2011
Ny Fomba Fandalinana ny Bokin’i Môrmôna
Ôktôbra 2011


Ny Fomba Fandalinana ny Bokin’i Môrmôna

Sary
Elder D. Todd Christofferson

Dimy amby roapolo taona lasa izay no nanomezan’ny Filoha Ezra Taft Benson ny antsipirian’ireo “antony lehibe telo tokony hanaovan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna ho tanjon’ny fiainana manontolo” (1899–1994).1 Ireto avy ireo antony ireo:

  • Voalohany, ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika—vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, sy ny fotopampianarantsika, ary ny fijoroantsika ho vavolombelona.

  • Faharoa, nosoratana ho an’izao androntsika izao ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fahatelo, ny Bokin’i Môrmôna dia manampy antsika hanakaiky kokoa an’Andriamanitra.

Ireo antony handalinana ny Bokin’i Môrmôna ireo dia manoro fomba hafa ihany koa ahafahantsika miroso ao anatin’ny fandalinana izany soratra masina manokana izany.

Vato ifaharan’ny Fivavahantsika

Satria ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy sy ny fahafenoan’ny filazantsara dia zava-dehibe ao amin’ny fandalinantsika ny mifantoka manokana amin’ireo fampianarana sy fijoroana ho vavolombelona maro momba ny Mpamonjy izay ao anatiny. Ny sasany dia nanao izany tamin’ny alalan’ny fividianana Bokin’i Môrmôna iray vaovao sy tsy lafo vidy ary tamin’ny alalan’ny fanasiana marika ireo andininy rehetra izay miresaka na mampianatra mikasika ny Mpamonjy, sy ny Asa Fanompoany ary ny Asa nanirahana Azy. Izany dia sady mitondra fijoroana ho vavolombelona lalina kokoa momba an’i Kristy amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy no fankasitrahana vaovao an’ireo zavatra izay nataony sy mbola ataony ho antsika.

Nosoratana Ho An’ny Androntsika

Ireo mpanoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanoratra tamim-pieritreretana ireo taranaka ho avy, indrindra indrindra amin’ny andro farany. Rehefa namintina ireo rakitsoratra Nefita i Môrmôna dia nilaza fa tsy afaka nampiditra na dia ny “ampahazatony” aza (jereo ny 3 Nefia 5:8; jereo ihany koa ny Tenin’i Môrmôna 1:5). Nilaza i Môrônia hoe: “Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo, ary tsy eto anefa ianareo. Nefa indro, efa nasehon’i Jesoa Kristy ahy ianareo, ary fantatro ny ataonareo” (Môrmôna 8:35). Ireo mpanoratra roa ireo sy ireo hafa, izay niasa teo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahy, dia nanoratra zavatra izay ho lasa tombontsoa lehibe indrindra ho antsika amin’izao andro farany izao.

Noho izany isika dia tokony handalina sady mametraka ireto fanontaniana ireto ao an-tsaintsika: “Maninona no nampidirina tato ity?” Ahoana no iharan’izany ankehitriny sy iharan’izany amiko?” Nanamarika ny Filoha Benson, ohatra, fa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia mahita lamina mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroan’ny Mpamonjy. Mianatra isika hoe ahoana no fomba niainan’ny mpanara-dia an’i Kristy tao anatin’ny fotoanan’ny ady, ahoana no fomba niatrehany ny fanenjehana sy ny fihemorana, ahoana no fomba nanaovany asa fitoriana, ary ahoana no niatrehany ireo zava-doza hateraky ny fitiavan-javatra ara-materialy.2 Tahaka ny nataon’i Nefia, rehefa mandalina isika dia tokony “hampiharina” amin’ny tenantsika ny soratra masina—izany hoe, miezaka ny hamantatra ny fomba hampiharana izay hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny 1 Nefia 19:23).

Manatona Akaiky kokoa an’Andriamanitra

Hindramina indray ny tenin’ny Filoha Benson manao hoe: “Tsy hoe mampianatra antsika ny fahamarinana fotsiny ny Bokin’i Môrmôna, na dia tena manao izany aza izy. Tsy hoe mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy fotsiny ihany ny Bokin’i Môrmôna, na dia tena manao izany ihany koa aza izy. Fa mbola misy zavatra hafa ankoatra izany. Misy hery ao anatin’ilay boky izay hanomboka hirotsaka ao amin’ny fiainanao raha vao manomboka mandalina tsara ny boky ianao.3

Tena marina fa ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna dia manasa ny Fanahy, ary ny Fanahy no mpanambara ny fanambarana. Izany dia midika hoe mandalina amin’ny fomba feno fieritreretana sy fandinihana isika—misaintsaina, mivavaka ary angamba mandray an-tsoratra rehefa mamaky isika. Izany dia mahatonga antsika hahafeno ireo fepetra ilaina handraisana fahazavana sy fahatakarana fanampiny, na izany mikasika ny zavatra halalinintsika na mikasika ny zavatra hafa. Indraindray dia manampy ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo ao anatin’ny fotoana izay azo lazaina ho fohy mba hahazoana ny hevi-dehibe fonoson’ny tantara sy ny hafatra ao aminy. Fa amin’ny ankapobeny, ny tsara indrindra dia ny manokana fotoana sahaza isan’andro handalinana ny boky raha oharina amin’ny famakiana andininy na pejy izay efa misy isany raikitra isan’andro.

Fanampiana ho an’ny Fandalinana

Sambatra isika ankehitriny fa manana karazam-pitaovana maro izay afaka manampy amin’ny fandalinantsika ny Bokin’i Môrmôna. Ny sasany dia mifamatotra amin’ny soratra masintsika—ny Torolalana araka ny Lohahevitra, ny Rakibolan’ny Baiboly ary ny Fanoroam-pejy araka ny abidia ao amin’ny soratra masina amin’ny teny Anglisy, ary ny Torolalana ho an’ny Soratra masina kosa amin’ny fiteny hafa. Ary isika dia manana fanovozan-kevitra maro ary soratra masina mifandray maro eny amin’ny farany ambanin’ny pejy ao anatin’ireo soratra masina navoakan’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ireo fanampiana hafa amin’ny fandalinana izay vita printy dia ahitana ny Boky Torolalana ho an’ny Mpikambana ao amin’ny Kilasin’ny Sekoly Alahady, ny Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra Seminera, ary ny Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra Institiota. Ny fitombon’ny fitaovana elektrônika, izay voafaritra eo amin’ny faritra amin’ny sisiny ao amin’ny pejy faha-31 no zava-baovao amin’izao vanimpotoanantsika izao.

Fitaovana ho an’ny Fiovam-po

Ny Bokin’i Môrmôna dia harena sarobidy tsy manan-tsahala sy fitaovana ho an’ny fiovam-po izay namboarin’ny Tompo sy nomeny ho an’izao fotoampitantanana misy antsika izao. Tsapako fa izany no fototry ny fijoroako ho vavolombelona manokana mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny antso maha-mpaminany an’i Joseph Smith, ary ny maha “fanjakan’ny Tompo izay naorina indray teto an-tany” ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.4 Faly aho mampiray ny fijoroako ho vavolombelona amin’ny an’i Jesoa Kristy fa “raha velona koa ny Tompon[ao] sy ny Andriamanitr[ao] dia marina izany” (F&F 17:6). Enga anie ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny androm-piainanao hahalalim-paka ny fiovam-ponao sy hitarika anao amin’ny lalana mivantana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Fanamarihana

  1. Ezra Taft Benson, “Ny Bokin’i Môrmôna—Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika,” Ensign, Nôv. 1986, 5–7. Io lahateny manan-danja io dia naverina navoaka ao amin’ity laharana ity ao amin’ny pejy 52–58.

  2. Jereo ny Ezra Taft Benson, Ensign, Nôv. 1986, 6–7.

  3. Ezra Taft Benson, Ensign, Nôv. 1986, 7.

  4. Teny Fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

Sary nataon’i Craig Dimond