2011
Ny Tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana
Aprily 2011


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Ny Tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Finoana • Fianakaviana • Fanampiana

Fony vao nantsoina ny fiadidianay dia nomena loharano maromaro mikasika ny tantaran’ny Fikambanana Ifanampiana. Nandalina azy ireo tamim-bavaka izahay, tao anatin’ny faniriana te-hahafantatra ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny zavatra tian’ny Tompo hataonay. Nianatra izahay fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana araky ny nanorenan’ny Tompo azy dia ny handamina, hampianatra ary hanentana ny fanahin’ ireo Zanakavaviny mba hanomanana azy ireo amin’ny fitahiana avy amin’ny fiainana mandrakizay.

Mba hahatanterahanay ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia nandidy ny rahavavy tsirairay sy ny fikambanana iray manontolo ny Tompo mba:

  1. Hampitombo ny finoana sy ny fahamarinan’ny tena manokana.

  2. Hampahatanjaka ny fianakaviana sy ny tokantrano.

  3. Hanamaivana ny enta-mavesatra amin’ny alalan’ny fanompoana ny Tompo sy ny Zanany.

Afaka manao izany asa izany araky ny fomban’ny Tompo isika raha toa ka mikatsaka, sy mandray ary manao asa mifanaraka amin’ireo fanambarana voarain’ny tenantsika manokana. Tsy afaka ny hahita fahombiazana isika raha tsy mahazo fanambarana manokana. Raha manaraka ny fanambarana manokana isika dia tsy ho tratran’ny tsy fahombiazana. Ny mpaminany Nefia dia nanoro hevitra antsika fa ny Fanahy Masina dia hampiseho antsika ny “ny zavatra rehetra izay tokony hataon[tsika]” (2 Nefia 32:5). Tokony hamela ny tenantsika ho tony sy milamina isika mba hihainoana ny feon’ny Fanahy.

Ry rahavavy, mitana anjara toerana manan-danja amin’ny fananganana ny fanjakan’Andriamanitra sy amin’ny fanomanana ny fiavian’ny Tompo isika. Raha ny marina dia tsy ho tontosa ny asan’ny Tompo raha tsy eo ny fanampian’ny Zanakavaviny. Noho izany indrindra dia miandrandra hampitomboantsika ny fanomezana atolontsika ny Tompo. Miandrandra antsika hanatanteraka bebe kokoa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana Izy mihoatra noho ny teo aloha.

Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Avy amin’ny Soratra masina

Deoteronomia 6:5–7; Lioka 10:30–37; Jakôba 1:27; 2 Nefia 25:26; Môsià 3:12–13

Avy amin’ny Tantarantsika

Nandritra ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny 9 Jona 1842, no nampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith ireo rahavavy fa ny fikambanan’izy ireo dia “tsy hanamaivana ny fanaintainan’ny mahantra fotsiny fa hamonjy fanahy mihitsy koa.”1 Nampiavaka ny Fikambanana Ifanampiana nandritra ny vanimpotoan’ny tantarany hatrany izany fanambarana mahakasika ny tanjony ara-panahy sady ara-nofo izany. Tamin’ny 1906, ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) dia nampianatra hoe: “Ny [Fikambanana Ifanampiana] dia tsy misahana fotsiny ireo zavatra ilain’ny mahantra, sy marary ary ny mila fanampiana, fa ampahany amin’ny adidin’izy ireo koa—izay tena ampahany lehibe, ihany koa—ny mikarakara ny mahasoa ara-panahy sy ny fanavotana an’ireo reny sy zanakavavin’i Ziona; hanara-maso fa tsy misy hohadinoana izy ireo, ka ho voaro amin’ny fahoriana, antambo, sy amin’ireo herin’ny maizina ary ny faharatsiana izay mandrahona azy ireo eto amin’izao tontolo izao izy ireo.”2 Tamin’ny 2001 ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra fa: “Ny rahavavy tsirairay ato am-piangonana izay nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo dia manana andraikitra masina hanampy amin’ny fanavotana ny fanahy, ho mpitarika ireo vehivavin’izao tontolo izao, hampahatanjaka ny tokantranon’i Ziona, ary hanangana ny fanjakan’Andriamanitra.”3

Fanamarihana

  1. Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 5:25.

  2. Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith (1998), 185.

  3. M. Russell Ballard, “Women of Righteousness,” Liahona, Des. 2002, 39.

Sary NALAIN’I Christina Smith