2011
Ny Mpaminany Joseph Smith: Mpandika tenin’ny Bokin’i Môrmôna
Ôktôbra 2011


Ny Mpaminany Joseph Smith

Mpandika tenin’ny Bokin’i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia boky soratra masina iray miavaka. Na dia nosoratan’ireo mpaminany fahiny aza izy io dia tsy mba tonga teo amintsika toy ny nahatongavan’ny Baiboly. Ny Baiboly dia noraketina tamin’ny ampahany lehibe tao anatin’ny horonan-taratasy tany amin’ny Tontolo Fahiny toy ny boky maromaro misaraka miavaka tsara ary nadikan’ireo mpandika soratra nandritra ny taonjato maro. Tamin’ny taonjato fahaefatra taorian’i Jesoa Kristy vao voatambatra ireo boky nisaraka miavaka tsara ireo ary lasa boky tokana izay antsointsika hoe ny Baiboly.

Ny Bokin’i Môrmôna anefa dia noraketin’ireo mpaminany fahiny tany amin’ny Tontolo Vaovao teo amin’ny takelaka metaly, izay nofintinin’ny mpaminany iray tamin’ny voalohany—dia i Môrmôna izany (noho izy no nanomezana ny anaran’ilay boky)—tamin’ny taonjato fahadimy taorian’i J.K. ho rakitsoratra iray teo amin’ireo takela-bolamena. Taty aoriana, i Môrônia, zanany lahy, no nandevina ireo takelaka tao ao amin’ilay toerana izay nilevenany mandrapahatonga ny taona 1827, izay fotoana nanomezan’i Môrônia, izay olona efa nitsangana tamin’ny maty tamin’izany, ireo takelaka ireo an’ilay zatovolahy nantsoina hoe Joseph Smith.

Ny zavatra manaraka dia ny tantaran’ny fomba nahazoan’i Joseph ilay rakitsoratra sy nandikany ary namoahany izany ho boky izay ankehitriny mitondra ny lohateny hoe ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa Momba an’i Jesoa Kristy. Ny Mpamonjy mihitsy no nijoro ho vavolombelona fa marina ilay boky (jereo ny F&F 17:6).

  1. Tamin’ny taona 1820 dia nisy zazalahy 14 taona nantsoina hoe Joseph Smith izay nipetraka tany akaikin’i Palmyra, New York. Na dia tanora aza izy dia niahiahy momba ny toerana misy azy teo anatrehan’Andriamanitra ary nikorotan-tsaina tamin’ireo fanambarana nataon’ireo finoana Kristiana samihafa izay nitady mpikambana tamin’ny alalan’ny fanoherana ny fanambarana nataon’ireo hafa. Ny fandalinany ny Baiboly no nanentana an’i Joseph hanapa-kevitra hikatsaka fahendrena amin’ny alalan’ny fangatahana amin’Andriamanitra izay “manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa” (Jakôba 1:5). Nandeha tany amin’ny ala kely eo akaikin’ny tranony izy mba hivavaka.

  2. Rehefa nandohalika sy nivavaka i Joseph dia nisy andrim-pahazavana nilatsaka teo amboniny. Nahita Olona roa izy tao anatin’izany. Niteny ny Ray any An-danitra nanao hoe: “Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!” Joseph Smith—Tantara 1:17. Nilaza tamin’i Joseph ny Tompo mba tsy hiditra ho mpikambana an’izay mety fiangonana misy satria tsy misy marina izy ireo, saingy nampanantenaina izy fa “hampahafantarina [azy] amin’ny fotoana ho avy ny fahafenoan’ny Filazantsara.”1

  3. Lasa ny telo taona izay fotoana nizaran’i Joseph Smith ny zava-niseho taminy tamin’ny hafa—ary nenjehina izy noho izany. Nilaza izy hoe: “Na dia nankahalaina sy nenjehina aza aho noho ny filazana fa nahita fahitana dia izany anefa no marina; ary … dia voasarika aho hiteny anakampo hoe: Nahoana aho no enjehina noho ny filazana ny marina? Nahita fahitana marina tokoa aho; ary iza aho no afaka hifampitana amin’Andriamanitra, na ahoana izao tontolo izao no mihevitra ny hampadà ahy izay zavatra efa hitako marina tokoa? Fa efa nahita fahitana aho; nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho” (Joseph Smith—Tantara 1:25).

  4. Tamin’ny 21 Septambra 1823, raha nivavaka iny i Joseph dia nisy hazavana nameno ny trano fandrianany tany amin’ny rihan-trano ambany tafo ary nisy anjely nantsoina hoe Môrônia niseho. Nolazain’i Môrônia an’i Joseph ny momba ireo rakitsoratra nataon’ireo mpaminany fahiny. Ilay rakitsoratra izay voasokitra teo amin’ny takela-bolamena dia tany amin’ny havoana iray tsy lavitra ny nisy azy. Nolazaina i Joseph fa izy no handika ilay rakitsoratra.

  5. Farany tamin’ny 22 Septambra 1827 dia nomena an’i Joseph ireo takelaka, izay nalainy avy tao amin’ny vata vato tao ambanin’ny vato iray ngezabe teo amin’ny havoana iray teo akaikin’i Palmyra, New York.

  6. Toy ny efa fahita tany amin’ny faritra ambanivohitra tamin’izany fotoana izany dia tsy dia nahita fianarana firy i Joseph Smith. Mba hanampiana azy hanao ny fandikan-teny dia nomen’Andriamanitra fitaovana fandikan-teny fahiny izy izay nantsoina hoe Orima sy Tomima. Nahazo fitahiana koa izy tamin’ny alalan’ny fanampian’ireo mpandika soratra izay nanoratra ny zavatra notononiny rehefa nandika teny izy. Anisan’ireo mpandika soratra ireo i Emma vadiny sy i Martin Harris izay mpiompy sy mpamboly mandroso harena ary i Oliver Cowdery izay mpampianatra. Ny ampahany lehibe tamin’ny asa fandikan-teny dia vita tao anatin’ny telo volana latsaka taorian’ny nanombohan’i Oliver nandray ny toeran’ny mpandika soratra.

    Nohazavain’i Emma ny hoe ahoana izany hoe mpandika soratr’i Joseph izany: “Tsy misy olona afaka nanonona ny zavatra voasoratra teo amin’ilay asa sora-tanana raha tsy nentanin’ny fanahy izy satria fony [aho] mpandika soratra, dia nanonona soratra nandritra ny ora maro tamiko i [Joseph] ary rehefa niverina izahay taorian’ny sakafo na taorian’ny fijanonana kely dia tonga dia nanomboka teo amin’izay nijanonany izy fa tsy nila nijery ilay asa sora-tanana na nangataka ny hamakiana ampahan’izany aminy.”2

    Nanazava ny lanjan’ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna i Joseph: “Tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra no nandikako ny Bokin’i Môrmôna avy tamin’ny tarehintsoratra egyptiana fahagola, izay very teo amin’izao tontolo izao ny fahalalana momba azy ary nijoro irery tao anatin’izany zava-niseho mampitolagaga izany niaraka tamin’ny fanambarana vaovao aho, zatovo tsy nanam-pahalalana mba hiady amin’ny fahendren’ny tany sy ireo tsy fahalalana maro tamin’ny taonjato fahavalo ambin’ny folo.”3

  7. Nandritra ny 18 volana nananany an’ireo takelaka dia tsy i Joseph irery no hany olona nahita sy nikasika izany. Lehilahy anankitelo—Oliver Cowdery, sy David Whitmer ary Martin Harris—no nijoro ho vavolombelona mazava fa ny anjely Môrônia dia nampiseho azy ireo ireo takela-bolamena ary fantatr’izy ireo fa ireo takelaka ireo dia “nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny, satria ny feony no efa nilaza taminay.” Lehilahy valo hafa koa no nijoro ho vavolombelona fa nahita sy nikasika ireo takela-bolamena.4

  8. Tamin’ny Aogôsitra 1829, dia nanao fifanarahana tamin’ny ilay mpiantoka boky Egbert B. Grandin tao Palmyra, New York i Joseph mba hanonta ilay boky. Nataon’i Martin Harris antoka ny toeram-pamboleny sy fiompiany mba handoavana ny fanontana ilay boky ary tamin’ny 26 Marsa 1830, dia azo novidiana ny Bokin’i Môrmôna.

  9. Tamin’ny 6 Aprily 1830, dia olona 60 teo ho eo no nivory tao amin’ny trano iray vita vaki-kitay hazo tany Fayette, New York. Tao araka ny torolalan’i Jesoa Kristy Tompo no nananganan’i Joseph Smith tamin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonan’ny Mpamonjy izay naverina tamin’ny laoniny toa ny nananganana azy tamin’ny voalohany ary notarihan’ireo apôstôly sy mpaminany izay nahazo lalana hiteny ho an’Andriamanitra. Ny fanambarana taty aoriana nomena an’i Joseph Smith no nahazoana ny anaran’ny Fiangonana hoe: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (jereo ny F&F 115:4).

Fanamarihana

  1. Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 4:536.

  2. Resadresaka tamin’i Emma Smith nataon’i Joseph Smith III, Feb. 1879, ao amin’ny Saints’ Herald, 1 Ôkt. 1879, 290.

  3. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 60.

  4. Jereo “Ny Tenivavolombleon’ireo Vavolombelona Telo” ary “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo,” ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.

Avy any ankavia: Rahalahy Joseph, nataon’i David Lindsley © 1998; Nikatsaka fahendrena avy tao amin’ny Baiboly i Joseph Smith, nataon’i Dale Kilbourn © 1975 IRI; Ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith, nataon’i Greg Olsen, tsy azo adika; seho iray tamin’ny Joseph Smith: Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny, nalain’i Matthew Reier sary © IRI

Avy any ankavia: Niseho tamin’i Joseph Smith ny Anjely Môrônia, nataon’i Tom Lovell © 2003 IRI; seho iray tamin’ny Joseph Smith: Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny, nalain’i Matthew Reier sary © IRI; seho iray tamin’ny Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny, nalain’i John Luke sary © IRI; Tamin’ny alalan’ny Fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny Heriny, nataon’i Simon Dewey; sombiny tamin’ny sary hosodoko nataon’i William Maughan © 1998; sary nalain’ Craig Dimond © IRI; seho iray tamin’ny Joseph Smith: Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny, nalain’i Matthew Reier sary © IRI