2011
Izany Rehetra Izany dia Mitahy Ahy
Aprily 2011


Manompo ao amin’ny Fiangonana

“Izany Rehetra Izany dia Mitahy Ahy”

Rehefa Asabotsy ny andro dia ho hitanao somokotra miasa ao an-dakozian’ny tokantranony any Puerto Madryn, eo amoron’ny Golfe de Nuevo any Argentine any amin’ny Faritanin’i Chubut i Elvira Guagliarello.

Mamatra ny lafarinina sy ny rano izy ary avy eo dia manakatra ireo zavatra rehetra ilaina hanamboarana mofo. Tsy miteny firy izy rehefa miasa fa miteny ho azy ny asany ataony. Izy rahateo dia eo amin’ny fanompoana ny Tompo.

“Manana fahatsapana tsara aho satria fantatro fa manao zavatra tsara aho,” hoy ny Rahavavy Guagliarello eo am-pifangaroana ireo zavatra ilaina amin’ny fanaovana mofo. Mieritreritra ny Mpamonjy izy rehefa miasa, ary faly miaraka amin’ny eritreritra fa ny vokatry ny asany dia hanampy ny mpikamban’ny Fiangonana hafa hahatsiaro Azy.

Rahavavy Guagliarello, izay 82 taona dia mahita fifaliana amin’ny fanompoana amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano azy sy amin’ny fanampiana eo amin’ny fitarihana hira ao amin’ny paroasiny ary amin’ny fanamboarana mofo ampiasaina amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo—antso iray izay nandrianiny nandritra ny 10 taona teo. Manamboatra mofo ho an’ny tenany izy mandritra ny fiandohan’ny herinandro, saingy manokana fotoana hanaovana mofo “ho an’ny Fiangonana manokana” izy rehefa Asabotsy, araka ny teniny. “Hoy aho amin’ny tenako, ‘Mila manao mofo aho, ary mila mandeha any am-piangonana.’ Te hahomby aho.”

Noho ny fahasalamany izay mamela azy hanao izany dia mankany amin’ny tempoly koa izy,—izay hanaovany dia maharitra 20 ora isan-taona mankany amin’ny Tempolin’i Buenos Aires Argentine.

“Ny Rahavavy Gualgliarello dia faly mandrakariva ny manompo amin’izay fomba rehetra azony atao,” hoy ny evekany Jesús Santos Gumiel. “Ny mpikambana ao amin’ny paroasy dia mahafantatra fa afaka matoky azy izy ireo. Na dia eo aza ny taonany dia mahatoky izy amin’ny fanomanana ny mofo isaky ny Asabotsy ary amin’ny fahatongavana ao am-piangonana isaky ny Alahady. Ohatra tsara izy.”

Ny Rahavavy Guagliarello dia nihaona tamin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno tamin’ny taona 1962 tany Mar del Plata, atsimon’i Buenos Aires raha niasa tao amin’ny akany fandraisam-bahiny izay nipetrahan’izy ireo izy. Rehefa nahita azy ireo nandondom-baravarana izy 15 taona taty aoriana, taorian’ny nifindrany tany Puerto Madryn dia nandray ireo fampianarana sy natao batisa ary dia nanomboka ny fiainam-panompoany tao amin’ny Fiangonana.

Ankehitriny dia mipetraka irery izy saingy tsy mahatsiaro ho manirery. Manana ny soratra masiny sy ny fianakaviany ao amin’ny paroasy izy ary dia mifandray matetika amin’ny Ray any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka. Ankoatr’izany dia manana ny Fanahy ho namana izy, izay nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay manompo Azy amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa.1

“Izany rehetra izany dia mitahy ahy,” hoy ny Rahavavy Guagliarello miaraka amin’ny tsiky. “Mampiasa antsika ny Fiangonana ary dia mahafaly ahy izany. Nahita fifaliana hatrany aho nanompo ny Raintsika any an-danitra.”

Elvira Guagliarello

Ambony: sary nalain’i Michael R. Morris