2011
Fanontaniana sy Valiny
Aprily 2011


Fanontaniana & Valiny

“Nahoana ny fianakaviako no manana olana na dia efa mankany am-piangonana aza izahay sy manao ny takarivan’ny mpianakavy ary miezaka miaina ny filazantsara? Inona ireo zavatra hafa mbola azonay hatao?”

Ny fiainana ny filazantsara dia mitondra fitahiana, saingy tsy midika izany fa tsy hiatrika fanamby ianao. Ireo fitsapana dia afaka manamafy orina ny finoanao amin’ny alalan’ny fibitsihiny aminao mba hikatsaka ny fanampian’ny Ray any an-danitra. Ny famahana ny olana miaraka amin’ny fanampiany dia mampianatra anao handray fanapahan-kevitra marina.

Efa noresahinao ve io toe-javatra io amin’ny maha-fianakaviana anareo? Amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra miaraka dia mety hahita hevitra mifono fanampiana ianao. Efa nifady hanina sy nivavaka ve ianao mba hahita vahaolana amin’ny maha-fianakaviana anareo? Efa namaky ny soratra masina sy ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ve ianao? Mety mila mitondra fiovana sasantsasany ny fianakavianao mba hanatsarana ny toe-javatra, na mety mila maharitra ianao sy miandry amim-paharetana ary matoky fa ny Tompo dia hankahery anao mandritra izao fitsapana izao (jereo ny Môsià 24:15).

Raha misy nitondra fahoriana teo amin’ny fianakavianao, miezaha mamela azy ireo fa tsy manameloka azy ireo. Na dia tsy hamaha ny olana eo no ho eo aza ny famelana heloka dia hitondra fiadanana ho an’ny fonao izany sy hahatonga ny olana ho mora atrehina kokoa.

Ny fahavalo dia manafika ireo fianakaviana satria ny herin’izy ireo dia tena manan-danja ho an’ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina misy anao. Koa mahareta hatrany. Tohizo ny fankanesana any am-piangonana, ny fanaovana takarivan’ny mpianakavy ary ny fiainana ny filazantsara. Ny fankatoavana dia manome fahafahana anao hahatsapa ny Fanahy Masina ary ny fitarihany dia tena ilaina tokoa amin’ny fitadiavana ireo valiny katsahinao. Ny miaina ao anaty fianakaviana matanjaka, eny na dia ny [fianakaviana] mila mandresy olana aza no iray amin’ireo tanjona manan-danja indrindra izay azonao anananao.

Ampiasao ireo Torolalana Izay Nomena Antsika

Angamba ny fianakaviana iray dia tsy mihamatanjaka raha tsy efa nosedraina. Soa ihany fa tsy mila miatrika ireo olantsika samirery isika. Ny Ray any an-danitra dia maniry antsika mba hahomby amin’ny maha-olona manokana antsika sy amin’ny maha-fianakaviana antsika. Mba hanampiana antsika dia nanolotra mpitari-dalana tena manan-danja Izy, toy ny soratra masina, ny mpaminany velona, ireo mpitariky ny Fiangonana hafa, ary ny Fanahy Masina. Afaka manampy antsika hahatakatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay hitondra fifaliana ho antsika sy ho an’ny fianakaviantsika ireo. Ho fanampin’izany, aza adino na oviana na oviana ny milaza amin’ireo ray aman-dreninao fa hankasitrahanao sy tianao izy ireo. Fantatro fa ny Tompo dia hanolotra lalana ho an’ny fianakaviantsika mba ho iray, hihamatanjaka ary hahazo hery. Fantatro fa tendrin’Andriamanitra ny Fianakaviana.

Jared L., 18 taona, Mindanao, Philippines

Mianara Avy Amin’Ireo Olanao

Na manao ahoana na manao ahoana ny ezaka ataonao dia tsy maintsy hisy foana ny olana. Ireo fisedrana ireo dia natao mba hanampiana anao hitombo. Miankina amin’ny fihetsika manoloana ireo fanamby ireo ny zava-drehetra. Ny fanalahidy dia ny mianatra avy amin’izy ireny. Miverena kely any aoriana kely dia jereo ny zavatra tena mitranga manodidina anao. Mivavaha mikasika ireo fisedrana izay lalovanao ary manana finoana fa ny Tompo dia hanampy hanao hanivatsiva azy ireny. Afaka ho lasa hery ho anao izy ireny ary avy eo dia afaka ho hery ho an’ny hafa ianao.

Makenzie C., 18 taona, Chihuahua, Mexique

Vakio ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao

Ny olana dia hisy foana na mivavaka isika na tsia. Tsy natao hanasaziana antsika izy ireny fa mba hankaherezana antsika. Ireo olana izay atrehintsika eo amin’ny fiainana dia manome fahafahana ho an’ny fianakaviantsika hiara-hiasa. Rehefa mandalo adin-tsaina ny fianakaviako, olana ara-bola ary miezaka fotsiny ihany ny hahita fotoana iarahana dia lasa mifanakaiky bebe kokoa izahay sy mifanakaiky bebe kokoa amin’ny Rainay any an-danitra. Ny zavatra iray izay ataonay rehefa sendra fotoan-tsarotra dia ny mamaky ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao.” Mampahatsiahy antsika ny fifamatorana masina izay ifampizarantsika sy ny maha-zava-dehibe ny mitandrina ireo fanekempihavanantsika izany.

Anna G., 15 taona, Georgia, Etazonia

Manàna Finoana ny Tompo

Ny manampy ahy rehefa manontany tena ny amin’ny antony ananan’ny fianakavianay olana aho, eny na dia manao izay azonay atao rehetra aza izahay dia ny tantaran’i Joba sy ny zavatra maro be izay nandalovany. Joba 19:25–26: “Kanefa raha izaho dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy. Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra.” I Joba dia niatrika ny sasany amin’ireo olana sarotra indrindra kanefa dia mbola fantany fa velona ny Mpanavotra azy! Rehefa afaka mieritreritra sy miaina tahaka ny nataon’i Joba isika dia fantatro fa afaka mahita zavatra mihoatra ny olantsika ary mahita fa manana Mpanavotra izay manome hery antsika ao anatin’ireo fitsapana ireo.

Megan B., 17 taona, Utah, Etazonia

Atreho miaraka amin’ny Fanantenana ireo Olana

Afaka mampahatanjaka antsika ireo olana rehefa atrehantsika araka ny tokony ho izy. Ny tokony hataonao dia ny miatrika ireo olana miaraka amin’ny fanantenana sy ny herim-po. Mety manao ny tsara indrindra vitanao ianao amin’ny fanatrehana ny fiangonana sy ny fiezahana miaina ny filazantsara, noho izany dia mila mahafantatra ianao fa ny olanao dia natao hanefena anao sy hahatonga anao ho tsara kokoa amin’ny farany. Ezaho koa ny hamantatra zavatra izay tsy ataonao araka ny tokony ho izy ary dia miezaha hanitsy izany. Miezaha matetika ny hanampy ny hafa, ary rehefa manao izany ianao dia ho toy ny maivana kokoa ireo olanao. Ankoatry ny zava-drehetra dia milà hevitra amin’ny Tompo mandrakariva. Mivavaha mikasika ireo olanao ary angataho ny Ray any an-danitra mba hitarika anao.

Raymond A., 18 taona, Accra, Ghana

Maneke ny Sitrapon’ny Ray Any An-danitra

Mieritreritra aho fa ny fomba iray hitsapan’ny Ray any an-danitra antsika dia amin’ny alalan’ny olana. Ny zavatra tsy tokony ho hadinointsika dia Izy no Raintsika ary noho izany dia tena tia antsika Izy ary noho izany dia maniry ny tsara indrindra ho antsika Izy. Fantatro fa ny hany lalana ahafahantsika mihoatra ireo olana dia amin’ny alalan’ny fikirizana sy ny fanekena ny sitrapon’ny Ray.

José C., 18 taona, Ancash, Pérou

Mahareta hatramin’ny Farany

Ny fianakaviana dia ivon’ny drafitry ny Mpahary, koa dia mazava ho azy fa hanao izay ho afany ny fahavalo mba hanakanana antsika hiaraka hiaina ho toy ny fianakaviana sambatra sy mifantoka amin’ny filazantsara. Fantatsika fa tsy afaka ny hanantena fiainana mora isika na hoe vantany vao mandeha miangona isika sy manao takarivan’ny mpianakavy dia ho afaka amin’ny fakam-panahy ny fiainana. Rehefa mihasarotra ny toe-javatra, dia vakio ny soratra masinao, mivavaha ary dia miresaha fotsiny amin’ny fianakavianao.

Elder Dudley, 21 taona, Indonesia Jakarta Mission