2011
Ny Bokin’i Môrmôna: Manamafy orina ny Finoantsika an’i Jesoa Kristy
Ôktôbra 2011


Ny Bokin’i Môrmôna

Manamafy Orina ny Finoantsika an’i Jesoa Kristy

Ny Bokin’i Môrmôna dia manasa antsika sy ny fianakaviantsika mba handray ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo ary mizara ireo fitsipika izay hanampy ny fianakaviantsika hahomby.

Sary
Elder Neil L. Andersen

Ny Bokin’i Môrmôna, izay fitambaran’ny fampianaran’ireo mpaminany nandritra ny taonjato maro, dia nosoratana ho an’ny fotoana iray ho avy izay hisian’ny famerenana amin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana miaraka amin’ny fanangonana lehibe ny mpianakavin’i Isiraely, izay hanomana an’ity izao tontolo izao ity amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy eto an-tany (jereo ny 2 Nefia 25; 27; 3 Nefia 21). I Nefia dia namaritra ilay lahatsoratra masina ho toy ny “feo miantso avy ao amin’ny vovoka” (2 Nefia 33:13). Nanambara i Môrônia hoe: “Indro, miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo, ary tsy eto anefa ianareo. Nefa indro, efa nasehon’i Jesoa Kristy ahy ianareo” (Môrmôna 8:35).

Nosoratana ho an’izao androntsika izao ny Bokin’i Môrmôna ary ho an’ireo andro ho avy. Teo amin’ny Bokin’i Môrmôna miisa iray tapitrisa teo ho eo no natonta tao anatin’ny 100 taona voalohany taorian’ny Famerenana tamin’ny laoniny. Nahitana fiteny 15 izany ary asa tena nahavariana. Tao anatin’ny 50 taona manaraka taty aoriana (1930–80) dia tahadika mihoatra ny 25 tapitrisa no natonta tamin’ny fiteny miisa 41. Nanomboka tamin’io fotoana io, izay 30 taona lasa, dia Bokin’i Môrmôna miisa 125 tapitrisa fanampiny no natonta tamin’ny fiteny miisa 107 ary ao anatin’izany ny Fantina avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny hery mitarika sy ny fiantraikan’ny Bokin’i Môrmôna dia hitombo hatrany rehefa hoentina any amin’ny firenena sy ny fiteny ary ny vahoaka rehetra ny fanjakan’Andriamanitra.

Ny pejin-dohateny izay nosoratan’i Môrmôna dia manambara ireo tanjona lehiben’ny boky. Ny tanjona voalohany dia mivantana manokana any amin’ireo taranaky ny zanak’i Lehia. Ny tanjona farany dia ny “mba handresen-dahatra ny [olona rehetra] fa i Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay” (pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna).

Zava-dehibe ho an’izao Androntsika izao

Nahoana no zava-dehibe ho an’izao androntsika izao ny testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy? Nahoana no nitondra vavolombelona iray hafa ny Tompo mba hanamafisana ireo fanambarana mahery vaikan’ny Baiboly?

Isika dia miaina ao anatin’ny fotoana iray izay tsy mitovy amin’ny fotoana hafa mihitsy. Ny zava-bita ara-tsiantifika dia manome fahafahana hahazoana fitsaboana, fomba fitaterana sy fiainam-piadanana ary zava-mahasoa izay tsy tao anatin’ny eritreritr’ireo taranaka teo alohantsika velively. Ny tany dia tondraky fampahalalan-javatra sy ny teknôlôjia izay mampivelatra ny fanaovana tetiarana sy ny fizarana ny filazantsara saingy mampivelatra koa ny fihanahan’ny pôrnôgrafia sy ny jeux vidéos feno herisetra ary ireo zavatra hafa toy ny “sain-dratsy sy ny fikasana izay misy ao am-pon’ny mpiaramioko” (F&F 89:4). Miaina ao anatin’ny fotoana izay ifikirana mafy amin’ny zavatra ara-materialy isika ao anatin’ny ankamaroan’ny faritra eto amin’izao tontolo izao.

Ireo toe-javatra ireo raha tsy mitandrina isika dia mety handrebireby na hitarika antsika hanalavitra ireo fitsipika izay mandrakizay sy marina ho an’ny taranaka rehetra.

Fony aho tanora misiônera tany Eorôpa tany amin’ny fiandohan’ny taona 70 dia nanomboka ny ankamaroan’ny lesonay tamin’ny fanazavana ny Apôstazia izahay satria betsaka no efa nanaiky ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy tamin’izany fotaona izany. Rehefa niverina tany aho 20 taona taty aoriana tamin’ny naha filohan’ny misiôna ahy dia nanomboka ny resakay tamin’ny fomba hafa izahay satria tena nihananjavona ilay finoana an’i Jesoa Kristy ho ilay Zanak’Andriamanitra izay nanolotra ny ainy ho an’ny fahotantsika ary nitsangana tamin’ny andro fahatelo.

Ao anatin’izao tontolo izao ankehitriny dia misy mihaino ireo hevitra feno fieboeboana nataon’i Kôrihôra, ilay antikristy:

“Nahoana ianareo no miandrandra an’i Kristy? Fa tsy misy olona mety hahalala ny amin’ny zavatra izay ho avy.

“Indro, ireo zavatra izay antsoinareo hoe faminaniana izay lazainareo … dia fomba adaladalan’ny razanareo.

“… Tsy azonareo fantarina ny amin’ny zavatra izay tsy hitanareo. …

“… Ny olona tsirairay dia [m]iroborobo araka ny halalinan-tsainy [manokana] ary … [m]andresy araka ny heriny [manokana]” (Almà 30:13–15, 17).

Ilaintsika ilay finoantsika manokana an’i Jesoa Kristy Tompo izay mafy orina sy tsy miovaova ary mila fanampiana isika eo amin’ny fanamafisan’orina ny fianakaviantsika mba hikorianan’izany finoana izany ao anatin’ny fon’ireo zanantsika sy zafikelintsika. Rehefa miorim-paka mafy ao amin’ny fanahintsika ny finoana an’i Jesoa Kristy dia mitondra fiovam-po marina izany ary ao anatin’ny sori-dalany dia ahitana ny fibebahana, ny maha-mpianatra mahitsy fo, ny fahagagana, ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ary ny fahamarinan-toetra maharitra. Lafiny iray manan-danja ao anatin’ny asa masin’ny Bokin’i Môrmôna izany.

Fony aho misiônera tanora dia nanao resadresaka tena nahaliana niaraka tamin’ny mpitondra fivavahana iray. Nolazainy fa tsy afaka ny hanaiky ny Bokin’i Môrmôna izy satria izany dia miresaka an-karihary momba an’i Jesoa Kristy sy ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainany an-jato taonany maro talohan’ny nahaterahany. Hitany hoe io toetra mangarahara io dia tsy mahazatra loatra ary tsy mifanaraka amin’ny firafitry ny Testamenta Taloha izay niresaka momba ny Mpamonjy tamin’ny fomba miafina kokoa.

Ho ahy ilay fanambarana feno fahasahiana momba an’i Jesoa Kristy no tena herin’ny Bokin’i Môrmôna. Mazava ho azy fa tsy maintsy mahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy isika fa avy amin’Andriamanitra izany boky izany. Saingy raha vao azo izany dia hiharihary amin’ny fomba miavaka eo anatrehantsika ireo tanjon’i Kristy, sy ny fahamarinana momba ny fiainany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ary ny fahazavan’ny zavatra izay ilaina mba hanarahana Azy sy hahazoana ny fiainana mandrakizay.

Ny Fijoroana ho Vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy

Ny famakiana sy ny fisaintsainana miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo toriteny lehibe momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia miteraka fijoroana ho vavolombelona azo antoka momba ny fahamarinan’izy ireo. Tiako ny mirotsaka mangina mamaky ny Bokin’i Môrmôna ka mivoky amin’ireo fotopampianarana mahery vaika momba an’i Kristy: ny fahitan’i Nefia an’ilay hazon’aina niaraka tamin’ilay anjely nanontany hoe: “Moa fantatrao ny momba ny fiambanian’Andriamanitra?” (1 Nefia 11:16); ny fijoroana ho vavolombelon’i Lehia hoe “ny fanavotana dia tonga amin’ny alàlan’ny Mesia Masina sy ao Aminy; satria feno fahasoavana sy fahamarinana izy” (2 Nefia 2:6); ny nanampian’i Jakôba hoe Izy no “mpiandry ny vavahady ary tsy mampiasa mpanompo Izy eo amin’ny vavahady” (2 Nefia 9:41).

Avy eo dia arahantsika indray i Benjamina Mpanjaka izay mampianatra antsika ireo toetra tsara tokony hananan’ny mpianatra miaraka amin’ilay fanambarany mafy orina hoe “tsy hisy anarana hafa omena na lalàn-kafa na fomba izay mety hahatongavan’ny famonjena amin’ny zanak’olombelona, afa-tsy ao Aminy sy amin’ny alalan’i Kristy ihany” (Môsià 3:17).

Vetivety isika dia miaraka amin’i Abinadia izay handeha hamoy ny ainy ho an’ny zavatra inoany:

“Nefa misy ny fitsanganana amin’ny maty, noho izany ny fasana dia tsy manana fandresena ary ny fanindronan’ny fahafatesana dia efa voatelina ao amin’i Kristy.

“Izy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao; eny, fahazavana tsisy fiafarana izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana” (Môsià 16:8–9).

I Almà dia mitondra ireo fotopampianarana tena tsara momba ny Sorompanavotana, ny fahamarinana sy ny famindram-po izay tonga velona: “Ny drafitry ny famindram-po dia tsy azo notanterahina raha tsy natao ny sorompanavotana; noho izany dia Izy Andriamanitra tenany no manonitra ho an’ny fahotan’izao tontolo izao mba hahatanteraka ny drafitry ny famindram-po, mba hanefa ny fitakian’ny fahamarinana ka hahatonga an’Andriamanitra ho Andriamanitra marina, fanaperana ary ho Andriamanitra feno famindram-po koa.” (Almà 42:15).

Avy eo dia tonga eo amin’ny famangiana mahagaga nataon’ny Mpamonjy tany amin’ny zanak’i Lehia isika. Isika koa dia mahatsapa ny fitiavany, ny fangorahany sy ny fampianarany ary ny fijoroany ho vavolombelona manokana:

“Izao no filazantsara izay efa nomeko anareo—fa tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ny Raiko, satria ny Raiko naniraka Ahy. …

“Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ ny hazofijaliana; ary taorian’ ny efa nanandratana Ahy teo amin’ ny hazofijaliana, dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko, ka toy ny efa nanandratan’ ny olona Ahy, dia toy izany koa no hanandratan’ ny Ray ny olona hijoro eo anoloako mba hotsaraina amin’ ny asany, na tsara izany na ratsy” (3 Nefia 27:13–14).

Farany dia ny antso farany nataon’i Môrmôna sy Môrônia: “Fantaro fa tsy maintsy … mibebaka amin’ny fahotanareo sy ny helokareo rehetra [ianareo] sy mino an’i Jesoa Kristy fa Izy no Zanak’Andriamanitra” (Môrmôna 7:5). “Eny, manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ny tenanareo ny toetra tsy araka an’Andriamanitra rehetra; ary raha mandà ny toetra tsy araka an’Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’izany dia ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’i Kristy” (Môrônia 10:32).

Nambara ao anatin’ny Tantaran’ireo Fianakaviana ireo hafatra

Izany fijoroana ho vavolombelona mahery vaika ara-panahy ary maharesy lahatra izany izay milaza hoe i Jesoa Kristy no tena ilay Mesia nampanantenaina—ilay Zanak’Andriamanitra voahosotra izay nalefa tety an-tany mba hanatanteraka ny fitsanganan’ny olona rehetra amin’ny maty sy ny fanadiovana ara-panahy ireo izay hibebaka sy hanaraka Azy—dia nambara ao anatin’ny tantaran’ireo fianakaviana.

Ny Bokin’i Môrmôna dia manomboka amin’ny fianakaviana iray, ray sy reny, zanakalahy sy zanakavavy izay nanaraka ny fanambarana nataon’ilay mpaminany izay rain’izy ireo mba handao ny zavatry ny tany ary hanaraka ny torohevitry ny Tompo. Ireo tantara ao amin’ny boky dia feno zavatra mikasika ireo ray aman-dreny izay mikatsaka ny handrotsaka ao anatin’ireo zanany ilay fampanantenana sy fanantenan’i Jesoa Kristy. Indray mandeha aho nisintona torohevitra manokana avy amin’ny ray ho an’ny zanakalahy tao anatin’ireo pejin’izany—ny totaliny dia teo amin’ny 52 pejy teo izay notendrena tamin’ny milina fanoratana. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia mahita ny fomba nampianaran’ny ray aman-dreny ny finoana an’i Kristy sy ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra tamin’ny zanaka izay mpankato hatramin’ny fahakeliny sy tamin’ny zanaka izay nandeha tany amin’ny lalan-kafa—izay indraindray ao anatin’ny fianakaviana iray ihany. Lesona ho an’izao androntsika izao izany sy ho an’ny zanantsika ary ho an’ny fianakaviantsika.

Ny andraikitra manokan’ireo vehivavy sy ny zanakavavy amin’ny lafiny iray dia somary tsy dia voalaza, toy ny mahazatra ao anatin’ny rakitsoratra fahiny. Saingy rehefa mijery mihoatra ny zavatra izay miharihary isika dia mahita ny fitarihan’izy ireo izay maharitra mandrakizay. Tiantsika fatratra ireo ampahany sarobidy izay miresaka momba ny vehivavy sy ny zanakavavy, toy ny rehefa faritana ho “malia sy madio ary marefo eo anoloan’Andriamanitra” ny fahatsapany (Jakôba 2:7) na rehefa lazain’i Helamàna fa ny hatsaran-toetran’ireo zatovo miaramilany dia avy amin’ireo reniny marin-toetra:

“Nankatoaviny sy noezahany ny hanatontosa ny teny tsirairain’ny fibaikoana tamin’ny antsipiriany; eny, ary dia efa natao taminy araka ny finoany; ary izaho dia nahatsiaro ny teny izay nolazainy tamiko fa efa nampianarin’ny reniny azy. …

“Ankehitriny dia izany no finoan’ireo izay efa noresahiko ireo; tanora izy ireo ary mitombina ny sainy, ary apetrany lalandava amin’Andriamanitra ny fitokiany. …

“… Efa nampianarin’ny reniny izy ireo fa raha tsy miroanahana izy ireo, dia Andriamanitra no hanafaka azy ireo.

“Ary naveriny tamiko ny tenin’ny reniny manao hoe: Tsy miroanahana izahay, nahafantatra izany ny reninay” (Almà 57:21, 27; 56:47–48).

Manasa anareo aho mba handinika ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anareo amin’ny fampiharana ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fianakavianareo:

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mampianatra antsika fa ny zanaka dia mila mahita fahamasinana sy fahamarinan-toetra ao anatin’ny finoan’ireo ray aman-dreniny?

  • Inona avy ireo torohevitra nomen’ireo ray an’ireo zanany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mety ho tiantsika hozaraina amin’ny zanatsika?

  • Inona no ianarantsika momba ny ezaka ataontsika amin’ny zanaka izay tsy mankatò?

  • Ahoana no fomba hizaran’ireo ray aman-dreny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny finoany lalina amin’ireo zanany?

  • Inona no ianarantsika momba ny finoana, noho izany afindra any amin’ny taranaka iray mankany amin’ny anankiray hafa?

Tsy misy zavatra manan-danja kokoa azo zaraina amin’ny olona iray hafa noho ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Izany dia mitondra fahatakarana ireo fanamby eo amin’ity fiainana ity sy fifaliana eo anivon’ny olana ary fiainana mandrakizay any amin’ilay tontolo ho avy.

Maro ireo hery misariky ny tany izay misintona antsika sy ny fianakaviantsika hivoaka avy ao anatin’izany finoana tena iankinan’ny aina izany. Ny Bokin’i Môrmôna dia manasa antsika sy ny fianakaviantsika mba handray ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ary mizara ireo fitsipika izay hanampy ny fianakaviantsika mba hahomby.

Mijoro ho vavolombelona aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna ary dia tena nomena ny Mpaminany Joseph Smith tokoa izany tamin’ny alalan’ny anjely Môrônia teo ambanin’ny fitarihan’i Jesoa Kristy Tompo. Ho an’izao androntsika izao sy ho an’ny zanatsika ary ny zafikelintsika izany. Rehefa manokatra izany isan’andro amim-pinoana isika dia mampanantena aho fa hirotsaka eo amintsika ny Fanahin’ny Tompo ary ho voatahy mandrakizay ny fianakaviantsika.

Ny fahitan’i Nefia

Ny fijoroana ho vavolombelon’i Lehia

Ny toritenin’ny Mpanjaka Benjamina

Ny fijoroana ho vavolombelon’i Abinadia

Ny fisehoan’i Jesoa Kristy

Ny antso farany nataon’i Môrmôna sy Môrônia

Sarin’i Kristy, nataon’i Heinrich Hofmann, nahazoana lalana avy tamin’ny C. Harrison Conroy Co.

Kôrihôra nifanehitra tamin’i Almà, nataon’i Robert T. Barrett

Ny Fahitan’i Nefia, nataon’i Clark Kelley Price; sombiny avy tamin’ny Liahona, nataon’i Arnold Friberg © 1951 IRI; Ny Lahatenin’ny Mpanjaka Benjamina, nataon’i Jeremy Winborg, tsy azo adika; sombiny avy tamin’ny Ny nisehoan’i Abinadia teo anoloan’ny Mpanjaka Noà, nataon’i Arnold Friberg © 1951; Mba Hotsaroanareo Mandrakariva Aho, nataon’i Gary Kapp © 1998, tsy azo adika; I Môrmôna manao Veloma Ilay Firenena iray izay Nisy Fotoana Tena Lehibe, nataon’i Arnold Friberg © 1951 IRI

Tonga tany amin’ilay Tany Nampanantenaina i Lehia sy ny Vahoakany, nataon’i Arnold Friberg