2011
Hahatsiaro Azy Mandrakariva
Aprily 2011


Hahatsiaro Azy Mandrakariva

Avy tamin’ny lahateny natao tao Brigham Young University–Idaho tamin’ny 27 Janoary 2009. Raha hihaino izany lahateny izany amin’ny teny Anglisy dia mitsidiha ny web.byui.edu/devotionalsandspeeches/default.aspx.

Rehefa mahatsiaro hatrany ny Mpamonjy isika dia afaka ny “hanao amim-pifaliana ny zava-drehetra miankina amin’ny herintsika,” ary hatoky fa ny Heriny sy ny fitiavany ho antsika dia hitsimbina antsika.

Sary
Elder D. Todd Christofferson

Ny vavaka atao amin’ny fanasan’ny Tompo dia manamafy fa ny ivon’ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo araky ny nanorenan’ny Tompo Jesoa Kristy azy dia mba hahafahantsika “hahatsiaro Azy mandrakariva” (F&F 20:77, 79). Ny fahatsiarovana ny Mpamonjy dia mazava ho azy fa mifono ny fahatsiarovana ny Sorompanavotany, izay aseho amin’ny alalan’ny mofo sy ny rano ho mari-pamantarana ny fijaliany sy ny fahafatesany. “Tokony tsy hohadinointsika velively ny zavatra nataony ho antsika, satria raha tsy nisy ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia tsy hisy tanjona ny fiainana. Fa noho ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty kosa dia misy ny fahafahana manao zavatra izay maharitra mandrakizay sy masina ho an’ny fiainantsika.

Te-hamelabelatra lafin-javatra telo mikasika ny dikan’izany hoe “hahatsiaro Azy mandrakariva” izany aho: voalohany, fikatsahana ny hahafantatra sy hanaraka ny Sitrapony; faharoa, fahafantarana sy fanekena ny adidintsika amin’ny famaliana an’i Kristy amin’ny eritreritra sy fiteny ary fihetsika rehetra; ary fahatelo, fiainana amim-pinoana sy tsy amin-tahotra fa afaka ny hiandrandra ny Mpamonjy foana isika amin’ireo fanampiana ilaintsika.

1. Fikatsahana ny hahafantatra sy hanaraka ny sitrapon’i Kristy toy ny nanarahany ny sitrapon’ny Ray.

Ny vavaky ny mofo amin’ny fanasan’ny Tompo dia mampanolo-tena antsika handray an-tsitrapo ny anaran’ny Zanakalahy “ary hahatsiaro Azy mandrakariva sy hitandrina ny didy izay nomeny [antsika]” (F&F 20:77). Azo atao koa ny mamaky izany fanekempihavanana izany ho toy ny hoe “mahatsiaro Azy mandrakariva ka hitandrina ny Didiny.” Toy izany no fomba nahatsiarovany mandrakariva ny Ray. Hoy Izy: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy” (Jaona 5:30).

Nahatontosa ilay firaisam-po tonga lafatra tamin’ny Ray i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanekeny manokana, ny vatany sy ny fanahiny, hanao ny sitrapon’ny Ray. Raha niresaka momba ny Rainy i Jesoa dia nilaza hoe: “Izaho manao izay sitrany mandrakariva” (Jaona 8:29). Satria izany no sitrapon’ny Ray, dia nanaiky ny ho faty mihitsy aza i Jesoa, “ny sitrapon’ ny Zanaka dia efa voatelina ao amin’ ny sitrapon’ ny Ray” (Môsià 15:7). Ny fifantohany tamin’ny Ray no antony manan-danja iray izay nampazava sy nampafonja ny asa nataon’i Jesoa.

Torak’izany koa izaho sy ianao dia afaka mametraka an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika sy afaka ny ho lasa iray hiaraka Aminy toy ny naha-iray Azy tao amin’ny Ray izaho sy ianao (jereo ny Jaona 17:20–23). Afaka manomboka manala ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika isika ary mamerina izany miaraka indray ka mandeha araky ny laharam-pahamehana izany ary ny Mpamonjy no ho ivon’izany. Tokony hametraka ho lohalaharana ireo zavatra izay hahatonga antsika hahatsiaro Azy mandrakariva isika—toy ny vavaka sy fandalinana ny soratra masina tsy tapaka, fandalinana amim-pahalinana ny fampianaran’ireo apôstôly, fiomanana isan-kerinandro amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana, fandehanana miangona isaky ny Alahady, ary ny firaketana sy fahatsiarovana ireo zavatra ampianarin’ny Fanahy sy ny zavatra iainana antsika mikasika ny maha-mpanara-dia.

Mety hisy zavatra hafa tonga ao an-tsainao izay ilainao manokana amin’izao fotoana iainanao izao. Vantany vao manokana ny fotoana sy ny fitaovana ho an’ireo zavatra ireo isika mba hanaovana an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika dia afaka manomboka manampy ireo andraikitra sy zava-manan-danja hafa, toy ny fianarana sy ny andraikitra eo anivon’ny fianakaviana. Amin’ny alalan’ity fomba ity ny zavatra manan-danja dia tsy ho voatototry ny zavatra tsara fotsiny ka ho tafavoaka ny fiaintsika, ary ireo zavatra tsy manan-danja dia tsy ho isan’ny laharam-pahamehana na hiaraka hanjavona.

Fantatro fa tsy mora ny fanatanterahana ny fampifanarahana ny sitrapontsika amin’ny an’i Jesoa Kristy tahaka ny nampifanarahany ny Sitrapony tamin’ny an’ny Ray. Niresaka tamim-pahatakarana ny fanamby izay atrehantsika tokoa ny Filoha Brigham Young (1801–77) raha nilaza izy hoe:

“Taorian’ny zavatra rehetra izay voalaza sy vita, taorian’ny nitarihany ity vahoaka ity nanditra ny fotoana ela, moa va tsy tsikaritrareo fa misy ny tsy fahampiana fahatokiana ny Andriamanitsika? Tsapanareo eo amin’ny tenanareo ve izany? Mety hanontany ianareo hoe: ‘[Rahalahy] Brigham, moa tsapanao eo amin’ny tenanao ve izany?’ Tena tsapako izany. Hitako fa tsy ampy fahatokiana aho, amin’ny lafiny maro, amin’ilay iray izay itokiako.—Nahoana?” Satria tsy ananako ny hery, ka nitondra fahalavoana teo amiko izany. …

“… Misy fotoana nahatsapako zavatra tao anatiko [,] izay namaritra tsipika mampiavaka ny zava-mahasoa ahy sy ny zava-mahasoan’ny Ray any an-danitra; zavatra izay mahatonga ny zava-mahasoa ahy sy ny zava-mahasoa ny Ray any an-danitra tsy ho iray tanteraka.

“Fantatro fa tokony hahatsapa sy hahatakatra isika, arak’izay tratra, arak’izay hamelan’ny toetra mifono fahalavoana izany, arak’izay fahafahantsika hahazo finoana sy fahalalana mba hahatakarantsika ny tenantsika, fa ny mahasoa an’Andriamanitra izay tompointsika no mahasoa antsika, ary tsy misy zavatra mahasoa hafa antsika ankoatr’izany, na amin’izao fotoana izao na amin’ny mandrakizay.”1

Na dia tsy ho mora aza izany dia afaka hatrany isika mandroso amim-pinoana ao amin’ny Tompo. Afaka manamarina aho fa rehefa mandeha ny fotoana dia hitombo ny faniriana sy ny fahafahantsika hahatsiaro sy hanaraka mandrakariva ny Mpamonjy. Mila miasa amim-paharetana mankany amin’izany tanjona farany izany isika ary mivavaka mandrakariva mba hahazo famantarana sy fanampiana masina amin’ny zavatra ilaintsika. Nanoro hevitra i Nefia hoe: “Lazaiko aminareo fa tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo ary tsy kivy; ary tsy hanao na inona na inona ho an’ ny Tompo raha tsy efa nivavaka tamin’ ny Ray aloha tamin’ ny anaran’ i Kristy mba hanamasinany ny asanareo ho anareo, mba hitondra fiadanana ho an’ny fanahinareo ny asanareo” (2 Nefia 32:9).

Vavolombelon’izany ohatra tsotra mikasika ny karazam-bavaka toy izany aho rehefa nomena andraikitra hanao tafa sy dinika amin’ny mpivady iray izay mipetraka any amin’ny firenena hafa iray izaho sy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny alalan’ny fifampiresahana ampita amin’ny video. Fotoana fohy talohan’ny nidirana ny toerana hanaovana izany dia namerina nijery ireo fampahalalana azonay mikasika ilay mpivady aho ary nahatsapa aho fa vonona hiatrika ilay tafa sy dinika. Minitra vitsivitsy talohan’ilay fotoana dia indro hitako ny Loholona Oaks nipetraka nitokana sady nanondrika ny lohany. Nampitraka ny lohany izy avy eo sady niteny hoe: “Vao avy namarana ny vavako nataoko mba hiomanana amin’izao tafa sy dinika izao aho. Mila manana ny fanomezan’ny fahaiza-manavaka isika.” Tsy nohamaivaniny ny fiomanana manan-danja indrindra, dia ny vavaka mba hanatontosanay ny andraikitray ka hahasoa anay sy hanomezana voninahitra ny Tompo.

2. Hiomana amin’ny adidintsika amin’ny famaliana an’i Kristy amin’ny eritreritra sy fiteny ary fihetsika rehetra.

Mazava tsara ny nolazain’ny soratra masina fa hisy ny fotoam-pitsarana lehibe izay hijoroan’ny Tompo hitsara ny firenena maro (jereo ny 3 Nefia 27:16) ary ny lohalika rehetra dia handohalika ary ny lela rehetra dia hidera fa Izy no Kristy (jereo ny Romana 14:11; Môsià 27:31; F&F 76:110). Ilay endrika manokan’izany fitsarana izany sy ny votoatiny dia nofaritan’i Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna:

“Satria hanameloka antsika ny tenintsika, eny, ny asantsika rehetra no hanameloka antsika; tsy ho hita tsisy pentina isika; ary hanameloka antsika koa ny eritreritsika; ary amin’ izany toetra mahatsiravina izany isika dia tsy ho sahy ny hiandrandra ny Andriamanitsika; ary ho faly aza isika raha afaka mibaiko ny vatolampy sy ny tendrombohitra hianjera amintsika mba hanafina amintsika ny tavany.

“Saingy tsy azo atao izany; tsy maintsy mandroso isika sy mijoro eo anoloany, eo amin’ ny voninahiny sy eo amin’ ny fahefany ary eo amin’ny heriny, fiandrianany ary fanapahany, ary miaiky ao amin’ ny henatsika maharitra mandrakizay fa ny fitsarany rehetra dia marina; fa marina amin’ ny asany rehetra Izy, ary feno famindram-po amin’ ny zanak’ olombelona Izy ary manana ny hery rehetra hamonjy ny olona tsirairay izay mino ny anarany ary mamoa voa miendrika ny fibebahana” (Almà 12:14–15).

Rehefa nofaritan’ny Mpamonjy ny filazantsarany dia ity fitsarana ity no ivon’izany. Hoy Izy hoe:

“Indro efa nomeko anareo ny filazantsarako, ary izao no filazantsara izay efa nomeko anareo—fa tonga teo amin’ izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy.

“Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ ny hazofijaliana; ary taorian’ ny efa nanandratana Ahy teo amin’ ny hazofijaliana, dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko, ka toy ny efa nanandratan’ ny olona Ahy, dia toy izany koa no hanandratan’ ny Ray ny olona hijoro eo anoloako mba hotsaraina amin’ ny asany, na tsara izany na ratsy—

“Ary noho izany antony izany no efa nanandratana Ahy; koa, araka ny fahefan’ ny Ray, dia hosintoniko ny olon-drehetra hankaty Amiko mba ho azo tsaraina araka ny asany izy ireo” (3 Nefia 27:13–15).

Ny hoe “voasandratra eo amin’ny hazofijaliana” mazava ho azy dia fomba enti-maneho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay namaliany ny fitakiana izay mety takian’ny fahamarinana amintsika tsirairay avy. Amin’ny teny hafa dia nanonitra ny zava-drehetra mety takian’izany fahamarinana amintsika noho ny fahotantsika Izy, tamin’ny alalan’ny fijaliana nozakainy sy ny fahafatesany tao Getsemane sy Golgota. Noho izany dia mijoro eo amin’ny toeran’ny fahamarinana Izy ary endrika maneho ny fahamarinana. Toy ny maha-fitiavana an’Andriamanitra dia fahamarinana koa Izy. Ny trosantsika sy ny andraikitsika ankehitriny dia ao amin’i Jesoa Kristy. Noho izany, Izy dia manana ny zo hitsara antsika.

Izany fitsarana izany araky ny filazany dia miankina amin’ny asa nataontsika. Ilay “filazana tsara” indrindra ao amin’ny Filazantsarany dia ny fanolorany ny fanomezan’ny famelan-keloka fa miankina amin’ny fibebahantsika. Ka noho izany raha misy fibebahana ao anatin’ny asa ataontsika dia mamela ny otantsika sy ny fahadisoantsika Izy. Raha toa ka mandà ny fanomezan’ny famelana isika, mandà ny hibebaka, dia hisy famaizan’ny fahamarinana hihatra izay Izy no misolo tena izany. Hoy Izy hoe: “Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka; Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy” (F&F 19:16–17).

Noho izany ny dikan’ny hoe mahatsiaro Azy mandrakariva dia ny fahatsiarovantsika Azy mandrakariva ka tsy hisy zavatra afenina Aminy. Tsy misy ampahan’ny fiainantsika, na fihetsika, fiteny, eny na ny eritreritra, izay azo afenina mba tsy ho fantatry ny Ray sy ny Zanaka. Tsy misy fangalana tahaka mandritra ny fanadinana, na karazana fangalaran’entana, na haitraitra ara-nofo na fandefideferana na lainga tsy ho fantatra na modia tsy hita na hafenina na hohadinoina izany. Na inona na inona “zavatra alaviri[ntsika]” eo amin’ny fiainana na ezahintsika afenina amin’ny olon-kafa, dia tsy maintsy hiatrika izany isika rehefa tonga ny andro tsy azo ihodivirana izay hanandratana antsika eo anoloan’i Jesoa Kristy, ilay Andriamanitry ny fahadiovana sy fahamarinana tonga lafatra.

Izany fahamarinana izany dia namporisika nandritra ny fotoana samihafa na mba hibebaka na hiala amin’ny ota. Indray mandeha izay nisy zavatra nitranga nifandraika tamin’ny resaka fivarotana trano, satria nisy ny fahadisoana ara-taratasy hany ka nahazo vola mihoam-pampana tamin’ny fomba ara-dalana avy tamin’ireo mpividy aho. Nanontany ahy ny mpiara-miasa tamiko raha toa ka hotazoniko ilay vola satria ananako zo izany. Nieritreritra ny fiatrehako ny Tompo aho, ilay endrika maneho ny fahamarinana, ary nanandrana nanazava fa nanana ny zo ara-dalàna haka tombony amin’ilay mpividy sy amin’ny fahadisoany aho. Toa tsy nahita ny tenako tena naharesy lahatra loatra Azy aho, indrindra fa mbola hangataka famindram-po ho an’ny tenako aho amin’io fotoana io. Fantatro fa tsy afaka ny hiaina amin’ny tenako aho raha toa ka tsy mendrika toy izany noho ny fihazonana ireo vola ireo. Novaliako ilay mpiara-miasa tamiko fa aleo hampihatra ilay ady varotra araky ny nifanarahana tamin’ny voalohany izahay. Tena mendrika kokoa noho izay mety vola ho azo ho ahy ny mahatsapa fa tsy manana zavatra mila hibebahana aho ao anatin’izany raharaham-barotra izany.

Tamin’ny fahatanorako dia nisy fotoana nanehoako tsy firaharahiana ka niteraka faharatrana kely teo amin’ny iray tamin’ireo rahalahiko. Tsy noraisiko ny andraikitra vokatr’izany adalako izany tamin’izany fotoana izany ary tsy nisy nahafantatra ny anjara toerako tamin’izany toe-javatra izany. Taona maro taty aoriana dia nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hampahafantatra ahy ireo zavatra teo amin’ny fiainako izay nila fanitsiana mba hahafahako hahazo sitraka bebe kokoa eo anatrehany, ary dia tonga tao an-tsaiko izany toe-javatra iray izany. Efa adinoko izany, kanefa ny Fanahy dia nibitsika izany amin’ny maha-fandikan-dalàna mbola tsy voavaha izany ary ilaiko hanaovana fibebahana. Niantso ny rahalahiko aho, niala tsiny taminy, ary nangataka ny famelany, izay nomeny teo no ho eo ary tamim-palalahan-tanana tokoa. Tokony ho kely kokoa ny fahamenarako sy ny fanenenako raha toa aho ka niala tsiny tamin’ny fotoana nitrangan’ilay toe-javatra.

Nahavariana sy nisy dikany lehibe tokoa ho ahy ny tsy fanadinoan’ny Tompo izany zava-nitranga taloha elabe izany, na dia nanadino izany aza aho. Tsy mikarakara ny tenany ny fahotana na manjavona tsotra fotsiny izao. Tsy “voafafa amin’ny lamba famafana” ny fahotana eo amin’ny lamin-javatra mandrakizay. Tsy maintsy atrehina izy ireny, ary ny zavatra mahafinaritra dia noho ny famindram-pon’ny Mpamonjy, dia afaka miatrika izany amim-pifaliana kokoa sy amim-pahamaivanana kokoa isika mihoatra noho ny fanonerana mivantana ny zavatra takian’ny fahamarinana amin’ny tenantsika.

Tokony tsy ho afaka ao am-pontsika ny mieritreritra ilay fitsarana izay tsy ahitana zavatra hadino satria izany dia midika koa fa tsy hohadinoana velively izay mety ho fankatoavana, hatsaram-panahy ary fihetsika tsara natao ary tsy hosakanana ny fitahiana mifandraika amin’izany.

3. Aza Matahotra ary aoka hiandrandra ny Mpamonjy amin’ireo fanampiana ilaintsika.

Tamin’ny fotoana niatombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny dia nanoro hevitra sy nanohana an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery i Jesoa, fony izy ireo niasa tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna ary tsy ho ela dia homena ny fisoronana. 23 taona i Joseph tamin’izany fotoana izany ary 22 taona kosa i Oliver. Nisesisesy ny fanenjehana sy ireo sakantsakana mba tsy hitenenena hoe tsy tapaka izany. Tao anatin’izany toe-javatra izany, tamin’ny Aprily 1829 dia niteny ireto teny ireto tamin’izy ireo ny Tompo:

“Koa aza matahotra ry ondry vitsy; manaova soa; avelao hitambatra ny tany sy ny helo hanohitra anareo, fa raha miorina amin’ ny vatolampiko ianareo, dia tsy afaka mandresy izy ireo.

“Indro, tsy manameloka anareo Aho; mandehana ary aza manota intsony; tontosao amin’ ny fahamaotinana ny asa izay efa nandidiako anareo.

“Banjino Aho amin’ ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.

“Indro ny fery izay nandoaka ny lanivoako, ary koa ny dian’ ny fantsika amin’ ny tanako sy ny tongotro; aoka ho mahatoky, tandremo ny didiko, dia handova ny fanjakan’ ny lanitra ianareo. Amena” (F&F 6:34–37).

Ny fiandrandrana ny Mpamonjy amin’ny eritreritsika rehetra dia mazava ho azy fa fomba iray hafa hilazana fa “mahatsiaro Azy mandrakariva” isika. Rehefa manao izany isika dia tsy misy fisalasalana na tahotra. Nampahatsiahy an’i Joseph sy Oliver ny Mpamonjy tahaka ny hampahatsiahivany antsika koa fa tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany izay nataony no nanomezana Azy ny hery rehetra any an-danitra sy eto an-tany (jereo ny Matio 28:18) ary manana ny fahafahana sy ny faniriana ny hiaro antsika Izy sy hanompo antsika amin’ireo zavatra ilaintsika. Mila matoky fotsiny isika ary miantehitra tanteraka Aminy.

Talohan’ny nandraisan’i Joseph sy Oliver izany fanambarana mifono fampiononana izany dia niaina toe-javatra mafy sy nampijaly ny Mpaminany izay nampianatra azy hiandrandra ny Mpamonjy sy tsy hatahotra ireo hevitra sy fanerena ary fandrahonana ataon’ny olona.

Tamin’ny Jona 1828 dia namela an’i Martin Harris hitondra ireo pejy voalohany miisa 116 tao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Joseph izay nentiny niala tany Harmony, Pennsylvanie, mba hampisehoana ny fianakaviany tany Palmyra, New York. Taorian’ny tsy nihazonan’i Martin ny fampanantenany mba hiverina dia nanao dia maika tamin’ny alalan’ny fiara tarihin-tsoavaly ho any an-tranon-dray aman-dreniny any amin’ny Tanàna kelin’i Manchester, New York i Joseph. Niantso an’i Martin avy hatrany ny Mpaminany. Rehefa tonga i Martin dia niaiky izy fa tsy any aminy intsony ireo lahatsoratra ary tsy fantany hoe aiza no misy azy ireo.

Nihiaka i Joseph nanao hoe: “Ô ry Andriamanitro ô! … Very ny zava-drehetra. Inona no hataoko? Nanota aho. Izaho no naka fanahy ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fangatahana taminy ny zavatra izay fantatro fa tsy azoko angatahina. … Ka inona no fanamelohana tsy ho azoko avy amin’ireo anjelin’ilay Avo Indrindra?”

Niverina tany Harmony ny Mpaminany ny ampitso. Raha vantany vao tonga tany izy dia nilaza hoe: “Nanetry ny tenako tamin’ny alalan’ny vavaka mafy teo anoloan’ny Tompo aho … fa raha azoko atao ny hahazo ny famindram-pony sy hahazo famelana tamin’ireo zavatra rehetra nataoko izay nifanohitra tamin’ny sitrapony.”2

Taorian’ny famaizana an’i Joseph noho ny fahatahorany ny olona mihoatra an’Andriamanitra dia niteny taminy ny Tompo hoe:

“Indro, ianao no Joseph, ary ianao dia nofinidy hanao ny asan’ ny Tompo, saingy noho ny fandikan-dalàna, raha tsy mitandrina ianao dia ho lavo.

“Nefa tsarovy fa feno famindram-po Andriamanitra; koa mibebaha amin’ izay efa nataonao ka mifanohitra amin’ ny didy izay nomeko anao, dia mbola voafidy ihany ianao ary antsoina indray ho amin’ ny asa” (F&F 3:9–10).

“Nalain’ny Tompo teo am-pelantanan’i Joseph nandritra ny fotoana voafetra ny Orima sy Tomima ary ireo takelaka. Kanefa naverina taminy tsy ela ireo zavatra ireo. ‘Nifaly ireo anjely rehefa naveriny tamiko ny Orima sy Tomima,’ hoy ny fitantaran’ny Mpaminany, ‘ary nilaza fa nahazo sitraka tamin’Andriamanitra ny fahatokiako sy ny fanetren-tena nasehoko, ary tiany aho noho ny fibebahako sy ny fitozoako tamin’ny vavaka, izay nanatanterahako ny adidiko tanteraka ka … nahafahako niverina nanao ny asa fandikana indray.‘ Teo am-pandrosoana amin’ny fanatanterahana ity asa goavana manoloana azy ity i Joseph, dia ankehitriny nahatsapa tanjaka avy tamin’ilay fahatsapana mamy izay nandraisany ny famelan-keloky ny Tompo izy ary nanavao ny fanapahany hevitra ny hanao ny Sitrapony.”3

Ny fanapaha-kevitry ny Mpaminany ny hiantehitra amin’Andriamanitra sy tsy hahatahotra ny zavatra mety hataon’ny olona dia lasa mafy orina taorian’izany zava-nitranga izany. Ny fiainany taorian’izany dia ohatra mivaingana izay maneho ny dikan’ny hoe mahatsiaro an’i Kristy amin’ny alalan’ny fianteherana amin’ny Heriny sy ny famindram-pony. Naneho ny fahatakarana izany i Joseph nandritra ny fotoan-tsarotra nolalovany ary ny fanagadrana feno sedra tao Liberty, Missouri, tamin’ny alalan’ireto teny ireto Joseph:

“Fantatrareo ry rahalahy, fa amin’ ny fotoan’ ny tafiotra, ny sambo iray tena lehibe dia tena mahita soa lehibe tokoa amin’ilay familiana bitika izay mihazona azy amin’ ny lalany arakaraka ny rivotra sy ny onja.

“Noho izany ry rahalahy malala sy ankamamiana tokoa, aoka isika hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; ary rehefa izany dia enga anie ka hahajoro isika omban’ ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny” (F&F 123:16–17).

Raha afohezina dia ny dikan’ny hoe “mahatsiaro Azy mandrakariva” dia ny fiainantsika ny fiainana tsy amin-tahotra. Fantatsika fa ireo olana, fahadisoam-panantenana, ary alahelo dia hitranga amintsika amin’ny fotoana samihafa, kanefa fantatsika tsara koa fa amin’ny farany, vokatry ny asan’ny Mpisolovava antsika, dia hitondra soa ho antsika ny zava-drehetra (jereo ny F&F 90:24; 98:3). Izany dia ny finoana nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) tamin’ny fomba tsotra rehefa niteny izy hoe: “Hirindra ny zava-drehetra.”4 Rehefa mahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy isika dia afaka ny “hanao amim-pifaliana ny zava-drehetra takatry ny hery eo am-pelantanantsika,” ary hatoky fa ny Heriny sy ny fitiavany ho antsika dia hitsimbina antsika.

Enga anie isika hahatsiaro Azy mandrakariva—“mba hananan[tsika] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika]” (F&F 20:77). Mijoro ho vavolombelona aho amin’ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona amin’ny fisian’ilay Tompo velona sy efa nitsangana tamin’ny maty, aho. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavana tsy misy fetra sy miavaka avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ho antsika tsirairay aho, ary mivavaka mba hiainantsika ao anatin’ny fahatsiarovana tsy tapaka izany fitiavana izany amin’ny endriny manontolo.

Fanamarihana

  1. Brigham Young, “Discourse,” Deseret News, 10 Sept. 1856, 212.

  2. Jereo ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 69, 71.

  3. Enseignements: Joseph Smith, 71.

  4. Tao amin’ny lahatenin’i Jeffrey R. Holland, “President Gordon B. Hinckley: Stalwart and Brave He Stands,” Liahona, Jona 1995 edisiona manokana, 6.

Fiadanana no avelako ho anareo, nataon’i Walter Rane, nahazoana lalana avy amin’ny Church History Museum; Ilay Mofo efa Vaky, nataon’i Walter Rane

I KRISTY TAO GETSEMANE, NATAON’I Heinrich Hofmann, courtesy of C. Harrison Conroy Co.

Ny Fiaviana Fanindroany, nataon’i Harry Anderson © IRI

Nanendry ny Mason’ilay Lehilahy Jamba Izy, nataon’i Walter Rane, nahazoana lalana avy amin’ny Church History Museum