2011
Nofin’i Lehia: Mihazona Mafy ny Anja-by
Ôktôbra 2011


Nofin’i Lehia

Mihazona Mafy ny Anja-by

Ilay lohahevitra lehiben’ny Bokin’i Môrmôna izay—manasa ny olon-drehetra hanatona an’i Kristy—no zava-dehibe indrindra ao amin’ny fahitan’i Lehia.

Sary
Elder David A. Bednar

Tiako ny Bokin’i Môrmôna. Ny sasany tamin’ireo fahatsiarovako voalohany indrindra momba ny filazantsara dia ny famakian’ny reniko ahy ny Book of Mormon Stories for Young Latter-day Saints, nataon’i Emma Marr Petersen. Tao anatin’ireo zavatra niainako nandritra ny fahazazako sy ny fanaovana tsy tapaka nandritra ny fiainana ny fandalinan’ny tena manokana sy ny vavaka, dia tsy nitsahatra namerimberina nijoro ho vavolombelona tamin’ny fanahiko ny Fanahy Masina fa ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’Andriamanitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Fantatro fa ny Mpaminany Joseph Smith dia nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny Bokin’i Môrmôna no “boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany, sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary [h]anatona bebe kokoa an’Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa.”1

Ireo Hevi-dehiben’ny Nofin’i Lehia

Ny maha-zava-dehibe ny famakiana, fandalinana, fikarohana, ary fisaintsainana ny soratra masina amin’ny ankapobeny ary ny Bokin’i Môrmôna manokana dia nasongadin’ireo singa maromaro ao amin’ny fahitan’i Lehia ilay hazon’ny fiainana (jereo ny1 Nefia 8).

Ny hazon’ny fiainana no fototra ijoroan’ny nofin’i Lehia—fanehoana ny “fitiavan’Andriamanitra” (jereo ny 1 Nefia 11:21–22). “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Noho izany, ny fahaterahana, ny fiainana, ary ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo dia fanehoana lehibe indrindra ny fitiavan’Andriamanitra ny zanany. Araka ny fijoroana ho vavolombelon’i Nefia, izany fitiavana izany dia “mahatsiriritra indrindra amin’ ny zava-drehetra” ary tahaka ny voalazan’ny anjely ao amin’ny fahitana hoe: “mampiravoravo indrindra ny fanahy” (1 Nefia 11:22–23; jereo koa ny 1 Nefia 8:12, 15). Ny toko 11 ao amin’ny 1 Nefia dia maneho famaritana amin’ny antsipiriany ny hazon’ny fiainana ho tandindon’ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoana nataony ary ny fahafoizan-tenany—“ny fiambanian’ Andriamanitra” (1 Nefia 11:16).

Ny voan’ilay hazo dia tandindon’ny fitahian’ny Sorompanavotana. Ny fihinanana ilay voan’ny hazo dia maneho ny fandraisana ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana izay amin’ny alalan’izany no ahafahan’ny Sorompanavotana ho lasa tena mahomby tanteraka eo amin’ny fiainantsika. Ny voany dia nofaritana ho toy ny “mampilendalenda ka mahasambatra ny olona” (1 Nefia 8:10) ary niteraka hafaliana lehibe sy faniriana hizara izany hafaliana izany amin’ny hafa.

Fa ilay tena lohahevitra lehiben’ny Bokin’i Môrmôna—dia ny manasa ny olon-drehetra hanatona an’i Kristy—no zava-dehibe indrindra ao amin’ny fahitan’i Lehia. Ny zavatra manokana mahaliana ao anatin’izany dia ilay anja-by izay mitondra mankany amin’ilay hazo (Jereo ny 1 Nefia 8:19). Ny anja-by dia ny tenin’Andriamanitra.

Ny Fifikirana oharina amin’ny Fihazonana Mafy Tsy tapaka ny Anja-by

I Lehia rainy dia nahita vondron’olona efatra tao amin’ny fahitany. Ny telo tamin’ireo vondrona ireo dia nandroso hatrany nanaraka ilay lalana ety sy tery mba hikatsaka ny ho tonga teo amin’ilay hazo sy ny voany. Ilay vondrona fahaefatra dia tsy nikatsaka ny ho eny amin’ilay hazo, fa kosa ilay trano lehibe sy makadiry no toerana tena faran’izay tian’izy ireo hahatongavana (Jereo ny 1 Nefia 8:31–33).

Ao amin’ny 1 Nefia 8:21–23 dia mianatra momba ilay vondron’olona voalohany isika izay nandroso hatrany sy nanomboka nandeha tamin’ilay lalana nitondra nankany amin’ny hazon’ny fiainana. Na dia izany aza, rehefa tafalatsaka tao amin’ny zavon’ny haizina izy ireo, izay maneho ny “fakam-panahin’ ny devoly” (1 Nefia 12:17), dia tsy nahita lalana ka dia nirenireny sy very.

Mariho fa tsy misy ny filazana momba ny anja-by eo amin’ireo andininy ireo. Ireo izay tsy mahalala na manamaivana ny tenin’Andriamanitra dia tsy hanana ilay kômpà avy any amin’Andriamanitra izay manondro ny lalana mankany amin’ny Mpamonjy. Jereo tsara fa ity vondrona ity dia nahita ny lalana ary nandroso hatrany sy naneho fananam-pinoana an’i Kristy ary faharesen-dahatra ara-panahy, kanefa dia navilin’ny fakam-panahin’ny devoly izy ireo ary dia very.

Ao amin’ny 1 Nefia 8:24–28 dia mamaky momba ireo vondron’olona faharoa isika izay nahita ny lalana ety sy tery izay mitondra any amin’ny hazon’ny fiainana. Ity vondrona ity dia “nibosesika hatrany namakivaky ilay zavon’ ny haizina, nihazona tamin’ny anja-by na dia mandra-pahatongany ka nihinanany tamin’ny voan’ ny hazo aza” (andininy 24). Kanefa rehefa nandrabiraby ireto vondron’olona faharoa ireto ireo olona teny amin’ny trano mijoalajoala sy malalaka izay miraratra tokoa ny fitafiany dia “menatra izy ireo” ary “nianjera tamin’ny lalana voarara izy ka very” (andininy faha-28). Mariho tsara fa ity vondrona ity dia nofaritana ho toy ny “namikitra ny anja-by” (1 Nefia 8:24; nampiana fanamafisana).

Zava-dehibe ny hoe nandroso hatrany tamim-pinoana sy tao anatin’ny fanoloran-tena ilay vondrona faharoa. Nahazo ilay fitahiana fanampiny tamin’ny anja-by koa izy ireo, ary dia nifikitra tamin’izany! Kanefa rehefa tratran’ny fanenjehana sy ny fahoriana izy ireo, dia lavo tany amin’ilay lalana voarara ka very. Na dia nanana finoana sy fanoloran-tena ary ny tenin’Andriamanitra aza izany vondrona izany dia mbola very ihany tamin’ny farany—satria angamba izy ireo tsindraindray fotsiny ihany vao namaky na nandalina na nandinika ny soratra masina. Ny fifikirana amin’ny anja-by ho ahy dia maneho “fahazotoana” tsindraindray handalina ny soratra masina fotsiny na firotsahana lalina tsy mitohy raha tokony ho firobohana tsy tapaka sy mitohy ao anatin’ny tenin’Andriamanitra izany.

Ao amin’ny andininy faha-30 no hamakiantsika momba ireo vondron’olona fahatelo izay nandroso hatrany “nihazona mafy ny anja-by mandra-pahatongany sy nandohalihany ary nihinanany tamin’ ny voan’ ny hazo.” Ny andian-teny fototra eto amin’ity andininy ity dia ny hoe nihazona mafy ny anja-by.

Ilay vondrona fahatelo koa dia nandroso hatrany tamim-pinoana sy tamim-paharesen-dahatra; kanefa tsy nisy ny filazana hoe nirenireny izy ireo na lavo tany amin’ny lalana voarara, na very. Angamba ity vondron’olona fahatelo ity dia namaky sy nandalina arynandinika ny soratra masina hatrany. Angamba zotom-po sy finiavana izay toa “[zavatra] kely sy tsotra” (Almà 37:6) no nanavotra ilay vondrona fahatelo tamin’ny fahaverezana. Angamba ny “fahalalana avy amin’ny Tompo” sy ny “fahalalana ny fahamarinana” (Almà 23:5, 6) azo avy amin’ny fandalinana amim-pahatokiana ny soratra masina no niteraka fanomezana ara-panahin’ny fanetren-tena— hany ka ity vondron’olona ity dia“nandohalika ary nihinana tamin’ ny voan’ ny hazo” (1 Nefia 8:30; nampiana fanamafisana). Angamba ny sakafo sy tanjaka ara-panahy izay nomena tamin’ny alalan’ny “fivokisana ny tenin’ i Kristy” hatrany (2 Nefia 31:20) no nahafahan’ity vondrona ity tsy niraharaha ny fanarabiana sy fanesoana nataon’ireo olona teny amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka (jereo ny1 Nefia 8:33). Ity no vondrona izay tokony ho ezahantsika sy ianao hiarahana.

Nanontany ny rahalahin’i Nefia hoe: “Inona no hevitr’ilay anja-by izay hitan’ny raintsika ka nitondra nankeo amin’ ny hazo?

“Dia nolazain’i [Nefia] azy ireo fa izany no tenin’ Andriamanitra; ary na zovy na zovy no hihaino ny tenin’ Andriamanitra sy te hihazona izany mafy, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy; ny fakam-panahy sy ny zana-tsipika mirehitry ny fahavalo dia tsy afaka hampanaiky azy koa ho amin’ ny fahajambana ka hitarika azy any amin’ ny famongorana” (1 Nefia 15:23–24; nampiana fanamafisana).

Inona ary izany no maha samy hafa ny fifikirana sy ny fihazonana mafy ny anja-by? Mamela ahy ianareo hilaza fa ny fihazonana mafy ny anja-by dia mahatonga be dia be ny fampiasana ombam-bavaka sy tsy tapaka ary amim-pahamatorana ny soratra masina ho toy ny loharano azo antoka mikasika ny fahamarinana nambara sy ho toy ny mpitarika azo antoka eo amin’ilay dia mamakivaky ny lalana ety sy tery mankany amin’ny hazon’ny fiainana—ary indrindra mankany amin’ny Tompo Jesoa Kristy.

“Ary ny zava-nitranga dia nahita aho fa ilay anja-by izay efa hitan-draiko, dia ny tenin’Andriamanitra, izay nitondra nankamin’ny loharanon’ny rano velona, na nankamin’ ny hazon’ aina” (1 Nefia 11:25).

Ny Bokin’i Môrmôna dia Natao Ho Antsika Ankehitriny

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitondra fahamarinana izay manan-danja sy ilaina amin’izao androntsika izao ary ho an’ny toe-javatra iainantsika. Ny maha-zava-dehibe ny lafiny ara-panahy sy fampiharana ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainantsika dia nasongadin’i Môrônia: “Indro, miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo, ary tsy eto anefa ianareo. Nefa indro, efa nasehon’ i Jesoa Kristy ahy ianareo, ary fantatro ny ataonareo” (Môrmôna 8:35). Noho ny fahitana izao androntsika izao sy ny toe-javatra iainantsika tamin’ny alalan’ny fahalalan’Andriamanitra ny zavatra rehetra mialoha, ireo mpanoratra fototry ny Bokin’i Môrmôna dia nampiditra manokana lohahevitra sy ohatra tena manan-danja ho an’ireo mponin’ny tany amin’ny andro farany.

Manasa anareo aho mba handinika tsara sy ombam-bavaka ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no lesona azoko ianarana sy tokony hianarako avy amin’ny fahitan’i Lehia ny hazon’ny fiainana sy avy amin’ireo fitsipiky ny fihazonana mafy hatrany ny anja-by izay hahafahako hatanjaka ara-panahy hatrany eto amin’ity izao tontolo izao izay iainantsika ankehitriny ity?

Rehefa miasa amim-pahazotoana sy mikatsaka fitaomam-panahy mba hamaliana izany fanontaniana manan-danja izany ianao, dia ho takatrao bebe kokoa amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, ao am-ponao sy ao an-tsainao, ny maha-zava-dehibe ny mihazona mafy hatrany ny anja-by. Ary dia ho voatahy ianao amin’ny fampiharana ireo lesona ireo miaraka amin’ny finoana sy fahazotoana eo amin’ny fiainanao manokana sy ao amin’ny tokantranonao.

Enga anie isika rehetra hanana maso hahita sy sofina handre ireo lesona fanampiny ao amin’ny fahitan’i Lehia izay hanampy antsika “[h]ibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy, amin’ny fananana fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.” (2 Nefia 31:20).

Fanamarihana

  1. Enseignements de Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 69.

NY NOFIN’I LEHIA, NATAON’I GREG OLSEN, TSY AZO ADIKA

Sary nataon’i David Stoker

Sary nalain’i Matthew Reier