimisy kokoa aho.

Izany toe-javatra izany dia nitohy nandritra ny alina roa nanaraka. Tiako ny zavatra novakiako ary dia fantatro fa ny Bokin’i Môrmôna dia nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Nanapa-kevitra ny hangataka fitarihana tamin’Andriamanitra aho. Izay no fotoana voalohany indrindra nandohalihako mba hivavaka hatramin’ny naha-tovovavy kely ahy. Nangataka ny Ray any an-danitra aho hanampy ahy hahafantatra izay tokony hataoko amin’ilay afo tsapako tao anatiko. Rehefa namarana ny vavako aho dia nahatsapa ho voatarika ny hamerina hamaky ny tantaran’ny fiovam-pon’ireo Lamanita tao amin’ny 3 Nefia 9. Namaky aho fa “natao batisa tamin’ny afo sy ny Fanahy Masina izy, ary tsy fantany izany” (andininy 20).

Ilay fehezanteny hoe “tsy fantany izany” dia tsy vaovao tamiko. Nisy eritreritra tonga tamiko nanao hoe: “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tena eto an-tany!” Tsy andriko izay niresahana tamin’ireo misiônera mikasika izay novakiako sy izay zavatra fantatro ankehitriny. Saingy rehefa namaly ireo fanontaniako izy ireo niaraka tamin’ny fanasana ahy hatao batisa dia nilaza tamin’izy ireo aho fa tsy afaka. Tsy hahatakatra izany ny vadiko.

Rehefa nanohy nieritreritra mikasika ilay andinin-tsoratra masina anefa aho dia tonga saina fa nirakitra fitarihana mazava ho ahy izany mba hanolotra “fo torotoro sy fanahy manenina” ho fanatitra. Nivavaka sy nanontany ny Raiko any an-danitra aho hanampy ahy, izay nataony. Rehefa nandray ny fampianaran’ny misiônera ny vadiko dia nanome alalana izy ny hanaovana batisa ahy.

Tena feno fankasitrahana ny Ray any an-danitra feno fitiavana aho noho izany zavatra niainako izay sarobidy sy mahery vaika izany fony aho reny mbola tanora tao anatin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna. Nitarika ahy tany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany. Ny vokany, dia ilay hery misariky ny Fanahy Masina izay tsapako nandritra ireo alin’ny taona 1968 ireo no fanomezana mitoetra ankehitriny—zavatra izay nitarika ahy nandritra ny 40 taona mahery naha-mpikamban’ny Fiangonana ahy.