2011
Nosedraiko ny Fampanantenain’i Môrônia
Ôktôbra 2011


Nosedraiko ny FampananTENAN’I Môrônia

Francesco Ferraresi, Lombardy, Italie

Taona vitsy lasa izay raha tao an-tranon’ny namana iray aho dia nihaona tamin’ny zatovolahy roa mianjaika izay nampahafantatra ny tenan’izy ireo ho misiôneran’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nieritreritra aho hoe toa hafahafa izany hoe avy any lavitra any izy ireo no tonga eto Italie mba hanova fo olona izay efa nino ny Mpamonjy.

Nangataka azy ireo aho taty aoriana mba ho tonga any an-tranoko. “Raha tianareo dia afaka mitsidika ahy ianareo mba hanao fifanakalozana ara-kolotsaina,” hoy aho. “Kanefa aza mieritreritra hoe hiova finoana aho.”

Rehefa nihaona izahay ny ampitso harivan’io, dia niresaka momba ny Bokin’i Môrmôna ireo misiônera. Toa hafahafa tamiko mihitsy ny tsy nandrenesako velively an’izany taloha. Nanasa azy ireo niverina indray aho, fa taorian’ny fitsidihana fanindroany dia nihevitra ny vadiko, Anna Maria, fa adaladala izy ireo ary dia hivoaka ny trano izy mandritra ny resaka hifanaovanay. Toa tsy dia mahazatra ahy ihany koa anefa ireo misiônera, kanefa liana ny hahafantatra izay holazain’izy ireo aho ary nanohy nihaona tamin’izy ireo.

Indray alina raha tonga tao an-trano i Anna Maria, dia nandre anay niresaka momba ny fanambadiana mandrakizay. Tena nahaliana azy tokoa izany, ary dia nanapa-kevitra izy ny iarahanay manomboka indray ny lesona. Nanana fahalalana lehibe momba ny soratra masina izy ary nanana lisitra-na fanontaniana lava be foana. Novalian’ireo rahalahy avy hatrany ny sasany tamin’ireo fanontaniana fa ho an’ny sasany kosa dia tsy maintsy nandeha nody izy ireo ary nanao fikarohana. Isan-kerinandro izy ireo dia niverina nitondra valiny tsy tapaka, ary isan-kerinandro i Anna Maria dia nanana lisitra-na fanontaniana hafa indray.

Taoriana kelin’ny nahavitanay ireo lesona, dia nanao zavatra tsy nampoiziko i Anna Maria satria nangataka fahazoan-dalana tamiko mba hatao batisa izy. Nilaza taminy aho fa tsy manana olana amin’izany raha toa ka tena niova fo marina izy. Nanatrika ny batisany aho ny 5 Martsa 1995 ary nigoka fahatsapan-javatra tena tsara nandritra ny fotoam-batisa.

Nanohy namaky be ireo zavatra momba ny Fiangonana aho, ary ny misiônera dia nanohy hatrany nankahery ahy. Farany dia nanapa-kevitra aho ny hisedra ny fampanantenan’i Môrônia (Jereo ny Môrônia 10:4–5). Tiako ho fantatra raha tena avy amin’Andriamanitra marina ny Bokin’i Môrmôna na koa hoe boky tantara mahafinaritra noforinin’ny eritreritra fotsiny.

Indray andro tamin’ny Jiona 1995 raha irery aho tao an-trano, dia nandohalika teo am-pandriana ary nangataka tamin’ny Ray any an-danitra hoe: “Moa ve marina ny Bokin’i Môrmôna, ary raha marina izany, dia rahoviana aho no hatao batisa?” Poa toa izay dia nahatsapa tao am-poko sy tao an-tsaiko feo mazava tsara iray aho izay nilaza tamiko hoe: “Marina ny Bokin’i Môrmôna.” Ary avy eo aho dia nahazo fahalalana tsara momba ny fotoana hanatanterahana ny batisako. Herinandro taty aoriana dia mbola nivavaka indray aho ary nandray valim-bavaka mitovy tamin’ilay teo aloha ihany. Diboky ny hafaliana ny foko. Ankehitriny dia fantatro fa niteny tamiko Andriamanitra: ny Bokin’i Môrmôna dia avy amin’ny fitaomam-panahin’Andriamanitra ary i Joseph Smith dia tena mpaminany marina.

Farany tamin’ny 17 Septambra 1995 dia niditra ny ranon’ny batisa aho, herintaona sy tapany taorian’ny nihaonako tamin’ireo misiônera. Fotoana fohy taorian’izay dia lasa liana tamin’ny Fiangonana ny zanakay vavy, Aba Chiara ary dia natao batisa koa. Tamin’ny Janoary 1997 dia nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Berne Suisse ny fianakavianay.

Fantatray fa ity no Fiangonana marina tantanan’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny mpaminany sy ny fisoronana. Feno fankasitrahana ny Tompo izahay noho ny fitiavanay sy noho ny fitarihany anay tany amin’ny misiônera, ary noho ny fahalalanay ny filazantsara.