2011
Ny Bokin’i Môrmôna: Vavolombelona iray miaraka amin’ny Baiboly
Ôktôbra 2011


Ny Bokin’i Môrmôna

Vavolombelona iray miaraka amin’ny Baiboly

Ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly dia samy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsarany izay mifanaraka amin’ny lalàn’ny baiboly fa “Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra” (2 Korintiana 13:1). Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa “ireo tenivavolombelona ao amin’ny soratra masina dia samy manamarina ny andaniny sy ny ankilany. Izany hevitra izany dia efa nohazavaina taloha elabe raha nanoratra ny mpaminany iray fa ny Bokin’i Môrmôna dia ‘voasoratra ka ny fikasana dia ny hahazoanareo mino [ny Baiboly]; ary raha mino [ny Baiboly] ianareo dia hino [ny Bokin’i Môrmôna] ihany koa’[Môrmôna 7:9]. Ireo boky ireo dia samy mampifandray azy amin’ilay anankiray. Ny boky tsirairay dia mijoro ho toy ny porofo fa velona Andriamanitra ary miteny amin’ny zanany amin’ny alalan’ny fanambarana ataony amin’ny mpaminaniny Izy.”1

Ireto ambany ireto dia misy ny lisitry ny fotopampianarana fototra ampianarina ao amin’ny Baiboly izay ampian’ny Bokin’i Môrmôna mba ho toy ny vavolombelona fanampiny.

Ny Asa Nanirahana an’i Jesoa Kristy

Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, ary ny Sorompanavotany. Mampianatra izy ireo fa ny Mpamonjy dia nitondra teo Aminy ny fahotantsika sy nandresy ny fahafatesana.

Ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra

Baiboly: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16; Jereo koa ny Matio 16:16; Jaona 6:69).

Bokin’i Môrmôna: “Fantatro fa ho avy i Jesoa Kristy, eny, ny Zanaka, ny Lahitokan’ ny Ray, feno fahasoavana sy famindram-po ary fahamarinana” (Almà 5:48; jereo koa ny 1 Nefia 11:16–21; Môsià 3:5–8).

Nanonitra ny Fahotantsika

Baiboly: “Fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka” (Matio 26:28; jereo koa ny Hebreo 9:28; 1 Petera 3:18).

Bokin’i Môrmôna: “Indro manolotra ny tenany Izy ho sorona noho ny fahotana mba hanefana ny fitakian’ny lalàna ho an’ireo rehetra izay manana fo torotoro sy fanahy manenina” (2 Nefia 2:7; jereo koa ny 1 Nefia 11:33; Almà 34:8–10; 3 Nefia 11:14).

Nitondra ny Fahoriantsika

Baiboly: “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika” (Isaia 53:4; jereo koa ny Hebreo 2:18).

Bokin’i Môrmôna: “Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; … mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ ny olony Izy” (Almà 7:11–12; jereo koa ny Môsià 14:3–5).

Nandresy ny Fahafatesana

Baiboly: “Fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodi-mandry” (1 Korintiana 15:20; jereo koa ny Jaona 14:19; Asan’ny Apôstôly 26:23).

Bokin’i Môrmôna: “Minoa an’ i Jesoa Kristy, fa Izy no Zanak’ Andriamanitra, ary novonoin’ny Jiosy Izy, ary tamin’ny herin’ny Ray no efa nitsanganany indray, tamin’ izany no efa nahazoany fandresena tamin’ ny fasana” (Môrmôna 7:5; jereo koa ny Môsià 16:7–8; Helamàna 14:17).

Ny Drafitr’Andriamanitra ho Antsika

Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra antsika fa Andriamanitra dia Raintsika any an-danitra. Noho izany, dia nanomana ny “drafitry ny famonjena” Izy (Almà 24:14) mba hahafahantsika ho voavonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ray any an-danitra Be Fitiavana

Baiboly: “Fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika” (Asan’ny Apôstôly 17:28; jereo koa ny Salamo 82:6; Hebreo 12:9).

Bokin’i Môrmôna: Fantatro fa tia ireo zanany [Andriamanitra]” (1 Nefia 11:17; jereo koa ny 1 Nefia 17:36).

Ny Fahafatesana sy ny Tontolon’ny Fanahy

Baiboly: “Ka ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny” (Mpitoriteny 12:7; jereo koa ny 1 Petera 3:19–20; 4:6).

Bokin’i Môrmôna: “Ny fanahin’ ny olon-drehetra, na tsara izy na ratsy, dia entina mody any amin’Ilay Andriamanitra izay nanome aina azy” (Almà 40:11; jereo koa ny andininy 12–14).

Fitsanganana amin’ny maty

Baiboly: “Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra” (Joba 19:26; jereo koa ny Ezekiela 37:12; 1 Korintiana 6:14; 15:54).

Bokin’i Môrmôna: “Fantatro fa fantatrareo fa ny nofontsika dia tsy maintsy hihaosa sy ho faty; kanefa dia ao amin’ ny vatantsika no hahitantsika an’Andriamanitra” (2 Nefia 9:4; jereo koa ny 2 Nefia 9:12; Almà 11:43–45; 40:23).

Didy Nomena sy Torolalana

Ny Baiboly dia mampianatra fa Andriamanitra dia nanome ireo didy ary hitahy antsika Izy rehefa mankatò isika. Ny mpaminanin’i Bokin’i Môrmôna koa dia nirakitra sy nanaraka ireo didy.

Fitahiana sy Fankatoavana

Baiboly: “Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an’i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin’izao anio izao. … Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany” (Deotoronomia 6:24–25; jereo koa ny Ohabolana 4:4; Jaona 14:21).

Bokin’i Môrmôna: “Efa nampanantena anareo Izy fa raha mitandrina ny didiny ianareo dia hiroborobo eo amin’ ny tany; ary tsy mivadika na oviana na oviana amin’ ny efa nolazainy Izy; noho izany, raha mitandrina ny didiny ianareo dia mitahy anareo tokoa Izy sady mampiroborobo anareo” (Môsià 2:22; jereo koa ny 2 Nefia 1:20).

Ny Didy Folo

Baiboly: Nanambara ny Didy Folo tamin’i Mosesy ny Tompo (Jereo ny Eksodosy 20:1–17).

Bokin’i Môrmôna: Nampianatra ny Didy Folo tamin’ireo mpisoron’ny Mpanjaka Noà i Abinadia (jereo ny Môsià 12:33–36; 13:12–24).

Fahafolonkarena

Baiboly: “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako” (Malakia 3:10; jereo koa ny Levitikosy 27:30).

Bokin’i Môrmôna: “Ary izy ihany ilay Melkizedeka izay nandoavan’ i Abrahama ny fahafolonkarena; eny, na dia i Abrahama raintsika aza dia nandoa ho fahafolonkarena ny ampahafolony tamin’izay rehetra nananany” (Almà 13:15; jereo koa ny3 Nefia 24:8–10).

Batisa sy ny Fanahy Masina

Baiboly: “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:5; jereo koa ny Marka 16:16; Asan’ny Apôstôly 2:36–38).

Bokin’i Môrmôna: “Mibebaha, ianareo rehetra faran’ny tany, ary mankanesa aty Amiko ary aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany” (3 Nefia 27:20; jereo koa ny 2 Nefia 9:23; 31:5–9).

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Fahiny

Ny Tompo dia nanorina ny Fiangonany tao Jerosalema sy tany Amerika. Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona momba ny nanorenany sy nitarihany ny olony tamin’ny alalan’ny mpaminaniny sy ny apôstôliny.

Mpaminany

Baiboly: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony” (Amosa 3:7; jereo koa ny Jeremia 1:7; 7:25).

Bokin’i Môrmôna: “Amin’ny alalan’ny Fanahy no ampahafantarana ny mpaminany ny zava-drehetra” (1 Nefia 22:2; jereo koa nyJakôba 4:4–6).

Ny Roambinifololahy

Baiboly: “Nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly” (Lioka 6:13; jereo koa ny Efesiana 2:19–20; 4:11–14).

Bokin’i Môrmôna: “Hotahina ianareo raha mampandry sofina amin’ ny tenin’ireto roa ambin’ny folo izay efa nofinidiko teo anivonareo ireto mba hampianatra anareo” (3 Nefia 12:1; jereo koa ny1 Nefia 11:29).

Fahefan’ny Fisoronana

Baiboly: “Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo” (Jaona 15:16; jereo koa ny Matio 16:19; Lioka 9:1–2; Hebreo 5:4).

Bokin’i Môrmôna: “I [Almà] dia nanokana mpisorona sy loholona izay tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, araka ny lamin’Andriamanitra, mba hitarika sy hitandrina ny fiangonana” (Almà 6:1; jereo koa ny 2 Nefia 6:2; Môrônia 3).

Fandalinana Fanampiny

Ity tabilao ity dia tsy fitanisana amin’ny antsipiriany. Ao anatin’ny fandalinana manokana ataonao na ao anatin’ny fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina dia azonao ampiana soratra masina mifandray ity tabilao ity ary afaka mitady fitsipika bebe kokoa izay ampianarina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly ianao amin’ny alalan’ny fampiasana ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina sy ireo fitaovam-pandalinana ao amin’ny tranokala scriptures.lds.org.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Scriptural Witnesses,” Liahona, Nôv. 2007, 43.

Sarin’i Harold B. Lee nataon’i Doyle Shaw, nahazoana lalana tamin’ny Church History Museum