2011
Rebecca Swain Williams: ‘Mafy Orina sy Tsy Voahozongozona’
Aprily 2011


Rebecca Swain Williams: Mafy Orina & Tsy Voahozongozona

Na dia teo aza ny fankahalan’ny fianakaviany ny Fiangonana dia nijanona ho mahatoky sy nanolo-tena tamin’ny asa ity olona niova fo fahiny ity.

Tamin’ny volana Jona 1834 dia nisy reny vao herotrerony iray izay niatrika fandrahonana avy tamin’ny rainy fa tsy ho raisiny ho zanany intsony nanoratra taratasy feno fahasahiana sy mampihetsi-po izay nizarany ny fahareseny lahatra mahakasika ny Famerenana amin’ny laoniny. Na dia fantany tsara aza fa tsy hampiova ny sain’ny rainy na dia kely akory aza izany dia nijoro ho mafy orina i Rebecca Swain Williams na dia teo aza ny vokatra mety aterak’izany. Nolazainy tamin’i Isaac, rainy, fa marina ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fiangonana, tahaka ny namaritan’ny Mpaminany Joseph Smith azy, ary izy dia nandre ireo Vavolombelona Telo “nilaza tam-pahibemaso fa nisy Anjely Masina iray nidina avy tany an-danitra ary [nitondra] ireo takelaka, ary namelatra izany teo imasony.”1

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Rebecca dia tsy nampihetsi-po fotsiny noho ny hery nentiny fa koa noho izany tsy voahozongozona sy ny faniriany tsy rava. Na dia teo aza ny fandavan’ny rainy sy ny fialan’ny vadiny, Frederick G. Williams, tamin’ny Fiangonana nandritra ny fotoana iray dia tsy namela na oviana na oviana ny finoany hihozongozona i Rebecca. Noho izy tsy nety trotraka sy tsy voasarika hiova dia toy ny ohatra ho antsika amin’izao andro izao i Rebecca amin’ny fomba hijanona ho mafy orina manoloana ireo fanamby lehiben’ny fiainana, eny fa na dia misy mandà ny finoantsika sy manosinosika antsika aza ireo olona akaiky antsika.

Fiovam-po ato am-piangonana

Teraka tao Pennsylvanie, USA, tamin’ny taona 1798 i Rebecca Swain ary faravavy tamin’ireo zaza 10.2 Fony izy sivy taona dia nifindra tany Niagara, akaikin’ny sisin-tanin’i Etazonia–Kanada ny fianakaviany. Teo akaiky kelin’ny Toby Niagara tokoa izy ireo hany ka afaka nandre ny tifitifitra nandritra ny fanafihana izany toby izany nandritra ny Ady tamin’ny 1812. Na dia mbola zazavavikely aza i Rebecca dia efa nampiseho ny tsy fahatahorany. Indray mandeha raha nandeha tany an’ala irery izy dia nifanena tamin’ny bera teny an-dalana. Nisy elo teny an-tanany ka iny no nosokafany sy nakombony matetitetika nataony teo amin’ny tavan’ilay bera ka nitsoaka ity farany.3

Rehefa feno 17 taona i Rebecca dia namakivaky ny Farihin’i Ontario izy mba hamangy ny rahavaviny tany Detroit. Nandritra ny diany no nifankahitany tamin’i Frederick Granger Williams, lehilahy mpanamory sambo izay lava sy matromatroka maso. Vetivety dia niova ho fitiavana ny fihaonan’izy ireo matetika, ary dia nivady izy roa tamin’ny faraparan’ny taona 1815. Nifindra nanodidina ny Toeram-pialofana Andrefana lehibe teo Ohio, USA ry Williams talohan’ny nipetrahany tanteraka tany Kirtland nanodidina ny taona 1828. Nanaraka fianarana mitsabo ny vadiny ary lasa fantan-daza noho ny fahaiza-manaony, ary i Rebecca kosa dia nianatra ny nanampy azy teo am-panatontosana izany. Nanan-janaka efatra izy ireo.

Tamin’ny taon-dririnin’ny 1830 no nahatongavan’ny misiônera Môrmôna voalohany tao Kirtland. Nihaino azy ireo tamim-pahalinana tokoa i Rebecca ary nanatrika ny fivoriana rehetra nataon’ireo misiônera ireo. Nentiny hatramin’ny zanany mihitsy. Nanatrika ihany koa i Frederick rehefa mamela azy hanao izany ny asa fitsaboana nataony. Nandalina niaraka izy roa, nifanakalo hevitra ary niara-nianatra saingy tsy dia nihazona loatra ny fanoloran-tenany i Frederick. Nandritra izany anefa dia resy lahatra amin’ny fahamarinan’ny filazantsara i Rebecca.

Namaritra an’i Rebecca ho toa an’i Eva tao amin’ny Sahan’i Edena ny mpanoratra ny tantaram-pianakaviana iray taty aoriana: izy no “voalohany nahita ny antony ilana” ny firosoana amin’ny firotsahana tanteraka amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara.4 Natao batisa tamin’ny Ôktôbra 1830 izy.

Mbola nisalasala kosa i Frederick. Indraindray dia te-hiala ny Fiangonana izy kanefa amin’ny farany dia tsy afaka izy satria mahatsapa ho voasinton’ilay boky soratra masina izay vaovao sy masina hiverina, dia ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa niasa taminy ny Fanahy dia nahafantatra ny fahamarinan’ny filazantsara ihany izy ka dia nanaraka ny ohatra nataon’i Rebecca tamin’ny nahavitany batisa.

Asa Fanompoana feno fanoloran-tena

Rehefa nanomboka lasa ivon’ny fiainan’i Frederick sy Rebecca ny Fiangonana dia hita avy hatrany fiantraikan’izany teo amin’ny fianakavian’izy ireo. Naroso ho loholona i Frederick taorian’ny batisany sy ny fandraisana azy ho mpikambana. Ny ampitson’iny avy hatrany dia nanaiky tamim-pahavitrihana andraikitra mba handeha mandritra ny herinandro vitsivitsy hitory ny filazantsara hiaraka amin’i Oliver Cowdery izy. Noeritreretin’izy ireo fa haharitra telo herinandro ilay fanaovana iraka. Raha ny marina anefa dia naharitra 10 volana ny dia hatrany Missouri. Izany fotoana lava tsy nahateo an-tokantrano azy izany no voalohany tamin’ireo fotoana maro toy izany ho an’i Rebecca. Noho ny asa fitoriana ny filazantsara nataon’i Frederick sy ny antsony tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia tsy teo matetika izy. Toy ireo vehivavy Môrmôna fahiny dia nandany volana maro nikarakarana ny tokantranony sy nitaizana ny zanany irery tsy nisy ny fanampian’ny vadiny azy i Rebecca.

Na dia teo aza izany asa izany dia nanohy tamim-pinoana sy nanompo tamin-tsitrapo i Rebecca. Nisy fotoana nipetraka tao an-tokantranon-dry Williams ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fianakaviany tamin’ny fotoana nifindrany voalohany tao Kirtland. Naneho ny fahatokiany tamin’ny Mpaminany sy ny fianakaviany i Rebecca teo am-pikarakarana azy ireo nandritr’izany fotoan-tsarotra izany. Rehefa nisy mpihetraketraka tonga ary nanodidina ny trano nikaroka an’i Joseph, dia novain’i Rebecca endrika tamin’ny alalan’ny fanasatrohana azy tamin’ny satrony sy ny palitao lavany i Joseph. Afaka nivoaka ny trano ary nanivatsiva soa aman-tsara ireo olona i Joseph.

Tamin’ny volana Marsa 1832, dia mbola nanampy indray ny Mpaminany i Rebecca rehefa nanafika ny toeram-pambolena sy fiompian’i John Johnson tao Hiram, Ohio ireo mpihetraketraka ary nikasi-tanana tamin’ny fomba mahery vaika an’i Joseph Smith sy Sidney Rigdon. Taorian’ny nikapohana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Sidney sy niezahana nampidinana poizina tao an-tendan’i Joseph, dia nosoran’ireo mpihetraketraka tara sy volon’akoho ny Mpaminany. Rehefa nahita ny vadiny i Emma Smith dia nieritreritra izy fa rà ireo tara ka dia safotra izy.5 Nandany ny alina manontolo i Rebecca sy Frederick nanala ny tara tamin’ny vatan’i Joseph izay nandeha ra sy naradratra ary nikarakara ny zanaky ry Smith. Nanampy tokoa ny fikarakaran’izy ireo, satria ny ampitso maraina dia efa nahazo tanjaka i Joseph hitory ny filazantsara.

Fizarana ny Filazantsara amim-pinoana

Ny iray tamin’ireo fanantenana lehibe nananan’i Rebecca dia ny haneken’ny fianakaviany, indrindra ny rainy, ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy handraisany ireo fitahiana mahafaly avy amin’ny finoana. Toa an’i Lehia, dia nahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra izy ary naniry ny hizara izany amin’ireo olona akaiky azy (jereo ny 1 Nefia 8:12). Tao anatin’izany finoany izany no nanoratan’i Rebecca tamim-pientanentanana ny fianakaviany mikasika ny fiovam-pony sy ny fijoroany ho vavolombelona sy ny fifaliana lehibe tsapany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy.

Na dia izany aza dia nampiakatra ny hatezeran’ny rainy ny fiovam-pon’i Rebecca. Namaly tamin’ny teny vitsy ny rainy ary nangataka ny fialany amin’ny Fiangonana. Tsy nihemotra anefa i Rebecca. Namaly izy, araky ny filazan’ny mpanao tantaram-pianakaviana azy, fa “mafy orina kokoa noho ny taloha izy teo amin’ny fahareseny lahatra mikasika ny fahamarinan’ireo fotopampianaran’ny Môrmôna” ary niaraka tamin’izany koa ny fijoroany ho vavolombelona manokana izay matanjaka.6 Tamin’alahelo tokoa no naharava ny fanantenany satria tsy nitondra vokatra izany taratasiny izany. Nandrahona azy ny rainy fa tsy ho raisiny ho zanany intsony izy ary nianiana fa tsy hifandray aminy intsony raha tsy miala ny Fiangonana izy.

Kanefa tsy nihemotra i Rebecca ary nanohy ny ezaka amin’ny fitoriana ny filazantsara. Tamin’ny 1834 dia nanoratra taratasy iray hafa izy—izay hany sisa tafajanona—ho an’ny rainy, nanambarany ny halalin’ny finoany sy ny alahelo tsapany noho ny fandavan’ny rainy ny zavatra mahakasika ny Môrmôna.

Namaky tatitra an-gazety mikasika ny Fiangonana ny rainy, indrindra mahakasika ny Bokin’i Môrmôna sy ny teny vavolombelon’ireo Vavolombelona Telo ary nanandrana nandresy lahatra an’i Rebecca avy tamin’ireo tantara ireo.

“Mampalahelo ahy ny mandre fa manahirana ny sainao ny mahakasika ny Bokin’i Môrmôna,” araky ny nosoratany. Nizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna i Rebecca tamin’ny alalan’ny filazana ny soratra masina avy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy avy tamin’ny fanambarana vaovao navoakan’i Joseph Smith. Nanazava ihany koa izy fa ilay boky dia naminany momba ny fisafidianana ireo vavolombelona telo izay hijoro ho vavolombelona mikasika izany. Ho fanaporofoana izany dia nindrana ny tenin’ny mpaminany fahiny Etera izy, izay nilaza fa “amin’ny vavan’ ny vavolombelona telo” no “hampiorenan’ny fahamarinan’ilay boky (Etera 5:4).7

Nofaritan’i Rebecca avy teo ny fomba nihaonany mivantana tamin’ireo Vavolombelona Telo ireo—dia i David Whitmer, Martin Harris, ary i Oliver Cowdery—sy nahenoany azy ireo nijoro ho vavolombelona momba ny fahitany anjely iray sy ny takela-bolamena. Taorian’ny niarovany ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo sy ny amin’ny toetrany dia nanentana ny rainy izy mba hanadihady bebe kokoa mikasika ity asa ity. Satria nanoratany ny rainy hoe “raha fantatrao sy neny ny toe-java-mitranga tahaka ny fahafantaranay izany raha ny mahakasika ity asa ity, dia resy lahatra aho fa hino izany ianareo.”8

Raha namerina ny fampanantenan’i Môrônia ao amin’ny fiafaran’ny Bokin’i Môrmôna i Rebecca dia nangataka ny fianakaviany mba hangataka an’Andriamanitra mba “hanazava ny sain’[izy ireo] amin’ny lalan’ny fahamarinana.” Avy eo dia nanomana handefa misiônera “afaka mampianatra ny Filazantsara toy ny tamin’ny andron’i Jesoa” izy, mba hanampy azy ireo bebe kokoa.9 Nefa tsy nitondra na inona na inona teo amin’ny rainy izany.

Na dia ny taratasy nalefany ho an’ny anadahiny John aza—izay akaiky indrindra amin’i Rebecca—dia niverina tsy nosokafana akory. Tao ambadiky ny iray amin’ireo taratasy dia nosoratan’i John hoe: “Noferan’i Dada tsy hamaky ny taratasinao aho sy tsy hanoratra any aminao. Veloma ary hitahy anao hatrany anie Andriamanitra. Ny anadahinao, John.”10

Na izany aza dia nahomby teo amin’ny zokiny vavy Sarah Swain Clark asa fitoriana nataon’i Rebecca. Lasa mpikamban’ny Fiangonana tany Michigan tamin’ny 1832 i Sarah. Lasa mpikamban’ny Fiangonana ihany koa ireo zanakavavin’i Sarah ary nahatoky nandritra ny androm-piainan’izy ireo.

Mahatoky hatramin’ny Farany

Tian’i Rebecca foana ny rainy na dia teo aza ny ratram-po sy alahelo tsapany vokatry ny safidin’ny rainy. Nanoratra izy hoe: “Malahelo ny foko amin’ny fifandraisako eo amin’ny ara-nofo. … Mivavaka aho mba hampaherezan’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahiny ianao ho amin’ny andronao sisa ary enga anie izany ka ho isan’ireo androm-piainanao tsara indrindra. … Manantena aho fa hanaiky ity asa ity ihany ny sainao atsy ho atsy. Aza manahy fa mahatsapa fiorenana tsara amin’ity asa ity izahay noho ny fahafantarana fa ny Tompo no mitarika izany.”11

Tsy vitan’ny niatrika fotsiny ny tsy finoan’ny rainy i Rebecca fa koa niatrika ny olana nananan’ny vadiny amin’ny fanoloran-tenany amin’ny finoana. Nandritra ny taona 1837 sy 1838, i Frederick, vadiny, izay mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nanana olana matetika tamin’ireo mpitondra hafa tao am-piangonana. Nisy fotoana niala ny Fiangonana mihitsy izy ary koa noroahina. Na izany aza, tsy dia ela taty aoriana, dia nanetry ny tenany i Frederick, ka niverina tao am-piangonana indray, ary nodimandry tao anatin’ny naha-mpikambana feno azy. Tsy manana ny firaketana mikasika ny fahatsapan’i Rebecca tamin’izany fotoana izany izahay, kanefa tsy nanenina tamin’ny fiarahany tamin’ireo Olomasina izy ary nijanona ho mahatoky.

Rehefa tonga tany am-poton-tsofin’i rain’i Rebecca tany New York ny resadresaka mahakasika ny fialan’i Frederick dia nanantena i Isaac rainy fa hiala amin’izany finoana izany koa i Rebecca. Kanefa dia nandefa taratasy ho azy naneho ny fijanonany ho mahatoky i Rebecca. Taorian’ny namakiany ny valin-teniny dia nanozongozona ny lohany tsimoramora i Isaac sady niteny hoe: “Tsy mba misy teny iray miendrika fibebahana akory.”12

Nanohy niaro tamin-kery an’i Joseph Smith sy ny famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana i Rebecca. Ary na dia teo aza ireo fahafoizan-tena natrehany vokatry ny fisafidianany ny Fiangonana mihoatra noho ny safidin-drainy dia nanaja azy hatrany i Rebecca. Nohajainy hatrany ny zavatra nampianarin-drainy azy ary naneho fitiavana sy fankasitrahana ho azy hatrany izy. Nofaranany arak’izao ny taratasy nosoratany tamin’ny 1834 izay maneho fa izy dia “hahatsiaro lalandava ny fampianarana … izay voaraiko avy tamin’ny Raiko malalako.”13

Tamin’ny taona 1839 dia maty ny rain’i Rebecca. Telo taona taty aoriana dia nandao azy koa ny vadiny. Na dia teo aza izany fotoan-tsarotra mangidy izany dia naharitra tamim-pinoana sy tamin-kerim-po i Rebecca. Rehefa nifindra niankandrefana ho any Utah ny Olomasina, dia nanao ny dia niaraka tamin’ny fianakavian’ny zanakalahiny Ezra izy ary nitarika ny vondrona nisy azy manokana. Taty aoriana dia nikarakara ny toeram-pambolena sy fiompiana tao Mill Creek izy. Rehefa tontosa ny fananganana ny Tabernakelin’i Salt Lake ary nasaina hanolotra izay azony atolotra ny Olomasina dia nanolotra sotro volafotsy karazany maromaro mba hampiasaina hanaovana vilia be fandrosoana sakafo ho an’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo izy. Ary farany tamin’ny 1860, na dia efa reraka aza izy, dia mbola nifindra tamin-tsitrapo indray, rehefa niantso ny fianakaviany hanorom-ponenana any Cache Valley, Utah, ny Filoha Brigham Young—izay mbola nitarihany ny vondrony manokana.

Maty tany Smithfield, Utah tamin’ny 25 Septambra 1861 i Rebecca. Nifikitra tamin’ny finoany sy ny fahalalany ny fahamarinana, ary ireo zavatra niainany izy. Nitoetra ho “mafy orina sy tsy voahozongozona” hatramin’ny farany izy (Môsià 5:15).

Fanamarihana

  1. Rebecca Swain Williams to Isaac Fischer Swain, 4 Jona 1834, Church History Library, Salt Lake City.

  2. Ny fampahalalana mikasika ny tantaran’ny olona dia avy amin’i Nancy Clement Williams, Meet Dr. Frederick Granger Williams … and His Wife Rebecca Swain Williams: Read Their True Story in the First Introduction—after 100 Years (1951); sy ny Frederick G. Williams, “Frederick Granger Williams of the First Presidency of the Church,” BYU Studies, boky 12, lah. 3 (1972): 243–61.

  3. Williams, Meet Dr. Frederick Granger Williams, 5.

  4. Williams, Meet Dr. Frederick Granger Williams, 55.

  5. History of the Church, 1:263.

  6. Williams, Meet Dr. Frederick Granger Williams, 63.

  7. Jereo koa ny taratasy nosoratan’i Rebecca Williams tamin’ny 4 Jona 1834.

  8. Taratasy nosoratan’i Rebecca Williams tamin’ny 4 Jona 1834.

  9. Taratasy nosoratan’i Rebecca Williams tamin’ny 4 Jona 1834.

  10. Tao amin’i Williams, Meet Dr. Frederick Granger Williams, 63.

  11. Taratasy nosoratan’i Rebecca Williams tamin’ny 4 Jona 1834.

  12. Taratasin’i George Swain, 17 Mar. 1839, typescript, Church History Library, Salt Lake City.

  13. Taratasy nosoratan’i Rebecca Williams tamin’ny 4 Jona 1834.

Sary nataon’i Richard Hull