2011
Aiza no Ahitako Valiny?
Ôktôbra 2011


Aiza no Ahitako Valiny?

Olga Ovcharenko, Sverdlovsk Oblast, Russie

Fony aho 21 taona, dia nampianatra Anglisy tao amin’ny faritra nisy ahy tao Russie ny misiôneran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nanatrika ny fampianarana ilay fiteny fotsiny aho tamin’ny voalohany, kanefa vetivety kely taty aoriana aho dia nanomboka nijanona elaela kokoa tamin’ny vatsim-panahy izay nozarain’ny misiônera taorian’ny fampianarana ary nametraka fanontaniana tamin’izy ireo.

Izaho dia lehibe tao anatin’ny fiangonana natanjaka indrindra teo amin’ny fireneko, kanefa dia nanana fanontaniana maro momba ny fivavahana izay tsy voavaly aho. Ireo misiônera sy ny mpikamban’ny Fiangonana dia namaly ireo fanontaniana izay tsy nisy na iray aza nahavaly azy teo aloha ka nanome fahafaham-po ahy.

Rehefa nahatsapa fahasahiana aho taorian’ny fotoana iray nampianarana teny Anglisy, dia nangataka tamin’ireo misiônera boky iray amin’ny bokin’izy ireo, ny Bokin’i Môrmôna izany. Kanefa rehefa tonga tany an-trano aho, dia napetrako teo amin’ny fitoeram-boky ary tsy novakiako izany.

Tsy nijanona ela teo anefa izany. Nandre ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanatrika ny fampianarana teny Anglisy aho nilaza fa ny soratra masina dia mamaha ny olana. Noho izany rehefa niatrika fanamby manokana aho na nianjadian’ireo olana, dia nandray ilay Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fitoeram-boky ary nanomboka namaky izany. Nahita foana karazam-baliny izay nilaza tamiko mazava ny tokony ho fantatro aho.

Tamin’izay indrindra aho no nanomboka nahatsapa fa tsy afaka ny hiaina tsy misy ny Fiangonana. Tao amin’ny toerana tiako hisy ahy aho. Tao amin’ny toerana nahatsapako fa tokony hisy aho.

Mbola te-hahazo antoka ihany anefa aho ka nanontany an’Andriamanitra. Ny olana dia nipetraka tao amin’ny efitrano kely iray izay aho, izay nitambarako tamin’ny tompontranoko, vehivavy lehibe iray, ary tsy mba nisy toerana manokana nahafahako nivavaka. Saingy indray hariva dia niporitsaka nankao an-dakozia aho—izay faritra somary mitokana kely amin’ny ambin’ny efitranonay— ary nangataka tamin’ny Ray any an-danitra raha marina ny Fiangonana. Nahazo fahatsapana mahery vaika aho ho valiny ary fantatro ny zavatra tokony hataoko.

Natao batisa aho fotoana fohy taty aoriana, ary ny fotoana naha-mpikamban’ny Fiangonana ahy no fotoana tena feno fifaliana indrindra teo amin’ny fiainako. Raha nanana fanontaniana aho teo aloha, dia manana valiny kosa aho ankehitriny. Raha nahatsapa zavatra banga aho teo aloha dia mahatsapa ho feno kosa aho ankehitriny.

Feno fankasitrahana an’Andriamanitra aho noho ny tsy famelana antsika tsy hanana valiny. Fantatro fa hiteny amintsika Izy, amin’ny alalan’ny vavaka sy amin’ny alalan’ny soratra masina.