2011
Ny Fijaliany dia Manamaivana ny Antsika.
Aprily 2011


Ny Fijaliany dia Manamaivana ny Antsika.

Barbara Winter, Arizona, Etazonia

Amin’ny maha-mpitsabo mpanampy ahy ao amin’ny sampana fitsaboana ny zaza vao teraka dia nikarakara ireo marary aho, indraindray dia zaza tena kely tokoa. Indray alina aho dia nasaina nikarakara ankizilahy kely izay teraka 17 herinandro mialohan’ny fotoana tokony hahaterahany ary tsy nilanja afa-tsy teo amin’ny antsasa-kilao teo izy. Teny madinika ireo tanany, ny tongony dia saika nitovitovy halehibe tamin’ny ratsantanako iray ary ny tongony dia nitovy halehibe tamin’ny ankihibeko. Noho ny fahasahiranany lehibe ara-pisefoana, ireo dokotera dia tsy nihevitra fa ho velona nandritra ny alina izy.

Misy fahanginana manenika ilay sampana manontolo rehefa misy zaza vao teraka mitolona mba hiaina. Mitombo ny adin-tsaina eo amin’ny tsirairay, indrindra eo amin’ireo mpitsabo mpanampy misahana ilay zaza, ary tamin’izay alina izay dia izaho izany. Ny ray aman-dreniny dia niaraka taminy foana ny andro manontolo, saingy tena reraka izy ireo. Niverina tany amin’ny efitra nisy azy ny reniny mba hiala sasatra, izay tena nilaina tokoa.

Ilay efitra manokan’ilay zaza dia nisy fitaovana famelomana ny zaza teraky tsy ampy volana, fitaovana fijerena ny fitempon’ny fo, fitaovana manome rivotra sy ireo fantsona, izay nihazona azy ho velona. Satria tena narary izy ary tena nila fanaraha-maso be dia tsy nampiandraiketina marary hafa aho tamin’io alina io. Hipetraka eo anilany aho ny alina manontolo, ho sahirana amin’ny fanomezana fanafody azy sy ny fanaraha-maso ny fitempon’ny fo, ary ny fitsaboana sy ny fitsapana azy.

Ary raha nandroso ny alina dia niezaka ny haka sary an-tsaina ny mety ho zavatra tsapako aho raha izaho no reniny. Mety tena tsy ho zaka ny aretim-po.

Nosasako moramora ny tarehiny, nokasihako ireo tanana sy tongotra keliny, nosoloiko tamim-pitandremana izy ary dia napetrako moramora teo amin’ny firakotra vaovao. Nanontany tena aho hoe inona koa no azoko atao amin’ity marary keliko ity. Inona no mety ho nataon-dreniny? Inona no mety ho tian’ny Ray any an-danitra hataoko?

Ity fanahy kely sarobidy sy tsy manan-tsiny ity dia hiverina tsy ho ela any amin’ny Ray any an-danitra. Nanontany tena aho raha natahotra izy. Nieritreritra ireo zanako aho. Fony izy ireo kely sy matahotra dia nihira ho azy ireo aho. “Zanaky ny Ray aho” no tena tian’izy ireo indrindra. Nihazona ny ranomasoko aho ary nihira ho an’ilay zaza.

Amin’ny maha-mpitsabo mpanampy ahy dia hitako ireo fantsona sy ny ra, nanisa ny fiakarana sy ny fidinan’ny tratran’ilay zaza aho, nihaino ny fidoboky ny fony aho ary nijery ireo isa teo amin’ny fitaovana fanaraha-maso ny aretiny. Amin’ny maha-Olomasina ahy dia nahita fanahy selestialy aho ary nitolagaga tamin’ny drafitry ny famonjena.

Ary raha nandroso ny alina dia niharatsy ny fahasalamany. Farany dia nitarika azy handeha ra mankany amin’ny avokavony ny fivoaran’ny toe-tenany.

Nony maraina ilay marary keliko dia nandeha moramora niampita ny voaly. Namela ny sandrin’ny reniny izy ary “nentina nody tany amin’Ilay Andriamanitra nanome aina [azy]” (Almà 40:11).

Nanakaiky bebe kokoa ny Mpamonjy sy ny Ray any an-danitra aho io alina io. Nahatakatra bebe kokoa ny fitiavan’ny Tompo ny zanak’olombelona—sy ny fitiavany ahy aho. Nampahatsiahivina ahy, eny, notairina mihitsy aza aho ny amin’ny halalin’ny fitiavana tsapako ho Azy. Ary nahatsapa faniriana ny ho tsara fanahy kokoa aho, halemy fanahy kokoa, hamela heloka kokoa, hitsetra kokoa—hitovy bebe kokoa Aminy—isan’andro sy isaky ny fitempon’ny foko.