2011
Fijoroana hoVavolombelona iray, sy Fanekempihavanana iray, ary Vavolombelona iray
Ôktôbra 2011


Fijoroana hoVavolombelona iray, sy Fanekempihavanana iray, ary Vavolombelona iray

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Bokin’i Môrmôna dia fanekempihavanana iray vaovao, testamenta iray vaovao avy tany amin’ilay Tany Vaovao ho an’izao tontolo izao.

Sary
Elder Jeffrey R. Holland

Ireo fiekena masina nananako momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny dia tonga tamiko fony aho zatovolahy rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna aho. Tamin’ny fotoana namakiako izany rakitsoratra masina izany no nahatsapako—niverimberina foana—ilay bitsiky ny Fanahy Masina tsy azo lavina izay nanambara tamin’ny fanahiko ny fahamarinany.

Fiantombohan’ny fahazavako ny famakiako ilay boky. Izany no loharanon’ny fahalalako ara-panahy voalohany fa velona Andriamanitra ary Raiko any an-danitra Izy ary nisy drafitry ny fahasambarana izay narafitra any amin’ny mandrakizay ho ahy. Nitarika ahy izany hitia ny Baiboly Masina sy ireo soratra masina hafa ankatoavin’ny Fiangonana. Nampianatra ahy hitia an’i Jesoa Kristy Tompo izany sy hahatsinjo ny fangorahany feno famindram-po ary hieritreritra momba ny fahasoavan’ny Sorompanavotany ary ny halehiben’izany.

Noho ny fahafantarako manokana fa ny Bokin’i Môrmôna—testamenta iray hafa sy fanekempihavanana iray vaovao—dia vavolombelona marina manambara fa i Jesoa no Kristy, dia nahafantatra koa aho fa mpaminanin’Andriamanitra i Joseph Smith. Hoy ny rain’ny raiben’ny raibeko tany am-piandohan’ny Famerenana tamin’ny laoniny hoe: “Tsy misy olona ratsy toetra afaka nanoratra boky toy ity; ary tsy misy olona tsara toetra hanoratra azy raha tsy hoe marina izany ary hoe nodidian’Andriamanitra izy mba hanao izany.”1

Ireo zavatra voalohany ninoako dia nampian’ireo fotoana nahazoana fanazavana sy fanehoana masina izay nanome lanja lalina ny fiainako ankehitriny ary nampisy tanjona ny fiainako sy fototra mafy orina iorenan’ny fijoroako ho vavolombelona.

Ankehitriny, tsy nandeha sambo niaraka tamin’ny rahalahin’i Jareda aho. Tsy naheno an’i Benjamina Mpanjaka nanao ilay toriteny nozaraina tamin’ny fomban’ny anjely aho. Tsy teo anivon’ireo Nefita maro izay nikasika ny ratran’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty aho, na koa niara-nitomany tamin’i Môrmôna sy Môrônia noho ny faharavan’ny sivilizasiôna iray. Saingy ilay fijoroana ho vavolombeloko momba ity rakitsoratra ity sy ny fiadanana entiny ho an’ny fon’olombelona iray—izay nomena ahy tamin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy Masina toy ny nanomezana izany anao—dia raiki-tapisaka sy mazava toy ny azy ireo. Mijoro ho vavolombelona momba ity boky ity aho ka manao izany amim-pahatokiana toy ireny hoe nahita ireo takela-bolamena ireny niaraka tamin’ireo Vavolombelona Telo sy Valo.

Mbola mijoro ho vavolombelona koa aho fa tsy misy na iza na iza amintsika hahazo finoana feno ao anatin’ity asan’ny andro farany ity ary avy eo hahazo fiadanana tena lehibe amin’izao androntsika izao raha tsy efa mahafantatra ny maha avy amin’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna izy sy ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy Tompo izay momba Azy no ijoroan’izany ho vavolombelona. Toy ny nilazan’i Môrmôna tamin’i Môrônia tao anatin’ny fotoana tena nanahirana azy ireo no ilazako koa ao anatin’izao fotoana manahirana antsika izao hoe: “Aoka ho mahatoky ao amin’i Kristy. … Ary enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra Ray izay any an-danitra avo ny seza fiandrianany sy ny an’i Jesoa Kristy Tompontsika izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’ny heriny … ho aminao sy hiara-hitoetra aminao mandrakizay” (Môrônia 9:25–26).

Ny Bokin’i Môrmôna dia fanehoana masina ny fanekempihavanana lehibe farany nataon’i Kristy tamin’ny zanak’olombelona. Fanekempihavanana vaovao izany ary testamenta vaovao avy tany amin’ilay Tany Vaovao ho an’izao tontolo izao. Ny hazavana handehanako dia ilay Hazavany. Ny Famindram-pony sy ny Hatsarany dia nitarika ahy—sy ianao—hijoro ho vavolombelona momba Azy eo amin’izao tontolo izao.

Fanamarihana

  1. George Cannon, voalaza tao amin’ny “The Twelve Apostles,” ao amin’ny edisionan’i Andrew Jenson, The Historical Record, 6:175.

The Bible and the Book of Mormon Testify of Christ, nataon’i Greg K. Olsen