2011
Ahoana no ahafahako mitoetra ho voaro amin’ny zavatra ratsin’izao tontolo izao?
Aprily 2011


Vavolombelona Manokana

Ahoana no ahafahako mitoetra ho voaro amin’ny zavatra ratsin’izao tontolo izao?

Avy ao amin’ny “How to Live Well amid Increasing Evil,” Liahona, Mey 2004, 100–102.

Ny Loholona Richard G. Scott avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara hevitra vitsy mikasika io lohahevitra io.

Sary
Elder Richard G. Scott

Na dia toa sarotra aza ny fiainana izao dia mihazona hatrany ny anja-bin’ny fahamarinana. Manaova ezaka betsaka noho izay azonao an-tsaina ianao.

Afaka miaina fiainana madio, mamokatra, marina ianao amin’ny alalan’ny fanarahana ny drafitry ny fiarovana izay nataon’ny Rainao any an-danitra: ny drafitry ny fahasambarana.

Rehefa manohy mampifantoka ny sainao sy ny fonao amin’ny Tompo ianao dia hanampy anao hanana fiainana miroborobo sy feno Izy na inona na inona ny zava-mitranga eo amin’ny tontolo manodidina anao.

Ny Ray any an-danitra dia nanomana ireo soratra masina ary manome fitarihana araka an’Andriamanitra tsy tapaka ho fanohanana antsika. Izany fanampiana izany dia hanome antoka fa ianao dia hiaina amim-piadanana sy amim-pahasambarana eo anivon’ny fitomboan’ny faharatsiana.

Katsaho ary henoy tsara ny fitarihana manokana izay atolotra anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Sary nataon’i Bryan Beach