2011
Raha Tsy Miroanahana Isika
Ôktôbra 2011


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Raha Tsy Miroanahana Isika

Halalino ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Finoana • Fianakaviana • Fanampiana

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mamaky mikasika ny zatovolahy faka tahaka izay feno herimpo sy natanjaka isika. “Eny, lehilahin’ny fahamarinana sy ny fahamatorana izy ireo, fa efa nampianarina azy ireo ny hitandrina ny didin’Andriamanitra sy handeha araka ny hitsiny eo anoloany.” (Almà 53:21) Ireo zatovolahy mahatoky ireo dia nanome voninahitra ny renin’izy ireo—izay ohatra ho azy ireo sy mpampianatra azy ireo.

Ireo renin’ny miaramilan’i Helamàna dia niaina tao anatin’ny vanimpotoana tsy mitovy amin’ny antsika. Ny toe-javatra niainan’izy ireo dia sarotra sy nampidi-doza, ary ny tanora dia nantsoina hiaro ny fahafahana ara-batana sy ara-panahy. Ankehitriny isika dia miaina ao anatin’ny tontolo izay “tsy [hitolomantsika] amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Efesiana 6:12).

Ny fotoan-tsarotra dia mitaky mafy ray aman-dreny sy ohatra matanjaka izay mampianatra ny fahamarinana izay fantatry ny miaramilan’i Helamàna: “Raha tsy miroanahana izy ireo, dia Andriamanitra hanafaka azy ireo” (Almà 56:47). Ny fampianarana sy ny fanehoana amin’ny ohatra izany fahamarinana izany dia mitaky fahamalinana ankehitriny. Kanefa tsy mila matahotra isika. Rehefa fantatsika hoe iza isika ary hoe iza Andriamanitra ary nanao fanekempihavanana taminy isika, dia—tahaka ny renin’ireo miaramila ireo—dia hanana hery mitarika lehibe ho amin’ny tsara isika.

Ny ankamaroan’ny tsirairay tamin’ireo miaramilan’i Helamàna 2.060 dia nentanin’ny hery mitariky ny reny iray. Saingy tsy niasa irery ireo reny ireo. Niaraka tamin’ny lehilahy sy vehivavy marina hafa, ireo reny ireo dia tsy maintsy nanambatra ny finoany sy ny ohatr’izy ireo mba hampianatra ny herin’ny fanekempihavanana. Ireo tanora tamin’izany andro izany dia nahatakatra ny fanekempihavanana izay nataon’ireo ray aman-drenin’izy ireo mba tsy handray anjara amin’ny ady. Ary na dia toa tsy ho vita aza izany, dia nanokatra lalana ho an’ireo ray aman-dreny ireo ny Ray any an-danitra feno fitiavana mba hihazonan’izy ireo ny fanekempihavanany—sy hiarovany ny fahafahany (jereo ny Almà 56:5–9). Tahaka izany koa isika dia tokony hanaja ny fanekempihavanantsika mba hahatakaran’ireo ankizy sy tanora—ireo zanatsika sy ireo izay ao amin’ny paroasintsika, sampana misy antsika, sy ny mpifanolobodirindrina amintsika, ary ny fiaraha-monintsika—sy hanohanan’izy ireo ny fitandremana ny fanekempihavanana.

Rehefa manaja ny fanekempihavanantsika isika, dia afaka manomana ny lalana ho antsika ny Ray any an-danitra. Tokony hiaina ireo fanekempihavanantsika amim-pitandremana tsara isika. Ohatra, afaka mitandrina tsara isika rehefa mivavaka, rehefa mandalina ny soratra masina, rehefa mihazona ny fahazoan-dalana ho any amin’ny Tempoly sy rehefa manao akanjo maontina ary rehefa manaja ny Sabata. Rehefa manao izany isika dia hahafantatra sy afaka hiteny ireo zanatsika hoe: “Tsy miroanahana izahay, nahafantatra izany ny reninay” (Almà 56:48).

Ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany izay mahatsapa fa ny herin’izy ireo dia avy amin’ny Sorompanavotan’ny Tompo dia tsy milavo lefona mandritra ny fotoana sarotra sy mahakivy. Amin’ny maha-mpitandro ny fanekempihavanana antsika dia haintsika ny manohana sy mikarakara ary miaro ireo ankizy sy ireo tanora ka indray andro any afaka hiteny mikasika ity taranaka ity isika hoe: “Fa na oviana na oviana dia tsy nahita herim-po lehibe toy izany aho, tsia, tsy teo anivon’ny Nefita rehetra” (Almà 56:45).

Julie B. Beck, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany.

Avy amin’ny Soratra Masina

Almà 53; 56–58

Sary nalain’i Robert Casey