2011
Ny Bokin’i Môrmôna—Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika
Ôktôbra 2011


Ny Bokin’i Môrmôna Vato Ifaharan’ny Fivavahantsika

Tonga Filohan’ny Fiangonana faha-13 tamin’ny 10 Nôvambra 1985 i Ezra Taft Benson. Fantatra tamin’ny fijoroany ho vavolombelona mafy orina mahakasika ny herin’ny Bokin’i Môrmôna izy ary koa ny fanantitranterany ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny soratra masina isan’andro, ny fitoriana ny filazantsara ary ny fampianarana ny filazantsara. Ity taona ity no manamarika ny faha-25 taonan’ny lahateny nataony nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ny volana Ôktôbra 1986.

Sary
President Ezra Taft Benson

Ry rahalahy sy rahavavy malalako, te-hiresaka aminareo mahakasika ny fanomezana iray faran’izay manan-danja indrindra nomena an’izao tontolo izao amin’izao vanimpotoana ankehitriny izao aho anio. Ilay fanomezana resahiko eto dia manan-danja kokoa noho ireo famoronana izay nateraky ny fandrosoana teo amin’ny lafin’ny indostria sy ny teknôlôjia. Izany dia fanomezana manana lanjany lehibe ho an’ny zanak’olombelona, eny, mihoatra noho ireo fandrosoana mahafinaritra hitantsika eo amin’ny fomba fitsaboana maoderina mihitsy aza. Izany dia sarobidy kokoa ho an’ny zanak’olombelona mihoatra noho ireo fivoarana eo amin’ny fiaramanidina na ny fandehanana eny ambony tsy taka-maso eny. Ny fanomezana resahiko eto dia ny Bokin’i Môrmôna, izay nomena ny zanak’olombelona 156 taona lasa izay.

Nomanin’ny tànan’Andriamanitra nandritra ny fotoana nihoatra ny arivo taona izany fanomezana izany, avy eo dia nafeniny mba ho voaro ny fahadiovany ho an’ny taranantsika. Angamba tsy misy zavatra izay mijoro ho vavolombelona mazava kokoa momba ny lanjan’ity boky soratra masina maoderina ity mihoatra noho ny nolazain’ny Tompo mivantana mikasika izany.

Tamin’ny vavany mivantana no nijoroany ho vavolombelona (1) fa marina izany (F&F 17:6), (2) fa mitahiry ny fahamarinana sy ny Teniny izany (F&F 19:26), (3) fa nadika tamin’ny alalan’ny hery avy any an-danitra izany (F&F 20:8), (4) fa mitahiry ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany (F&F 20:9; 42:12), (5) fa nomena tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy ary nohamafisina tamin’ny asa fanompoan’ny anjely izany (F&F 20:10), (6) fa manaporofo izany fa ny soratra masina dia marina (F&F 20:11), ary (7) ireo izay mandray izany amim-pinoana dia hahazo ny fiainana mandrakizay (F&F 20:14).

Ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika faharoa mahakasika ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna dia ny fahitana ny fotoana nametrahan’ny Tompo ny fivoahany tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny fisokafan’ny Famerenana amin’ny Laoniny. Ny hany zavatra nialoha izany dia ny Fahitana Voalohany. Tamin’izany fisehoana mahatalanjona izany no nahafahantaran’ny Mpaminany Joseph Smith ny toetoetran’Andriamanitra marina sy ny asa nasain’Andriamanitra nataony. Ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna no zavatra manaraka nitranga.

Eritrereto amin’izany ny zavatra fonosin’izany. Nialoha ny famerenana ny fisoronana ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna. Navoaka andro vitsivitsy talohan’ny nanorenana ny Fiangonana izany. Nomena ny Olomasina mba hovakian’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna talohan’ny nanomezana ireo fanambarana manazava ny fotopampianarana lehibe toy ny fanjakam-boninahitra telo, ny fanambadiana selestialy na ny asa atao ho an’ireo nodimandry. Tonga talohan’ny kôlejin’ny fisoronana sy ny fanorenana ny Fiangonana izany. Moa ve izany tsy manambara amintsika ny fandraisan’ny Tompo ity asa masina ity?

Raha vao mahatakatra ny fahatsapana ananan’ny Tompo mahakasika ity boky ity isika dia tsy tokony hahagaga antsika koa fa nanome fampitandremana hentitra izay mikasika ny fomba handraisana izany Izy. Taorian’ny filazana fa handray satroboninahitra mandrakizay ireo izay mandray ny Bokin’i Môrmôna amim-pinoana sy manao ny marina (jereo ny F&F 20:14), dia notohizan’ny Tompo tamin’izao fampitandremana izao izany: “Fa ireo izay manamafy ny fony kosa ao amin’ ny tsy finoana ary mitsipaka izany, dia hivadika ho fanamelohana ho azy ireo ihany izany” (F&F 20:15).

Tamin’ny taona 1829 ny Tompo dia nampitandrina ireo Olomasina mba tsy hanamaivana ireo zava-masina (jereo ny F&F 6:12). Marina fa tena zava-masina ny Bokin’i Môrmôna kanefa mbola misy ihany ny manamaivana izany, na amin’ny fiteny hafa dia hoe tsy manisy lanja izany, mandray izany ho toy ny tsy manan-danja.

Tamin’ny taona 1832, rehefa niverina avy tamin’ny sahan’ny asany ireo mpitory ny filazantsara sasantsasany tamin’izany, dia notezeran’ny Tompo mafy izy ireo noho ny tsy fanomezany lanja ny Bokin’i Môrmôna. Vokatr’izany toetra izany, hoy izy, dia feno fahamaizinana ny sain’izy ireo. Tsy hoe nitondra fahaverezan’ny fahazavana teo amin’izy ireo fotsiny ny fanamaivanana ity boky masina ity fa sady nitondra ny Fiangonana manontolo ho eo ambany fanamelohana, eny ny zanak’i Ziona rehetra. Ary hoy ny Tompo hoe: “Ary hitoetra eo ambanin’ izany fanamelohana izany izy ireo ambara-pibebany sy ahatsiarovany ny fanekempihavanana vaovao, dia ny Bokin’ i Môrmôna” (F&F 84:54–57).

Moa ve ny fananantsika ny Bokin’i Môrmôna teo anivontsika nandritra izay taonjato iray sy tapany izay dia toa manamaivana ny lanjan’izany eo imasontsika ankehitriny? Moa ve tsaroantsika ny fanekempihavanana vaovao, dia ny Bokin’i Môrmôna? Ao amin’ny Baiboly dia misy ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ilay teny hoe testamenta dia teny Anglisy avy amin’ny teny Grika izay azo hadika koa hoe fanekempihavanana. Izany ve no tian’ny Tompo holazaina rehefa niantso ny Bokin’i Môrmôna hoe ny “fanekempihavanana vaovao” Izy? Tena testamenta iray hafa na fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa tokoa izany. Izany no iray amin’ireo antony nanampiana vao haingana ireo teny hoe: “Testamenta Iray Hafa momba an’i Jesoa Kristy” tamin’ny lohatenin’ny Bokin’i Môrmôna.

Raha toa ka teo ambany fanamelohana ireo Olomasina fahiny noho ny fanamaivanan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna, moa ve isika tsy eo ambany fanamelohana toy izany koa raha manao toy izany? Ny Tompo Tenany mihitsy no mijoro ho vavolombelona fa manana lanjany mandrakizay izany. Afaka mitondra fanamelohana ho an’ny Fiangonana manontolo ve ny vitsy an’isa amintsika noho ny fanamaivanantsika ireo zava-masina? Inona no holazaintsika eo amin’ny Fitsarana rehefa manoloana Azy ka hametrahany ireo fanontaniany mahavalalanina isika raha toa ka voafaritra ho isan’ireo manadino ny fanekempihavanana vaovao?

Misy antony telo lehibe tokony handalinan’ny Olomasin’ny Andro Farany mandritra ny androm-piainany ny Bokin’i Môrmôna.

Ny voalohany dia satria ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika. Toy izao ny fanambaran’ny Mpaminany Joseph Smith. Nijoro ho vavolombelona izy fa “ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika.”1 Ny vato ifaharana no vato ivon’ny andohalambo iray. Mitazona ireo vato hafa rehetra eo amin’ny toerany ka raha vao esorina dia mirodana ny andohalambo.

Misy antony telo mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fivavahantsika. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy izany. Vato ifaharan’ny fotopampianarantsika izany. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona izany.

Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ary Izy dia vato ifaharan’ny zava-drehetra ataontsika koa. Mijoro ho vavolombelona mazava tsara sy amin-kery momba ny fisiany izany. Ny Bokin’i Môrmôna dia avy tany amin’ny mpanoratra nankany amin’ny mpamaky ary dingan’ny fandikan-teny nentanim-panahy iray ihany no nanelanelana izany, fa tsy toy ny Baiboly izay efa nandalo tamin’ireo taranaka maron’ny mpanao tahadika, mpandika teny ary mpitondra fivavahana tsy marina izay efa nanova ny lahatsoratra. Noho izany ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo dia mazava, madio tsara ary feno hery. Kanefa tsy izany fotsiny ihany. Maro amin’ireo Kristiana eto amin’izao tontolo izao ankehitriny no mandà ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy. Mametra-panontaniana ny amin’ny Fahaterahany mahagaga izy ireo, ny Fiainany tonga lafatra ary ny fahatanterahan’ny Fitsanganany tamin’ny maty tamim-boninahitra. Mampianatra mahakasika ny fahamarinan’ireo rehetra ireo mazava tsara ny Bokin’i Môrmôna. Manolotra fanazavana feno tsara mahakasika ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana koa izany. Marina tokoa fa ity boky avy amin’ny fitaomam-panahin’Andriamanitra ity tena vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona eto amin’izao tontolo izao fa i Jesoa no Kristy.2

Ny Bokin’i Môrmôna koa dia vato ifaharan’ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty. Araky ny efa voalaza teo aloha dia ny Tompo Tenany mihitsy no nilaza fa ny Bokin’i Môrmôna dia mitahiry ny “fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (F&F 20:9). Tsy midika izany hoe mitahiry ny fampianarana rehetra, na ny fotopampianarana nambara rehetra izany. Fa kosa midika fa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no hahitantsika ny fahafenoan’ireo fotopampianarana takiana amin’ny famonjena antsika. Ary nampianarina amin’ny fomba mazava sy tsotra izy ireo ka na dia ny zaza madinika aza dia afaka ny hianatra ireo lalan’ny famonjena sy fisandratana. Manolotra zavatra maro izay mampivelatra ny fahatakarantsika ny fotopampianaran’ny famonjena ny Bokin’i Môrmôna. Raha tsy nisy izany dia maro tamin’ireo zavatra nampianarina any amin’ireo soratra masina hafa no tsy ho mazava sy tsy ho sarobidy kokoa.

Farany dia vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna. Toy ny firodanan’ny andohalambo rehefa esorina ny vato ifaharana dia ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa no mampijoro na maharava ny Fiangonana. Takatr’ireo fahavalon’ny Fiangonana tsara izany. Izany no antony mahamaro an’isa ny fanandramana ataon’izy ireo hanaporofo fa tsy marina ny Bokin’i Môrmôna, satria raha very ny hasin’izany boky izany dia ho toy izany koa ny momba ny Mpaminany Joseph Smith. Ary toy izany koa ny fanambarantsika ny fananana ny fanalahidin’ny fisoronana, sy ny fanambarana ary ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny. Saingy tahak’izany koa, raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna—ary an-tapitrisany ireo efa nijoro ho vavolombelona fa nahatsapa ny tenivavolombelon’ny Fanahy fa tena marina tokoa izany—dia tokony hanaiky ny fanambarana mahakasika ny Famerenana amin’ny laoniny sy ireo zavatra rehetra miaraka amin’izany ny olona.

Eny ry rahalahy sy anabaviko, ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika—ny vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona, ny vato ifaharan’ny fotopampianarantsika ary ny vato ifaharan’ny tenivavolombelona ananantsika amin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika.

Ny antony lehibe faharoa tokony hanaovantsika ny Bokin’i Môrmôna ho ivon’ny fandalinantsika dia satria nosoratana ho an’izao androntsika izao izany. Tsy nanana izany boky izany na oviana na oviana ny Nefita, na koa ireo Lamanita tamin’ny fahiny. Natao ho antsika izany. Taty amin’ny faramparan’ny sivilizasiôna Nefita no nanoratra i Môrmôna. Nanambatra ireo rakitsoratra tao anatin’ny taonjato maro izy, nisafidy ireo tantara, lahateny ary zava-nitranga izay hanampy antsika bebe kokoa, teo ambany fitaomam-panahin’Andriamanitra, izay mahita ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.

Ireo mpanoratra lehibe tsirairain’ny Bokin’i Môrmôna dia nijoro ho vavolombelona fa nanoratra ho an’ny taranaka ho avy izy ireo. Hoy i Nefia hoe: “Nampanantenain’ ny Tompo Andriamanitra ahy fa horaketina sy hotehirizina ireto zavatra izay soratako ireto ka hatolotra ny solofoko sy ny taranaka fara mandimby” (2 Nefia 25:21). Ny rahalahiny Jakoba, izay nandimby azy dia nanoratra teny mitovitovy tamin’izany: “Satria nolazain’[i Nefia] fa ny tantaran’ ny olony dia tokony hosokirina eo amin’ ny takelany hafa, ary tokony hotehiriziko ireto takelaka ireto ary hatolotro ny taranako, ny taranaka mifandimby” (Jakoba 1:3). Nanamarika koa i Enôsa sy Jarôma fa izy roroa dia nanoratra ho an’ny taranaka ho avy fa tsy ho an’ny olony (jereo ny Enôsa 1:15–16; Jarôma 1:2).

I Môrmôna tenany mihitsy no nilaza hoe: “Eny, miteny aminareo aho, ianareo sisa tavela amin’ny mpianakavin’ i Isiraely” (Môrmôna 7:1). Ary i Môrônia, izay farany tamin’ireo mpanoratra nentanim-panahy, dia nahita ny androntsika sy izao fotoana izao. “Indro,” hoy izy, “ny Tompo dia efa naneho tamiko zavatra lehibe sy mahatalanjona momba izay tsy maintsy ho avy tsy ho ela, amin’izany andro izany rehefa hitranga eo anivonareo ireo zavatra ireo.

“Indro, miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo, ary tsy eto anefa ianareo. Nefa indro, efa nasehon’ i Jesoa Kristy ahy ianareo, ary fantatro ny ataonareo” (Môrmôna 8:34–35).

Raha toa ka nahita ny androntsika izy ireo ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja kokoa ho antsika, moa ve tsy izany no antony tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: “Inona no antony nitaoman’ny Tompo fanahy an’i Môrmôna (na Môrônia na Almà) hampiditra izany ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’izany izay hanampy ahy eo amin’ny fiainako amin’izao andro izao sy amin’izao vanimpotoana izao?”

Ary misy ohatra anampy ohatra amin’ny fomba hamaliana izany fanontaniana izany. Ohatra, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia misy lamina entina hanomanana ny Fiaviana Fanindroany. Misy ampahany lehibe ao amin’ny boky mifantoka amin’ny am-polo taona vitsivitsy talohan’ny nahatongavan’i Kristy tany Amerika. Amin’ny alalan’ny fandalinana tsara izany fotoana izany dia afaka mamantatra ny antony naharingana ny olona sasantsasany tao anatin’ny fitsarana mahatsiravina isika izay nialoha ny Fiaviany sy ny antony nahatonga ireo olona hafa nijoro teo amin’ny tempoly teo amin’ny tanin’i Soafeno sy nikasika tamin’ny tànany ny ratra teo amin’ny Tanany sy ny Tongony.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna koa no ianarantsika ny fomba fiainan’ireo mpianatr’i Kristy mandritra ny fotoan’ny ady. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna koa no ahitantsika ny faharatsian’ny tsikombakomba miafina izay aseho amin’ny antsipiriany sy amin’ny fomba tena mampivarahontsana. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no ahitantsika lesona entina iatrehana ny fanenjehana sy ny apôstazia. Mianatra bebe kokoa ny fomba hitoriana ny filazantsara isika. Ary ambonin’ny zava-drehetra dia hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo loza avy amin’ny fitiavana ny zavatra ara-nofo sy ny fampifantohana ny fontsika amin’ireo zavatr’izao tontolo izao. Moa ve mbola misy misalasala ihany fa tsy natao ho antsika ity boky ity ary ao anatin’izany no ahitantsika hery sy fampiononana ary fiarovana lehibe?

Ny antony fahatelo mahatonga ny Bokin’i Môrmôna hanana lanjany toy izany ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nomena tao amin’ny filazana nofaritana teo aloha nataon’ny Mpaminany Joseph Smith. Hoy izy: “Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fitsipika ao anatiny toy izay ao anatin’ny boky hafa.” Izany no antony fahatelo tokony handalinana ny boky. Manampy antsika hanatona akaikikaiky kokoa an’Andriamanitra izany. Moa ve tsy misy faniriana lalina ao am-pontsika izay maniry ny hanatona akaikikaiky kokoa an’Andriamanitra, ho tonga tahaka Azy bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika andavanandro ary hahatsapa ny fiarahany miaraka amintsika tsy tapaka? Raha izany tokoa dia ny Bokin’i Môrmôna no hanampy antsika amin’izany mihoatra noho ny boky hafa.

Tsy vitan’ny mampianatra antsika ny fahamarinana fotsiny ny Bokin’i Môrmôna, eny fa na dia tena manao izany aza izany. Tsy vitan’ny hoe mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy fotsiny ny Bokin’i Môrmôna, eny fa na dia tena manao izany koa aza izany. Saingy mbola misy zavatra hafa ankoatra izany. Misy hery ao anatin’ilay boky izay hanomboka hirotsaka ao amin’ny fiainanao raha vao manomboka mandalina tsara ny boky ianao. Hahita hery lehibe kokoa hanoherana ny fakam-panahy ianao. Hahita hery hisorohana ny fahadisoam-panantenana ianao. Hahita hery hijanonana eo amin’ilay lalana ety sy tery ianao. Antsoina hoe “tenin’ny fiainana” (jereo ny F&F 84:85) ny soratra masina, ary tena marina kokoa izany raha ho an’ny Bokin’i Môrmôna mihoatra noho ny boky hafa. Rehefa manomboka noana sy mangetaheta ireo teniny ianao dia hampiroboro bebe kokoa ny fiainanao ianao.

Ny rahalahy malalantsika, Filoha Marion G. Romney … dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana izay afaka ny hirotsaka eo amin’ny fiainan’ireo izay mamaky sy mandalina ny Bokin’i Môrmôna. Hoy Izy hoe:

“Mahatsapa aho fa raha toa ka, hamaky ombam-bavaka sy tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna ireo ray aman-dreny, ary sady manao izany manokana no manao izany miaraka amin’ny zanany, dia handrakotra ny tokantranontsika ary hitoetra amin’ireo izay monina ao ny fanahin’izany boky manan-danja izany. Hitombo ny fanahin’ny fanajana. Hitombo ny fifanajana sy fifankahazoan’ny tsirairay. Hisitaka ny fanahin’ny fifandirana. Hitarika ny zanany amim-pitiavana sy amim-pahendrena bebe kokoa ireo ray aman-dreny. Hanaraka sy hanetry tena kokoa amin’ireo torolalan’ny ray aman-dreniny ireo zanaka. Hitombo ny fahamarinana. Hitosaka ao an-tokantrano sy eo amin’ny fiainana ny finoana, fanantenana ary fiantrana—ny fitiavana madion’i Kristy—izay hiteraka fiadanana, fifaliana ary fahasambarana.”3

Ireo fampanantenana ireo—toy ny fitomboan’ny fitiavana sy filaminana ao an-tokantrano, fifanajana bebe kokoa eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka, fivoaran’ny fiainam-panahy sy ny fitomboan’ny fahamarinana—dia tsy fampanantenana fahatany, fa tena izay mihitsy no tian’ny Mpaminany Joseph Smith lazaina fony izy niteny hoe hanampy antsika hanatona akaikikaiky kokoa an’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna.

Ry rahalahy sy ranabavy, miangavy anareo amin’ny foko manontolo aho mba handray amim-pahamatorana ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny tenanareo sy ho an’ny Fiangonana amin’ny ankapobeny.

Folo taona mahery izay dia nanao izao fanambarana izao aho mahakasika ny Bokin’i Môrmôna:

“Moa ve miankina amin’ny fandraisantsika ity boky ity ny voka-javatra mandrakizay? Eny, na izany ho fitahiana ho antsika na ho fanamelohana ho antsika.

“Tokony handalina ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny androm-piainany ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay. Fa raha tsy izany dia tandindomin-doza ny fanahiny ary mandà ireo zavatra izay tokony hitondra firaisankina ara-panahy sy ara-pahalalana eo amin’ny fiainany manontolo izy. Misy fahasamihafana eo amin’ny olona niova fo iray izay nanorina ny finoany eo amin’ny vatolampin’i Kristy tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna ary mijanona mihazona ilay anja-by, sy ny olona iray tsy manao izany.”4

Mamerina manamafy ireo teny ireo ho anareo aho androany. Ndeha isika tsy hijanona eo ambany fanamelohana, miaraka amin’ireo antambo aterany sy ny fitsarany, noho ny fanamaivanana ity fanomezana lehibe sy mahatalanjona nomen’ny Tompo ho antsika ity. Fa handeha kosa isika hiezaka ho mendrika ireo fampanantenana azo amin’ny fanomezana lanja izany ao am-pontsika.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fizarana 84, andininy 54 ka hatramin’ny 58, dia mamaky toy izao isika:

“Ary ny sainareo dia nohamaizinina taloha noho ny tsy finoana, ary satria efa nohamaivaninareo ireo zavatra efa noraisinareo—

“Dia fieboeboana sy tsy finoana izay efa nitondra ny fiangonana iray manontolo ho eo ambany fanamelohana.

“Ary izany fanamelohana izany dia mitoetra eo amin’ ny zanak’ i Ziona, izy rehetra.

“Ary hitoetra eo ambanin’ izany fanamelohana izany izy ireo ambara-pibebany sy ahatsiarovany ny fanekempihavanana vaovao, dia ny Bokin’i Môrmôna sy ireo didy teo aloha izay efa nomeko azy ireo, tsy ny hiteny fotsiny fa ny hanao araka izay efa nosoratako—

“Mba hahazoany mamokatra voa mendrika ny fanjakan’ ny Rainy; fa raha tsy izany dia misy antambo sy famaliana hararaka eo amin’ ny zanak’ i Ziona.”

Hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo, dia nandray taratasy maro avy tamin’ireo Olomasina aho, na lehibe izany na kely, manerana an’izao tontolo izao izay nanaiky ilay fanamby ny hamaky sy handalina ny Bokin’i Môrmôna.

Tena faly aho tamin’ny fitantaran’izy ireo ny fomba niovan’ny fiainany sy ny fomba nanatonany ny Tompo akaikikaiky kokoa vokatry ny fanoloran-tenan’izy ireo. Ireo fijoroana ho vavolombelona mahafinaritra ireo dia nanamafy tao am-poko ireo tenin’ny Mpaminany Joseph Smith fa ny Bokin’i Môrmôna dia tena “vato ifaharan’ny fivavahantsika” tokoa ary “hanatona akaikikaiky kokoa an’Andriamanitra” ny lehilahy na vehivavy iray “amin’ny alalan’ny fanarahana ny fitsipiny mihoatra ny amin’ny boky hafa.”

Ny vavaka ataoko dia ny mba hahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fiainantsika.

Fanamarihana

  1. Teny Fanolorana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  2. Jereo ny pejin-dohanteny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  3. Marion G. Romney, “The Book of Mormon,” Ensign, Mey 1980, 67.

  4. Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, Mey 1975, 65.

Sary nataon’i David Stoker; ankavanana: sary nalain’i by Welden C. Andersen; sarin’ny Filoha Benson nalain’i Busath Photography