2011
Asa Masina Iray
Ôktôbra 2011


Asa Masina Iray

Nandray tsara ny zavatra rehetra nampianarinay izy. Koa nahoana ary no tsy noraisiny ny Bokin’i Môrmôna rehefa nanolotra izany taminy aho?

Indray hariva dia nandondona teo amin’ny varavaran’ny tovolahy iray izay vahiny mpandranto fianarana tany amin’ny iray tamin’ireo oniversite maro tany Londres izaho sy ny mpiara-mitory tamiko. Nampandroso anay izy ary dia nanazava taminy izahay fa mpitory ny filazantsara avy ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Narisika be izy hianatra bebe kokoa mikasika ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara, ka dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpaminany Joseph Smith izahay ary nilaza taminy mikasika ny boky masina avy any amin’ny Ray any an-danitra dia ny Bokin’i Môrmôna. Nohamafisinay fa masina izany satria mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Nohazavainay ihany koa fa afaka mahafantatra ny fahamarinan’izany mivantana izy ary dia nomenay boky iray tamin’izany izy. Teo am-panolorana azy ny Bokin’i Môrmôna aho dia nitsangana teo amin’ny sezany izy ary nivoaka ilay efitrano no tsy niteny na inona na inona. Notazoniko teo an-tanako ilay Bokin’i Môrmôna nandritra ny fotoana fohy ary dia nifampijery sy gaga tamim-pahanginana teo izaho sy ny mpiara-mitory tamiko nisaintsaina ny tokony hatao. Napetrako teo ambony latabatra ilay boky.

Tazanay ilay tanora namanay tao an-dakoziany nanasa ny tànany sy nanamaina izany tamin’ny servieta madio. Niverina tao amin’ny efitrano izy ary noraisiny teo ambony latabatra ilay Bokin’i Môrmôna no niteny tsotra izy hoe: “Mila manasa tanana foana ny olona any aminay alohan’ny hikasihany zavatra masina.” Nirotsaka ny ranomasoko teo am-pijerena ity tovolahy ity nanokatra ny Bokin’i Môrmôna voalohany ary namadibadika ireo pejy masina tamin’ny tanany madio.

Nampianatra i Almà fa masina ny soratra masina ary notehirizina izy ireny mba hitondrana famonjena ho an’ny fanahy. Nanambara tamin’ny Helamàna zanany izy hoe: “Efa nankinin’ Andriamanitra taminao ireo zavatra ireo izay masina, izay efa notehiriziny ho masina ary izay hotehiriziny sy hotsimbininy koa noho ny fikasana hendry ao Aminy, mba hahazoany maneho ny heriny amin’ ny taranaka ho avy” (Almà 37:14).

Nirahina nanao asa fitoriana aho mba hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, kinanjo izaho indray no nampianarin’ity tovolahy ity tamin’ny tanany madio. Any amin’ny kolontsaina maro—isan’izany ny kolontsaiko—dia tsy voatery manasa tanana alohan’ny hamakiana ny soratra masina, kanefa ny fihetsika tsotra maneho fanajana nataony dia fampahatsiahivana feno fanajana sy mahery vaika ny amin’ny fahamasinan’ny Bokin’i Môrmôna.

Sary nataon’i Simon Jones