2011
Afaka Ho Fianakaviana Mandrakizay Isika
Aprily 2011


Ho an’ny Ankizy

Afaka Ho Fianakaviana Mandrakizay Isika

Ny Filoha Monson dia mampianatra fa amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka ny hiaraka indray ireo fianakaviana aorian’ny fahafatesana. Ataovy izay hiarahan’ity fianakaviana ity amin’ny alalan’ny fanarahana ireo torolalana etsy ambany.

Torolalana: Ny olona ao amin’ilay fianakaviana etsy ankavanana dia sady tafasaraka no tafasaraka amin’ny Mpamonjy noho ny fahafatesana. Manaova tahadikan’ity pejy ity, alaivo avy ao amin’ny www.lds.org, izany ka ataovy printy na manaova sary manokana hanehoana ny fomba hampiarahan’ny Mpamonjy antsika. Aforeto mankeo amin’ny tsipika tsirairay misy teboka ilay pejy mba hahatonga ny kintana eo amin’ny faran’ny pejy hifampikasika sy hanakona ny faritra matroka.