2011
Tsy Liana amin’ny Fiangonana aho
Aprily 2011


Tsy Liana amin’ny Fiangonana aho

Tanintoa Sexton, Nosikely Marshall

Tsy te-hanana fifandraisana amin’ny Fiangonana na eo amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona aho rehefa niera tamiko ny vadiko raha toa ka afaka mampianatra ireo zanakay lahy ireo misiônera. Kanefa tsy nandà aho satria izy efa mpikambana.

Rehefa nanomboka tonga tao an-tokantranonay indroa isan-kerinandro ny misiônera dia mandeha mankany an-tranon’ny namako eo akaikinay aho. Mpikambana mazoto ao amin’ny fiangonana Kristiana hafa ny namako. Isaky ny mitsidika azy aho dia te-hiresaka mikasika ny Baiboly amiko izy. Nolazaiko taminy fa tsy dia liana amin’ny zavatra toy izany aho ary tsy te-hianatra mikasika ny fivavahana. Kanefa dia niezaka nandresy lahatra ahy hatrany izy, ary farany aho dia nanaiky. Ka dia nandalina ny Baiboly niaraka tamin’ilay namako aho nandritra ny fotoana lavalava raha toa kosa nampianatra ireo zanako lahy ny misiônera.

Indray andro dia tonga ny fotoana hahatongavan’ireo misiônera ao an-tranonay. Saingy raha tokony hivoaka aho dia nanapa-kevitra ny hijanona ao amin’ny efitra ao ambadika. Rehefa nanomboka nampianatra ireo zanako lahy ny misiônera dia tsapako fa te-hihaino azy ireo aho. Nanatona tsikelikely ny varavarana aho mba hahenoako tsaratsara kokoa. Nampianatra ny zanako lahy mikasika ny apôstôly sy ny mpaminany izy ireo.

Taty aoriana dia tsapako fa te-hianatra bebe kokoa aho. Niresaka tamin’ireo misiônera aho ary nanapa-kevitra ny handray ireo lesona miaraka amin’izy ireo—mitokana. Nanatrika teo foana ny vadiko saingy tsy nisy olona hafa nahalala izany.

Ka rehefa tonga mampianatra ny zanako lahy ny misiônera indroa isan-kerinandro dia mandeha mankany amin’ny tranon’ilay namako aho. Ary amin’ny andro hafa no ampianaran’izy ireo ahy.

Indray andro dia nilaza zavatra ratsy mikasika ny Fiangonana ilay namako dia narovako ny Fiangonana. Toy ireo olona maro any amin’ny Nosikely Marshall dia tsy mahafantatra tsara mikasika ny Fiangonana izy ary tsy mahatakatra ireo zavatra inoan’ny Olomasin’ny Andro Farany. Rehefa niteny zavatra ratsy indray izy dia mbola narovako indray ny Fiangonana.

Dia toy izany hatrany no nitranga nandritra ny fito volana. Avy eo, indray andro dia nahatsapa aho fa nohamafisin’ny Fanahy Masina tamiko ny fahamarinan’ny zavatra rehetra nampianarin’ireo misiônera ahy. Nahatsapa aho fa mila atao batisa, na dia mbola kely ihany aza no fantatro mahakasika ny filazantsara.

Tena faly be aho taorian’ny batisako tamin’ny 2007. Nanomboka nanangom-bola handehanana any amin’ny tempolin’i Hawaï izahay, izay toerana namehezana ahy tamin’ny vadiko sy ny zanako telo tamin’ny Desambra 2008.

Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fiainako ny naha-mpikamban’ny Fiangonana ahy. Nanapa-kevitra ny hiala tamin’ilay asako mihira sy mampandihy tao amin’ny trano fisakafoana iray aho satria mahatonga ahy hody alina izany ary ny garmentako dia maimbon’ny fofon-tsigara tanteraka. Na dia very aza izany fidiram-bola fanampiny izany dia niahy anay hatrany ny Tompo.

Fantatro fa marina ny Fiangonana ary mpaminanin’Andriamanitra i Joseph Smith noho ilay Fanahy izay tsapako sy ny fitahiana izay noraisiko.