2011
Ny safidin’i Niya
Aprily 2011


Ny safidin’i Niya

Nilalao teo anoloan’ny tranony i Niya raha niantso azy hiditra ao an-trano ny nenitoany. “Niya a! Mandehana mankany amin’ny mpivarotra anana ary mividiana karaoty hatao sakafo hariva?” hoy ny nenitoany taminy.

“Eny ary e!” Hoy i Niya tamim-pifaliana. Tiany ny mandeha amin’ny toeram-pivarotana ary tiany koa ny manampy ny nenitoany.

Noraisin’i Niya ny vola nomen’ny nenitoany azy ary nandeha nidina ny lalana nankany amin’ny toeram-pivarotana teo akaiky teo izy.

“Mba hanaovy karaoty atao sakafo hariva aho,” hoy i Niya tamin’ilay mpivarotra.

Nataon’ilay mpivarotra tao anaty haron’i Niya ireo karaoty ary nolazainy vidin’izany. Natolon’i Niya ny vola.

“Inty ary ny fameriny,” hoy ilay mpivarotra raha nanolotra azy ny famerim-bola.

Nisaotra azy i Niya ary dia nandeha nody. Teny am-pandehanana dia nojereny ireo vola nomen’ilay mpivarotra azy. “Mihoatra ny famerim-bola nomeny ahy,” hoy izy nieritreritra. “Ahy izao ity vola ity!”

Kanefa dia nijanona tampoka i Niya. “Tsy ho faly amiko ny Ray any an-danitra raha toa ka maka izany vola izany ho ahy aho,” hoy ny eritreriny. “Tokony ho marin-toetra amin’ny fiteny sy ny amin’ny fihetsika aho.”

Niverina tany amin’ilay fivarotana i Niya. “Mihoatra ny vola naverinao tamiko,” hoy izy tamin’ilay mpivarotra sady naveriny ireo vola nihoatra.

Noraisin’ilay mpivarotra ilay vola. “Zazavavy marin-toetra ianao,” hoy izy. Avy eo dia nasiany paoma tao anaty harona iray ary dia nomeny an’i Niya izany. “Misaotra noho ny fahamarinan-toetranao. Mba raiso ireto paoma ireto ary hano am-pifaliana miaraka amin’ny fianakavianao.”

Nahatsapa hafanana sy hafaliana tao anaty i Niya teny am-pandehanana nody. Fantany fa nankasitraka ilay safidiny mba ho marin-toetra ny Ray any an-danitra.

Sary nataon’i Louise Parker